1 novembre Fankalazana Manetriketrika ny Olontsambatra rehetra
- Fanambarana 7, 2-14
- Salamo 23
- 1 Joany 3, 1-3
- Md Matio 5, 1-12
Ny fety anio sy ny fahatsiarovana ireo nodimandry rahampitso dia tsy afa-misaraka. Izay no ventesintsika amin’ny Fikem-pinoana isan’alahady. Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana (KFK 960-962) fa Fiombonan’ny olomasina ny Fiangonana satria atambatry ny Eokaristia ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy ka izay ataon’ny tsirairay ao amin’i Kristy sy miaraka Aminy –na vavaka na fiaretana fahoriana – dia mitondra vokatra ho an’ny daholobe. Fiombonan’ireo toko telo mamorona ny Fiangonana ary ireto andro ireto, dia ireo olontsambatra any an-danitra izay midera ny voninahitr’Andriamanitra, ireo fanahy manefa ny sazim-pahotana ka miandry ny vavaka ataontsika ary isika mpivahiny miomana amin’ny fihaonana amin’Ilay Mpampakatra, dia i Kristy Tompo.
Tsy ny 144000 voahisy fitomboka (Vakiteny I 1 nov) ihany akory no hiditra ny vohitry ny Tompo fa izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa ny namana. Iza no hovonjena? Ireo izay mikaroka ny tavan’ny Tompo (Salamo setriny 23).
Ny fankalazana ny fetin’ny olomasina rehetra dia tokony hampirehitra ao am-pontsika izany fanirìna hitady ny Tavan’Izy Tompo izany, faniriana hahita Azy araka ny tena toetrany (Vakiteny II 1 nov I Jo 3, 1-3) izay hanome hery antsika handio tena mba hadio tahaka Azy, hanomana ilay akanjo fitondra amin’ny fampakarana, akanjo mifanaraka amin’ny toetra maha-zanaka antsika.
[Rahefa miresaka fanasana isika dia mazava loatra fa tsy maintsy misy safidy izany. Iza no hantsoina? Sao adino ny manasa an’i…! Mazàna dia ny manan-kaja sy ny manan-katao no voalohan-disitra, inona no antony? Adino ary toa odiana tsy hita ny hafatr’i Kristy manao hoe : “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.” (Lk 14,12)
Na izany aza anefa, mba hanoharan’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fanasana azon’ny saintsika takarina dia nolazainy fa voaasa ho amin’ny Fanjakan’ny Mpanjaka ireo mihevi-tena ho lohalisitra amin’ny fanasana, saingy noho ny avonavona dia niala tsiny ho manan-draharaha atao avokoa. (Mt 22, 1-14). Tsy ho voninahitry ny Mpanjaka mpanasa anefa ny famaliana ny fanasany fa ho reharehan’izay notsongoim-bolo ho any amin’ny fanjakana.
Dia toy izany koa ny fiainantsika, “satria na tsy mila fankalazana avy aminay aza ianao dia ekenao ary sitrakao ny ankalazanay anao, tsy mampitombo ny hasinao ny fiderana ataonay fa manampy anay kosa hahazo ny famonjena, amin’ny alalan’i Kristy”, hoy ny Prefasy andavanandro IV. Ilay akanjon’ny fampakarana (fanasana) izay noraisintsika tamin’ny batemy manko dia mila tahirizintsika mandrakariva hoenti-miseho eo amin’ny latabatry ny Mpanjaka.
Ny Eokaristia no hisantarantsika sahady ny fanasan’ny zanak’ondry. Izany no hiezahantsika hitahiry ilay “akanjo fotsin’ny Batemintsika”, mba hahafahantsika mitoetra ao amin’ny fanasany na dia eo aza ny tsy fahamendrehana hibaboantsika ka niantsoany antsika hiombona anjara amin’ny Fanjakany. Hodinihintsika manokana ilay fitalahoan’ilay Tomponjato lazaintsika isaky ny handray komonio hoe : Tompoko, tsy mendrika ny hampiantrano anao aho, fa ny Teninao ihany no hahasitrana ny mpanomponao (Mt 8, 8).]
Ny fahatsiarovana ny maty kosa indray (2 novambra), dia sady adidy masina, sady tokony hampahatsiaro antsika koa ny hiafarana. Tsy misy dikany manko ny mivavaka hahazoan’ny havantsika ny fiainana mandrakizay raha isika aza tsy te ho any. Tokony izany faniriana hahita ny Tavan’ilay Andriamanitra Marina (Sal 23) izay no hanentana antsika sy hamelona ny fanantenana hivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny maty. Izay no hamafisin’ny vakiteny I (2 nov) hoe : “raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty, ny miaramila maty an’ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an’ny maty” (2 Mak 12, 43-46).
Tsara ihany anefa ny mahatsiaro fa ny Lamesa tokan’i Kristy, nanolotra ny ainy teo amin’ny Hazofijaliana no atolotsika ho azy ireo. Tsy fahatsiarovana azy ireo ihany araka izany fa indrindra indrindra koa fahatsiarovana ny fahasoavana narotsak’Izy Ray tamin’ny alalan’izy ireo: Vavaka fisaorana (Eokaristia) hisantarana sahady ny fiderana an’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo.
Hasambarana no satrintsika ho an’ireo nodimandry, azy izany koa no irin’ny fontsika ho an’ny velona. Ireo fahasambarana (valo?) tanisain’ny Evanjely (Mt 5, 1-12 hazavaina etsy ambany) no tokony ho fanilo hanazava ny fontsika, hanafaka antsika amin’ny mety ho fahasambarana sandoka hiraiketan’ny fo: ny fahantrana am-panahy, ny fahoriana aman-dranomaso, ny halemem-panahy, ny hetahetam-pahamarinana, ny famindram-po, ny hadiovam-po, ny fihavanana, ny fiaretana ny enjika sy ny fanendrikendrehana noho ny amin’i Kristy! [Ny dikanteny malagasy dia nampifamadika ny and. 4 sy ny 5 ( ampitahao version BJ sy TOB)].
Hiezahantsika hatrany anie ny hanadio ny fontsika, hahafahantsika manome ny toerana sahaza an’Andriamanitra, araka ny lazain’i Md Joany hoe : “Amen! An’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!” (Apok 7, 9-14).
Ny fampianaran’i Jesoa eny an-tendrombohitra no entin’ny Litorjia mamelona ny aim-panahy amin’ny fankalazana ny Olomasina sy ny Fahatsiarovana ireo nodimandry. Ilaozan’i Jesoa ny tany lemaka ka izay mpianatra vonona hanatona azy eny an-tendrombohitra no afaka hihaino ny fampianarany. Tsy afaka ny handray izany ireo mbola miheritreritra ny hiaina araka ny fiheveran’ ”izao tontolo izao” ka tsy mihevitra afa-tsy ny tombontsoany sy ny fahafinaretany ary ny voninahiny. Lalam-pahasambarana anefa no atoron’i Jesoa an’izay matoky ny teniny ka vonona ny “handrera-tena” hihakatra ny vohiny masina (Salamlo 23) ka hanatona hihaino azy.
“Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’Andriamanitra”.
Raha io fahasambarana io ihany no dinihintsika dia ampy hahazoana ny hafa rehetra. Tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao no atoron’ny Evanjely fa fahasambarana maharitra mandrakizay. Ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, mba “hanalana azy”; ny tontolo atoron’ny Evanjely kosa dia manao fety satria faly, satria zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay, satria tafahaona ny “zaza mpandany” sy ny “Ray be fitiavana” (Lk 15). Tsy fitadiavana hafaliana ny fety ho an’ny Kristianina fa fanehoana ny hafaliana. Raha sanatria manko izany no mitranga, izany hoe mba hanao fety hitadiavana hafaliana, dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny “fanalana azy”. Ny “tsara vintana” no sambatra eo amin’izao tontolo izao, ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa, ka izay mahay mitahiry ny fahasambarana omeny, manaiky hiombom-piainana aminy no antsoiny hoe “sambatra” (μακάριος makarios, béni de Dieu).
Ahoana kosa anefa no hahasambatra ny mahantra?
Eo amin’izao tontolo izao dia “ny vola no maha-rangahy”, ka ny mpanan-karena dia mampiasa ny volany mba hiavahana amin’ny hafa, mba hananana zavatra mampiavaka amin’ny sarambabe. Ny an’Andriamanitra kosa, zarainy amin’ny olon-drehetra ny Fanjakany, tsy noho ny fahamendrehana na ny ezaka ataon’ny tsirairay, fa maimaim-poana araka ny halehibeazan’ny fahasoavany mba tsy hisy hirehareha (Efezy 2, 8-9). Ny mahantra ihany araka izany no afaka ho faly amin’ny fanomezana omena maimaim-poana ka hitovizan’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny mpanan-karena sy ny mpitady harena dia hiady varotra amin’ny denie iray mitovy raisinin’ny mpiasa niditra vao maraina sy ny zara fa niasa nanao tsidi-pahitra ny hariva (Matio 20, 13).
Mba hahazoana tsaratsara kokoa ny hevitr’izany fahantrana mitondra amin’ny fahasambarana izany dia tsara ho azo ihany koa ny tena hevitry ny hoe fahasambarana amin’ny kolotsaina jody. Ny hoe Sambatra (אֶשֶׁר ‘esher), dia tsy dia filazana toe-piainana efa tonga amin’ny fahalavorariana ka tsy misy maha-ory intsony, fa kosa ny fizorana amin’ny lala-mahitsy mitondra amin’ny fahalavorariana, ny fizorana amin’ny lalana tsy hitondra amin’ny nenina, na amin’ny fitomaniana sy fikotroha-nify, araka ny teny ampiasain’i Md Matio ao amin’ny Evanjely.
Ny hoe mahantra am-panahy, tsy dia hilazana fiatsaram-belatsihy, ka hanamboarana eritreritra. Ny olona niaina ny fahantrana am-panahy dia niaina ny fahantrana ihany koa, satria nahazo ny nolazain’ny Evanjely mba “hivarotra ny fananana rehetra” ka hanome izany ny mahantra. Tsy misy fahantrana tsy miteraka fijaliana anefa ary tsy misy antom-pijaliana mifanaraka amin’ny hazofijalian’i Kristy raha tsy izay takian’ny fitiavana koa.
Izay mianatra amin’i Kristy kosa dia hahay hampiseho amin’ireo mijaly sy fadiranovana ny tena endrik’ilay Andriamanitra, nanaiky hitafy ny fomba maha-olombelona, ka nampanan-karena antsika tamin’ny fahantrany. (ireo עָנָו – `anav – izay adikan’ny salamo hoe malemy fanahy, cf salamo 37, 10: ireo malemy fanahy no hanana ny tany, ny mahantra tompon’ny fanjakan’ny lanitra), ilay Andriamanitra tsy nanao fahagagana mba hanesotra ny fahantrana (ny mahantra hisy eo aminareo mandrakariva, hoy i Jesoa, Jn 12, 8) fa kosa nanaiky hahantra mba ho namana akaikin’ireo zanany mitondra fahoriana. Izany no ampahatsiahivin’ny Lakroà antsika mandrakariva.
Raha fizorana amin’ny lalana mifanaraka amin’ny fahalavorariana ary ny atao hoe fahasambarana, dia tsy afaka ny “hiakatra ny vohitry ny Tompo sy honina ao an-toerany masina” (Sal 23) izay mifikitra amin’ny harena, satria ho voazara ny fo, tsy hadio, ho voazarazara ka tsy afaka ny hahita an’Andriamanitra, araka ny tena toetrany. Ny fanantenana lazain’i Joany (Vak II) fa hanentana antsika hanadio ny tenantsika, dia tsy inona fa ny fahatsapantsika ny maha-zanak’Andriamanitra, ny fitokisantsika Azy ho hany harena tokana mahavonjy.
Sambatra ny malemy fanahy fa handova ny tany (Salamo 36) izany fitokisana amin’Andriamanitra no manosika ny olo-masina tsy hisain-doatra manoloana ny ratsy fanahy na sanatria hikolokolo valifaty ao am-po. Raha ratsy no havaly ny ratsy dia mazava loatra fa mandresy ny ratsy, mitombo avo roa heny; raha ny tsara kosa no havalintsika azy, dia tapi-dalan-kaleha izy. Inona ny tany holovaina raha sanatria hifanapotika amin’ny valifaty ny olombelona!
Izany ho fianarana an’i Kristy ka hahaizana mibanjina sy mitsaoka Azy ao amin’ireo mbola manohy ao amin’ny fiainany ny fijaliany, hahaizana mitomany manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny zanak’Andriamanitra izay nohariany ho sambatra, ka hanao izay tratry ny aintsika hamongotra ny fahoriana mbola mangeja ny olombelona. Ary raha sanatria isika kosa no hiaran’ny tsindrihazolena, dia hahatsiaro ny fampianaran’i Kristy, ilay “malemy fanahy”, ka tsy sanatria hamaly ratsy ny ratsy, fa hanaraka ny torohevitry ny Salamo hoe “mitoera am-pahanginana eo anatrehan’ny Tompo ary manantenà Azy, atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana, aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy” (Sal 37, 7.8).
Tsy fahamarinana hanetseman-keloka anefa ny fahamarinan’Andriamanitra.
Azo jerena amin’ny alahady faha-26 A ny momba ny lalam-pahamarinana (צְדָקָה) izay miverimberina matetika ao amin’ny Boky Ohabolana (mampahazo harena: Ohab 8, 20; lalan’ny fiainana: Ohab 12, 28; hahitana ny satroboninahitra: Ohab 16, 31; avadiky ny kolikoly: Ohab 17, 23; mahafaty ny fialàna aminy: Ohab 21, 16; hahazoana ny fiainana sy ny voninahitra ny fanarahana ny fahamarinana sy ny fitiavana: Ohab 21, 21). Ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny Tenin’Andriamanitra, na ny fanekena hiasa araka ny sitrapony, araka ny lazain’ny Evanjely no lalana mitondra ao amin’ny fiainana sy ny voninahitra (כָּבוֹד kabôd). Ny hanoanana sy ny hetaheta mahazaka maniraka, ka izay noana sy mangetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy afaka ny hihanona amin’ny fanomezana ny ambim-bava ho an’ny mahantra, sanatria.
Mety hifono avonavona sy fanambaniana (fiheverana ho ambony noho) ny hafa manko ny “fanaovan-tsoa”. Raha tsy azontsika tsara ary masaka ao antsaintsika fa ny mahantra no itongilanan’ny safidin’Andriamanitra, ary izy ireo no sitrany hitovizana (isaky ny manao soa an’izy ireny isika dia aminy no anaovantsika izany), dia mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapony ny soa heverintsika fa tanterahina. Izay mahazo izany dia tsy mirehareha fa misaotra an’Andriamanitra isaky ny afaka manao asa fitiava-namana.
“Asa fiantrana” moa no ilazantsika azy, fa araka ny Evanjely dia “asa fahantrana”, izany hoe mampahantra antsika izany, asa maha-sambatra kokoa antsika satria mampitombo ny hafaliana eo amin’izay hifampizarantsika ny “talenta” nomen’Andriamanitra antsika. Izay noana sy mangetaheta io fahamarinana io no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra. Ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia ny fitiavany ny zanany mihoatra ny zavaboary rehetra, araka ny ventesin’ny Salamo 8; ny fanasoavany ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5, 45). Izany no fahamarinan’Andriamanitra tokony hokatsahintsika mialoha ny zavatra rehetra. Ao amin’izany fanjakan’ny fitiavana izany no hahafahantsika mampiasa ny harena nomena antsika araka ny sitrapon’ilay nahary ny zavatra rehetra mba ho fiadanan’ny zanany rehetra.
Tsy afaka ny hanao soa amin’ny ratsy fanahy sy ny tsy marina anefa izay tsy mamindra fo. Fahasambarana araka izany, izany hoe fizorana ny lalana maha-zanaka mpandova ny fahaizana manao soa, ny fanampiana izay andevozin’ny ratsy hahtsapa ny hamamin’ny fitiavana. Ny fahasambaran’ny zanany rehetra any amin’ny fiainana mandrakizay no sitrak’Andriamanitra, ka sambatra izay mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany drafi-pamonjen’Andriamanitra izany.
Raha mbola mifikitra amin’ny zavatry ny tany, amin’ny kajikajy hahazoana ny tombontsoa manokana afefa isika, tsy afaka ny ho sambatra, tsy afaka ny hiaina araka izany famindram-pon’Andriamanitra izany. izany no mila hanadiovana mandrakariva ny fo, araka ny efa nolazaintsika teny ambony, ary ny lalana mahomby indrindra hitovizana endrika amin’Andriamanitra ka hiantsoana antsika hoe “zanany”, dia ny famafazana fiadanana. Izany no mahatonga an’i Jesoa handidy ny Mpianany mba hirary fiadanana ho an’izay monina ao amin’ny trano idirany (Mt 10, 12). Ny fikatsahana ny fiadanana ho an’ny hafa dia loharanom-piadanana mandrakariva ho an’izay manao izany. Ny ho zanak’ondry malemy paika mandrakariva no anirahan’i Kristy ny mpianany, na dia eo afovoan’ny amboadia aza (Mt 10, 16).
Raha sanatria kosa noho izany fijoroana amin’ny fahamarinana izany no hahazoana fanenjehana, dia sambatra, izany hoe manao izay mifanaraka amin’ny fahalavorarian’Andriamanitra tiany hotratrarina izany miharitra izany. Ny zava-misy mazàna dia ny tsy manan-tsiny no mizaka ny voka-dratsin’ny fahotana, ka izay mijanona ho “zanak’ondry”, izay tsy voasarika hampiasa ny herisetra sy hamaly faty no mandresy ny ratsy.
“Amboadia ho an’ny hafa ny olona”, hoy i T. Hobbes. Impiry moa no maheno olona mimenomenona ka miantso valifaty amin’ny ratsy nafitsoky ny hafa: “ataoko mahita iny…” Ny malemy fanahy, tsy manam-po afa-tsy ny hanao ny tsara (Sal 36) ihany anefa no handova ny tany (Mt 5, 5). Ny sasany mba mivavaka hono, ka “miandry ilay Andriamanitra tsy andrin’ny hafa”. Andriamanitra hampibebaka ny fon’ny amboadia ka hahasambatra azy miaraka amin’ny zanak’ondry (Izaia 11, 6) no Andriamanitry ny Kristianina.
Ny hafa, mety hanohy ny maha-amboadia azy: hitory any amin’ny fitsaràny, hanendrikendrika, hanala baraka, hanevateva ary mety hamono aza. Izany rehetra izany dia mitaky amintsika fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’i Jesoa, noho izany fijoroantsika ho vavolombelony izany no hijaliantsika dia mahazo matoky isika satria miombona aina Aminy, mandray ny Fanahiny izay “Parakletos”, mpisolovava, ka hijoro ho “Martiry”, ho vavolombelona tsy hiaro tena fa hanambara ny marina. “Aza manahy izay fomba fandaha-teny” (Mt 10, 19). Tsy ny hiarovana ny tena no tokony himasoana fa ny mba ho vavolombelon’ny fitiavana. Asan’ny Fanahy izany ka izay manaiky ho tarihiny no tsy hiraika amin’izay teny ratsy sy lainga lazain’ny hafa momba azy, satria matoky fa iray ihany no afaka hanome azy valisoa, dia ilay afaka miteny hoe : “Zanako ianao, izaho no niteraka anao androany” (Ps 2, 7), sy ny hoe “avia, ry nosoavin’ny Raiko handovany Fanjakana” (Mt 25, 34).
Fa inona kosa ny Fanjakan’Andriamanitra holovain’ny mahantra am-panahy sy ny miharitra fanenjehana izany?
Tsy inona fa ny fanomezan’Andriamanitra Ray ny Fanahiny mba hahatonga ny olombelona rehetra ho mpiray lova (aina) amin’i Kristy Zanany, ka hisantatra ny fahasambaran’Izy Andriamanitra ao amin’ny fiombonan’ny Trinite Masina, ary ho tonga taratry ny fifankatiavany. Ny mahantra no afaka handray ny Fanahy ka tsy ho menatra ny ho mpirahalahy amin’ny olombelona rehetra, dia ho afaka hijoro ho fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao. Izany fijoroana ho taratry ny fahazavan’Andriamanitra izany no fahamasinana ankalazaintsika anio.
Mazava loatra araka izany fa tsy ny fahantrana mampijaly ny olona no sitrak’Andriamanitra. Ambaran’i Lioka fa ny fiangonana raha miaina io firahalahiana io dia “tsy misy mahantra eo amin’izy ireo” (Asa 4, 34). Fahantrana am-panahy, hoy i Matio, izany hoe ny fahaizana mampiasa izay rehetra ananana mba ho fahasambaran’ny hafa, hahasambatra azy mitovy amin’ny tena ka hahatsiarovana fa tsy tompony isika fa “mpiandry omby volavita” ihany. Inona moa no zavatra eo am-pelatanantsika ka tsy noraisintsika (1 Kor 4, 7)?
Masina Maria Renin’ny Fiangonana sy ireo olomasina rehetra ankalazaina anio no vavolombelona niaina izany fahasamabarana izany talohantsika, ka ny fandinihana ny fiainan’izy ireny no hanampy antsika ho resy lahatra marina tokoa amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Evanjely ary izy ireo koa mivavaka ho antsika mba hiainantsika ny fahantrana araka ny Evanjely, ka hanahafantsika azy ireo, satria hafaliana ho azy ireo ny hiombonantsika amin’ny fankalazana an’Andriamanitra hono ny asa mahagaga tanterahiny ao amintsika, ka haniriantsika koa hiara-tsambatra amin’izy ireo mandrakizay.