Alakamisy manaraka ny Epifania
- 1 Joany 4, 19-5,4 /
- Salamo 71 /
- Md Lioka 4, 14-22°
Lalina ny voalazan’i Md Joany amin’ny vakiteny voalohany: tsy afaka misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana: izay tia an’Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy ho tia ny rahalahy, ary ny marika hahafantarana fa tia ny rahalahy isika dia ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, izany hoe ny fitiavana azy. Ny fitiavana marina manko no didin’Andriamanitra, ary hafaliana ho an’izay tia fa mahalala azy izany.
Ny Evanjely dia mitantara ny fiverenan’i Jesoa tany Galilea, tananany, na faritaniny no marimarina kokoa, izay apetrak’i Md Lioka eo amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny, ho entiny mamintina ny fiainan’i Jesoa manontolo. Sabata ny andro ka nandeha toy ny mahazatra tao amin’ny Sinagoga i Jesoa. Ambohi-pihaonana moa io, azo antsoina hamaky ny Lalàna sy ny mpaminany ary afaka hitoriteny avokoa ny Jody olon-dehibe rehetra. Tsy dia sarotra izany satria ny mahazatra dia mianatra tsianjery toritenin’olo-malaza dia mamerina izany…
Manonona ny Shemà moa no anombohana ny fotoana, izay toy ny fiekem-pinoana ho an’Israely, avy eo dia manao ny Tsodrano valo ambin’ny folo izay fiomanana amin’ny famakiana sy fihainoana ny Lalàna (Torah) sy ny Mpaminany. Izay mamaky ny mpaminany no tendrena hanao ny toriteny (fampianarana) mazàna. Amin’ity Sabata ity dia i Jesoa no notolorana ny Boky.
Misy antsimpirihan-javatra tsara ho tanana ihany amin’ny fitantaran’i Md Lioka: nandray ny Boky i Jesoa ary manokatra azy. Izy no afaka hanokatra ny Boky, hoy i Md Joany any amin’ny Apokalipsa. Izy irery ihany no afaka hanome antsika ny tena hevitr’izay voasoratra. Izy no Teny tonga nofo, ankalazaina amin’izao Noely izao, ary Izy maty fa nitsangan-ko velona no manome ny heviny ny faminaniana rehetra momba azy.
Rehefa avy namaky ny Teny i Jesoa dia nipetraka. Araka ny fomba mahazatra anefa dia tokony ho eo am-pitsanganana no hanaovana ny famoaboasana. Izy kosa nipetraka. Io no ataon’ny artista sary amin’ny Kristy Παντοκρατορ, mpifehy sy mpampianatra. Ny Testamenta taloha dia mitondra antsika ho eo aminy, ary rehefa tanteraka izany dia azo averina amin’ny Mpitandrina ny boky, satria ao aminy no hahatanterahan’izay rehetra nolazain’ny Mpaminany. Izy no hany Mpampianatra afaka mipetraka mandrakizay(καθίζω kathizo azo adika hoe mihorim-ponenana), ho fanilo sy hanazava ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Efajato taona talohany Izaia naminany fa ilay voahosotry ny Tompo dia ho feno ny Fanahy Masina mba hitory taom-pahasoavan’ny Tompo sy andron’ny famaliana. Androany no efa tanteraka izany, hoy i Jesoa. Anio no ho afaka ny mpifatotra, ho foana ny herisetra (Salammo 71 setriny). דְּרוֹר (dero’r) ny teny ampiasain’Izaia hilazana ny fahafahana, izany hoe ny herin’ny Fanahy Masina no mamaha izay manakana antsika tsy ho afaka hiazakazaka, hanafaka antsika amin’izay fatotra mangeja tsy hahafahana mitia an’Andriamanitra sy ny namana.
Tsy naverin’i Md Lioka moa ny andinin’ny Bokin’Izaia izay milaza androm-pamaliana (נָקָם naqam) ho an’Andriamanitra, tsy novakian’i Jesoa io (saingy hita ao amin’ny Baiboly malagasy irery ihany). Tsy Andriamanitry ny fahatahoran-tsazy ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mamela ny zaza mpandany hanalavitra ny tranony eo am-piandrasana ny hanao fety amin’ny fiverenany indray andro any. Fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany mody any aminy, tsy sanatria valifaty (נָקָם naqam).
Manafaka fa tsy mamatotra ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky hafahany sy hoentiny amin’ny fahasambarana lavorary anie isika tsirairay avy.