Zoma faha-24 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 15,12-20 /Salamo 16
- Tsy ankasa: 1 Timôte 6,2d-12/Salamo 48
- Md Lioka 8,1-3
Ny Evanjely anio dia manambara amintsika ny tokony ho endriky ny fiangonan’i Kristy sy ny toetran’izay rehetra te hanara-dia azy. Misy zavatra telo avoitran’i Md Lioka ao:
1- Voalohany dia ny fitetezana tanàna, hilazana fa “mivoaka” mandrakariva (Chiesa in uscita) araka ny fanirian’i Papa François, fianakaviana tsy afaka ny hianina amin’ny mahazatra fa hamonjy ireo any an-jorom-bala mba hitondrana amin’izy ireo ny hazavan’i Kristy; ny hoe nitety moa eto dia nandikàna ny matoanteny διοδεύω (diodeuô), entina ilazana fa ny sakeli-dalana rehetra teo an-tanan-dehibe sy teny amin’ny vohitra hodian’ny mpiasa mba hialany sasatra (κώμη – kôme). Tsy afaka ny hitory ny Evanjely raha tsy mahakasika ny fiainan’ny olona sy miara-dalana aminy. Tsy izay mahafinaritra ny olona anefa no holazaina fa ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
2- Ny faharoa dia ny hoe tsy afaka misaraka amin’i Jesoa izay te ho mpianany. Ny fiombonam-piainana Aminy no hahafahana manohy ny asany fa tsy sanatria hanao ny asan’ny tena. Izany fiombonan’aina Aminy izany dia vokatry ny fihainoana tsy miato ny Teniny ary avy amin’izany fihainoana izany no hanovozana ny fampianarana hampitaina amin’ny hafa;
3- Ny fahatelo dia ny fiarahan’ireo vehivavy sasantsasany izay nanampy (διακονέω diakoneô, nanompo) an’i Jesoa tamin’ny fananany (ὑπάρχοντα – Hyparchonta). Tsy misy ambony sy ambany ny asa ao amin’ny fiangonana ka ny valisoa omena ny mpaminany sy izay manohana azy amin’ny asany amin’ny fanomezana rano iray vera azy dia mitovy. Tsy afaka manaraka azy anefa izay tsy ampy hery sy mbola andevozin’ny fanahy maloto ary tsy mahatsiaro ho sambatra amin’ny famelan-keloka (Sal 32), tsy voavonjy satria tsy mino (Lk 7,50). Izay amelàna kely no kely fitiavana: tsy afaka ny hitia amin’ny fanompoana ireo izay tsy mahafoy ny zavatra rehetra ka manaiky hitory ny Evanjely.
Izay te hanaraka Azy dia tsy maintsy manaraka Azy amin’izay alehany, mihaino ny teniny, mitory sy mampianatra momba ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra miaraka Aminy ary hanompo Azy, indrindra ao amin’ireo endrika tiany hisehoana manokana dia ny mahantra, ny noana sy ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny marary, ny an-tranomaizina sy ny mpivahiny. Izany no fanarahana Azy hatreny amin’ny lalan’ny Kalvery.
Hitombo ao amintsika anie ny firaiketam-po amin’i Kristy mba tsy ho fitorian-tena fa ho fitoriana ilay Teny tonga nofo tokoa no himasoantsika mpianany ka ho fanarahan-dia Azy amin’ny asam-panompoana (Lk 22,27snm).