Talata faha-27 mandavan-taona
- Ankasa:Galata 1,13-24/Salamo 138
- Tsy ankasa:Jônasa 3,1-10/Salamo 129
- Md Lioka 10,38-42
Ny ohatra navelan’ilay Samaritanina dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny toetra mampiavaka ilay Mpampianatra milaza amin’izay mikatsaka ny fanjakany mba “handeha ka hanao toy izany ihany koa”. Tsy Mpisorona na Levita minia tsy hijery ny fahorian’ny hafa sanatria fa mpivahiny manaiky hiara-mitoetra amintsika mba hitsabo ny ferintsika ary hanankina antsika amin’ny Fiangonany mba hahasambatra antsika. Izay tapa-kevitra hiakatra ho any Jerosalema ihany no hahita hafaliana amin’ny fahatongavana ao (Sal 122,2) satria araka ny hafatr’i Lioka dia mankany Jerosalema ny lalana mitondra amin’ny fiainana. Izay mandao an’i Jerosalema dia ho ratsy fiafara eny an-tanan’ny jiolahy, ka na dia velona aza dia ho mafy fo velona (indifférent) amin’ny fahorian’ny hafa.
Mba hahafahana manara-dia an’i Kristy dia tsy maintsy mampiantrano azy, mila mitoetra eo an-tongony mba hihaino ny fampianarany. I Jesoa izay nilaza fa i Maria no nisafidy ny anjara soa (ἀγαθός – agathos) izay tsy halàna aminy dia tsy nanambany ny asan’i Marta akory fa manampy antsika kosa hiala amin’ny mety ho fanaovana ny asa ho fitaovana hoentina hanambaniana na hisehosehoana eo anatrehan’ny hafa. “Tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?” Tsy i Marta irery no tratran’izany fakam-panahy izany. Nahoana no izaho foana no mamafa fiangonana, hoy ny sasany? Nahoana no izaho foana no mamafa trano, sns… Raha tsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no hiaingana, dia mety hahavita asa tsy mifanaraka akory amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika fa hanao izay noheverintsika ho marina na izay heverintsika hahazoana dera sy voninahitra fotsiny ihany. Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mandray ny baiko avy amin’ny Mpampianatra aloha vao mitozo amin’ny asany araka izay baiko voarainy.
Amin’ny lalana miakatra mankany Jerosalema dia mila “manala ny kiraro” koa isika satria tany masina no itsahina (Eks 3,5). Ny fijanonana hibanjina ny Misterin’Andrimanitra dia tsy maintsy atao laharam-pahamehana raha tiana ny hiaina ny maha kristianina. Ny fihaonana marina tokoa amin’Andriamanitra dia tsy mampatoritory fa manainga antsika kosa hamaly ny hetahetany hanavotra ny vahoakany. Na izay tsy mahita fotoana intsony hivavahana, na izay milaza fa efa nivavaka ka tsy mila miasa intsony, dia samy tsy izy, diso hevitra sy diso lalana. Mifampiantso ny asa sy ny vavaka, ka ny fahaizana mandamina ireo no hahafahana mizotra amin’ny fahamasinana. Izay kamo miasa dia tsy mba nivavaka tsara, ary izay kamo mivavaka kosa ka milaza fa efa niasa dia miasa ho an’ny tenany ihany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra. Raha sady kamo miasa no kamo mivavaka moa dia efa kamo izay. Mila mibebaka.
Aminay Pretra, tatidiko ny hafatr’i Papa François hoe: tandremo sao mandeha mivoaka hitory teny kanefa tsy nanokana fotoana mba hivavahana akory, satria tsy i Kristy intsony no hotoriana amin’ny olona fa ny tena, raha sanatria tsy feno an’i Kristy ny fo. Izany no tsy maintsy hanokanan’izay manana andraikitra manokana amin’ny fitorian-teny fotoana hivavahana sy handinihana ny Tenin’Andriamanitra, handalinana azy mba hanaiky hovany hatrany amin’ny aty fo lalina: handalina ka hino, dia hitory izay inoana ary hiaina izay toriana.
Tsy ny pretra ihany no voalaza amin’izany fa ny raiamandreny manoro ny fomba fiainana amin’ny zanany, ny mpanabe mampita fahalalana, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Mila omanina amin’ny vavaka avokoa ireny rehetra ireny, ary mila tohizana amin’ny vavaka mba hiasan’ny Fanahy ka hanavaozany ny endriky ny tany.
Marta, Marta! Antso miverina indroa, tahaka ny an’i Môizy (Eks 3,4), Samoela (1 Sam 3,10) na i Saoly (Asa 9,4). Voaantso ho tonga lavorary ao amin’i Kristy isika rehetra hoy i Md Paoly ka izany no ampandrenesany sy ampianarany ny fahendrena rehetra (Kôl 1,24-28). Tsy afaka hiroso ho amin’ny fahalavorariana anefa izay tsy mitady ny lalana mitondra mankany. Ho antsika dia ny mitoetra eo anilan’ny tongotr’i Jesoa no lalana sarobidy indrindra. Tsy manapaka fa mandavorary ny fiakarantsika any Jerosalema ny maka aina, manitsy ny dia, manaiky hatoron’ilay Samaritana tsara fanahy ny tokony hatao mba hahafahana mandova ny fiainana mandrakizay sy hahatonga antsika ho lavorary ao amin’i Kristy. Izany no mahatonga ny Apôstôly hilaza fa tsy rariny raha hilaozana manao zavatra hafa, eny fa na dia hikarakara ny mahantra aza ny fitorian-Teny (Asa 6,2), satria ny Tenin’Andriamanitra no loharanon’ny fiainam-panahy rehetra.
Hanadio sy handavorary ny asantsika an-davanandro anie ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra.