Alarobia faha 16 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia 1,1-10/Salamo 70
- Tsy ankasa: Eksaody 16,1-15 /Salamo 77
- Md Matio 13,1-9
Ny toko faha 13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio dia entin’i Jesoa hanambarana amintsika ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fanoharana fito moa izy ireo raha ny marina, ka amin’ny maha fanoharana azy dia mampita hevitra iray amin’ny alalan’ny sarisary mora raisin’ny saina, saingy manainga azy kosa handinika sy handalina mba hahatakatra ny zava-miafina sy sarobidy kokoa. Raha ny marina dia entina ilazana fa ny Teny dia tahaka ny voa afafy mandrakariva, tsy mamarana fa manomboka ny fiainana amin’ny fikasohana amin’ny tany ka hitsiriana sy hitomboana ary hamokarana.
Nivoaka ny mpamafy ary fanoharana no nampianarany.
Ny Fanoharana efatra voalohany moa (ny mpamafy – Evanjely anio – , ny ahidratsy, ny voatsinapy sy ny lalivay) dia nataony ho an’ny vahoaka, ny telo hafa kosa (rakitra nafenina tany an-tsaha, ny. voahangy sarobidy ary ny harato). Ny fiainantsika no toy ny fanoharana, ka raha tsy azontsika ny hevitry ny hafaliana sy ny fijaliana sy izay mety ho fifanoherana dia mety ho fahakiviana na fahadisoam-panantenana no hanjohy antsika.
Amin’ny fiafaran’ny toko faha 12 dia tao an-trano ilay Mpamafyno nizara ny Teny tamin’ireo rahalahy sy anabavy ary reniny, izao dia nivoaka teny amoron’ny ranomasina, teny amin’ny toerana nitangoronan’ny olona, satria hiara-monina amintsika olombelona no nahatongavany (Mk 1,38). Izy no ilay mpandranto misarika ny olona ho any Aminy mba handova ny fiainana mandrakizay hiaraka Aminy. Avy ao amin’ny sambo, dia ny Fiangonana, no hitenenany amin’ireo manatona Azy eo amoron-dranomasina. Eo amin’io sambofiara vaovao io no hiandrasany izay te hiaraka Aminy ho any am-pitan’ny ranomasina, hanao ny Eksaody vaovao, hizotra ka hamakivaky ny “tany efitry ny fiainana” ho any amin’ny tany ampanantenainy dia ny Tranon’ny Rainy izay misy toerana maro.
Nivoaka ny Mpamafy mba hamafy. Lazain’ny Evanjely fa tsy misafidy tany hamafazana ny voa ity mpamafy ity. Ho antsika dia mety ho hadalana izany, satria azony atao tsara ny tsy mamafy afa-tsy amin’ny tany lonaka. Saingy noho ny fahalalaham-pony dia ny tanimboly rehetra no amafazany, entanin’ny faniriana mba hioty be dia be ihany koa amin’ny taom-pijinjana. Tsy misy zoron-tany afaka hilaza araka izany fa tsy nandray ny voa. Fomban’ny mpamboly tamin’ny andron’i Jesoa koa moa ny mamafy aloha vao miasa ny tany, hanotofana bainga ny voa. Ny tany tsirairay kosa anefa, tsy namokatra araka ny hatsaran’ilay mpamafy, fa araka ny zava-misy nentiny nampitsimoka ny voa.
Amin’ny fiainantsika andavan’andro, mora ny manome tsiny ny hafa na manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy aza rehefa tsy mahomby ny zavatra iray, saingy mila dinihintsika ihany koa sao tsy tsinin’ny mpamafy fa tsirambina ataon’ny tany mandray ny voa. Ny sakana voalohany dia ny fanaovana hitsin-dalana. Tsy misy voa afaka hitsimoka amin’ny toerana falehan’ny olona. Ny voro-manidina no hitsindroka ny voa eny. Tsy afaka hampitsimoka ny Teny izay tsy vonona hiala amin’ny mahazatra ka hanomboka hanatona ny morontsiraka mba hihaino ny Teny manova ny fiainana.
Izay mafy fo toy ny vato koa, tsy manaiky hiova hatrany amin’ny atifony lalina dia tsy afaka hampamokatra ny Teny. Izay “superficiel”, tsy mandalina ary tsy vonona handatsaka ao am-pony lalina ny Teny, na hitsiry aza ny voa dia tsy afaka haharitra amin’ny daniky ny andro fa hampalazo ka hamono izay mba nitsiry. Ireo voly nitsiry koa, raha sanatria miara-mitsiry amin’ny fiahiana ny fiainana dia tsy afaka hitondra voa, satria hogiazan’ny tsilo.
Misy kosa anefa ireo latsaka amin’ny tany lonaka ka mitsiry sy mamokatra. Mety ho tonga ao an-tsaintsika hoe: fa firy ny voa? Tsy i Jesoa irery ihany ve ny voa nafafin’Andriamanitra mba hanatanteraka izay nandidiany mialoha ny hiverenany any Aminy (Iz 55,11)? Izy tokoa no ilay voa nafafy, ka na dia mitoetra maharitra ao ambanin’ny tany aza, dia miandry ny fotoana hahafahany mamokatra, mihoatra noho izay andrasantsika.
Heveriko anefa fa ireo karazan-tanimboly ireo (lalana, tanybe vato, tany be tsilo, tany lonaka) dia ao am-pontsika tsirairay avy ao. Anjarantsika ny mijery ny zoron-tsaha amokaran’ny teny, ka tsy hahakivy antsika amin’izay tsy mamokatra (na ao amintsika na ao amin’ny zaridainan’ny hafa), fa kosa hifaly amin’ny vokatra manome hanina ho antsika sy voa hafafy hoentina manitatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Izay tsy mioty ao amin’ny tany lonaka dia hamafy tsilo ihany ao amin’ny zaridainan’ny hafa.
Ho tany lonaka hamokaran’ny Teny anie ny Fiangonantsika.