Alahady faha-24 Taona B mandavan-taona
- Izaia 50,5-9
- Salamo 114
- Jakôba 2,14-18
- Md Marka 8,27-35
Misy hasiny ny fijaliana.
Ny vakiteny voalohany dia manohy ny fikaloana an’ilay Mpanompon’i YHWH amin’ny tononkalo fahatelo (Tononkalo I: Izaia 42,1-7; Tononkalo II: Izaia 49,1-6; tononkalo III : Izaia 50,4-9; Tononkalo IV: 52,13snm) ary ny andininy faha-4 mialoha ny vakiteny I anio no ahazoantsika ny hevitra lalina fonosin’ny vavak’ity Mpanompo mahatoky: “nomen’ny Tompo Zanahary ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka amin’ny teniko; mamoha ny sofiko isa-maraina Izy; eny mamoha ny sofiko Izy, mba hianarako mihaino toy ny fanaon’ny mpianatra” (Iz 50,4).
Amin’ny teniny no ankaherezan’ilay mpanompo an’izay reraka. Tsy teniteny foana anefa fa teny ianarana tsara (לִמּוּד – limmoud avy amin’ny לָמַד lāmadh, mampianatra). Ny fihainoana isa-maraina ny Tenin’ny Tompo no hianarana izany Teny manala alahelo izany. Avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahafahantsika mahatsapa fa mifanalavitra ny fomba fiheverantsika sy ny fiheviny, mifanalavitra ny fahamarinana heverintsika sy ny fitsarany.
Izy Tompo no manokatra ny sofintsika (Evanjely tamin’ny alahady heriny) ka izay manaiky hosokafana no afaka mijoro ao anatin’ny fijaliana. Ambaran’ny Bokin’i Izaia mazava fa izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra dia tsy afaka ny hamita-tena ka hihevitra ny hahita lalana hihodivirana amin’ny fijaliana: ny lamosina ho voakapoka, hilazana ny sazy vokatry ny fanamelohana; ny volom-bava voaongotra, hoentina hanivaivana ny maha lehilahy, ary ny tarehy voalatsa sy voarora, hanitsakitsahana hatramin’ny zo maha olona. Izany no vokatry ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra.
Raha raisintsika ny fiantsoan’i Jesoa ireo Apôstôly hanara-dia Azy, dia maro no diso hevitra, naniry ny toeram-boninahitra eo an-kavia sy an-kavanana any amin’ny Fanjakany (tahaka ny zanak’i Zebede) fa mbola iverenantsika amin’ny fanazavana ny Evanjely avy eo, fa ny Lalan’ny Hazofijaliana no lalana tokana hahafahana manara-dia an’i Jesoa. Rehefa nentina ho any Rôma i Md Ignace tany Antiokia, tokotokony ho tamin’ny taona 110, dia nilaza fa “izay vao manomboka ho mpianatr’i Kristy izy”, satria ho entina hovonoina ka hanjary Hôstia madio atolotra ho Eokaristia ny nofony hoviravirain’ny bibidia. Mahafinaritra ny mitory teny, hobian’ny olona amin’ny adidy aman’andraikitra, saingy amin’ny fijoroana ho vavolombelona eo anatrehan’ny zavatra mahafa-baraka ihany no hahalalàna ny tena mpianatra marina.
Raha mbola ny masom-bahoaka, na izay mety ho tombontsoa avy amin’ny zava-mandalo no heverintsika ho famonjena dia sarotra ny hiaritra ny tsy rariny ka tsy hamaly ratsy ny ratsy. Tsy afaka ny hiaina ao anatin’ny fitokisana tanteraka, tahaka izay lazaini’ny Vakiteny I izay mbola manana mpanamarina sy mpamonjy ankoatra ny Tompo.
Fantatsika manko izay nihatra tamin’ilay Mpanompo mahatoky indrindra, ilay zanaka malalan’Andriamanitra indrindra. Mety hametra-panontaniana koa isika manoloana ny fijaliana, mivavaka ny Sal 2 “Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao aho?” saingy manohy miantsa, mametraka ny fanahy sy ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’ilay tokana azo itokiana, ka hiantsa ny Sal 114 satria tia ny Tompo izay mandre ny feony, niantso vonjy tamin’ny Tompo izay mangoraka ny osa sy manafaka amin’ny fahafatesana, ary ny Tompo nihaino Azy, nanala ny masony tamin’ny tomany, ny tongotra tamin’izay namingana mba hizotra any amin’ny tanin’ny velona. Fa ny fahafatesany eo ambony hazofijaliana no nentin’ny Ray nanatanteraka izany rehetra izany, ka izay mino, dia tahaka ny Renin’i Jesoa sy ny Mpianatra malala: mijoro, mitsangana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy sanatria mitakoko toy ny olona diso fanantenana, manoloana ny Hazofijaliana sy ny fitsapana.
Ho antsika dia ny olona manjakazaka sy manampa-pahefana no ambony sy hajaina. Ho an’Andriamanitra kosa, ny Mpanompony voakapoka, ambaniana (ongotana volom-bava), latsaina sy tsiratsiraina (roraina), resy: izany mpanompo izany no tolorany ny famonjeny, anankinany iraka ary hamarininy, satria maheno mandrakariva ny Feony io mpanompo ka matoky Azy ary milaza hoe: “Ny Tompo Andriamanitro mamonjy ahy: ka iza no hanameloka ahy?”
Ambaran’i Md Jakôba mazava fa tsy hahavonjy tsy akory ny finoana an-tendromolotra. Raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny fiekem-pinoantsika ny fomba fiainantsika dia tsy hahasoa velively izany, satria tsy afaka ny hanandrana ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra izay tsy matoky ka miaina amin’ny fo manontolo ny Teny finoana. Ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no idirana amin’ny fiainana mandrakizay (Mt 7,21), hidirana amin’ny fahasambarana, satria tsy mikendry zavatra hafa afa-tsy ny hahasambatra antsika mandrakizay ny Sitrapony.
Ampahatsiahivin’ny Vakiteny II amintsika ny fifandraisana lalina mamatotra ny finoana sy ny fiainana. Izany moa no mahatonga ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika ho voazara amin’ireo andry efatra ijoroany, ka izay ambara amin’ny Teny Finoana no ankalazaina ao amin’ny Misterim-pinoana izay mandrindra ny fiainana andavanandro sy ny fiaraha-monina hifanaraka amin’izany. Ny vavakano mamondrona izany rehetra izany. Raha sanatria misy olona milaza ho mpanasoa ka adino ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikolokoloana ny fiainana am-panahy dia ho zary loharanon’ny avonavona ny asa heveriny hanasoavana, ka hiheverany ny tenany ho ambony noho ny hafa satria adino ilay loharano tokana anovozana ny soa rehetra; raha sanatria koa misy mampionon-tena amin’ny vavaka ataony ka hanadino izay tokony ho vitany amin’ny fanampiana ny hafa, dia hifanalavitra amin’ny finoana ilay Andriamanitra Tonga nofo, nanaiky hiray petsapetsa amin’ny olombelona ny fiheverany, ka andriamanitra hafa fa tsy ny an’i Jesoa Kristy, araka izany no tompoiny.
Tsy mahagaga araka izany raha toa ka voaenjika izay tena mihaino ny Tenin’Andriamanitra satria manelingelina ny fomba fiainan’ireo izay tsy te hiova fa hiaro ny tombontsoany na ny teny na ny fomba fiainan’izy ireny. Mbola hiverenantsika amin’ny alahady heriny moa izay (Fah 2,1snm) fa handeha hojerentsika ny Evanjely, satria mifanaraka amin’izay fiheverantsika momba ny Jesoa izay tompointsika ny fomba fiainantsika.
Md Marka 8,27-33
Ao amin’ny Evanjelin’i Marka dia tsy sasatra ny mifindra toerana i Jesoa ary arahin’ireo mpianatra izay miezaka ny hahazo ny zava-miafina tsy maintsy hodradradradraina kosa any aoriana any (Mt 10,27). Amin’ny fiandohan’ny Evanjely dia voaantso izy ireo ho tonga mpanarato olona (Mk 1,17), saingy tsy voafaritra mazava, aiza no hanarahan-dia an’i Jesoa. Eo am-pisasahan’ny fitantarany dia miakatra any amin’ny tananan’i Sezarean’i Filipo i Jesoa sy ny Mpianatra, any amin’ny iray amin’ireo loharano ipoiran’ny onin’i Jordany, ka manontany ny mpianany izay hevitry ny olona momba Azy Izy. Ny mpianatra rahateo hatrany am-piandohan’ny Evanjely dia efa nanontany tena ny amin’i Jesoa izay manana fahefana mandroaka demony (Mk 1,27) sy mampitony ny rano (Mk 4,41).
Ny fikisahana avy any Betsaida mankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo dia azontsika hanatsoahana hevitra hafa koa: raha tiana ho mari-pototra ny fiantsoana (vocation, toerana Betsaida) novaliantsika mba hanompoana an’i Jesoa eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsy maintsy hamafisina mandrakariva ny loharano niaviany, ka eo anatrehan’izay heverina ho reharehan’ny fahavalo no hanavaozana izany. I Sezarea manko dia sady maneho ny fanompoan-tsampy no manambara ny voninahitra ifanasohasoana amin’ny fiaina-mandalo.
Panéas no anarany taloha, (site identifié à Paniyas) izay noheverin’ny olona tamin’izany fa fonenan’ny andriamanitra Pan sy Nymphe, izay nameno zava-tsoa an’izay niankohoka nitsaoka azy, indrindra amin’ny fanondrahana ny tany mba hampahavokatra azy, ary nanorenan’i Antiôkôsy III toeram-pivavahana hanompoana ireo andriamani-tsampy ireo rehefa nandresy ny Ejipsianina teo izy (tokotokony ho tamin’ny taona 200 tal. Kristy). Tsy mahagaga araka izany fa izay mitady fahavokarana ho amin’izay nambolena dia mandeha manolotra ny sorony amin’ireo sampy ireo. Taty aoriana koa dia nanorenan’i Heroda tempoly ho fanajana an’i Sezara teo, ary rehefa maty i Sezara dia novan’i Filipo zanak’i Herôda ho Sezarean’i Filipo ny anarany, hahatsiarovana azy sy Sezara.
Tsy afaka ny ho iraka isika raha tsy tonga mpianatra aloha, mandray sy miaina ny batemy, manavao ny fifandraisantsika amin’ny Mpampianatra ka hisafidy ny fanarahan-dia an’i Kristy manoloana ny andriamanitra sampy mampanantena harena sy voninahitra.
Efa natsidik’i Md Marka ihany moa ny fihevitry ny olona momba an’i Jesoa, rehefa nandre ny lazany i Herôda: i Joany Batista na ny anankiray amin’ny Mpaminany no nitsangan-ko velona (Mk 6,14-16). Ho an’ireo mpianatra kosa, ary ho antsika tsirairay koa izay te hanaraka azy, dia anontaniany raha mitovy hevitra amin’ny olona isika na mba manana famaritana hafa ankoatr’izay. I Piera no namaly fa “ i Jesoa no i Kristy”. Fa noraran’i Jesoa izy tsy hilazalaza izany amin’ny olona.
Mazava ny antony nandrarany an’i Piera araka ny zava-mitranga: mbola mila diovina ny fahalalan’i Piera (sy ny fahalalantsika koa) ny atao hoe Mesia na Kristy. Mbola tsy mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fisainany (Mk 8,33) eny fa na dia tsy nofo aman-dra aza fa ny Ray any an-danitra no nanambara taminy fa i Jesoa no Kristy (Mt 16,17). Mbola ny fanirian’ny Jody maro miandry an’Andriamanitra hamongotra ny fahavalo ka hanome fahafahana sy fiainana mamirapiratra no tao an-dohan’i Piera, hany ka nahatafintohina azy ny fanambaran’i Jesoa mialoha ny fahafatesany.
Ny Kristianina tany Rôma no nanoratan’i Md Marka ny Evanjeliny, fa tsy izy ireo ihany, fa isika koa no mila diovina amin’izay fiheverana mbola tsy mifanaraka amin’ny tena endrik’ilay Andriamanitra miantso antsika hanahaka ny fahamasinany.
Sarotra ho antsika ny hino fa ilay voahosotr’Andriamanitra dia hijaly sy hatositosika ary hovonoina. Tsy mora no hahazoan’ny sainy ny hevitry ny hoe “hitsangana ho velona”. Araka izany dia asain’i Jesoa mangìna aloha ny Mpianatra, hanohy ny lalana mizotra ho any Jerosalema, hanamafy ny finoany fa Zanaka Malalan’Andriamanitra i Jesoa izay tsy maintsy hijaly mafy sy atosiky ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hovonoina.
Asain’i Marka koa isika handinika sao sanatria ao ambadiky ny fiekem-pinoantsika dia i satana no maka fanahy antsika amin’ny endrik’Andriamanitra hanome antsika ny fahefana rehetra sy ny voninahitra ka na hitsambikina avy eny ambonin’ny tilikambom-piangonana aza isika tsy haninona, satria “zanak’Andriamanitra” ka tokony hiankohofan’ny olona rehetra (Mt 4,8-10). Tsy misorona i Jesoa miteny amin’izay ho mpianany, “mazava tsara” (παρρησία, parrèsìa Mk 8,32) no nilazany azy hoy i Marka: izay te ho mpianany dia handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ary hanaraka Azy hijaly, atositosika ary hovonoina mihitsy aza (Evanjely).
Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy: hanaraka azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου, – hupagè opisô mou nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko) satria tsy sanatria hanamongo ny Rômanina fa hanolotra ny tenany ho Sorona no maha Mesia an’i Jesoa, hilazana fa tsy ny herisetra no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.
Izay te ho mpianany dia voaantso hanara-dia an’i Jesoa, ho ao aoriany, tsy hihevitra ny ho tonga mpanolo-tsaina ho Azy ka hitondra Azy hitanila. Mila mazava izany mba tsy hahadiso ny fanantenantsika ka sanatria hiandrasana zavatra tsy nampanantenain’Andriamanitra. Tsy afaka ny hihevitra araka ny olombelona manko izay manara-dia an’i Jesoa.
Marka 8,34-39
Raha misy te hanaraka ahy dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy.
Eto dia tsy ny mpianatra irery fa ny vahoaka mbamin’ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany. Vahoaka iza moa izany? Tao amin’ny andininy 27 dia ny mpianatra ihany no nolazain’i Marka niara-dia tamin’i Jesoa. Eto kosa dia ny vahoaka koa no hitenenany. Tiany asongadina amin’izany fa tsy an’ny mompera sy ny masera na ny Papa sy ny Eveka ihany ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazofijaliana, ary eo anivon’ny Eglizy tsy sanatria misy voaantso ho masimasina kokoa ary misy mba manao izay vitany (izay tiany) eny. Fahalavorariana tokana no iantsoan’i Jesoa ny olona rehetra. Ny vahoaka no nilazany fa izay te hanaraka Azy dia tokana ny lalana na iza izy na iza: manao vy very ny aina noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely. Tsy an-tery anefa fa safidy malalaka: raha te hanaraka Azy.
Mampalahelo anefa satria indraindray dia misy manararaotra ny Evanjely sy ny Fiangonana mba hanangonana ny haren’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Tsy mitsahatra ny maka fanahy antsika amin’izany i Satana, mba hanompoantsika azy, ka hiheverantsika araka izao tontolo izao fa tsy araka an’Andriamanitra. Izay manaiky hivavaka amin’Andriamanitra irery ihany no afaka handroaka an’i Satana (Mt 4,9). Moramora kokoa anefa ny manompo ny lehibe sy mpanapaka amin’izao tontolo izao mba hahazoana valisoa sy voninahitra (mazava loatra araka an’izao tontolo izao fa tsy araka an’Andriamanitra)…
Misy zana-tohatra telo àry atoron’ny Evanjely hitondra antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra marina:
- mandà tena, izany hoe miezaka ny tsy hieritreritra ny tombontsoan’ny tena, mitia tahaka ny ataon’i Kristy ka tsy manao zavatra hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana fa hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza (Mt 5,44/ Lk 6,27.35);
- mitondra ny hazofijaliany: tsy ny fijaliana noho ny fahantrana na ny aretina na sendra nilaina anefa izany. Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος – aksios)an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra (αἴρω – airô) ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.
Ny hazo (σταυρός, nadika hoe crux amin’ny teny latinina) lakroà koa, dia fitaovana entina hanasaziana ny andevo. Mandray ny lakroà araka izany dia manaiky ny ho mpanompon’ny hafa tahaka an’ilay “naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany” (Fil 2,7-8) ka mandray izay fahasahiranana sy mety ho andraikitra tandrify izany fanompoana izany.
- hanaraka an’i Jesoa: hiray aina Aminy, hisafidy ny hanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra am-panetren-tena sy amin-kalemem-panahy (Mt 11,29).
Ny anton’izany rehetra izany dia noho ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Evanjely. Mila manontany tena mandrakariva isika sao tsy izany fitiavana izany no manentana antsika hivesatra ny adidy sy ny andraikitra raisina eo anivon’ny Eglizy sy ny fiaraha-monina.
Eo anivon’ny taranaka mpijangajanga sy mpanota isika no antsoina hijoro ho vavolombelona, hoy i Jesoa (Mt 16,1-4/Mk 8,11snm). Ny fijangajangana dia ny fanaovana ny hafa ho fitaovana fotsiny hahazoana izay ilaina (fahafinaretana, vola, voninahitra). Na ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra aza dia mety ho fijangajangana raha sanatria adinontsika fa maimaim-poana ny fitiavany ny olona rehetra. Ny fahotana kosa indray, ny חֲטָאָה (ḥăṭṭā’āh) dia izay manakana antsika tsy hihazo ny tanjon’ny fiainana dia ny fahasambarana. Ny hahasambatra ny vadiny no hafalian’ilay Mpampakatra.
Izay manome ny fiainany ho sorona, ho laniana amin’ny fanaovan-tsoa sy amin’ny fanorenana ny rariny ombam-piadanana, araka izany, no mampisy heviny ny fiainany fa mamonjy azy, hanome hasina azy. Tsy ny zavatra angonintsika avy amin’ny haren’izao tontolo izao no mampisy lanjany ny fiainantsika fa ny fijoroantsika ho vavolombelona tsy menatra ny Evanjely, ny fandraisantsika anjara amin’ny “nofinofin’Andriamanitra”, dia ny hiadanan’ny zanany rehetra.
Tsy sanatria fiainana hahamenatr’olona no holokolointsika raha te ho kristianina marina isika, tsy sentom-bavaka hilazana ny fitiavany sy ny voninahiny an-tendro-molotra no maha kristianina antsika fa ny fiezahantsika isan’andro hahafantatra Azy bebe kokoa mba hanahafana Azy tsaratsara kokoa hatrany ka ho taratry ny fitiavany. Izany no fiainana tsy hampitsanga-menatra eo anatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra, izany no fiainana mifanaraka amin’ny finoana, lazain’i Md Jakôba.
Ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra no ahazoantsika ny hafenoan’ny fiainana. Na izay maty aza, na sanatria nandrinandry tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana dia afaka ny hitsangan-ko velona, hanavao ny fiainany mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Hitombo ao amintsika anie ny fahazotoana mihaino ny Tenin’Andriamanitra fa hanekentsika hovolavolainy ho tonga taratry ny fitiavany sy ny famindram-pony eo amin’ny seha-piainana rehetra anirahany antsika.
Ry Ray ô, tsy mba tamim-pahasambarana sy fahafinaretana na voninahitra tety an-tany no nanatontosan’i Kristy ny famonjena anay, fa tao anatin’ny fijaliana nihatra tamin’ny ainy. Koa tohano ny herin’ny Fanahinao izahay: mba hizaka amim-pitiavana ny anjara fijalianay amin’izao fiainana izao, amin ny fanarahanay ny Zanakao sy ny fijoroanay ho mpianany.