Zoma faha-28 mandavan-taona
- Ankasa: Efezy 1,11-14/Salamo 32
- Tsy ankasa: Rômanina 4,1-8/Salamo 31
- Md Lioka 12,1-7
Ny lalivay dia taharo mahery vaika mampibohoka ny zavatra mba hananany endrika hafa noho ny tena izy. Misy ny lalivain’ny farisianina ary misy koa ny lalivain’ny Fanjakan’ny lanitra, hampitombo ny koba manontolo (in-telon’ny famarana) ho tonga mofo telo hamahanana ny hanoanana mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny zavatra rehetra nohariany. Antsoin’i Jesoa isika hamantatra izay lalivay mampibohoka ny fiainantsika, na ho amin’ny fihatsaram-belatsihy sy ny fieboeboana eo anatrehan’ny olona, na kosa ho amin’ny fitiavana sy ny famindram-po mampitombo fitiavana an’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny zavaboary.
Ny toko faha-11 amin’ny Evanjelin’i Md Lioka dia nanampy antsika hahazo izay loza mety ateraky ny tsy fahafahana miloa-bava hiantso an’Andriamanitra hoe Ray, ny mety ho loza ateraky ny hamafin’ny fo ka mety hahatonga antsika ho vatomisakana tsy hirosoan’ny olona ho mpandova ny fiainana, satria tsy mahalala an’Andriamanitra. Raha zanaky ny fahazavana isika dia mila mandini-tena mba hifanaraka amin’izany ny fiainana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fampiasana ny zavatry ny tany.
Tsy misy afa-tsy ny fahatahorana an’Andriamanitra no manampy antsika hiala amin’ny fihatsaram-belatsihy. Raha ny ivelany manko no imatimatesana (mihatsara ivelatsihy) dia adino fa ny Ray izay mahita ny ao amin’ny mangingina, izay mahita ny efitrano nanafenany ny hareny rehetra – ταμεῖον (tameion), no mahalala izay avy ao am-po lalina, ka hamaly soa antsika amin’ny fiantsoany antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany. Antsoin’i Jesoa isika handio ny ao anaty mba hahadio koa ny ivelany.
Mila loza (οὐαί ouai) ny Farisianina mpihatsaravelatsihy (ὑποκριτής – hypokritès). Tsy afaka ny hiaina ny fahamarinana izay mialokaloka ao ambadiky ny toetra na fahefan’olon-kafa, tahaka ireo mpanora-dalana sy Farisianina, miafina ao ambadiky ny lalàna mba hanafenana ny maha izy azy ny tena ka hamoretana ny hafa, hanambaniana azy ka mety hisehoana ho ambony sy tompon’ny lalàna aza indraindray. Izay rehetra manao zavatra na dia tsara aza, nefa tsy entanin’ny fitiavana, dia tia tena ihany ka fihatsaram-belatsihy izany eo anatrehan’Andriamanitra, kipantsona maneno, hoy i Md Paoly (1Kôr 13,1).
Tsy izy ireo ihany anefa no mila loza fa ny mpianatra nila hifanosy koa, izy ireo no nilazan’i Jesoa mba hitandrina amin’izay mety ho asan’ny haizina. Ny hypokritès moa dia tsy maintsy hiverina amin’ny maha izy azy na ho ela na ho haingana, entin’ny grika ilazana ny mpilalao an-dampihazo manko io teny io, ka rehefa vita ny fampisehoana dia tsy maintsy hiverina amin’ny asany ilay mpiandry omby nilalao ny anjaran’i Faraona teo an-tsehatra. Tsy maintsy hikipaka ny “rideau” hoy i Jesoa, ka tsy tokony hahamenatra izay maha izy antsika: zanaka tian’Andriamanitra. Matoa isika azon’ny tahotra dia satria tsy latsa-paka ao amintsika izany fitokisana ny fitiavan’ny Ray izany.
Ny tokony hatahorantsika dia ilay afaka mamarina any amin’ny Gehena, ilay fitiavana hitsarana ny fiainantsika ka hampisy heviny azy na tsia. Ny fiainana tsy misy dikany, tsy misy “valeur”-ny eo anatrehan’ny Fitiavana no mivarina any amin’ny afobe, ariana any amin’ny afo toy ny fako. Tsy Andriamanitra anefa no manasazy antsika fa ny safidintsika no mety hampidi-doza antsika, ary mampalahelo Azy izany. Sarobidy eo imasony isika.
Hampitombo ao amintsika izany fitokisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra izany anie ny fandinihantsika ny Teniny isan’andro.