Zoma faha-21 mandavan-taona
- Ankasa:1 Kôrintianina 1,17-25 /Salamo 32/
- Tsy ankasa: 1 Tesalônisianina 4,1-8/Salamo 96
- Md Matio 25,1-13
Anio sy rahampitso no hamakiana ny toko faha-25 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 25). Mampitodika ny saintsika hahatsiaro izay hiafarana. Raha jerena ireo fizarana telo asongadin’io toko faha-25 io (Virjiny/talenta/fitsarana) dia mampianatra antsika ireo dingana tokony hiainantsika ny fitiavana: ny fiainana ho mpanompo “mahatoky sy hendry” hanome ara-potoana ny anjara sakafo ho an’ny mpanompo ankinina aminy (Mt 24,45-51, evanjely omaly); ny fiomanantsika amin’ny solika hoenti-mitsena ny mpampakatra, mampahatsiaro antsika fa miankina amintsika ny hoenti-manana satria nantsoina hanazava ny alina manontolo isika na mahatsiaro na sondrian-tory (Mt 25,1-13); tsy misy hanomezan-tsiny ny Tompo anefa izay fa izay “talenta” ankininy amintsika no mila ampamokarintsika (Mt 25,14-30, rahampitso).
Amin’ny fombafomba fampakaram-bady dia ny “ampakarina” no tsenaina ka otronin’ireo virjiny. Lazain’ny Evanjely anefa fa “naka ny fanalany ireto virjiny ka lasa nitsena ny mpampakatra (νυμφίος – nymphios)” ary tsy misy filazana akory mikasika ny ampakarina. Azontsika alaina sary amin’izany ary fa ireo virjiny ireo no “tandindon’ilay Eglizy” notiavin’i Kristy (Ef 5,21snm, 2Kôr 11,2) ary lazain’ny Bokin’ny Fahendrena fa “Mitsena izay mitady azy ny fahendrena” (Fah 6,12-16).
Tsy misy hireharehana anefa izany na hifanavahana ho virjiny hendry sy ho virjiny adala (izay samy ao anatintsika ao avy) satria miankina amin’ny talenta omena antsika ny fetran’ny solika takiana amintsika. Ankoatry ny “fahendrena” takiana amintsika dia ekena fa fanomezan’Andriamanitra ny Finoana, talenta (harena) omena antsika mba ampamokarintsika (rahampitso). Tsy fitahirizana tsy misy nanombinana ny talenta izany fa fahaizana mampiasa azy ka hitsinjo izay mety ho fahataran’ny mpampiakatra: tsy ampy ny miezaka tsy hanao ny ratsy fa ny “asa vita no hitsarana”, ny asa vita no mampisy hasiny ny fiainana sy hahazoana ny zo maha zanaka mpandova ny Fiainana.
Tsy asa natao hisehosehoana koa anefa ka hizahozahoana ho nahavita be, fa asa vita am-pitiavana, nentina nanasoavana ny madinika, ny mahantra, ny voagejan’ny tsindrihazolena, satria “endrik’Andriamanitra ny olombelona” ka iezahantsika ny mitia na dia ny faraidiny indrindra aza satria tiavin’i Kristy amin’ny alalantsika izy ireny ary ao amin’izy ireny kosa no hitiavantsika an’i Kristy (fiafaran’ny Mt 25).
Dia ho fitiavan-tena ve sa fahamalinana no hilazana ny nataon’ireo virjiny hendry izay nahalala ny fetran’ny solika ho ampy ka tsy nizara ny azy tamin’ny adala? Aiza no hisy mpivarotra solika amin’ny misasak’alina!
Voalohany indrindra dia mety hilaza isika hoe tsy fahadisoan’ny adala fa fahadisoan’ny Mpampakatra tsy tonga ara-potoana no nahafaty ny solika! Tsy marina anefa izany satria na eo am-piandrasana na efa tafiditra ao amin’ny fampakarana indrindra indrindra, ny solika ilaina ihany no ilaina, izay solika tokony hahavita ny alina manontolo no tokony hoentina. Adala izay tsy mitondra solika mahaloaka ny alina, ho fitsinjovana izany no tsy nizaran’ny hendry ny solika amin’ireo adala, mariky ny fahendrena araka izany.
Mampirisika antsika izany tsy hanao ezaka mandra-paha…[1] fa hiambina sy hivavaka lalandava (1Tes 5,17). Izay no hahafahantsika mamakivaky ny alin’ny fiandrasana, ka hametsovetsoina tahaka ny mpanao salamo hoe “Izaho mahatsiaro anao eo am-pandriana, tontolo alina aho mihevitra anao”… satria mahatsiaro fa “notsenainao ny vonjinao aho ka mibitaka alofan’ny elatrao” (Sal 62). Tsy azo adinoina fa fahadalàna ny mitavandra ny hafa hihevitra fa hizara ny soliny amintsika. Tsy sanatria hisy hihevitra fa hiandry azy ny mpampakatra satria ilaina tsy azo ialàna ny “jirony” mba hanazavana ny trano fampakarana. Ny hafaliana satria voafidy ho mpitan-jiro dia tsy tokony hanaovana antsirambina ny zavatra takiana amin’izany, satria izay vonona ihany no hiditra ao amin’ny trano fampakarana, ary hohidìna ny varavarana.
Ny hadalàna faharoa koa, raha raisina ny tantara, dia ny fandehanana mandeha mividy solika amin’ny misasak’alina. Matoa tsy fantatry ny tao an-trano izy ireo rehefa nandondòna dia satria tsy nahazo solika, mbola maty jiro. Ny fitahirizantsika ny jiro mirehitra, ilay jiro natolotra tamin’ny andron’ny Batemy no hanilo ny tarehintsika ka hahalalan’Andriamanitra antsika, na dia ao anatin’ny haizin’ity fiainana ity aza.
Isika no vazy fitoeran-tsolika, mety ho tanimanga ihany, mora vaky ka mila genagenaina, ka ny fiainantsika dia misy dikany, toy ny solika, raha ampiasaintsika hanasoavana sy hanorenana ny fanjakan’ny lanitra amin’ny fanaovan-tsoa, indrindra amin’ireo tsy manan-kavaly. Hanana fitiavana ampy hamakivakiana ny alina sy hoenti-mitsena ny mpampakatra anie isika, satria mijoro ho fanasina sy fahazavany eo anivon’izao tontolo izao.
[1] Hiezaka aho mba…; matetika mitranga izany amin’ny karemy sy ny fiaviana (izay efa ho avy)