21 aogositra : Victoire Rasoamanarivo (1848-1894), Olontsambatra
- Jeremia 1, 4-8. 17-19/Romana 12, 3-13
- Salamo 26/
- Md Joany 15, 1-8
Ny fitaran’ny Evanjely dia mazava loatra fa midika ihany koa hoe fitaran’ny sedra sy ny olana tsy maintsy vahana amin’ny fampanaraham-bolontany (inculturation) sy ny fanadiovana ny kolotsaina hifanaraka amin’ny Evanjely (évangélisation). Raha banga ny iray amin’ireo (fidelité a Dieu et fidélité à l’homme) dia mandringa ny firosoam-panahy sy ny fivoarana ara-pastoraly. Rasoamanarivo, tao anatin’ny fahatsoram-po sy ny finoana dia nijoro ho andry hijoroan’ny Eglizy, na dia teo aza ireo sedra tsy maintsy natrehana tamin’ny tsy maintsy nandaozan’ny « Vazaha » ny tany, ka tsy nahafahan’ireo misionera vahiny nijanona teto Madagasikara. Manambara ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amin’ny mpino manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina. Fototr’izany rehetra izany ny fiombonan’aina amin’i Jesoa lazain’ny Evanjely.
Amin’ny fiafaran’ny toko faha-14 dia hoy i Jesoa tamin’ny Mpianany hoe: “Mitsangàna, andeha isika hiala eto”. Ny fiantombohan’ny toko faha-15 kosa indray dia ny hoe “Izaho no tena fotoboaloboka”. Ny fotoboaloboka dia tsy afaka ny hamoha raha mifindrafindra. Inona ary no tian’i Jesoa holazaina amintsika? Antsoin’i Jesoa isika mba hiala eo amin’ny toerana nankaherezany antsika eo anatrehan’ny tahotra sy ny hamafin’ny fo tsy te hiditra ao amin’ny lalan’ny hazofijaliana ka antsoiny mba hamoha be sy ho tonga mpianatra marina tokoa. Antsoiny hiala amin’ny toerana tiantsika hitoerana ka hanaraka Azy amin’izay toerana sitrak’Izy Ray hambolena antsika miaraka amin’i Jesoa, ka hitsiriantsika sy hitomboana ary hitondrana vokatra be dia be.
Izany no sarisary ampiasain’i Joany: foto-boaloboka “volen’ny Ray”. I Jesoa no fototra ary isika no rantsana. « Izaho no » (YHWH) no mofon’ny fiainana (Jn 6,35), fahazavana (Jn 8,12), varavarana (Jn 10,7.9), mpiandry ondry (Jn 10,11), fananganana sy fiainana (Jn 11,25), lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jn 14,6). Amin’ny Evanjely anio Izy dia milaza fa “ilay tena” foto-boaloboka, tahaka ny nilazany fa Izy no mofo, ilay tena izy (Jn 6,32), satria Izy no afaka manome ny vokatra ho voninahitry ny Ray.
Ny Ray no mpamboly. Ao amin’ny Soratra Masina dia marobe ny tomany ataon’Andriamanitra amin’Israely, tanim-boalobony: foto-boalobony (jereo Izaia 5, 1ss), izay tsara karakara kanefa nisafidy ny tsy hiombon’aina Aminy ka tsy hivelona amin’ny loharanon’aina atolony (Jeremia 2,13). Ny Mpianatra dia rantsana miray amin’i Kristy, ka sady mivelona Aminy no mitondra vokatra tahaka Azy.
Ahoana ary no hiraikitra Aminy nefa tsy hamokatra? Satria mety ho kobaka am-bava ny fanarahan-dia Azy, ka tsy vonona ny handray ka hivelona araka ny Teniny (cf. Mt 7,21-23). Mampieritreritra antsika izany tenin’i Jesoa izany, araka ny lazain’i Joany hoe “aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa mitiava amin’ny asa tokoa sy am-pahamarinana” (1Jn 3,18).
Atao ahoana kosa indray ny hahazo ny filazan’i Jesoa hoe: hohesorina izay tsy mamoa? Afaka manilika ny rahalahiny tsy hiara-mandova Aminy ve i Jesoa? Ahoana no hinoana izany raha Izy aza lasa nitady ilay ondrikely nania? Tsy Izy no manilika. Marina sy mahatoky mandrakariva Izy, saingy anjaran’ny olona kosa ary miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay ny mandray sy mivelona araka ny tsirin’aina ampitain’ny foto-boaloboka (cf. Mt 7,19; 25, 41-46; Rm 11,17-21; 1Kôr 10,11s).
Sitrak’Andriamanitra mba hampiasaina amin’izay mitondra vokatra ny aina avy Aminy. Izany no mahatonga ny rantsana maina hohesorina ary ny sampana mamoha mba horantsanana, hodiovina amin’izay mety ho fahotana sy faharatsiana mbamin’ny fitiavan-tena ka hahafahana mamokatra bebe kokoa, tsy ho voninahitry ny tena fa ho voninahitry ny Ray.
Tsy manery i Jesoa fa miangavy, manaja ny fahafahan’ny tsirairay mba hitoetra ao Aminy sy hitoerany. Ambarany mazava anefa fa izay tsy mitoetra ao Aminy dia tsy hahavita na inona na inona. Lazain’ny olon-kendry iray izay (Lallemant) fa mampidi-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa ny olona iray raha sanatria manoka-tena hanao asa pastoraly na asa fitoriana kanefa tsy manam-potoana hibanjinana Azy Tompo (contemplation). Hanao fanandramana fohy angamba, hoy izy dia mety ho azo atao ihany. Zava-dehibe ho antsika manko ny fiombonan’aina amin’i Kristy (cf Mc 3,14). Amin’ny fibanjinana an’i Jesoa ka hitomboan’ny fahalalantsika Azy no hahafahantsika mitia “tahaka ny nitiavany” ary amin’ny fiombonana aina aminy no hahazoantsika ny hery hanatanterahana izany.
Raha mitoetra ao Aminy isika ka mitoetra ao amintsika ny Teniny dia hangataka izay tiantsika isika ka atao amintsika izany. Tsy afaka ny ho tia zavatra ankoatr’izay tian’i Jesoa izay mitoetra ao Aminy ka mitandrina ny teniny. Ny vavaka no mampitombo ny faniriana, hoy i Md Augustin ka mampitatra ny fo handray ny hafenoam-pahasoavana, ka hamokatra bebe kokoa hahafahana manome voninahitra ny Ray. Tian’Izy Ray manko ny hanome antsika izay rehetra nomeny ny Zanany lahitokana: ny fiainana mandrakizay (cf Jn 3, 35).
Tsy vitan’ny hafanam-po indray andro ny maha-mpianatr’i Kristy fa ezaka isan’andro isan’andro.
Ny fankalazana ny fetin’i Victoire RASOAMANARIVO dia mampahatsiaro antsika ny fanamasinan-tena iantsoana antsika rehetra, eny fa na dia amin’ny fanarahana ny fiainana tsy nosafidiana akory aza, vokatry ny rafitra napetraky ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina fa ny fanekeny, ny fandeferany sy ny fahamasinana nokolokoloiny tamin’ny fivavahana izay “aina” no zary fahasoavana nampibebaka hatramin’ny vady najainy sy nekeny ary notiaviny na an-kasoavana na an-karatsiana. Izany no tokony hanokanantsika fotoana handinika ireo soa sesehena notovozintsika avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, handalinantsika mandrakariva ny finoana, hampifanarahantsika azy amin’ny fiainana amin’ny famaliantsika am-panetren-tena ny fitiavan’Andriamanitra asehony maimaim-poana, amin’ny izarantsika izay noraisintsika amin’ny hafa ary ny hiarovantsika ny fahamasinana, tsy amin’ny hambo-po araka ny olombelona fa amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’ilay tia ny hahavonjy ny olon-drehetra.
Hahazo hery avy amin’ny FANAHY MASINA anie isika ka hiasa tsy an-kijanona hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra (Vavaka fangatahana).