Alahady faha-19 mandavan-taona Taona B
- 1 Mpanjaka 19, 4-8
- Salamo 33
- Efeziana 4, 30 – 5, 2
- Md Joany 6,41-52
Ilana finoana ny Eokaristia.
Mitohy ny fandalinana momba ny Eokaristia, momba an’i Kristy ilay manome ny Nofony ho fiainan’izao tontolo izao (Jo 6). Fanafintohinana ho an’ireo iray firenena aminy ny fampianaran’ilay zanak’i Josefa… ary mazàna zava-mitranga amin’ny fiainantsika ny mitsara ny teny sy ny hafatra ampitaina, tsy amin’ny maha-hafatra azy fa noho ilay niteny azy. Misy fiantraikany eo amin’ny fampitana fampianarana izany. Amolavolana ny saintsika ny fampiasana sy fitanisana ny olo-malàza mba hampisy heviny sy lanjany izay nolazaintsika… ary indraindray aza lasa fomba mahazatra ny milaza: ho’zy Ranona hoe… i Ranona mihitsy no nilaza… hitako tao anaty Baiboly, novakiako tanaty boky…saingy aza adino fa olona toa antsika ihany izy ireo fahavelony : tsy noraharahian’ny Mpiara-monina, heverin’ny sasany ho adala aza. Izay no nahatonga ilay mpanabe ny tanora (Don Bosco) hilaza fa ho an’izay te hanabe marina, aoka hanao izay hahazoana ny fon’ireo beazina, satria ny fitiavana no hahafahana mampita ny aina.
Ao ambadik’izay toa fanivaivana ny hafatra ampitaina izay ny fialonana. Tsy zava-baovao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona izany. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana anefa i Md Paoly no efa nananatra ny Mpino fa rehefa mety ho “lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy ary hasomparana” dia tsy mifanaraka amin’ny maha-kristianina ka tokony hohesorina amintsika (Ef 4,30–5,2).
Tsara ny manazava ireo zavatra lazain’i Md Paoly hesorina ao am-po ireo: Amertume, irritation, colère, éclats de voix, injures, tout cela doit disparaître de chez vous, comme toute espèce de méchanceté. (Eph 4:31 TOB). Ny voalohany dia ny πικρία (pikria), nadika hoe lolom-po, fa ny marina dia teny « mangidy », mavesatra atao amin’ny hafa izay mety ho nahavita hadisoana, hiheverana fa lehibe noho izy ka entina hanambaniana sy handratrana ; ny faharoa dia θυμός (thymos), fahatezerana tsy amin’antony, na noho ny zo tsy voahaja na ny fahaverezan’ny tombontsoa ka mahatonga hanaonano foana (tahaka ny olona adalan’ny toaka) ; ny fahatelo dia ny ὀργή (orge), fahavinirana izay kotrehin’ny lolom-po sy ny valifaty ka tsy voafehy intsony fa zary herisetra ; ny faha-efatra dia ny κραυγή (krauge, avy amin’ny krazo mikiakiaka sahala amin’ny goaika), fitabatabana, fifazavazana satria tsy afaka mifampihaino intsony ; ny faha-dimy dia ny βλασφημία (blasphemia), teny ratsy sy ozona fa koa entina hilazana ny fifosana sy ny fahitana fahafinaretana amin’ny fitantarana ny kileman’ny hafa ; ny faha-enina farany dia ny κακία (kakia), izay mety ho karazana faniriana rehetra mitondra amin’ny hasomparana.
Fanahafana an’Andriamanitra toy ny zanaka malala manko iantsoana antsika.
Izay ilay asa vadi-drano hifanomezantsika tanana, satria ny zava-kendren’ny Eglizy sy ilofosany dia ny hanao izay haha-zanak’Andriamanitra ny olona rehetra noho ny finoana sy ny batemy mba hiarahan’izy rehetra midera an’Andriamanitra ao anatin’ny Fiangonana sy handray anjara amin’ny Sorona ary hihinana ny sakafo anasan’ny Tompo (jereo Sacrosanctum concilium, ny Litorjia Masina n. 10). Izany no hahazoantsika ny hevitry ny fandraisana komonio, hivoky amin’ny sakafon’ny Anjely (toa an’i Elia Mpaminany) fa lavitra ny lalana… eny fa na dia mbola tsy tapa-kevitra ny hanainga ho any Hôreba aza isika, fa mbola mandrimandry, matoritory, dia antsoina hihinana ka vokin’ny mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, tandindon’ilay mofo atolotra ao amin’ilay Trano mirafitra ho Tempoly eo ambonin’ny Vatolampin’ny Tenin’Andriamanitra ka hafanain’ny Fanahy Masina (Vakiteny I 1 Mpanj 19, 4-8), saingy mbola miverina matory ihany matetika.
(Boky Voalohan’ny Mpanjaka
1Mpanjaka 19 vakiana ny Taona A B D)
Mazàna isika no mitady ny fiadanam-po amin’ny fianteherana amin’ny zava-mandalo, ka rehefa revon’ny adim-piainana dia adino hatramin’ny antony nitolomana aza.
Efa tsy fifandovàna intsony no niakarana teo amin’ny fitondrana teo amin’Israely fa an’ady. Nandritra ny 22 taona nanjakan’i Ahàba zanak’i Hômrý, mpitari-tafika nandrombaka ny fahefana ka nanorina an’i Samaria ho renivohi-paritanin’ny Fanjakana Avaratra (1 Mpanj 16, 23-28) no nitrangan’ny tantaran’i Elia tamin’ny Vakiteny I teo. Nanorenan’i Ahàba tempoly hanompoana an’i Bahàla (andriamanitry ny razan’i Jezabela) tao Samaria ary mazava loatra fa izay te hahazo tombontsoa amin’ny Mpanjaka dia tsy maintsy hanaraka ny fanompoan-tsampiny ihany koa. Novonoin’i Elia anefa ireo mpaminanin’i Bahàla 400 mahery ary izay no niantsian’i Jezabela ny ainy amin’ny tohin’ny vakiteny novakiana no hahitantsika ny ilazan’i Elia ny antony handosirany mba hanavotra aina: te hiaro ny voninahitry ny Tompo sy ny Fanekem-pihavanany izy, saingy matahotra ny ho faty ihany koa (1 Mpanj 19, 10). Indroa Andriamanitra no manontany an’i Elia hoe: “Maninona atý ianao ry Elia” (1 Mpanj 19, 9b.13).
Manoloana ny fifofoan’i Jezabela ny ainy (1 Mpanj 19, 2) dia adinon’i Elia ny adidy miandry azy amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ka naniry ho faty izy (and. 4), kanefa Andriamanitra naniraka ny Anjeliny hamelona azy. Ary rehefa avy nihinana ny mofon’ny Anjely fanindroany izy no niainga ka nihazo ny Tendrombohitra Hôreba (חֹרֵב = fahamainana tanteraka) ary tao no nihaonany tamin’ny Tompo.
Voalaza fa raha avy nihinana ny mofo voalohany izy dia niverina natory. Impiry moa isika no avy mihinana sy misotro ny Sakafon’ny Anjely amin’ny Eokaristia Masina no mbola miverina matoritory ihany amin’ny fiainana, saingy tsy sasatra ny miantso antsika ny Tompo mba hizotra ny lalana mankany Hôreba, hiverina any amin’ny toerana nanaovany ny Fanekem-pihavanana tamintsika (Det 5, 2).
Eo amin’io toerana io no hahafahana mivavaka marina tokoa, eo no hahafahantsika mihaino indray ny Tenin’Andriamanitra. Izany no atao hoe “miakatra any an-tendrombohitra mba hivavaka”, miverina amin’ny fahatsapana fa Andriamanitra no tia antsika mialoha, ny fitiavany no naha-babo ny fontsika ka nahatonga antsika hisafidy ny ho vavolombelon’izany fitiavany izany. Ny fizotry ny fisehoana (théophanie) teo Hôreba dia manampy antsika koa hanadio ny mety ho hevi-diso ananantsika momba an’Andriamanitra sy ny ny maha-mpanompony antsika.
Any Hôreba no hahafahantsika mahatsapa tahaka an’i Elia ny fisian’YHWH ao anatin’ny feo malefaka sy mandrotsirotsy – tao anatin’ny fiadanana – fa tsy tao anatin’ireo zavatra heverina ho fampisehoan-kery (rivo-mahery, horohoron-tany, afo…). Mety hialohavan’ny fisalasalana sy fitsapàna maro araka izany ny lalana mitondra mankamin’ny fihaonana amin’Andriamanitra, ary ny fizorana ho amin’ny finoana marina dia mety ho fitaovana hahazoana tombontsoa manokana ihany ka hitadiavana porofo tahaka an’i Md Piera hoe « asaivo mankeny aminao ambony rano aho » (Mt 14, 22-33).
Manoloana ny olana na ny mety ho sakana ataon’ny maty eritreritra amin’izay fiezahantsika hanao ny soa dia mety ho valifaty na ny fitadiavana hevitra hanapotehana ny herin’ny fahavalo no tonga ao an-tsaintsika, na famoizam-po ka maniry ho faty tahaka an’i Elia. Tsy izay anefa no lalana atoron’ny Vakiteny voalohany. Manome antsika ny mofo avy any an-danitra ny Tompo mba hahafahantsika mahazo hery ka hizotra ho any Hôreba, ho any amin’ny toerana hahafahana manavao ny Fanekem-pihavanana Aminy, handraisana ny Didiny ka hahafahana miaina ny maha-zanaka taha-dRay. Ao anatin’ny fizozozozoana, amin’ny teny mora sy malefaka, mitory fiadanana no isehoan’YHWH any Hôreba. Ao Izy no maniraka antsika handeha (יָלַך yalak), hibebaka (שׁוּב, shub), hanohy ny asa heverintsika hamaliana ny fitiavany (Elia 1 Mpanjaka 19, 15). Izao no famantarana hahalalana ny mpanompony, hoy Izaia: “tsy hiantso mafy izy, tsy hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be” (Izaia 42, 2), hifampihantra sy hifamela heloka tahaka ny namelan’Andriamanitra antsika tao amin’i Kristy, hoy Md Paoly (Vakiteny II).
Tsy azo adinoina araka izany fa tsy haninkanim-poana ny Eokaristia fa hanin’ny mpanao zavatra, hanina mitondra hery, ary araka ny efa nolazaintsika, ny mety tsy ho fahazotoan-komana na ny mety ho fahalainana mihitsy aza, dia fambara aretina, mila hanatonana mpitsabo, fa mazàna vokatr’ireo aretina tanisain’i Md Paoly amin’ny Vakiteny II, izay tsy maintsy esorina mba hahafahantsika miaina am-pahasalamana ny finoantsika (vak II Ef 4,30–5,2) ka hanohizana ny dia, hiverenana amin’ny fiantsoana niantsoana antsika (1 Mpanjaka 19, 15).
Mialoha ny Evanjely anio moa dia misy andininy tsy novakiana amin’ny Evanjely (and. 35-40) ka hojerentsika vetivety.
I Jesoa no ilay Teny nahariana izao rehetra izao, tonga mofon’ny fiainana, atonintsika mba hahazoana izany fiainana araka an’Andriamanitra izany. Hoy Izy: ἐγώ εἰμι, “Izaho no” (Jo 6,35). Io no ”Anarana” nisehoan’YHWH tamin’i Moizy (Eks 3, 14). Misy mahita Azy nefa tsy hino ny maha-Andriamanitra Azy. Tsy afaka ny hino Azy izay tsy miditra ao amin’ny “Eokaristia”, amin’ny fiekena fa fanomezan’ny Ray avokoa ny zavatra rehetra, ary na ny fiekena ny marina mba hahafahana manatona ka mino an’i Kristy aza dia mila angatahina satria fanomezana. Asan’ny Ray no manolotra antsika amin’ny Zanaka mba hotahiriziny. Tsy afaka ny hino an’Andriamanitra araka izany izay mihevitra ny tenany ho “andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra” (Jo 5, 44), ka aleony ny haizina toy izay ny hazavana. I Jesoa kosa, mivelona amin’ny fanaovana ny sitrapon’ilay naniraka Azy, amin’ny andro farany, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jo 12,32). Izy nanolotra ny tenany teo ambony hazofijaliana no nanomezany antsika ny Fanahy (Jo 19, 30), nanasiana tombon-kase antsika ho amin’ny andro fanavotana (vak II Ef 4,30–5,2) satria nanangana antsika ho zanaka ao amin’i Kristy.
Ny fiombonantsika amin’ny Zanaka mba hananana ny aina sy hahatongavana ho mpandova no sitrapon’ny Ray. Ny fiombonana amin’ny Zanaka no hahafahantsika mitia ka miditra ao amin’ny fiainana izay tsy ho levona mandrakizay. Ny fahitantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Zanaka no finoana Azy, ka hahafahantsika miara-maty Aminy ny amin’ny fahotana ary hiara-mitsangana amin’i Kristy nitsangan-ko velona ho amin’ny fiainam-baovao.
Izay mahita fa eo amin’i Kristy maty nahafoy ny ainy mba hilazana fa ny fitiavana fa tsy ny herisetra no lalana mitondra amin’ny fiadanana, ary manaiky fa ny fikatsahana izany fiadanana sy fandriam-pahalemana izany no hasambaran’ny Zanak’Andriamanitra, dia mampisokatra ny masony hahita fa i Jesoa tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Fa ny finoana Azy, izany hoe ny fampanarahana ny fiainana amin’ny Evanjely notoriany kosa no hidirantsika amin’ny fiainana, tsy aorian’ny fahafatesana fa amin’izay fotoana handraisantsika ny Teny ka hanomezantsika alalana azy mba hanova ny fiainana.
Hitalahoantsika ary Izy Tompo mba hahaizantsika mibanjina mandrakariva ilay harena mihafina ao amin’ny Eokaristia, ka hinoantsika marina tokoa, ka hiasantsika, araka izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Tsy mora anefa ny mahita ka mitsaoka an’Andriamanitra ao amin’ilay zanak’i Josefa, olona sahala amin’ny olona rehetra, ary raha jerena amin’ny fomba fisainan’ny maro ny fiainany dia toa hadalana ihany.
Eto no manomboka ny Evanjely anio.
Md Joany 6, 41-52
Anisan’ny sarotra indrindra amin’ny fidiran’ireo Jody amin’ny finoana an’i Jesoa ny fiekena fa ilay zanak’i Josefa dia Andriamanitra, sarotra ny hiaiky fa ilay Tenin’ny Ray nahariana ny zavatra rehetra dia tonga olombelona mitovy amintsika ary Izy no manome antsika ny fiainana. Tsy fahaizana na fahendren’olombelona no hahatongavana amin’ny finoana izany fa fahasoavana avy amin’ny Ray. Mampianatra ny olona rehetra Izy (Iz 54, 13) ka izay mihaino ny fampianarany no afaka hanatona an’i Jesoa sy ho afaka hihinana (φάγω – φάγομαι phago), izany hoe afaka manao antom-pivelomana ilay Mofo nidina avy any an-danitra.
Manao dingana iray indray anefa ny fampianarana eto: ny mofo avy any an-danitra dia ny nofon’i Jesoa (σάρξ sarx) ho fiainan’izao tontolo izao. Izy no Mofo velona (ζάω zao) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, ka avy amin’ny fihinanana Azy no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina iombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zoe).
Ho an’ny Jody, ny hena hohanina hahazoana tsodrano avy amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ny zanak’ondry atao sorona, tsy mahagaga raha nolazain’i Md Joany fa mifanandrify ny ora nahafatesan’i Jesoa sy ny ora famonoana ny zanak’ondrin’ny Paka (zoma masina amin’ny ora faha-9). Izy no ilay Zanak’Ondry manala (mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao, ka manome antsika indray ny aina. Ny fiainany no natolony manontolo ho aina hamelona izao tontolo izao. Fomban’i Joany moa ny mampiasa teny “à double sens”, manana heviny roa, ka tsy ny nofo maha-canibale, mpihinana olona no lazain’i Jesoa fa atolony, fa ny nofo, dia ny fiainany manontolo, ny maha-olona azy amin’ny lafiny rehetra (1 Jo 3, 16) ka atolony ho “Sorona amam-panatitra manim-pofona hamonjy antsika” (Ef 5, 2).
Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia mahita fa ao amin’i Jesoa no ahatanterahan’ny faminanian’Izaia mikasika ilay Zanak’ondry moana eo anatrehan’ny Mpanety azy (jereo ny vakiteny Herinandro masina).
Ampianarin’Andriamanitra isika rehetra (Iz 54, 13), amin’ny fanomezany antsika fo vaovao afaka mitia, hoy Ezekiela (Ez 36, 26). Tsy ezaka avy amin’ny fisainantsika fa fanehoan’Andriamanitra ny tenany (révélation) no hahafahantsika mahalala Azy, ary fanavotana izany satria tao anatin’ny haizina isika fony mbola tsy nahalala Azy, ka ny faharetana amin’ny fahazavana marina no hahazoana ny famonjena (Vavaka Komonio). Fanomezana no hahafahana mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra Ray ny fahafahana manara-dia an’i Jesoa, ilay hany nahita ny Ray sy manome antsika ny “nofony”, izany hoe ny fiainany manontolo, hanasoavana an’izao tontolo izao. Tsy afaka ny tsy hisaotra izay mahazo izany fahasoavana izany, hisaotra ny Tompo lalandava ka ny fiderana azy no tsy miala eo am-bava (Sal 33) ary ho vonona hihinana Azy ho iray aina Aminy.
Tsy ho sanatria anie ho kobaka am-bava na tsidi-pahitra no ankalazantsika ny Tenin’Andriamanitra fa mba hampitsiry ao am-pontsika ny fikarohana sy faniriana hahalala sy ho tia bebe kokoa Azy, hahafahantsika mitombo fahalalana an’i Kristy ilay efa nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ka hiray aina Aminy bebe kokoa hatrany.
Mety hahakivy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, mety hiteraka famoizam-po mihitsy aza, ka haniry ny ho faty tahaka an’i Elia Mpaminany, mahatsapa ny fahalemen’ny Tena: tsy vitako intsony… aoka izay, leo be aho!!! Soa fa eo i Kristy ho mofon’aina mamelona antsika ka milaza amintsika hoe : Ampy anao ny fahasoavako (2 Kor 12,9). Izay fahasoavana tsapa amin’ny Fiainana izay mahatonga antsika hanolotra mandrakariva sorom-pisaorana, ary tsy sorona fe sorona fa iraka hitoriana izany fitiavan’Andriamanitra asehony amintsika izany. Izany iraka (missio lamesa) izany no ventesin’ny salamo setriny hoe : “ombao aho mankalaza ny Tompo, miaraha isika midera ny anarany… (Sal 33) satria izay nahazo fahasoavana avy amin’Izy Tompo, tsy ho sasatra ny hitory izany amin’izay mifanerasera aminy. Dia izay no fankalazana ny Eokaristia, ka arakaraka ny hinoantsika ny hery omen’ny Mofo raisintsika no hitozoantsika hiaina ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Tsy sanatria anefa hahakivy raha mbola matoritory isika, avy mihinana ilay mofo aroson’ny Anjely, hiezahantsika fotsiny ny hazoto homana izany mofo izany, hanesotra ireo aretim-panahy tsy hamela ny fontsika hitia marina tokoa ka hiandry am-pitokiana ny fotoana hamakivakiantsika ny tany efitra, hihaonantsika amin’ilay Tompo YHWH, ilay inoantsika ho tompon’ny teny farany satria mahefa ny zava-drehetra.
Andriamanitra Rainay ô, ny olona ampianarinao sy mihaino ny Teninao ihany no afaka manatona an’i Jesoa Zanakao; ka tarihiny sy velominy isan’andro mba ho tonga ao Aminao. Koa omeo ny herin’ny Fanahinao izahay, mba hitombo finoana, sy fanantenana ny fitiavanao.