Alarobia faha-25 mandavan-taona
- Ankasa: Ohabolana 30,5-9 /Salamo 118
- Tsy ankasa: Esdrasa 9,5-9/Tobia 13,2-8
- Md Lioka 9,1-6
Manaraka ny fitantaran’i Marka ihany i Lioka saingy ny famangian’i Jesoa ao Nazareta dia efa nataony tany amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny (Lk 4,16-30), ka aorian’ny fitantarana ireo famantarana nataon’i Jesoa: ny tafio-drivotra nitsahatra (Lk 8,22-25), ny fanasitranana ilay azon’ny demony (Lk 8,26-39), ny fananganana ho velona ny zanak’i Zaira sy fanasitranana ilay vehivavy nitsi-drà (Lk 8,40-56) dia miezaka manazava ny fiainan’ny fiangonana kosa, indrindra ny traikefam-piainana nananan’ireo 12 lahy voafidy ho vavolombelon’izany herin’ny Teny afaka manova ny fiainana izany: ny iraka nampanaovina azy ireo (evanjely anio) sy ny fiekem-pinoan’i Piera (Evanjely zoma) izay tsy maintsy hodiovin’ny misterin’ny Paka (Evanjely Sabotsy). Ny finoan’izay te hanaraka an’i Kristy rehetra anefa no diovin’izany mistery izany ka mahatonga an’i Md Lioka hametraka eo anelanelany eo ny fepetra tsy maintsy harahin’izay te ho tonga mpianatra (Lk 9,23-27 izay tsy vakiana amin’ny andavanandro).
Tsy niantso ny Apôstôly i Jesoa fa namory (συγκαλέω – sunkaleô= miantso miaraka, miantso hiombona) azy ireo. Io moa no mbola tohizan’ny Eveka amin’ny fivondronan’izy ireo hiaraka hitondra ny Eglizy. Tsy ny isam-batan’olona araka izany fa ny fiombonany no hahafahany manohy ny asa nanirahana azy. Ny hery (δύναμις – dynamis) avy amin’ny Fanahy sy ny fahefana (ἐξουσία – eksousia) handroaka demony sy hanasitrana (θεραπεύω – therapeuô, hikarakara) nomen’i Jesoa ny Apôstôly moa dia lazain’i Lioka fa tanteraka teo anivon’ny Fiangonana, ary tsy iray amin’ireo Apôstôly akory aza no nandroaka demony (fa kosa momba azy, miombona amin’izy ireo) saingy saika nahavelom-pialonana ny Apôstôly (Lk 9,49, Evanjely Alatsinainy her. 26).
Hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary no iraka (misiôna na apôstôlà) ankinina amin’ny Apôstôly voalaza eto. Mampalahelo anefa fa indraindray dia ny fitanisana ny aretina no andaniana andro fa tsy ny fitadiavana fanafody hanasitranana azy. Betsaka ny mahay mijery ny kilema sy ny zavatra tsy mandeha eo anivon’ny Eglizy fa tsy misaina kely akory hanao izay vitany mba hanatsarana azy na hanadiovana izay tsy mifanaraka amin’ny Evanjely. Fitoriana fanantenana fa tsy fitsikerana be fahatany no andrasana amin’izay te ho mpianatr’i Kristy.
Tsy hitory tena fa hitory ny Fanjakan’ny lanitra no hanirahana ny Apôstôly. Manahirana ahy ny mierireritra ny vaovaom-piangonana sy ny tatitra hilazana ny asan’olombelona ka hanadinoana ny hafatr’i Jesoa fa “tsy tokony hitondra na inona na inona ireo mpianatra” (mbola iverenan’i Jesoa lazaina amin’ny mpianatra 72 nofinidiny ao amin’ny Lk 10,4 io). “μηδὲν αἴρετε (αἴρω airo) εἰς τὴν ὁδόν” – mèden airete eis tèn hodin. Io moa no nadika hoe “aza mitondra na inona na inona amin’izay alehanareo”, fa raha raisina araka ny heviny dia tsy fandraràna fa baiko: μηδείς (medeis) moa dia “personne, aucun, rien”. “Ny tsy misy izany no raisina eny an-dalana”, mba hahafahana mandray Azy (Mk 14,22), hany Vatsy Masina, hozaraintsika amin’ny olona anirahana antsika, ka tsy hitoky amin’ny tehin’olombelona hianteherana sy hiarovan-tena fa hitoky kosa amin’ny Tehin’Andriamanitra mampatoky (Sal 23,4), ilay Tehina nanehoany ny heriny (Eks 14,16; 15,25; 17,5); tsy hivatsy hanina ao anaty kitapo fa hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra (providence); tsy hitondra mofo afa-tsy ny tenin’ny Fiainana sy ny Mofon’ny Fiainana ivokisana sy zaraina ho sakafon’ny olona; tsy hitondra vola, satria ny vola dia mahasolo hatramin’Andriamanitra ka hahatonga hirehareha sy tsy hiantehitra intsony Aminy. Ho an’ny Mpianatra dia tsy misy afa-tsy ny anaran’i Jesoa no hahafahana mahazo ny famonjena (Asa 3,6). Akanjo tokana ihany no hiankanjoana dia i Kristy (Gal 3,27).
Ho an’i Lioka dia tsy afaka ny hitory ny Fanjakan’ny lanitra izay mbola miantehitra amin’ny haren’ny tany ka tsy mifikitra manontolo amin’ny fitsimbinan’ilay Ray tia ny zanany rehetra. Ny “bon sens” indraindray dia mahatonga antsika hamaky vilana ny Evanjely, kanefa raha “ny vola no hozatry ny fiainana” ho an’izao tontolo izao dia tsy misy afa-tsy ny herin’ny Fanahy Masina kosa no azon’izay te ho Mpitory ny Evanjely hianteherana. “Maniry Fiangonana mahantra ho an’ny mahantra aho”, hoy i Papa François teo am-panombohana ny ministera maha evekan’i Rôma azy (2013).
Tsy ny fanaovan-javatra na ny fahavitan-javatra sanatria no hilazana fa mandroso ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny faharesen’ny ratsy ka hirosoan’ny toe-pianana amin’ny hasambarana atoron’ny Evanjely. Ny tsy hitondrana na inona na inona dia mba tsy hanomezana izay hananana fa hanomezana ny tena manontolo sy ny harena miafin’ny Evanjely, izay harena tokana ireharehan’ny Mpianatr’i Kristy. Izay manan-javatra, manome zavatra, izay mahantra kosa, tsy afaka hanome afa-tsy ny tenany, afaka mitia marina tokoa. Fiadanana no omen’izay tena mpianatr’i Kristy ao amin’ny trano izay idirany (Lk 10,5), ka ao no hitoerana mandra-piainga ho amin’ny iraka vaovao indray.
I Md Marka (Mk 6,12) dia milaza fa nandeha nitory (κηρύσσω – kèrussô) ny Apôstôly, mitondra ny hafatry ny mpanjakany mivazavaza eny an-kianja mba hahalalan’ny olona ny didy ka hahafahany manaraka Azy. I Lioka kosa dia mampiasa ny teny εὐαγγελίζω (euangelizô Evanjely), mitory Vaovao Mahafaly ary nanasitrana, tsy amin’ny fanosorana menaka tahaka ny an’i Marka (izay efa manambara ny fomban’ny fiangonana amin’ny fanosorana ny marary), fa amin’ny herin’ny teny izay handresena ny herin’ny ratsy mambabo antsika ka tsy hahafahantsika miaina ny fahasambarana. Ny mety tsy fandraisan’ny olona dia hanitsanana ny vovoka amin’ny tongotra hilazana fa tsy handoto ny “Tany masina” hidirana tsy akory ny fandavan’ny sasany ny fiadanana atolotra azy. Tsy mampiova fa manamafy ny hatsaram-panahin’ny mpianatra izay mety ho fitsapana na fanesoana mihatra aminy eo am-pitoriana ny Evanjely.
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra. Ny “nandeha” moa eto dia nandikàna ny ἐξέρχομαι (exerchomai), “nivoaka” ka nitety (διέρχομαι – dierchomai) ny vohitra. Avy ao amin’ny trano nihainoany an’i Jesoa sy nanandramany ny fiadanany no nivoahan’izy ireo hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra amin’ny olona tsy an-kanavaka.
Mba ho avy ao amin’ny fihaonana amin’i Jesoa mandrakariva anie no hivoahan’izay rehetra maniry hitory ny Evanjeliny ary mba ho fanasitranana ny vahoaka tokoa anie ny asa fitoriana ataon’ny Eglizy.