Alatsinainy manaraka ny Epifania
- 1 Joany 3, 22-4,6/
- Salamo 2, 7-8.10-11 /
- Md Matio 4, 12-17.23-25
Ry havana, aza mino ny fanahy rehetra fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka no efa miely amin’izao tontolo izao. Izay miaiky fa tonga nofo i Jesoa Tompo dia avy amin’Andriamanitra (Vakiteny I). Ny hahafantarana araka izany fa avy amin’Andriamanitra isika dia ny fiekentsika fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Fa mbola ampian’i Joany ihany ny fanazavany, ary asainy mandinintena isika hoe izay no mihaino antsika? Izao tontolo zao sa izay mikatsaka an’Andriamanitra marina? Raha mbola hamalifaly ny olona no hitenenana sy hanaovan-javatra, hoy i Md Gregoire dia tsy hanao na oviana na oviana izay sitrak’Andriamanitra. Ny filazana ny marina araka ny Evanjely manko dia matetika zary fanafintohinana ho an’izay za-dratsy amin’ny fomban’izao tontolo izao.
Mila fahavononana sy fahatapahan-kevitra anefa izany. Ny Evanjely dia milaza fa rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nanomboka nitory teny i Jesoa. I joany aza voasambotra (παραδίδωμι paradidomi, ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any), kanefa noheverina sy najain’ny olona rehetra ho mpamimany lehibe, dia inona no tao an-dohan’i Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana izany?
Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry azy: fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra azy izany.
Tsipihin’i Jesoa amin’izany toriteny voalohany izany ny fibebahana takian’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka azy tsy misy hatak’andro (andininy 18-22 tsy tafiditra amin’ny vakiteny anio).
Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra: ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminanian’Izaia 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (cf Mt 8, 17). Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?
Ireo monina any Zabolona (זְבוּלוּן, avy amin’ny זָבַל manaja, mendrika) ny zanaka fahafolon’i Jakoba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4, 13ss) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (נַפְתָּלִי avy amin’ny פָּתַל, phatal, miady), ny zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Jabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neflatli (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny, ary misy aza amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.
Antson’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana sy ny ray mba hanaraka azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny entim-pahazarazana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, hanala ny olona amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) ho amin’ny fiainana (tany maina).
Hanaiky ny ho mpianatra marina tokoa anie isika.