Alahady faha-21 mandavan-taona Taona B
- Josoe 24,1—2a.15-16.18b
- Salamo 33
- Efezianina 5,21-32
- Md Joany 6,61-70
I Kristy fidìna, i Kristy tompoina.
Avy nankalaza an’i Victoire Rasoamanarivo isika, reherehantsika amin’ny fahamasinany saingy tsy hisolo ny adidy aman’andraikitra tandrify antsika kosa fa hamporisika antsika amin’ny fanamasinantsika ny tenantsika, amin’ny fakana ohatra avy aminy ka hanavaozana ny faniriana sy ny ezaka hampifanarahana ny fiainana amin’ny torolalan’ny Evanjely.
Ny vakiteny voalohany dia mamarana ny bokin’i Josoe, ilay nitondra ny vahoaka voafidy hiditra amin’ny tany nampanantenaina (Dt 31,7-8). Eo Sikema no namoriany ny zanak’i Israely alohan’ny hahafatesany. I Sikema moa (Naplouse ankehitriny, 11 km atsimo atsinanan’i Samaria) dia mampahatsiaro antsika ny fihaonan’i Jesoa tamin’ilay Vehivavy samaritana (Jo 4) fa efa hatramin’ny nanorenan’i Abrahama sy ry Jakôba otely teo no nampisy heviny manokana io toerana io. I Josefa aza moa dia tao no nalevina. Io no renivohitra voalohan’ny fanjakana avaratra taorian’ny nahafatesan’i Salômôna ka nivakian’ny Fanjakana ho roa; fa ny tena maha lehibe io toerana io dia satria toeran’ny fanapahan-kevitra. Araka ny lazain’ny Boky Jenezy dia teo no nandevenan’i Jakôba ny andriamani-kafa sy ny kavin-tsampin’ny fianakaviany mialoha ny hiakarana any Betela hananganana ny otely hanompoana ilay Andriamanitra tokana (Jen 35,4snm).
Tsara ho fantatra fa Hôseà (הוֹשֵׁעַ – Hôshē‘a) no anaran’i Jôsoe (יְהוֹשֻׁעַ – yehôshou‘a) zanak’i Nòna fa i Môizy no nanova ny anarany (Fan 13,16). Vonjy no anarany, izy no mpamonjy araka ny anarana nomen-drainy azy, fa “Andriamanitra no mpamonjy” kosa no niantsoan’i Môizy azy. Eto anefa dia asehony ny maha fitaovana entin’Andriamanitra mamonjy azy, ka hiantsoany ny vahoaka rehetra, sahala amin’ny nataon’i Jakôba mba hanao safidy malalaka amin’izay Andriamanitra hotompoina.
Mila avaozina mandrakariva izany safidy izany araka ny fampahatsiahivan’i Môizy amin’i Israely hoe: “mitandrema tena ianareo fandrao voasodoka ny fonareo ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan’ireny” (Dt 11,16). Tsy mifanalavitra amin’ny firafitry ny fivoriana lazain’ny toko 24 amin’ny Bokin’i Josoe io ny zavatra ataontsika isak’alahady: Eglizy voaantso ka mivory amin’ny anaran’ny Tompo, mihaino ny fitantarana ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra ho antsika (and 2-14 tsy novakiana), manavao ny fiekem-pinoana (and 16-18) ary hanary izay andriamani-kafa ka hanandratra ny fo manontolo ho an’ny Tompo (and 19-24) ary avy eo dia manavao ny fifanekena amin’ny soratra vita amin’ny vato.
Izay milaza araka izany fa “efa any amin’ny Tompo ny fony”, efa nanadratra ny fony ho an’Andriamanitra dia efa nanary izay mety ho andriamanitra tsy izy, tompoin’ny tany onenay. Tsy sanatria ny kristianina no mbola hamonjy doany na hamonjy mpimasy sy mpisikidy. Fanompoan-tsampy mahasaro-piaro an’Andriamanitra izany.
Araraotiko izany hamakiana ireo andininy roa ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mampianatra izany:
2116.Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany : fangataham-bonjy amin’i Satàna na amin’ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho “mahalala” ny hoavy[1]. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin’ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin’ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin’ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin’ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin’ny mpamoha angatra ; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin’ny fotoana, eo amin’ny tantara ary farany eo amin’ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin’ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana an’Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin’ny fahatahorana Azy amim-pitiavana.
2117.Ny fomba amam-pihetsika rehetra fanaovana mazia na famosaviana, izay amin’ny alalan’ireny no hihamboan’ny olona hamolahany ny hery miafina mba hampiasany azy ireny sy hahazoany fahefana mihoatra ny herin’ olombelona eo amin’ny namana – mba hanomezana azy fahasalamana hono –, dia manohitra mafy ny herim-panahy enti-mivavaka. Mbola azo melohina mafimafy kokoa ireo fomba amam-pihetsika ireo rahefa ombàm-pikasana hanimbàna ny hafa na hangataham-pitahiana amin’ny fanampian’ ny demony. Ny fitondrana ody atao fiaro koa dia mahadiso. Ny famohazana angatra dia matetika mitarika fanaovana sikidy amam-panandroana na mazia. Koa mampitandrina ny mpino ny Fiangonana hiaro tena tsy ho azon’ireny. Ny fanatonana any amin’ny fitsaboana antsoina hoe nentim-paharazana dia tsy mahadiso raha tsy misy fiantsoana ny herin’ny ratsy, na fanararaotana ny mahamora mino ny hafa.
Isika kosa dia ny ran’ilay Zanak’Ondry manala ny fahotana no anaovantsika fanekena ary fiombonam-piainana tanteraka amin’i Kristy moa izany, hoy i Md Paoly, hitiavana tahaka ny nitiavany sy nahafoizany ny ainy ho an’ny Eglizy. Ny safidy ho kristianina dia mitaky fiovam-penitra amin’ny fomba fifandraisana na eo anivon’ny fiaraha-monina na ao anatin’ny fianakaviana ka ny fampianaran’i Kristy hifaninana mba ho lehibe amin’ny fifanompoana no fototr’izay fifandraisana izany (Mt 20,26-28). Fifaninanana hifanaja, προηγέομαι (proègeomai): hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena ary hihevitra ny hafa ho ambony noho ny tena, hoy i Md Paoly (Rm 12,10). Izany no hahafahana hifanoa am-pahatahorana an’i Kristy, araka ny voalaza tamin’ny vakiteny II teo, ka izay mibaiko mba hoekena dia tahaka an’i Kristy, tsy hampanjaka ny heviny fa hanao izay hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray kosa. Raha sanatria misy lehilahy mihevitra hampiasa vilana ny tenin’Andriamanitra hiheverany ny tenany ho ambony noho ny vadiny dia tokony hotsaroany ny nolazain’i Md Paoly fa ny maha lehibe azy dia amin’ny fitiavany ny vadiny toy ny itiavan’i Kristy ny Eglizy sy hahafoizany tena ho azy.
Hevero an-tsaina moa ny fahasambarana ao amin’ny tokantrano iray ka ny ray aman-dreny mifarimbona hikatsaka izay mahasoa ny ankohonany, ny zanaka hendry, manao izay tratra hahafaly ny ray aman-dreny, ny tsirairay samy tompon’andraikitra amin’ny fahasambaran’ny hafa! Tsy ho an’ny ankohonana ara-nofo ihany anefa izany fitsinjovana ny hahasambatra ny hafa izany fa adidy miandry ny mpianatr’i Kristy manoloana ny olombelona rehetra, zanaka tian’Andriamanitra ka tonga tena iray Aminy ao amin’i Kristy. Tsy misy mankahala ny nofony, hoy i Md Paoly fa mamelona sy miahy azy avy, tahaka ny ataon’i Kristy ho an’ny Eglizy.
Ny fahatsapantsika izay ataon’i Kristy ho antsika araka izany no hahafahantsika koa mitia.
Tsy mora anefa ny miala amin’ny mahazatra sy ny misafidy ny lalana mideza sy ety, satria migodàna ny lalan’ny fahaverezana, hoy ny Evanjely (Mt 7,13). Traik’efa lazain’ny filôzôfia, fa hitantsika ihany koa amin’ny zava-misy andavan’andro fa mahajambena izay zatra nandeha tao amin’ny haizina ny hazavana. I Paoly izay mampianatra antsika hitia tahaka ny itiavan’i Kristy dia efa nandalo tamin’izany ihany koa.
Tantarain’i Md Lioka fa rehefa lavo tamin’ny tany izy, dia nahita hazavana ary rehefa niarina avy eo dia tsy nahita intsony (Asa 9,1-20). Tsy afaka hisokatra amin’ny hazavan’ny finoana manko izay tsy maty amin’ny fahaizana sy ny heveriny ho fahendren’ny tenany, hoy i Bède le Vénérable. Izay miraparapa ao anatin’ny haizina no maniry ny hazavana, ka afaka manandrana koa ny fitsanganan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ho amin’ny fiainam-baovao. Andriamanitra mpamindra fo dia tsy mitsahatra mandefa ny “taratry ny famindram-pony” (dikan’ny hoe Anania) mba hitantana antsika ho amin’ny hazavan’ny Finoana, hanesotra izay mety ho sakana tsy hahitantsika ny hatsaran’ny hazan-drano (lanin-kazandrano), ka hanekentsika hanokana ny fiainana manontolo hanompoana an’i Kristy.
Sarotra izany teny izany ka iza no mahahaino izany?
Toa an’i Paoly, voasakan’ny lanin-kazandrano ka tsy mahita ilay ICTHYS (ιχθυς = Ἰησοῦς Χριστός, Θεοῦ Υἱός, Σωτήρ », Ièsous Christos, Theou Houios, Sôtèr, Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra), Trondro izay voatono, vonona ho sakafontsika, toa ireo Jody mimenomenona amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia toy izany koa isika indraindray: tsy te hiova amin’izay mahazatra, matahotra ny hanome manontolo ity fiainana ity ho fanamby hahazoana ilay tena izy, tsy te-hitsakotsako (tsy mampiasa ilay φάγω – φάγομαι phagô, mihinana intsony manko i Joany fa τρώγω, trôgô, mitsakotsako, maka fy) ny fiainan’i Kristy mba hahatonga ny fiainantsika hanahaka ny Azy. Tsy hanina atao telimoka araka izany ny Eokaristia fa hanina mila tsakotsakoina maharitra, ka na eny an-dalana mody tahaka ilay Eonoka avy any Jerosalema aza isika, dia tokony hisaintsaina izay hevitra fonosin’ny Eokaristia. Izay tia ny rahalahiny, hoy i Md Joany dia miala amin’ny fahafatesana ary miditra amin’ny fiainana (1Jo 3,14).
Tsy misy afaka mitia araka an’Andriamanitra raha tsy mandinika, mahalala ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra azy, ary fantatsika fa ao amin’ny fiainana maha olombelona an’i Kristy no nanehoany izany. Izay mihinana Azy dia ho velona ao Aminy. I Jesoa no tonga loharanon’aina, tsy afaka ny ho faly, tsy afaka ny ho sambatra intsony raha tsy misy heviny ny fiainana, ary ny fiainana misy heviny dia ny fiainana nolaniana amin’ny fitiavana, amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fanasoavana ny rahalahy. Ny fankafizana ny nofon’i Kristy, izany hoe ny faniriana ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Azy anefa dia tsy vokatry ny ezaka ataontsika fa asan’ny “ra omeny hosotroina”, dia ilay Fanahy Fitiavana nanangana Azy ho velona ka hahazoantsika ny fiainam-baovao (vavaka fangatahana).
Ambaran’i Jesoa fa toy ny hahavelomany ao amin’ny Ray no hahaveloman’izay mandray Azy ao Aminy. Ny fiainan’Andriamanitra araka izany no raisin’izay mandray Kômonio, ka tsy afaka ny ho sambatra izy raha tsy mifanaraka amin’izany fiainam-piombonana sy fitiavana izany ny fiainany.
Ny Evanjely anio, mamarana io toko faha-6 io (Jo 6), dia milaza ny fimenomenoman’ireo izay tsy te hiditra ao amin’ny mistery sy ny lôjikan’ny Eokaristia: sarotra izany teny izany fa iza no mahahaino izany? Sarotra, na ny marimarina kokoa “mafy” (σκληρός – sklèros) satria mitaky fiovana tanteraka. Tsy ny jody intsony fa ny mpianatra no lazain’i Md Joany fa mimenomenona eto. Tsy amin’ny resaka fihinanana olona (cannibalisme) intsony anefa fa noho ny tsy fahavononana hiova fo.
Tsy ny teny anefa no mafy fa ny fo mandray azy. Ary na ny mpianatra aza dia fantatr’i Jesoa fa tafintohina, diso fanantenana satria nihevitra zavatra mandeha ho azy, kinanjo tojo ny tsontsori-mamba hisarahana. Ny fahitana ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha anefa no fanafintohinana lehibe indrindra. Ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana no niakarany any amin’ny voninahitra maha zanaka. “Nanantena izahay, kanjo indro fa novonoina izy”, hoy ireo mpianatra nitsoaka nankany Emaosy.
Tsy ny fahitan’izy ireo ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa anefa no tokony hitokisan’izy ireo fa ny Fanahy loharanon’ny fiainana. Tsy afaka ny hanome azy ireo ny Fanahy tokoa manko i Jesoa raha tsy miakatra eo an-kavanan’ny Ray. Ambaran’i Joany fa Izy nanondrika ny lohany, teo ambony Hazofijaliana no nanome ny Fanahy (Jo 19,30). Io Fanahy io no nolazainy fa hampianatra sy hampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra nampianariny (Jo 14,26). Ny herin’io Fanahy io no hahafahantsika mandray ny Teniny, ka hanilo ny diantsika ho any Aminy. Fanomezan’ny Ray ny Fanahy ka tsy misy afaka manatona an’i Jesoa, araka izany, raha tsy mandray io Fanomezana io avy amin’ny Ray.
Izay mihevitra hahazo ny zavatry ny lanitra sy ny momba an’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany, amin’ny haranitan-tsainy sy izay fiheverany izay “nofo” ihany ka tsy mahasoa ohatr’inona akory, dia ho diso fanantenana ihany, satria tsy afaka ny handray ny Teny izay “Fanahy sy Fiainana”, ka tsy hahatsapa akory ny fitiavan’ilay miantso antsika maimaim-poana amin’ny fiombonana aina Aminy.
Ny fandraisana ny Fanahy dia midika ho fanovàna ny fiainana hifanaraka amin’ny Hazofijaliana. Tsy mahagaga raha “maro” tamin’ny mpianatra no nihemotra, niverin-dalana. Manoloana ny Lakroà, manoloana ny fijaliana sy ny fanoloran-tena hatramin’ny farany takian’ny fitiavana, no hahitana izay tena Mpianatra marina. Ireo miverin-dalana dia tsy dia hoe “ratsy” noho ny hafa akory, fa “cohérents”, tsy mihatsara ivelatsihy amin’ny tsy fahavitany izay takian’ny maha kristianina. Misy kosa ireo tsy mitsoaka an-daharana, saingy tsy miezaka akory ny mba hanova ny fiainana hifanaraka amin’izay maha kristianina, ary mazàna tonga fanafintohinana vaovao ho an’ny hafa.
Ianareo koa ve mba te hiala?
Ny olona dia manery ny hafa na mivantana na ankolaka mba hiteny izay tiany hohenoina, ary betsaka no rava fihavanana noho ny tsy fahazakàna ny teny hifampifehezana. Matetika anefa ny teny maharary no misy ny marina afaka hanova ny fiainana, saingy raha mbola tsy matotra ny fitiavana sy ny fanapahan-kevitra, ny zanaka aza, noho ny tsy fahazakana ny tenin-draiamandreny mananatra, misy mitsoaka mandao ny ankaniny.
Manahirana ny mitoriteny (miteny) indraindray satria fantatrao fa tsy hahafaly ny olona ny zavatra holazainao. Fa na mafy aza ny Teny voalaza, na dia toa tsy efan’ny hambom-pon’olombelona aza ny takian’ny Evanjely, dia mazava ny hafatra ampitain’i Jesoa amintsika (ho an’izay mihaino ny Teniny sy izay irahiny hitory izany koa avy eo): tsy afaka hovana na ampifanarahana amin’izay metimety amintsika ny zavatra takian’ny Evanjely. Valinteny “eny” na “tsia” no angatahina amin’izay mihaino.
Izay tsy mahita ny Tenin’ny Fiainana ao amin’ny fampianaran’i Jesoa dia mazava loatra hitady teny hafa hanalany alahelo any an-kafa. Izay mahatsapa kosa ka nanandrana ny hamamy sy ny halalin’ny fitiavan’ilay tsy mivadika mandrakizay, ka mino sy mahalala ilay Masin’Andriamanitra, dia tsy handraraka ilo mby an-doha, fa hitozo, hizotra ny lalana sarotra sy mideza, varavarana ety, hidirana amin’ny fiainana amin’ny fandavan-tena, fitondrana ny hazofijaliana sy ny fanarahan-dia an’i Jesoa isan’andro.
Ny Eokaristia ankalazaintsika, ny Mofo zaraina ho tohan’aina ho antsika dia tsy tamby ho an’ny olomasina tsy akory, tsy misy mendrika ny hidirany ao ambany tafontranony akory, saingy mahatsapa kosa fa tsy afaka ny ho velona raha tsy avy amin’ilay aina entin’io mofo nidina avy any an-danitra mba hananantsika ny fiainana mandrakizay io. Ra alatsaka ho fanalana ny fahotana no ankalazaintsika amin’ny Lamesa, ka ny fibanjinana ilay maty, nandatsaka ny Rany mba ho solo heloka no hanome hery antsika kosa indray mba hifamela heloka sy hahalefitra, ho tia marina tokoa, tahaka ny efa nitiavany antsika.
Handresy ny hery aelin’ny hevi-diso rehetra anie isika, ka hahatahiry ny fahasoavana avy amin’ny tsodranon’Andriamanitra, hisafidy ny hanompo an’i Kristy irery ihany ka hahafahantsika ho tody any amin’ny soa omeny mandrakizay.
Ry Andriamanitra Ray ô, niara-niaina taminay tety an-tany ny Zanakao, nanantitrantitra ny fiantsoanao hahasambatra anay. Koa tahio izahay manolo-tena hiara-miasa amin’i Kristy: fa Izy no Teninao mahavelona, Izy no ahazoanay ny Fanahinao mpanamasina, ary Izy no ahafahanay hihaona Aminao anatin’ny fitiavana.
[1] jer. Det 18,10 ; Jer 29,8.