02 novambra
Fahatsiarovana ny maty rehetra
- Vakiteny I :
Job 19, 1.23-27a na 2 Mak 12, 48-46 na Iz 25, 6a. 7-9 Dan 12, 1-3 na Fah 3, 1-9 - Salamo:
Sal 26 na Sal 41, 3.4.5bde na Sal 38, 10.14.16 Sal 42, 3-5 na Sal 27, 1.4.7.8.9.13-14 - Vakiteny II :
Rom 5, 5-11 na 2 Kor 5, 1.6-10 na Fan 14, 13 na Fan 21, 1-5a na Rom 6, 3-9, - Evanjely :
Jo 6, 37-40 na Jo 14, 1-6 na Jo 17, 24-26 na Jo 11, 21-27 na Mt 5, 1-12 na Mt 25, 31-46,
Misy lamesa 3 azo isafidianana moa ny amin’ny rahampitso. Famondronana ny hevi-dehibe avy amin’ny vakiteny ankalazana izany no ataontsika eto. Tsara ho marihina fa tsy mitovy ny Vakiteny voalahatra ao amin’ny kalandrie litorjika sy ny Boky Alahady sy Andro fety sy ny Boky Sorona Masina andavanandro, ary na ny amin’ny isam-pirenena koa aza (Italia, France) dia samihafa ny Vakiteny voalahatra.
Misy ve ny lanitra?
Manoloana ny zava-misy diavintsika izao, ny hamafin’ny fiainana etsy andaniny, ny hasarotan’ny fitandremana mba hadio fitondrantena etsy an-kilany, dia manontany tena aho hoe : “Misy ve izao lanitra izao?”
Ny Tantaran’ilay Ray be fitiavana sy ireo zanany roalahy lazain’i Lioka no entiko mandinika izany (Lk 15). Lazainy fa ilay zanaka mpandany, nangataka ny anjara lovany mba hiala ao an-tranon-drainy. Mazava loatra fa ny mangataka lova mbola velona izany, hafahafa ihany satria toa milaza amin-dRainy hoe : “tsy misy ilako anao ra-Bainina fa omeo ny saosy dia samy vita”. Tsy miditra amin’ny resaka lalàna na amin’ny mety ho fihetsiky ny Rainy aho, fa te hanisy tsindrim-peo kosa amin’ny fihetsiky ny zanaka nitsipa-doha laka-nitana.
Dia lasa ilay zatovo nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna. Tsy nivaky loha ny hihary ka niafara tamin’ny fiandrasana kisoa. Dia teo vao nody ny sainy, teo vao tsapany fa kay tsy niteniteny foana ny Ntaolo nilaza hoe “Velezo ny vy dieny mbola mafàna”, na hoe “Mitsangàna dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony”. Entina ilazàna indrindra ity toetra izay tsy mba nitsinjo ny vodiandro ho merika … satria leon’ny asa sy ny irakiraka tao an-tranon-dray kanjo voan’ny tsy fidiny any an-tany lavitra.
Dia tapa-kevitra ny hody, satria toa tsaratsara kokoa ny an-devo ao an-tranon-drainy noho ny mpiasa any an-tranon’olona…
Dia niverina tany an-tranony… ary mbola lavitra dia notsenain-dRainy, ary nampiankanjoiny, nokiraroiny ary nasiany peratra ny tanany. Ny kiraro dia mariky ny maha-olona afaka satria ny andevo tsy nikiraro, ny peratra dia mariky ny fiombonana amin’ny fianakaviana araka ny fomban-tany tamin’izany, manambara ny maha-zanaka afaka manapaka indray ny momba ny tranon-drainy. Tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo fa ny fahotana sy ny hadalàna tsy nalana ny zo maha-zanaka azy ary tsy naharava ny roim-pianakaviana…karazana ala faditra izany amin’ny kolotsaina malagasy…
Fa ny tena loza dia ity : kay ilay zokiny koa tsy faly amin’ny rainy fa tsy sahy niala tao an-trano fotsiny : “izaho nanompo anao teto foana nefa tsy avelanao miara-mirevy hiaraka amin’ny namako akory…” Fialonana ve? Zavatra mahazo antsika matetika izany, heveriko fa tsy izay loatra no tian’i Jesoa holazaina… Tsy hoe sanatria tsy mandrava ny maha-zanaka ny hadalana vita, ka andeha hanararaotra hanao izay danin’ny kibo koa ilay zokiny… Ny lanitra ho Azy, izany hoe ny fahasambarana, dia ny mitoetra ao an-tranon-dray, na dia lanaky ny asa sy ny fanompoana aza, kanefa mahatsiaro fa zanaka…
Ny faratampon’ny fahasambarana ho an’ny Kristianina dia ny mahatsapa fa “zanak’Andriamanitra”. Sady i Jesoa no nilaza fa ny Fiainana mandrakizay dia ny “mahalala an’Andriamanitra ilay tokana – ilay Rain’i Jesoa Kristy– sy Jesoa Kristy ilay nirahiny.” (Jn 17,3)
Dia samia ary mandini-tena izay milaza ho mpikatsaka ny fanjakan’ny lanitra raha mahatsapa izany fahasambaran’ny maha-zanaka izany, na sanatria ho toa ilay zokiny, tsy te hiala ny tranon-dRainy nefa mahatsiaro tena ho mitovy amin’ny andevo…
Ny fahasarotan’ny Fiainana ve manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra? Ataoko fa tsy fandemen-tsaina velively ny mikatsaka fahasambarana. Efa natoron’i Kristy antsika ny lalana ho amin’izany fahasambarana izany : ny Fitiavana izay manosika antsika hiarina mandrakariva raha sendra lavo, manakana antsika tsy hivari-lavo… ilay fitiavana manampy antsika hahita mandrakariva ny endrik’Andriamanitra tsy azo kosehina ao amin’ny olon-drehetra, eny fa na dia ao amin’ireo heverin’ny fiaraha-monina ho fahavalom-pirenena aza.
Mampalahelo anefa fa maro no mitalaho amin’ny Tompo ny famindram-pony fa vitsy no mahazo ny famindram-po avy Aminy satria tsy sahy nanokatra ny fony mba hino fa azo atao tsara ny mibebaka. Misy oha-bolan’ny Ntaolo hoe : ny tanana zatra mitsotra tsy afaka mivonkona intsony… heveriko fa ho an’ny Kristianina mino ny lanitra tsy marina izany… Ho an’izay mino ny fibebahana tsy afaka hanameloka ny hafa amin’ny fahazaran-dratsiny. Tsarovy fa ny fitiavana ihany no mampiova ny fo… izay mahatsapa fa tiana no afaka mibebaka. Fa afaka mino ny fibebahana ve izay mbola tsy voakasiky ny fitiavana? …Efa tsapanao nahakasika anao ve ny Fitiavan’Andriamanitra sa sanatria mbola ilay zoky… tsy sahy mandao ny tranon-dray fa manakana koa ny hafa tsy himpody an-tranon-dray????….
Nahoana no tsaroana ny maty?
Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io, saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika, indrindra any Eoropa amin’ny fivarotana voninkazo haterina eny amin’ny Fasana.
Tsy hojerena mandrakariva amin’ny lafiny ratsy anefa ireny fanararaotana ireny, fa ny mahalasa ny saiko dia hoe : nahoana kosa ny kristianina no tsy mba manararaotra ny fety hampielezana ny Finoany?
Araka ny tantatra ( Il santo del giorno di Mario Sgarbossa sy Luigi Giovannini, Ed. Paolini 1986 Torino) dia tamin’ny 998 no tena nielezan’ity fomba ity tao amin’ny monastera benediktina teo ambany fifehezan’ny Lehibe tao Cluny, Md Odilon, ary tafaely hatrany Roma tamin’ny taona 1311 tany ho any. Ny Papa Benoit 15 no nametraka azy ho fahatsiarovana ho an’ny Fiangonana manontolo tamin’ny taona 1915, indrindra mba hahatsiarovana ireo rehetra lavo noho ny ady lehibe I.
Tsy azo adino aloha fa mahatsiaro ireo ny nodimandry ny Katolika isaky ny Sorona Masina, ankoatra ny Fanolorana Sorona Masina ho an’ireo nodimandry. Araka izany, raha Fisaorana an’Andriamanitra no hevitry ny hoe “Eokaristia” dia miainga avy amin’izay ny toe-tsaina enti-mahatsiaro ny maty : “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra” (1 Tes 5, 16-18). Tsy hoe mahafaly antsika ny fahafatesan’ny havana sanatria fa kosa fiekentsika fa tsy tompon’ny aina isika, Andrimanitra irery no Tompon’ny aina ka hainy ny hamerina izany araka ny famindram-po izay efa nosantariny tao amin’ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Araka izany, ny vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’ny maty, dia mitory finoana lalim-paka ny amin’ny fiainana any an-koatra. Miaraka amin’ny fety ankalazaina ny 1 novambra, ny olomasina rehetra, dia izay no mandrafitra ny Fiangonan’i Kristy : Ny Eglizy mifaly (ireo efa tafita any an-danitra), ny Eglizy mijaly (ireo mbola manefa ny sazim-pahotana) ary ny Eglizy Mpivahiny mahatsiaro fa mpindrana ny aina am’ity tany fandalovana ity.
Raha mivavaka ary isika mba ho tafita soa any an-danitra ireo havantsika, tsy azontsika atao ny tsy hiezaka ho mendrika ny lanitra koa, satria raha tsy izany, izy ireo ho tonga any ary isika ho very, dia vao mainka ho tafasaraka mandrakizay amin’ireo havantsika nodimandry isika.
Ny Hasambaran’ny lanitra
Ny fahatsiarovana ny havana nodimandry dia tsy famohazana fota-mandry tsy akory fa kosa fanamafisana ny finoana fa misy ny lanitra. Isika mivahiny ety an-tany, voaantso ho masina, voaantso ho sambatra (Evanjely Mt 5, 1-12) dia antsoin’i Kristy hahatsapa ny hasarobidin’ny Fiainana… “Tonga aho, hoy izy, mba hahananareo ny Fiainana, ary mba hananananareo azy amin’ny hafenoany” (Jn 10, 10). Tsy mora anefa ny hanome heviny ny fijaliana : fahantrana, fandeferana ny tsy rariny, fitomaniana, hanohanana sy hetaheta… Tsy mora toy izany koa ny hitandrina ny hadiovam-po, ny hamindra fo amin’ny fahavalo sy ny rafy…
Kanefa tohin’ny Evanjely henointsika tamin’ny alahady faha-30 D, sarotra ho an’ny mpanakarena ny hiditra amin’ny fanjakan’ny Lanitra (Lk 18, 24), saingy kosa “Izay tsy azon’ny olona atao, dia azon’Andriamanitra atao” (v. 27). Izay fahefan’Andriamanitra entiny maneho ny indrafony izay no ankalazaintsika amin’ny andro anio : ny voninahitry ny olomasiny. Tsy kivy isika, satria ampian’ny vavaka ataon’ireo nialoha lalana antsika, dia manavao ny toky fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao, ampy ho toky hihatrehantsika ny fahasarotan’ny fandavorarian-tena ny fahasoavany.
Ny fety fankalazana ny Olomasina sy ny fahatsiarovana ny nodimandry dia tsy afa-misaraka. Ny fanajana ireo olom-boavonjy dia hahatsapantsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika zanany (vakiteny II 1Jn 3, 1-3) dia tokony hampiredareda ny faniriantsika ny lanitra. Dia zary fiononana ho antsika koa ho an’ireo nodimandry havantsika, satria mamoha fanantenana vaovao ny hihaonantsika aminy indray rehefa avelan’Andriamanitra ny sazim-pahotany.
Iza no hiakatra ny vohitry ny Tompo? Iza no honina ao an-dapany? (Salamo 23) Izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mianiana hahavoa ny namana… Mifameno ny hitsi-po sy ny tanana madio (hitsi-piainana) : tsy ampy ny mieritreritra hanao ny tsara, ilaina ny miezaka manatanteraka izany eo amin’ny fiainana; toraka izany koa, ny fo ho enti-manao zavatra no mampitombo hasina ny zavatra atao : mety ho filan-dera ihany manko fa tsy natao am-pitiavana… tadidio ny antsa ho an’ny fitiavana nataon’i Paoly (1Kor 13) : na atolotro ho dorana hatramin’ny tenako… nefa tsy manam-pitiavana aho dia zava-poana ihany izany.
Ndeha ary samy hiezaka amin’izany satria tsy misy heviny ny fivavahana ho an’ny maty raha sanatria ka ataontsika tsirambina ny fanamasinantsika tena, satria raha hivavahantsika ho any an-danitra ny havantsika nodimandry nefa isika tsy te ho any, moa mba misy heviny ve izany???