Zoma faha-20 mandavan-taona
- Ankasa:Ezekiela 37,1-14/Salamo 106
- Tsy ankasa: Bokin’i Rota 1,1-22/Salamo 145
- Md Matio 22,34-40
Lasa nandeha ny Farisianina rehefa tsy nahomby tamin’ny fandrika nataony tamin’ny nanontaniany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoa hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22,15-22) ary rehefa novaliany mba hanome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka ny vola misy ny endrik’i Sezara omena azy, ny olona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra kosa hotsinjovina mba ho sambatra araka ny nahariany azy. Io andro io ihany dia tonga indray ny sadôseanina haka fanahy azy momba ny fiainana any an-koatra ka nitanisa ny lalan’i Môizy (Dt 25,5-10, loit du Levirat, levir amin’ny teny latinina = zaodahy) fa ny Andriamanitry ny Razana, Andriamanitr’i Abrahama, Isaaka sy Jakôba, dia Andriamanitry ny Velona fa tsy an’ny maty.
Naheno izany ny Farisianina dia niverina indray mba haka fanahy azy, ity indray mitoraka ity kosa mikasika ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna. Inona amin’ireo fitsipika 248 sy fandraràna 365 no lehibe indrindra? Ny “mitia” no didy (ἐντολή – entolè) lehibe indrindra hoy i Jesoa. Ny ἐντολή moa dia avy amin’ny hoe : ἐντέλλομαι – entellomai (“en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος -teleios- lavorary), ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany.
Ny faniriana te hitovy aminy dia tanteraka, tsy sanatria rehefa manana ny zavatra rehetra isika na rehefa manam-pahefana afa-manao izay tiana atao sy manjakazaka amin’ny hafa. Ny fitiavantsika Azy dia fitia tsy voazarazara ka tokony ho amin’ny fo tontolo, amin’ny fo tsy voazarazaran’ny fanirian-java-nohariana, amin’ny fiainana manontolo (ψυχή – psychè, fofon’aina, vovok’aina), amin’izay mety ho hery ahafahana manao zavatra, amin’ny saina manontolo (διάνοια – dianoia) ka tsy hampiasàna ny ati-doha hametsifetsena na hanambakàna fa hitiavana sy hanaovan-tsoa (Dt 6,5).
Izany fitia tokam-po izany anefa tsy hitan’ny maso raha tsy amin’ny fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Ataonao ahoana moa no hitia an’Andriamanitra tsy hita maso raha ny olona hita maso aza tsy hainao tiavina (1Jo 4,20)? Ny fitiavana ny namana no hahafahana manandratra vavaka amin’Andriamanitra isaky ny misy zanany mampahonena noho ny fahantrana, noho ny aretina, noho ny fahasembanana (Mahalôna – taizan’aretina – sy Seljôna – be taraina – zanak’i Noemi ao amin’ny Bokin’i Rota 1,1-22), hoy i Papa Fransoà tamin’ny fampianarany (alarobia 21 aogositra 2019). Ny fitiavana marina no hahafahantsika mitia ny hafa tahaka ny tena (Lev 19,18), izany hoe haniry ho an’ny hafa izay heverina fa mahasoa ny tena ary tsy hanao amin’izy ireo izay heverina fa tsy mety raha ataon’ny hafa amin’ny tena. “Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna manontolo (singulier) sy ny Mpaminany rehetra” no miantona (κρέμανται, κρεμάννυμι – kremantai,kremannumi), sahala amin’ny varavarana mihantona amin’ny savily anankiroa.
Izay notiavina ihany anefa no afaka mitia. Ny fibanjinantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny vavaka araka izany no sekoly hianarantsika ny tena fitiavana marina, ka ny fahalalana Azy mampitombo ny fitiavana Azy, ny fitiavana Azy tonga fanahafana Azy, ary ny fiainana vokatr’izany vavaka izany no lehibe indrindra amin’ny didy. Tsy misy lalàna vanona raha tsy fikatsahana ny soa ho an’ny tsirairay sy ny daholobe ary fahatanterahan’ny lalàna ny fitiavana satria tsy manao ratsy na amin’iza na amin’iza, hoy i Paoly (Rm 13,10). Anjaran’ny Mpaminany ny mampahatsiaro izany, indrindra raha sanatria mivaona ka tonga fiarovana ny tombontsoa manokana fa tsy ny soa iombonana ny lalàna arafitry ny fiaraha-monina, ka sanatria manalavitra ny fitiavana.
Ho taratry ny fitiavan’ilay Andriamanitra banjininy ao amin’ny fivavahana anie ny fiainan’ny mpino rehetra.