27 septembre:Fankalazana an’ Md Vincent de Paul, Mpiaro faharoa an’i Madagasikara
- Izaia 58, 5-11/Salamo 111, 1-6
- 1 Korintianina 1, 26-31
- Md Matio 9, 35-38
Henontsika tamin’ny vakiteny I teo ny nolazain’Izaia: tsy levenam-bola hahazoana valisoa tsy akory ny fifadian-kanina hifampizarana ny sakafo amin’ny hafa fa kosa fanafody hanasitranana haingana ny ratram-po mahazo ka hahafahana manantena ny hazavana, eny fa na dia mbola toy ny vao mangiran-dratsy ihany aza izany. Ny fiezahana manitatra izany soa izany eo amin’ny fiaraha-monina ka hamongorana izay mety ho famoretana sy fanendrikendrehana, ary hanolorana hatramin’ny anto-pivelomana (aina= נֶפֶשׁ nephes, nadika hoe hanina) ho an’ny noana, dia hitombo hatrany izany hazavana izany satria ho toy ny masoandrobe mitataovovonana.
Mety misy hanontany hoe: atao inona ny fifadian-kanina ary mampaninona ny fietren-tena raha tsy jeren’Andriamanitra akory izany! Ambaran’ny Bokin’Izaia Mpaminany fa tsy misy heviny ny fifadian-kanina sy izay mety ho fitanisana tonom-bavaka raha tsy mifanaraka amin’izany ny fomba fiainana. Ny tena fifadiana dia izay fiezahana hanampy ny hafa amin’ny fizarana ny kely eo an-tanana.
Sady miady mifanditra ianareo no mifady ary mamely totohondry an-katezerana aza, hoy Izaia. Mazava ny antony tokony hifadian-kanina sy ny fomba fanaovana izany amin’ny fampianaran’ny mpaminany: manapaka ny famatorana tsy an-drariny, mamaha ny fehin’ny jioga, mandefa ny ampahoriana ho afaka, manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany, mizara ny hanina ho an’izay noana ary mampiantrano ny mahantra sy mampitafy ny miboridana ka tsy hanao an-tsirambina ny havan’ny tena. Ireo no hitsarana antsika indray andro, hoy i Jesoa (Evanjely hovakiana. Amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka).
Ny fifadian-kanina araka izany dia famolahan-tena mba hanesotra izay mety tsy hitovizantsika amin’Andriamanitra, ka hahafahantsika ho tonga tara-pitiavana manahaka azy. Mazava loatra fa ny vavaka ataontsika dia hohenoin’Andriamanitra faingana satria izy no miangavy antsika hamonjy ireo zanany miandry hotiavina, ary izy rahateo no loharano hahazoantsika ny fahasoavana haharetana amin’izany.
Vokatr’izany fifadian-kanina “mampitovy endrika amin’Andriamanitra” izany ary no manosika antsika manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny olona, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, hahafahana mizara ho an’ny noana ny anto-pivelomana (aina= נֶפֶשׁ nephes, nadika hoe hanina) fa tsy ny ambin-tsakafo. Ny famelomana ny fanahy miferin’aina, hoy ny Mpaminany, dia hahatonga ny fahazavantsika hamirapiratra ao amin’ny haizina.
Modelim-piainana nasehon’i Md Vincent de Paul izany ary napetrany ihany koa amin’ireo zanany am-panahy. Fahadalàna ho an’izao tontolo izao ny mahafoy tsy misy tambiny ho an’ny farahidiny, satria mino fa i Kristy no tompoina sy hasoavina ao amin’izy ireny. Fa hamafisin’i Md Paoly tsara, henontsika tamin’ny vakiteny II fa tsy afa-mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra ny nofo, satria izay tsy mahatsapa fa fahasoavana no nahafahany nanao soa dia mbola lavitra ny fahasambaran’ny lanitra. Fireherehana ao amin’i Kristy no tokony hampiombona antsika amin’ny anohizana ny asam-panavotana sy asa fanasoavana navelan’i Md Vincent ho tahafintsika.
Ndeha hiverenantsika ny Evanjely.
Avy nanasitrana ny jamba roa lahy ny Tompo (tsy vakiana amin’ny andavan’andro na ity na ny fahasitranan’i Bartimeo ao amin’ny Mt 20, 29-34) dia nitondran’ny olona moana sady azon’ny demony ka rehefa voaroaka ny demony dia niteny ny moana. Ny fanandevozan’ny ratsy no manakana antsika tsy hahay mihaino ny Teny mba ho afaka hitory azy. Manoloana izany zava-mahatalanjona izany anefa dia misy ny gaga ka mankalaza an’Andriamanitra, misy kosa ny manamafy ny fony ka mahita holazaina mandrakariva mba hanaratsiana: “ny lehiben’ny demony no androahany demony”. Tsy afaka ny handresy ny hazavana na oviana na oviana anefa ny haizina na dia handà tsy handray azy aza.
I Jesoa àry, manoloana izany, tsy kivy fa manohy mitety tanàna, mampianatra, mitory ny Evanjely ary manasitrana (Mt 4, 23, nitety an’i Galilea manontolo, izao mitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra – κώμη kome). Ambaratonga telo tsy afa-misaraka ireo. Ny fampianarana ao amin’ny sinagoga, miainga avy amin’izay mahazatra ny olona, manitsy izay mety tsy mifanaraka amin’ny tena izy, mba hahafahana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny rahalahy azon’ny aretina sy ny rofy koa anefa ny fitoriana ny Evanjely. Azo heverina fa izany no antony nahatonga an’i Jesoa haniraka hilaza amin’i Joany izay zavatra re sy hita (Mt 11, 4), izany hoe hanambara ny fifanarahan’ny fampianarany teny an-tendrombohitra (Mt 5-7) sy ny fampiharany izany tamin’ny andavanandrom-piainana (Mt 8-9).
Ny Fiangonana dia tsy maintsy mampiseho mandrakariva fa tsy mifampisolo fa mifameno ireo zavatra roa ireo: “tsy tsara, hoy i Md Piera, raha ilaozanay mikarakara ny sakafon’ny mahantra ny fitorian-teny” (Asa 6, 2). Tsy fanilihana andraikitra izany sanatria fa kosa fampahatsiahivana ny ambaratonga tokony hananana amin’ny firosoana amin’ny finoana. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra, hoy i Jesoa (Lk 12, 31).
Raha ny “fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona” no votoatin’ny Evanjely, dia mazava loatra fa mifanaraka amin’izany ny fomba fiainana sy ny fomba fisainan’izay vontony. Tsy mahagaga àry raha onena i Jesoa mahita ny vahoaka mijaly sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiahy. Onena: σπλαγχνίζομαι (splanknizomai, miverina in-dimy ao amin’i Matio: 9, 36; 14, 14; 15, 32; 18, 27; 20, 34 fa efa ampiasain’i Marka ihany koa Mk 1, 41; 6, 34; 8, 2; 9, 22). Io no nandikana ny רַחוּם (raHùm). Izay mandray ny fampianaran’i Jesoa dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eksaody 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (רַחוּם raHùm) fa tsy afaka ny ho faly ary tsy mionona raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן Hannùn). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia hiala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisiana (Φαρισαῖος, פָּרַשׁ parash: manavaka, manasaraka) izay mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo.
Ambaran’i Md Matio anefa, fa na manoloana ny orakoraky ny vahoaka, na manoloana ny fialonana sy ny teny ratsin’ny farisiana, dia manohy ny asany i Jesoa, tsy latsaka amin’ny fakam-panahin’ny voninahitra, sy fieboeboana na sanatria ny hasosorana hitondra amin’ny hakiviana.
Ny antony mampahonena Azy dia satria tsy tanteraka ny vavak’i Moizy ho an’i Josoe mba hisy mpiandry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra hiditra sy hivoaka ho amin’ny fahasambarany (Fanisana 27, 16-17).
Izy Tompo no mpiandry, porofom-pitiavana Azy no hahafoizan-tena hamahana ny ondriny (Jn 21, 15-17) saingy tsy ireo rehetra mamahana ny ondriny no manao izany noho ny fitiavana Azy, ary raha sanatria misongona io fitiavana io ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra dia loza no manjo ny ondry. Ampahatsiahivin’i Jesoa an’ireo te hanara-dia Azy fa Andriamanitra no maniraka mpiasa hikarakara ny ondriny, tsy manira-tena izay mamkeny an-tanimboly fa vokatry ny vavaka atao amin’ny Tompom-bary mba “haniraka” ny mpiasa hitondra ny vokatra any an-tsopitra. ἐκβάλλω (ekballo) moa no nadika hoe « maniraka », fa raha ny tena marina dia hoe manipy any ivelany, ary azo adika hoe: manery mihitsy aza. Tsy hambom-pon’ny mpianatra sanatria fa sitrapon’ny Ray, ary fitokisana avy Aminy (mandidy ny iraka) no hahafahana miasa ao amin’ny tanim-boalobony. Mila mivavaka araka izany, satria izay miombon’aina amin’Andriamanitra ihany no afaka hitia ny hafa araka ny fitiavan’Andriamanitra.
Izany no mahatonga an’i Paoly hilaza fa ny fitiavan’i Kristy no manery ny Apôstôly (2 Kor 5, 14) ka loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1 Kor 9, 16). Hitombo ao am-pontsika anie ny fitiavana hahafahantsika hibanjina ny asan’Andriamanitra mampahavokatra ny zanany ho mendrika ny fiainana mandrakizay.
Andriamanitra ô, mba hamonjena ny mahantra sy hanomanana tsara ny Pretra no nanomezanao hatsaram-panahin’Apôstôly an’i Masindahy Vincent Pretra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho entanin ny toe-panihiny, ho tia izay notiaviny ary hanao izay nampianariny, ka rehefa omenao ny hery avy amin’ny Sakramentanao sy ampian’ny fiarovany dia hahay haka tahaka an’i Kristy hitory ny EVanjely amin’ny mahantra sy ny madinika. Amen.