Sabotsy faha-28 mandavan-taona
- Ankasa: Efezy 1,15-23/Salamo 8
- Tsy ankasa: Rômanina 4,13.16-18/Salamo 104
- Md Lioka 12,8-12
Manamafy ny fitokisana tokony hananan’ny mpianatra miatrika ny mety ho fanenjehana sy ny tsy fahafahana mitory an-kalalahana ny Tenin’Andriamanitra i Jesoa: tsy misy takona izay tsy haseho ary mbola ho toriana eny an-tafon-trano izay bitsihina amin’ny sofina ao an-trano. I Jesoa ilay Zanak’Olona, ben-‘ādām, araka ny filazan’ny Jody hilazana ny taranak’olombelona, fa mampahatsiaro antsika kosa ny endrik’ilay Adama noharian’Andriamanitra hitovy endrika sy hanahaka Azy (Jen 1,27; 5, 1-3), ampiasain’i Ezekiela Mpaminany in-93. Ao amin’i Daniela Mpaminany kosa, izay boky fankaherezana ireo Jody niaritra ny fanenjehana tamin’ny fotoana nanjakan’i Antiochus Epiphane, izay nihevitra haka ny toeran’Andriamanitra ka namoritra izay rehetra heveriny fa mitondra fisarahana sy mety hanembatsembana ny voninahiny, dia mampahatsiaro ilay Zanak’Olona hipetraka eo amin’ny fiandrianan’Andriamanitra (Ez 28,2), mampahatsiaro ny Masin’ny Tompo (Dan 7), ilay Olona tokana lazain’i Md Paoly hahafahan’ny olo-marina hanjaka ao amin’ny fiainana (Ro 5, 15-17). Io ilay mpisolo vava ny olomasina rehetra eo anatrehan’ny fiandrianan’Andriamanitra.
Izay marina araka izany, izay milaza fa mahafantatra (ὁμολογέω homologeo) Azy eo anatrehan’ny olona dia ho fantany koa eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra fa izay handà (ἀρνέομαι arneomai) Azy kosa, dia ho lavina. Iza no handà azy? Ao amin’ny Matio dia ny Zanak’Olona no handà Azy (Mt 10, 33).
Eto no ampidiran’i Md Lioka ny mikasika ny fahotana manohitra ny Fanahy Masina, izay lazain’i Md Matio aza fa tsy hahazo famelana na amin’ity fiainana ity, na amin’ny fiainan-ko azy (Mt 12, 32). Ao amin’i Matio sy Marka moa dia ao amin’ny fifamalian’i Jesoa sy ny Farisiana mikasika ny fandroahana demony amin’ny anaran’i Belzebola niantombohan’ny resaka (jereo koa Mk 3, 28-29). Ho an’i Lioka, ny fahotana manohitra ny Fanahy Masina dia ny fandavana tsy hiasan’ilay Fanahy efa nanangana an’i Kristy ho velona, ka tsy hanaiky hatsangany ho velona miaraka amin’i Kristy ao amin’ny fiainam-baovao.
Azo heverina manko fa izay miteny ratsy ny zanak’Olona, izany hoe niteny ratsy an’i Jesoa, ilay zanak’i Maria sy Josefa, dia hahazo famelana ihany, fa aorian’ny Fitsanganan-ko velona kosa, izay hilaza fa hadalàna sy fahaverezana ny fahafatesan’i Jesoa ary handà ny fitsangany ho velona ho amin’ny voninahiny, handà fa ny fisandratana eo amin’ny Hazofijaliana no fiakarany any amin’ny voninahitry ny Lanitra (KFK 662), izany hoe hiteny ratsy (βλασφημέω blasphemeo) ny Fanahy Masina nanangana Azy ho Velona, dia tsy ho voavela mandrakizay.
Izay mankalaza ny hasambaran’ny voavela heloka kosa (Sal 32) dia hatoky ny asan’ny Fanahy izay hanoro azy ny valin-teny omena ny mpifehy izao tontolo izao. Izany fitokisana ny Fanahin’ny Fahamarinana izay hanoro ny Mpianatra ny marina rehetra sy hampahatsiahy azy ireo izay rehetra nampianarin’i Jesoa (Jo 14) izany no hahafahana miaina ny fahafahana marina, hanafaka amin’ny tebiteby sy izay mety ho kajikajin’olombelona fotsiny ihany, ka hihainana amin’ilay fiadanana nampanantenain’i Kristy (Jo 14, 27).
Ho hery ho an’ireo Kristianina miaritra ny fanenjehana noho ny finoana anie ny vavaka ataontsika, matoky fa mifehy izao tontolo izao Andriamanitra ary maniraka ny Fanahiny hanavao sy hanamasina ny tany (Sal 104).