Talata faha-23 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 6,1-11 /Salamo 149/
- Tsy ankasa: Kôlôsianina 2,6-15/Salamo 144
- Md Lioka 6,12-19
Taorian’ny filazana momba ny Sabata, andro hanaovan-tsoa, dia nivoaka teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka ary nivavaka tamin’Andriamanitra Ray. Raha raisina tsirairay ireo teny ampiasain’i Md Lioka dia manampy antsika kosa hahazo ny halalin’ny fampianarana tiany ampitaina.
Nivoaka i Jesoa, nanao ny “exode”, mba hiakatra (ἐξέρχομαι – exerchomai) eny amin’ny tendrombohitra. Eny an-tendrombohitra no toerana hihaonana amin’i YHWH, eny no nandraisan’i Môizy ny Teny Folo, eny no toerana hivavahana amin’ilay tena Andriamanitra marina. Izay mibanjina ny endrik’ilay Andriamanitra marina ihany no afaka hitoetra amin’ny hazavana ka hahavita handoaka alina, tsy hatahotra ny haizina satria “zanaky ny fahazavana”. Izay tsilovin’ny hazavan’ny vavaka marina ihany no afaka hitozo hiandry ny andro vaovao satria velomin’ny fanantenana.
Mialoha ny hihaonany amin’ny vahoaka eny amin’ny tany lemaka dia nifidy 12 lahy, antsoina hoe Apôstôly, iraka, i Jesoa. Olom-bitsy no anankinan’Andriamanitra ny iraka hamonjeny ny vahoaka, mba tsy hahafahan’izay voairaka mirehareha amin’ny herin’ny sandriny, tahaka ny nataony koa tamin’i Jedeona fahiny raha hanafaka an’i Israely teo an-tanan’ny Madiana. Ny voalohany sy ny farany amin’ireo Apôstôly aza (Simôna Piera sy Jodasy Iskariôta) dia mpandà sy mpamadika (mpanolotra). I Jakôba izay tonga Israely aza moa, rehefa nazava ny andro, nandringa (Jen 32,32) ary tsy mahagaga raha Apôstôly tsy tonga lafatra no sitrak’i Jesoa hanankinana ny Eglizy, saingy Apôstôly tsy maintsy hiara-midina Aminy avy eny an-tendrombohitra. “Tsy ny mahavita zavatra, fa ny nanao azy tamin’ny anaran’ny Tompo” no hafalian’ireo mpianatra ireo, hoy ny Papa tamin’ny fihaonany tamin’ny Pretra sy Relijiozy Malagasy (08 septambra 2019).
Ireo no Apôstôly, iraka: Simôna 2, Jakôba roa (ny iray zanak’i Alfeo rain’i Levì ao amin’i Mk 2,14), Jodasy 2, miaraka amin’i Andre sy Joany, Filipo sy Bartelemy, Matio sy Tomà. Anarana[1] sy toetra samihafa, saingy avondron’ny “iraka” iray noho ny firaisana aina sy vavaka amin’ilay miara-midina amin’izy ireo avy eny an-tendrombohitra: hitory ny Evanjely amin’izao tontolo izao.
Izay nahazo ny hazavana avy amin’ny vavaka, niara-nidina tamin’i Jesoa avy eny an-tendrombohitra ihany no afaka hitory ny hatsaran’ny fiakarana amin’ny vahoaka sy ny firenena monina amin’ny lembalemba ka tsy hazoto na oviana na oviana hanao ezaka hiala amin’ny mahazatra ka hananika havoana.
Eny amin’ny tany lemaka kosa dia indreo ny Mpianatra maro (ὄχλος – ochlos vahoaka be) sy ny vahoaka betsaka (πλῆθος πολὺ τοῦ λαοῦ – plèthos polu tou laou, firenena marobe) miandry ny hihaino Azy ka ho sitrana. Hihaino Azy ka avy amin’ny fihainoana ny teniny sy ny finoana Azy (fanatanterahana izay lazainy eo amin’ny fiainana) no hahazoana fanasitranana. Izay mihaino ka mitandrina ny Didy no ho velona (Dt 11,26-32). Izay tsy mihaino ny Teny dia mazava loatra, handre ny bitsiky ny bibilava ka haniratsira ny hafatr’Andriamanitra. Izany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao, hoy i Md Paoly (Rm 5,12). Ny herin’ny Teny, raha avelantsika haninteraka ny fiainantsika, no manavao sy mitondra fahasitranana tanteraka.
Izay “mikasika” an’i Jesoa kosa dia tafaray amin’ny misterin’ilay Andriamanitra mpamelon’aina, avy Aminy no hahazoantsika fahasoavana miampy fahasoavana, hoy i Md Joany (Jo 1,16), ary hery mivoaka Avy aminy no hahafahana mandresy ny fanahy maloto.
Tsy ny fahendren’izay mpitory teny anefa no inona, izany no ilazan’i Md Paoly fa sitrak’Andriamanitra ny hamonjy ny mpino amin’ny tsy fahamendrehan’ny Mpitoriteny (1Kôr 1,21). I Jesoa no ilay Teny tonga nofo, Teny velona, maranitra tahaka ny sabatra roa lela ka afaka haninteraka ny fon’ny olona rehetra.
Hanaiky hovan’ny Tenin’Andriamanitra anie isika.
[1] samihafa amin’izay lazain’ny Evanjely hafa aza : i Tade dia nosoloina an’i Jodasy zanak’i Jakôba, lazain’i Joany koa amin’ny Evanjeliny (Jo 14,22).