Sabotsy faha-21 mandavan-taona
- Ankasa:1 Kôrintianina 1,26-31 /Salamo 32/
- Tsy ankasa: 1Tesalônisianina 4,9-12/Salamo 97
- Md Matio 25, 14-30
Ny Fitiavana no hitsaràna antsika ka miezaka isan’andro isika ho mendrika ny akanjo hirosoana eo anatrehan’ny mpampakatra, hitahiry menaka handrehetana ny jiro hahafahana miroso hitsenana azy. Mampitandrina antsika ny fampianaran’ny Virjiny folo fa eo am-pamakivakiana ny fiainana, eny an-dalana mankany amin’ilay Fihaonan’ny lanitra dia “hadalana ny mijanona mibanjina ny hakanton’ny zavaboary eny an-tsisin-dalana ka hanadino ny anton-dia“. Tsy ho afa-miala tsiny amin’ny halavan’ny fotoana hiandrasana isika raha sanatria tsy maharitra amin’ny fijoroana ho fahazavana.
Ny Soratra Masina dia mampirisika antsika hiasa (Oh 31,10-31), hiambina (1Tes 5,1-6) ary mampiasa ny “talenta”[1] azontsika mba hahazoana tombony (Evanjely Mt 25,14-30). Araka izany, tsy misy afa-mihambo ho efa tonga ka tsy mila manao ezaka intsony amin’ny fiainana am-panahy. Ianareo izay mihevitra ho mijoro, mitandrema tsy ho lavo hoy i Md Paoly (1Kôr 10,12). Fa iza tokoa moa isika no sahy hilaza na afaka hilaza hoe “Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany” raha toa ka tsy mbola vonona ny hiseho anoloan’ny fitsaran’ilay “ho avy toy ny mpangalatra” (Ap 16,15)! Asain’ny Evanjely miambina (grégoire) isika ary ny tokony hatao amin’izany fiambenana izany no hazavain’ny Evanjely anio.
Oharin’i Jesoa amin’ny olona iray handeha hivahiny lavitra ary ela vao niverina Andriamanitra izay manome antsika ny talenta. Izay ny setram-piainana sedraintsika matetika. Dia ho sanatria ve manome antsika ny talenta Andriamanitra dia hamela antsika irery hanao izay tiantsika hatao? Na hamela antsika ho irery amin’ny fampitomboana azy? Mba Andriamanitra Fitiavana ve izany fantatra fa “mijinja amin’izay tsy namafazany sy manangona amin’izay tsy nanahafany” izany?
Tsy maintsy ho eny ny valiny, saingy tsara dinihina hoe: nahoana?
Ny talenta dia omena antsika maimaim-poana, tsy mitovy isa, manambara fa tsy tokony hialona ny hafa isika na haniry randrana manendrika ny hafa. Tsy ho an’ny Tompo fa ho antsika ihany no hampiasana ireo talenta ireo. Ny andrasana amintsika dia ny ho tsara sy mahatoky, na be na kely no noraisina, ka hampitombo azy amin’ny fanaovan-tsoa.
Talenta, izany hoe harena miavosa hanehoantsika ny Endrik’Andriamanitra “fitiavana sy famindram-po” no nomeny antsika, izany no hitsarana antsika (tapany farany amin’ny Mt 25), ka ny tokony hatahorantsika dia ny ho azon’ny fakam-panahy hanome tsiny an’Andriamanitra mba hanamarinan-tena amin’izay mety ho vokatry ny hakamoana sy avonavona. Tsy fifaninanana amin’ny hafa no hitsarana antsika fa ny fahaizantsika mampamokatra ny fitiavana amin’ny fomba fiainana.
Tsy fahaiza-manao anefa (faculté, habilité) no lazaina amin’ny talenta eto, tsy talenta araka ny fitenintsika hoe manan-talenta io fa lanjam-bola hilazana ny fahafaha-manao (possibilité), izany hoe ny fitiavany sy ny famindram-pony izay harena hahafahantsika mamoky ny noana sy ny mangetaheta, mampitafy ny tsizarizary sy mampiantrano vahiny, na fahaizana sy fahefana hanampiana ny marary sy ireo hiharan’ny tsy rariny, na ny fotoana hahafahana mitondra am-bavaka sy mankahery azy ireny!
“Ny Fiainana”, araka izany no talenta noraisintsika tamin’Andriamanitra, tsy ny halavan’ny andro iainana no inona, na ny fijaliana na hafaliana nogohina tao, fa ny fiezahantsika miaina sy mampanjaka ny fitiavana. Izay no hitsarana antsika, izay no hahafahantsika mihaino ny Ray rehefa miverina indray amin’ny fiafaran’ny fiainana ka hanambara hoe: “Ity tokoa no tena zanako”, handova ny fanjakako.
Alao hery àry, tsy hanjehy ny andro ho lava fa hiezaka marina tokoa hanao ny fiainantsika ho hiakan’ny Evanjelin’i Kristy, ka hahafahan’izay mifanerasera amintsika milaza hoe: izany tokoa ka olon’Andriamanitra, fa tsy sanatria ny hoe izany hono no mba…
Ny fahatsiarovana ny soa noraisintsika avy amin’Andriamanitra araka izany dia loharanom-pisaorana amam-pivavahana tsy tapaka, izay havaozintsika amin’ny Fisaorana lavorarin’ny Eokaristia. Raha asaina hisafidy iray amin’ny “fahafatesana” sy “fiainana” aho, hoy ny mpanakanto iray, dia ny gitara no safidiako, hihirako hira ho an’ny Tompo. Anjaran’ny tsirairay ny misafidy izay heveriny fa hahafahany manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny famoazana be dia be amin’ny fitiavana (Jo 15,8 ).
[1] Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg).