ALAHADY FAHA 17 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- 2 Mpanjaka 4,42-44
- Salamo 144
- Efezianina 4,1-6
- Md Joany 6,1-15
Taorian’ny nitantaran’i Marka an’i Jesoa nihantra ireo vahoaka tahaka ny ondry tsy manam-piandry (Mk 6,30-34: Alahady 16B) dia manomboka ny fampianarana momba ny “mofo velona nidina avy any an-danitra” isika mandritra ny alahady 5 mifanarakaraka (Md Joany toko faha-6). Mitohy amin’ilay fitiavana nanosika an’i Jesoa hampianatra ny vahoaka notantarain’i Marka izany. Andriamanitra manome hanina ny vahoakany!
Rehefa tonga tany amin’ny tany Kanaàna ny Israelita dia raiki-tahotra nahita ny mponina tao ka nankaherezin’i Jôsoe sy i Kaleba hoe : Aza matahotra fa mofo (fihinana) ho antsika ireo (Fan 14,9). Ny miady (לָחַם- lāḥām) sy ny mofo (לֶחֶם- leḥem) moa dia mitovy foto-teny amin’ny teny hebrio, ilazàna fa ny mofo dia sady mampiombona no mety hampiady. Ny tsy fahaizana mizara azy dia mety hitondra hatramin’ny fifandringanana, mba hibodoana ny anjaran’ny sasany. Ny fizarana, ny fiarahana mihinana ny mofo amin’ny hafa kosa no hahazoana sakaiza (com-panio, co-pain), ka araka ny fahendren-drazana hoe “iray vatsy, iray aina”.
Ilay lehilahy nitondra ny santa-bary ho an’i Elizea, dia mofo ôrja 20, dia ilazana fa ny sakafon’ny mahantra no nateriny, tao anatin’ny fahantrany no nahafoizany, nahaizany naneho ny fisaorana an’ilay nampahavokatra ny tany. I Elizea kosa tsy nitana izany ho azy fa nizara azy manontolo ho an’ny vahoaka an-jatony.
Ny tantaran’i Elizea (Vakiteny I 2Mp 4,42-44) izay tanteraka koa ao amin’i Kristy mampitombo ny mofo dimy sy hazandrano roa (Jo 6,1-15) dia mahalasa saina ihany!
Manoloana ny hanoanana sy ny fahantrana mandrongatra, mampitaraina ny tsy manan-kianteherana dia miantefa amintsika ny tenin’i Kristy: “Omenareo hanina izy ireo” Mk 6,37. Izy Kristy ihany anefa no milaza ny mety ho valinteny azontsika omena: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” (Jo 6,5) ary mety hotohizantsika koa hoe : Aiza no hahitana vola hividianana mofo ho an’ireo???
Izay tsy vonon-kahafoy dia mahita tsiny mandrakariva ary mahay miala amin’izany. Ambaran’i Jesoa anefa fa ny tena mpianany dia mpitory fanantenana sy mpizara hafaliana! Tsy ny habetsahan’ny atolotra no andrasan’i Jesoa amintsika fa ny fahafoizana izay hany kely ananana! Tsy ny ambim-bava manko no homena ny mahantra fa izay kely mba ivelomana (Mk 12,43), ambaran’ny mofo dimy sy hazandrano roa. Izay vokatry ny fontsika ho santa-bary no entina hitsinjovana ny mahantra (Vakiteny I 2Mp 4,42-44) ka tsy fiononana fotsiny ihany amin’ny fahamarinana hanomezana ny tandrify azy ny hafa izay, fa fitiavana hahafoizana ny an’ny tena, ho an’ireo izay heverina ho niangaran’ny vintana na sanatrian’izany aza ho an’ireo tsaraina ho kamo be tenda, mivelona amin’ny hataka… satria mahatsapa fa ny fitiavana no manova sy mampibebaka ny fo, ka tsy vesatra velively ho an’ny fiaraha-monina ny mahantra fa fambara manaitra ny fontsika hitia bebe kokoa satria ny fitiavana no hitsarana antsika (Jer. Caritas in veritate toko III).
Mamintina ny tahotra mahazo antsika anefa ny vavaka fangatahana : tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo ety an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay. Izay fikatsahana ny mandrakizay izay ihany no manafaka antsika amin’ny mety ho fahihirana amin’ny harena mandalo. Izany no manampy antsika hahatsapa fa tsy ny habetsaky ny voaangona hitsinjovana ny vodiandro ho merika tsy akory no hahafahana mahazo ny mandrakizay fa ny fahafoizana maneho ny fitiavana, ka hahasambatra ireo nahafoy ho an’i Kristy.
Izay no hidirantsika tsikelikely amin’ny fandalinana ny toerana omentsika an’ilay hany Mofo mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay ka hampisy heviny ny Eokaristia ankalazaintsika. Izay no hahatsapantsika ny fahamendrehana niantsoana antsika ka hikelezana aina hitafy ny firaisam-po! (Vakiteny II Ef 4,1-6). Dia avelantsika ho very anjavony ve ny fahendren’ny Ntaolo hoe : aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!
Ilay Andriamanitra iavian’ny zava-drehetra sy ao anatintsika rehetra no hany antoka mampiombona antsika. Izy izay marina amin’ny lalany rehetra fa mamahana ny voaariny rehetra ara-potoana (Sal 144) dia manasa antsika halala-tanana hamahana ny vahoakany, ka ny fahasarotana na ny habetsahan’ny zavatra atao anie sanatria tsy hampiraviravy tanana fa hampisikim-ponitra hamahana ny vahoakany tsy amin’izay hanina mandalo ihany fa ho amin’izay maharitra mandrakizay.
- Md Joany 6,1-15
Ny Evanjely, dia manohy nanadio ny fo amam-panahintsika amin’izay mety ho finoanoam-poana, ka mitondra antsika kosa amin’ny finoana an’i Jesoa ilay Teny tonga nofo, fanambarana amin’ny hafenoany ny endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, Andriamanitra fitiavana, tsy manam-paniriana hafa afa-tsy ny hahasambatra ny zanany rehetra, ary mampiditra antsika bebe kokoa amin’ny fomba hifandraisantsika aina amin’io Teny tonga nofo io, mba hananantsika ny hafenoan’ny fiainana.
Ny toko fahenina amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany dia fandalinana ny misterin’ny Teny tonga nofo, nofo tonga mofo, ary mofo zary aina, mamelona ny mpino ka mahatonga ny fiainany hifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ka tsy hahita hanina hafa hivelomana afa-tsy ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray, amin’ny fiombonana amin’ilay manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay (Jo 6, 61-70).
Amin’ny Evanjely anio: niakatra teny an-tendrombohitra i Jesoa ary nipetraka teo niaraka tamin’ny Mpianany. Amin’ny faran’ny vakiteny dia i Jesoa irery no nankany an-tendrombohitra, “miakatra tendrombohitra avy eny an-tendrombohitra” izany. Ny zavatra voalohany azo tsoahina avy amin’izany dia ny fahatsapantsika fa tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesoa izay tsy miara-mitoetra Aminy eny an-tendrombohitra. Ny Tendrombohitra izay “ambohi-pihaonana” amin’i YHWH, ny fisondrotana avy amin’ny zavatry ny tany mba hanandramana ny zavatry ny lanitra. Izany no vavaka: miara-mitoetra amin’i Jesoa eny an-tendrombohitra mba hiresaka amin’ny Ray, ka hahafahana mizotra amin’ny fiakarana miaraka Aminy koa any amin’ny voninahitr’ilay Jerosalema vaovao sady mandrakizay.
Rehefa miditra ao amin’ny vavaka isika no afaka manakaiky ny fotoanan’ny Paka, ny andron’ny fanafahana, hahafahana miditra amin’ny tany nampanantenaina, hahafahana mita ny ranomasina, miainga avy eny an-dafin’ny ranomasin’i Galilea ka hiditra ny “vohitry ny Tompo”, hiala amin’ny fiainana andevozin’ny fahotana, aloky ny fahafatesana ka hiditra amin’ny hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy tafatsangan-ko velona.
Ao amin’ny vavaka koa no ahafahana manopy ny maso ka hahita ny vahoaka marobe noana sy mangetaheta ny mofo avy amin’ilay Ray, vahoaka mivavaka mba hahazo ny hanina sahaza azy isan’andro. ἐπαίρω (epairô) moa no nadika hoe “manopy”, fa raha ny heviny dia hoe manopy miakatra, mijery miakatra, miandrandra. Ao amin’ny toko faha 17,1, io teny io dia nadika hoe: niandrandra ny lanitra. Raha tazonina izay dikan-teny izay dia izao no lazain’ny vakiteny: niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nahita ny ireto vahoaka be nanatona Azy (Jo 6,5). Tsy hoe miandrandra hijery ny Ray tsy akory i Jesoa, satria efa mibanjina Azy mandrakariva Izy amin’ny fanaovana ny asa napetraka hotanterahiny (Jo 5,19snm) fa miandrandra kosa mba hijery ny vahoaka, miandrandra satria nilatsaka ambany (Kenosis) ho mpanompon’izy ireo. Ao amin’ny vavaka no hahafahantsika mijery ny hafa ka hilatsaka ho mpanompo, ho “andevo mpanasa tongotra” (Jo 13), hahita ka hibanjina azy ireo satria voaary hitovy endrika amin’Andriamanitra izy ireo.
Ny fiarahana amin’i Jesoa eny an-tendrombohitra no mampiditra antsika amin’ny fibanjinana ny olombelona nohariana haneho ny endrik’Andriamanitra (צֶלֶם – tselem) ary voaantso hitovy endrika Aminy (דְּמוּת- demouth). Izany no hahafahana miaina araka izay lazain’i Md Paoly hoe: mifaninana hifanaja, (προηγέομαι–proègeomai): hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12,10).
Eo an-tendrombohitra i Jesoa no manontany an’i Filipo hoe: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo”. Ny teny ampiasain’i Joany moa dia ny hoe πόθεν (pothen), izay midika hoe “avy aiza”. Mamerina ny ahiahin’i Môizy mitaraina hoe “Aiza (אַיִן – ‘ayin: Avy amin’ny inona) no hangalako hena homena izao vahoaka rehetra izao” (Fan 11,13). Ny valin-tenin’olombelona dia hoe: “avy amin’ny vola aman-karena, avy amin’ny denie 200”, izay karaman’ny mpiasa mandritra ny herintaona, saingy tsy hahavita inona akory izany. Tsy ny hamahana ny olona amin’ny hanina azo avy amin’izany harena izany anefa no laharam-pahamehana ho an’izay mpianatr’i Jesoa. “Ny olona tsy manana an’i Kristy, izay tsy mahalala Azy no faraidiny indrindra ety an-tany”, hoy i Mb Thérèse de Calcuta. Avy aiza no hividianana ny mofo? Avy any an-danitra. Ny “Mofo avy any an-danitra” irery ihany no afaka hahavoky ny vahoaka marobe manaraka ilay mpaminany ho avy eo amin’i Israely, ilay Môizy vaovao (Dt 18,15.18).
Tsy vidìm-bola anefa izany “mofo” izany. Indro i Andre ilay voalohany nahita an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra (Jo 1,40) no nahatsikaritra fa misy manana “mofo ôrja dimy sy hazandrano roa” ao. I Filipo mitanisa izay azo hovidìna, i Andre kosa milaza izay misy eo am-pelatanana. Zazalahy iray (נַעַר- na`ar, jereo 2Mp 4,38, nadikan’ny LXX ho παιδάριον, paidarion, mpanompo) no tompon’izany mofon’ny mahantra izany (ôrja) ary izany no hozaraina ho an’ny vahoaka. Tsy mangataka amintsika ny tsy eo am-pelatanana Andriamanitra, fa miangavy antsika kosa hahafoy manontolo, ho fisaorana Azy.
Nasaina nipetraka ny vahoaka. Ho an’i Joany dia eny an-tendrombohitra, ho an’i Matio sy i Marka kosa izay milaza fa tany amin’ny tany efitra no niangonan’ny vahoaka, fa samy nasaina nipetraka tamin’ny ahitra maitso. Ilay Mpiandry ondry tokana no maniraka ny mpianany hampipetraka ny olony eo amin’ny vilo-maitso itondrany azy (Sal 22).
Raha ny marina dia tsy milaza fampitomboana ny mofo ny Evanjely, fa fizarana ny mofo rehefa avy nanao ny fisaorana (εὐχαριστέω – eucharisteô). Tsara homarihina fa ao amin’ny Evanjelin’i Joany dia i Jesoa no mizara ny mofo. Ny manangona ny sombiny sisa tsy lany no anjaran’ny Mpianatra. Ao amin’ny Evanjely sinôptika dia natolotr’i Jesoa ny mpianatra ny mofo mba hozarainy amin’ny vahoaka.
Mofo dimy sy hazandrano roa. Izay no teo am-pelatanan’ilay mpanompolahy kely. Ny boky dimin’i Môizy (Torāh), miampy ny Mpaminany (Nebhi’îm) sy ny Soratra (Ketoubhim) no lovam-panahy teo am-pelatanan’ireo mpianatra voalohany, voairaka hamahana ny vahoaka. Hain’i Jesoa rahateo izay ataony, satria fantany fa Izy no ilay “mofo nidina avy any an-danitra”, hahavoky ny olon-drehetra manatona Azy. Ny finoana Azy no hananana ny fiainana mandrakizay. Izany no σημεῖον (sèmeion) famantarana (fa tsy fahagagana) anehoana antsika ny fitiavan’ny Ray.
Anjarantsika ny manangona ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very ny fanomezan’Andriamanitra. Ary ny antony hihinanana ilay “mofo” dia ny ho tonga “sombi-mofo” ihany koa, ho tonga tena iray amin’ilay nohanina (Jo 6,57). Anjaran’ny mpianatr’i Kristy araka izany ny manangona (συνάγω– synagô) ny vahoaka rehetra, hiombona amin’ny Apôstôly 12, hanorina ilay “Israely vaovao”, vahoaka mankalaza an’Andriamanitra ho Mpanjakany. Izany no sitrapon’ny Ray, dia ny mba tsy hisy ho very na dia iray aza izay mino AZY (Jo 6, 39).
Tsy ny olona anefa no hanangana an’Andriamanitra ho Mpanjaka ary mbola mila diovin’ny Hazofijaliana koa ny fiheverantsika momba ny Fanjakan’ny Lanitra mba hahafahantsika ihany koa manjaka tahaka an’i Kristy. Ny Lakroà no seza fiandrianany, ka tsy afaka ny ho mpanjakantsika Izy, raha tsy eo no hahitantsika Azy manjaka. Aleony miakatra irery any an-tendrombohitra toy izay hafangarontsika amin’ny fanjakazakan’izao tontolo izao ny fanjakany. Tsy manery na iza na iza hanaraka Azy izy fa mampisafidy malalaka, mba ho fitiavana fa tsy tahotra no hizorantsika mamakivaky ny ranomasina hahatody antsika any am-pita miaraka Aminy.
Izy no fanilo sy vonjy ho antsika ka iza no atahorantsika (Sal 26)?
Tsy ampy ny manome fa mbola takiana amintsika koa ny fomba fanomezana. Mampahatsiaro antsika izany i Md Paoly mba ho toetra mifanaraka amin’ny fiantsoana niantsoana antsika no ho hitan’ny olona eo amintsika dia ny fanetren-tena sy ny halemem-panahy, fahari-po sy fandeferana amam-pitiavana mba hitandroana ny firaisam-po amam-panahy atambatry ny fihavanana.
Hampiombona antsika anie ny finoana ilay mofon’ny Fiainana ampy hozaraina ho an’izao tontolo izao mba hahatonga antsika rehetra ho tena iray ao amin’i Kristy Filoha.
Ry Andriamanitra Ray ổ, asehonao anay amin’ny alalan’i Jesoa fa tsy tianao ho faty noana izahay zanakao, fa tianao ho velona na ara-batana na ara-panahy, ary tianao hifamelona. Koa ampitomboy ny finoanay: mba hahaizanay mizara ny soa omenao, sy mamonjy ny sahirana ka hampitombo ny hafalian’ny zanakao rehetra.