18 OktobraMd Lioka Evanjelista.
- 2 Timote 4, 9-17b
- Salamo 144
- Md Lioka 10, 1-12
Nosafidian’ny Fiangonana ny fanombohan’ny toko faha-folo mba ho entina mankalaza ny fetin’i Md Lioka, grika teraka tany Antiokia (Syrie), mpiara-miasa tamin-dry Paoly, fa nanapa-kevitra kosa mba handalina sy handahatra ny fampianarana nolovana tamin’ny Apôstôly, mikasika an’i Jesoa, ka nampiharihary fa Izy no ilay Teny tonga nofo, fahatanterahana sy fanambarana feno ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny Vahoakany. Tsy ny fiainan’i Kristy ihany anefa no fanambarana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony (Evanjely) fa ny fiainan’izay manaiky ho mpianatr’i Kristy koa (Asan’ny Apôstôly).
Amin’ny fitantarana ny Evanjely dia noezahan’i Md Lioka ny tsy hamerimberina ny zavatra mitovy. Mikasika ny fanirahana ny mpianatra anefa dia izy irery ihany no manerina izany, ka mandray ny fanirahana ireo Apôstôly (Lioka 9, 1-6) mba hilazany amin’ny Kristianina nanoratany fa “Apôstôly”, misionera avokoa ny mpianatra rehetra, voairaka hanohy ny asam-pamonjena natombok’i Jesoa, ilay iraky ny Ray.
Mitovy ny fepetra takiany sy ny fahefana nomeny ny mpianatra roambifitopolo sy ny Apôstôly roambinin’ny folo. Ny maha-samihafa azy dia amin’ny fomba fanirahana: Izy Jesoa dia “tonga” hamonjy ny rahalahiny, niala tamin’ny fomba nitovizany tamin’ny Ray ka tonga olombelona nitovy tamintsika; ny Apôstôly 12 dia “voaantso” (συγκαλέω sugkaleo, syn-kaleo: voaantso miaraka) ary voairaka (ἀποστέλλω apostello) hitory ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 9, 1-2); ny roambifitopolo kosa dia “voatendry” (ἀναδείκνυμι anadeiknumi, nasongadina tao anatin’ny maro), nomena andraikitra manokana mba ho mpiara-miasa, hanomana ny hiaviany amin’ny tanàna sy ny vohitra holalovany. Izay mpianatra mifaly ka manadino fa tsy izy no andrasana fa mpialoha lalana ihany dia mety handiso ny asa fitoriany ary mety hamitaka ny vahoaka ka hanakana azy ireo tsy hiroso am-panahy, hanadino ny fihaonany amin’Izy Tompo.
Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina anefa dia “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja: hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’i Lioka fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny ἐκβάλλω (ekballo) izay midika hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (θερισμός therismos), amin’ny fanangonana ny olona rehetra ao antsopitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka satria tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitoriaina fa fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany.
MIsy zavatra telo takian’i Jesoa ho an’ireo manaiky hatokana hialoha lalana Azy: ny entana azo hoentina; ny fitondran-tena ao an-trano hivantanana ary ny fitsipika arahina amin’ny fijanonana ao an-tanàna.
Tsy hitondra na inona na inona ho vatsy ireo mpianatra satria matoky ny “providence”, ny fiahian’Andriamanitra. Tsy hitondra kapa. Mariky ny fahafahana manko ny fikiraroana. Tsy ny fahafahan’ny olona anefa no tian’i Lioka hotsipihana fa kosa ny fifandraisan’izay voairaka amin’ny Teny. Ny andevo no tsy mikapa, ary mpanompon’ny Evanjely izay voairaka, ka endrey izany hatsaran’ny tongony, mitory fiadanana (Izaia 52, 7). Ny fahantrana, ny fanekena ary ny fahadiovana, tsy hiarahabana olona akory eny an-dalana sao adino ny hafatra, na ho very fotoana amin’ny zavatra tsisy dikany, ho tokam-po amin’ny iraka ampanaovina tahaka ny Mpanompon’i Elizea mpaminany nirahina hanangana ho velona ny zanak’ilay mpananotena (2Mpanjaka 4, 29). Tsy misy afa-tsy ny herin’ny Teny ihany no fanohitra azon’ny mpianatra iateherana amin’ny fitoriana ataony.
Hitondra fiadanana no antony anirahana azy ireo, ka izany fiadanana izany no rariany ho an’izay trano idirany. Izay mandray izany fiadanana izany ihany manko no afaka mandray koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tahaka ny zanak’ondry eo anivon’ny amboadia anefa ny mpianatra, ka tsy sanatria hivadika amboadia koa mahita ny amboadia. Ny fandavana no farahery ananan’ny ratsy ka raha maharitra amin’ny maha-zanak’ondry azy ny mpianatra dia mandresy ny fitiavana, ka izay heverin’ny ratsy ho fandreseny no fahafatesany mandrakizay, tahaka an’i Jesoa voafantsika teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mahatonga ny mpianatra hanintsana ny vovoka amin’ny tongotra, hilazany fa tsy hanaraka ny mety ho faharatsian’izay tsy nandray ny Teny izy.
Ny teny ampiasaina amin’ny grika nadika hoe: manintsana (ἀπομάσσομαι, ἀπομάσσω: apomassomai) sy miraikitra (κολλάω kollao) anefa dia azo ilazana ihany koa ny fanamainana ny fery mba hijanonan’ny ra (ἀπομάσσω, apomasso), ary fikatonan’ny fery rehefa sitrana (κολλάω, kollao). Ny ratrany no nanasitranany antsika, hoy Izaia Mpaminany (Izaia 53, 5). Mbola mitondra izany fery izany amin’ny tenako aho, hoy i Md Paoly (Gal 6, 17). Ny mpianatra araka izany, raha sanatria misy fandavana dia mandray anjara amin’ny fandavana an’i Jesoa (Lk 10, 16).
Nirahina hanasitrana ny marary sy hilaza fa efa mby akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra no anirahana ny Mpianatra. Ny mpitanisa aretina anefa no betsaka ankoatr’ireo mandrimandry manana aretina. Angatahontsika amin’Andriamanitra mba ho hain’ny mpitoriteny ny “hihinana sy hisotro izay misy ao” an-trano ivantanany, izany hoe handray ny kolontsainy, hiray petsapetsa aminy. Ny Tranon’ ny zanaky ny fiadanana anefa izany trano izany fa tsy sanatria ny tranon’ny mpanam-bola mahay mampirevy sy hahafahana miliba.
Hampitombo ny hafaliantsika anie ny fitiavan’Andriamanitra tsy sasatra ny manala alahelo antsika amin’ny fanomezany ny sakafo mamelona antsika amin’ny fiainana, ka hahatonga antsika ho iraka mitondra fiadanana amin’izay rehetra mifanerasera amintsika. Ary ny fankalazana an’i Md Lioka anie handraisantsika ny Evanjely nosoratany ho an’i Teofily, ilay tia an’Andriamanitra (fihandohan’ny Evanjely) ka hanamafy horina ny fampianarana rehetra noraisintsika, ary hamelona ny finoantsika sy ny fitiavantsika an’Andriamanitra