Alakamisy faha-26 mandavan-taona
- Ankasa: Jôba 19,21-27/Salamo 26
- Tsy ankasa: Nehemia 8,1-12/Salamo 18
- Md Lioka 10,1-12
Amin’ny fitantarana ny Evanjely dia niezahan’i Lioka ny tsy hamerimberina zavatra mitovy. Mikasika ny fanirahana ny mpianatra anefa dia izy irery ihany no namerina izany amin’ireo Evanjelistra efatra, ka mitantara indray ny fanirahana ireo Apôstôly (Lk 9,1-6) mba hilazany amin’ny Kristianina nanoratany fa “Apôstôly”, misiônera avokoa ny mpianatra rehetra, voairaka hanohy ny asam-pamonjena natombok’i Jesoa, ilay iraky ny Ray, araka ireo fepetra nolazainy amin’ny fiafaran’ny toko faha-9.
Mitovy ny fepetra takiany sy ny fahefana nomeny ny mpianatra roa amby fitopolo sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo. Ny maha samihafa azy dia amin’ny fomba fanirahana: Izy Jesoa dia “tonga” hamonjy ny rahalahiny, niala tamin’ny fomba nitoviany tamin’ny Ray ka tonga olombelona nitovy tamintsika; ny Apôstôly 12 dia “voaantso” (συγκαλέω, syn-kaleô: voaantso miaraka) ary voairaka (ἀποστέλλω – apostellô) hitory ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 9,1-2); ny roambifitopolo kosa dia “voatendry” (ἀναδείκνυμι – anadeiknumi, nasongadina tao anatin’ny maro), nomena andraikitra manokana mba ho mpiara-miasa, hanomana ny hiaviany amin’ny tanàna sy ny vohitra holalovany. Izay mpianatra mifaly ka manadino fa tsy izy no andrasana fa mpialoha lalana ihany dia mety handiso ny asa fitoriany ary mety hamitaka ny vahoaka ka hanakana azy ireo tsy hiroso am-panahy, hanadino ny fihaonany amin’Izy Tompo.
Rehefa misy olona milaza fa tafintohina na hoe sanatria tsy te ho kristianina intsony noho ny ataon’ny hafa, raha anontaniana izy ireny ny amin’izay zavatra manakana azy tsy hiaina ny Evanjely dia tsy manan-kavaly.
Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina anefa dia “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja: hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’i Lioka fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny ἐκβάλλω (ekballô) izay midika hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (θερισμός – therismos), amin’ny fanangonana ny olona rehetra ao an-tsompitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka satria tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitoriana fa ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany.
Misy zavatra telo takian’i Jesoa amin’ireo manaiky hatokana hialoha lalana Azy: ny entana azo hoentina; ny fitondran-tena ao an-trano hivantanana ary ny fitsipika arahina amin’ny fijanonana ao an-tanàna.
Tsy hitondra na inona na inona ho vatsy ireo mpianatra satria matoky ny “providence”, ny fiahian’Andriamanitra. Tsy hitondra kapa. Mariky ny fahafahana manko ny fikiraroana. Tsy ny fahafahan’ny olona anefa no tian’i Lioka hotsipihana fa ny fifandraisan’izay voairaka amin’ny Teny. Ny andevo no tsy mikapa, ary mpanompon’ny Evanjely izay voairaka, ka endrey izany hatsaran’ny tongony, mitory fiadanana (Iz 52,7). Ny fahantrana, ny fanekena ary ny fahadiovana, tsy hiarahabana olona akory eny an-dalana sao adino ny hafatra, na ho very fotoana amin’ny zavatra tsisy dikany, ho tokam-po amin’ny iraka ampanaovina tahaka ny Mpanompon’i Elizea mpaminany nirahina hanangana ho velona ny zanak’ilay vehivavy mananotena (2Mpan 4,29). Tsy misy afa-tsy ny herin’ny Teny ihany no fanoitra azon’ny mpianatra ianteherana amin’ny fitoriana ataony.
Hitondra fiadanana no antony anirahana azy ireo, ka izany fiadanana izany no rariany ho an’izay trano idirany. Izay mandray izany fiadanana izany ihany no afaka mandray koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tahaka ny zanak’ondry eo anivon’ny amboadia anefa ny mpianatra, ka tsy sanatria hivadika amboadia koa na sanatria ho lasa liona masiaka mihitsy aza rehefa mahita ny amboadia. Ny herisetra sy ny valifaty no fara-hery ananan’ny ratsy ka raha maharitra amin’ny maha zanak’ondry azy ny mpianatra dia mandresy ny fitiavana, ka izay heverin’ny ratsy ho fandreseny (mamono ny tsy manan-tsiny) no fahafatesany mandrakizay, tahaka an’i Jesoa voafantsika teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mahatonga ny mpianatra hanintsana ny vovoka amin’ny tongotra, hilazany fa tsy hanaraka ny mety ho faharatsian’izay tsy nandray ny Teny izy.
Ny teny ampiasaina amin’ny grika nadika hoe: manintsana (ἀπομάσσομαι, ἀπομάσσω – apomassomai, apomassô) sy miraikitra (κολλάω – kollaô) anefa dia azo ilazana ihany koa ny fanamainana ny fery mba hijanonan’ny ra (ἀπομάσσω), ary ny fikatonan’ny fery rehefa sitrana (κολλάω). Ny ratrany no nanasitranany antsika, hoy i Izaia Mpaminany (Iz 53,5). Mbola mitondra izany fery izany amin’ny tenako aho, hoy i Md Paoly (Gal 6,17). Ny mpianatra araka izany, raha sanatria misy fandavana dia mandray anjara amin’ny fandavan’ny olona an’i Jesoa. Izany moa no ambaran’ny Evanjely rahampitso (Lk 10,16).
Nirahina hanasitrana ny marary sy hilaza fa efa mby akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra no anirahana ny mpianatra. Ny mpitanisa aretina anefa no betsaka, ankoatr’ireo mandrimandry manana aretina, fa tsy ny hitory fanasitranana sy famonjena. Angatahontsika amin’Andriamanitra mba ho hain’ny mpitoriteny ny “hihinana sy hisotro izay misy ao” an-trano ivantanany, izany hoe handray ny kolontsainy, hiray petsapetsa aminy, hifampizara ny fiainany. Tranon’ ny zanaky ny fiadanana anefa izany trano izany fa tsy sanatria tranon’ny mpanam-bola mahay mampirevy sy hahafahana miliba.
Hampitombo ny hafaliantsika anie ny fitiavan’Andriamanitra tsy sasatra ny manala alahelo antsika amin’ny fanomezany ny sakafo mamelona antsika amin’ny fiainana, ka hahatonga antsika ho iraka mitondra fiadanana amin’izay rehetra mifanerasera amintsika.