Alatsinainy faha 16 mandavan-taona
- Ankasa: Mikea 6,1-4.6-8/ Salamo 49
- Tsy ankasa: Eksaody 14,5-18/ Eksaody 15,1-6
- Md Matio 12,38-42
Amin’ny fitohizan’ny evanjely anio amin’izay novakiana tamin’ny sabotsy XV moa dia misy andininy vitsivitsy nodinganina mitantara ny fanasitranan’i Jesoa an’ilay azon’ny demony sady jamba no moana, ka nolazain’ny Farisianina fa amin’ny alalan’i Belzebola lehiben’ny demony no nandroahan’i Jesoa ny demony. Izay tsy vonona hamory miaraka Aminy dia hanahaka.Ny taranaka menarana dia tsy afaka ny hilaza zava-tsoa na oviana na oviana ary ny tsirairay dia ampamoahana amin’ny teny (ῥῆμα – rhema) foana (ἀργός – argos: a-ergon) nolazainy. Firifiry anefa ny teny famonoana ataontsika, ny fosa sy ny fitsikerana (chiacchiericcio), hoy i Papa François, izay mamono ny Fiangonana sy manapoizina ny fiaraha-monina, satria rehefa ny ratsy no mameno ny fon’ny olona dia ny ratsy no hifampitantaràna, tsy hitadiavana ny vahaolana hanovàna mba ho soa izay zavatra tsy mety fa hanaratsiana ny hafa ka hampitombo ny fifankahalana sy ny avonavona. Izay teny tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana dia fanamelohana ho antsika, satria avy amin’ilay ratsy (Mt 5,37), izay tsy atao amin-kitsim-po, izay tsy vokatry ny finoana (ἐκ πίστεως– ek pisteôs, BYZ) dia fahotana, hoy i Md Paoly (Rm 14,23).
Eto no manomboka ny Evanjely anio, milaza ny valin-tenin’ny mpanora-dalàna sy Farisianina, mangataka famantarana amin’ilay Mpampianatra. Ao amin’i Md Marka dia voalaza mazava fa nandà tsy hanome famantarana ity taranaka ity i Jesoa (Mk 8,12), satria tsy manery na iza na iza hino Azy Andriamanitra fa an-kalalahana tanteraka no iantsoany ny zanany rehetra: “raha tianao…”, ary ho an’izay te hijery dia hahita fa famantaram-pitiavana avy Aminy ny zava-drehetra.
Ho an’i Md Matio dia ny famantaran’i Jônasa (יוֹנָה – Yōnāh, colombe) no homena ny taranaka ratsy sy mpijangajanga, mitady famantarana avy amin’ilay avy nanasitrana ilay azon’ny demony sady jamba no moana (mbola miverina ao amin’ny toko faha 16,1.4). Ny ratsy (πονηρός – ponèros, feno fifanoherana) sy izay mijangajanga no maka fanahy an’Andriamanitra tahaka ny tany Masà (Dt 6,19; Eks 17,7). Ratsy (avy amin’ny hoe πένης– penès: pauvre, mahantra) satria niala tamin’ilay hany afaka manome azy ny fiainana, ary mijangajanga satria niodina tamin’ilay niantra ny fahantrany (tantarain’i Ezekiela amin’ny antsipiriany ao amin’ny toko faha 16).
Ny famantaran’i Jônasa mpaminany no homena azy ireo. I Jônasa moa dia Mpaminany nanambara ny hamafisan-dohan’ny olona tsy manaiky an’Andriamanitra, ka na izy aza, noho ny tsy fanekeny an’Andriamanitra dia nivarina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe (κῆτος – kètos), fa izany kosa anefa no manambara ny famindram-pon’Andriamanitra tsy hita lany, malahelo amin’ny vahoaka nohariany, mihoatra noho ny alahelon’i Jônasatamin’ny tanatanamanga (Jôn 4,10-11). Ny fahafatesan’i Kristy eo ambony hazofijaliana sy ny nitsanganany ho velona no famantarana tokana tsy azon’iza na iza hotoherina, entin’Andriamanitra manambara izany fitiavany ny olombelona nohariany mitovy endrika Aminy izany.
I Jônasa moa nitory ny faharavan’i Niniva kanefa nampibebaka an’ireo mponina tao satria nino an’Andriamanitra izy ireo (Jôn 3,4snm). I Jesoa kosa mitory ny fitiavan’Andriamanitra, ary izany no maha lehibe Azy noho i Jônasa, kanefa tsy henoin’ny taranaka ratsy sy mpijangajanga. Izy dia mitory amin’ny teniny sy ny asany ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra, Izy ilay fahendren’Andriamanitra kanefa tsy mampihontsona akory ireo mihevi-tena ho tompon’ny lalàna, ireo mihevi-tena ho marina ka tsy mila ny famindram-pon’Andriamanitra. Ho fanamelohana ho an’izay mihevi-tena toy izany ny fidododoan’ny mpanjakavavin’i Saba hihaino ny fahendren’i Salômôna ka sady nankalaza ny Andriamanitr’i Israely no nanolotra ny fanomezana lehibe indrindra ho an’ny mpanjaka (1Mp 10,1-13).
Ho haintsika anie ny hanararaotra handray ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny fanilovany antsika amin’ny alalan’ny Teniny mba hanaraka ny lalam-pamonjena atorony hahasambatra antsika.