Sabotsy faha-20 mandavan-taona
- Ankasa:Ezekiela 43,1-7/Salamo 84
- Tsy ankasa: Bokin’i Rota 2,1-17/Salamo 127
- Md Matio 23,1-12
Aza miantso olona ety an-tany hoe “mompera”, ho rainareo, fa iray ihany ny Rainareo dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe ῥαββί -rhabbi (mon grand, “Ngahy lehibehiko” raha ara-bakiteny, anaram-panajana entin’ny Jody miantso ny mpampianatra azy), fa iray ihany no mpampianatra (διδάσκαλος – didaskalos araka ny LXX[1]) anareo dia i Kristy izay miantso ny mpanara-dia azy rehetra ho “rahalahy”. Ny vahoaka sy ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany fampianarana izany. Ny antony voalohany moa dia mba tsy hahatafintohina izay mahita ny fihatsaram-belatsihy sy ny “incohérence” afitsok’ireo izay mipetraka eo amin’ny “sezan’i Môizy”.
Izay mihevitra ny hifehy ny hafa amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny famaizana dia mamita-tena ihany ary mandoto ny endrik’ilay Ray niantso an’i Môizy hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana. Izay manaiky an’Andriamanitra ho Ray dia mahatsapa fa ny Fanahin’Izy Tompo ihany, ilay Fanahy Fitiavana no afaka mitondra ny olona amin’ny marina ary ny fahamarinana no hanafaka azy ireo.
Antsoin’ny Evanjely isika mba handini-tena sao sanatria ny fahefana eo am-pelatanantsika ampiasaintsika hamoretana sy hampitondrana enta-mavesatra ny olona, satria “milaza fotsiny fa tsy manao”. Ny an’i Jesoa dia maivana ny entany ary ny jiogany no asainy entina[2]. Rehefa miaina izay ampianarintsika isika no mitombo ao amin’ny fitiavana, tahaka an’Andriamanitra manome ny didiny ho antsika. Ny hoe nadika hoe “Didy” moa dia ἐντολή izay avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι (entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”), ka ny τέλειος (teleios) dia izay lavorary. Ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. Ho an’ny Mpianatr’i Jesoa, ny Evanjely toriany dia ny hafaliana vokatry ny fiainany araka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Kristy, ary mahatsapa tena mandrakariva fa tsy tompony ka “tsy manao jàdona fa mpandray anjara amin’izany fampandrosoana ny hafaliana izany fotsiny” (2Kôr 1,24).
Tsy sanatria ny fitondrana “filakitera” lehibebe kokoa noho ny an’ny hafa no hilazantsika fa tia ny Soratra Masina isika. Raha ny voninahitra eo imason’ny olona anefa no katsahintsika dia hamita-tena ihany isika satria na ho ela na ho haingana dia hanalavitra ny fitiavana ny fontsika, satria tsy ny hahasambatra ny hafa no hokatsahina fa ny hisehoana ho ambony noho ny hafa.
Ny κράσπεδον (kraspedon, צִיצִת – tsîtsith, en hébreux) izay tiana ho lavalava kokoa (μεγαλύνω – megalunô, mirentirenty) dia ny sahondran’akanjo jaky volomparasy didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo, mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka. Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana, ka tsy misy lalana hafa hahamasina afa-tsy ny fitandremana ny Lalàna (Fan 15,37-41, Dt 22,12). Sao sanatria mampiasa rano voahasina isika, miambozona lakroà, saingy tsy te hiala amin’ny olona tranainy efa nodiovin’ny batemy ary mandà mafy ny hitondra ny hazofijaliana takian’ny antsom-pitiavana amintsika isan’andro vaky. Tsy manao fahagagana ny zava-masina fa mampahatsiaro antsika kosa ny fahasoavana efa narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika, fahasoavana tsy hiasa raha tsy miara-miasa amin’ny sitra-pontsika.
Raha mba ho hitan’ny olona kosa no hanaovana izany rehetra izany dia tsara hotsaroana mandrakariva ny hafatr’i Md Paoly hoe: mifaninàna hifanaja, προηγέομαι (proègeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12,10). Sarotra izany raha toa ka ny hantsoina hoe “Rabbì”, “mon grand” no imatimatesana. Tsy azo adinoina fa ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia i Jodasy irery ihany no niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Mt 26,25) fa ny mpianatra rehetra kosa niantso Azy ho “Tompo” (Κύριος, Mt 26,22).
Hivelomantsika isan’andro anie ny tsiokan’ny Fanahy manangana antsika ho zanaka mpandova, ka handraisantsika sy hitiavantsika toy ny iray tampo ny olombelona rehetra, ka hifaninanantsika ho lehibe, hanahaka ny halehibeazan’i Kristy Jesoa izay tsy nanao ho zavatra nobaboiny ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra fa naneho ny haben’ny fitiavany tamin’ny nietreny ho tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra (Fil 2,6-7). Tsy sanatria amintsika no hisy hihevitra ho ambony noho ny hafa ka hanadino fa “mpirahalahy avokoa isika rehetra”, miantso ilay “Ray any an-danitra”.
[1] καθηγητής – kathègètès, (avy amin’ny ἡγέομαι – ègeomai= mitarika, mialoha lalana) izay adika hoe “docteur” moa amin’ny teny frantsay, no ampiasain’ny grika sasany (BYZ ohatra), fa noho io teny io, anaram-boninahitra fampiasan’ny Farisianina dia tsy tian’i Md Matio ampiasaina ao amin’ny Eglizy manara-dia an’i Kristy.
[2] ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν– ho gar zugos mou chrèstos ka to phortion mou elaphson estin (Mt 11,30 Byz), ara-bakiteny : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako…, satria Izy no mitondra azy mialoha antsika.