Alakamisy faha 15 mandavan-taona
Raha misy olona mihantona eo ambony hazofojaliana, ao anatin’ny fijaliana tanteraka, dia miantso anao hoe: “avia aty amiko, fa hohamaivaniko”, inona no havalinao? I Jesoa nanaiky hatramin’ny fahafatesana satria tia ny Ray ambonin’ny zavatra rehetra, ary tia antsika mihoatra noho ny ainy, no miantso antsika hanatona Azy. Ny mampijaly antsika matetika dia ny fizakana ny vokatry ny fahotana, mety ho ny fahotan’ny tena, mety ho ny fahotan’ny hafa. Mazàna anefa ny saina tsy mahatakatra izay antony, ka manome tsiny araka izay takany, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra aza izany. Ireo olona efa trotraka ka tsy manan-kery intsony (κοπιάω – kopiaô) sy ireo mizaka ny vesatry ny fiainana (φορτίζω – phortizô) no antsoin’i Jesoa ho any Aminy fa tsy sanatria ny olona tsy te hisasatra. “Avia”, hoy i Jesoa: ao Aminy no hahitantsika ny hevitra lalin’ny fijaliana sy ny valintenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny zanany rehetra.
Antsoin’i Jesoa isika hitondra ny jiogany. Ny lalàna, natao handrindràna ny fiaraha-monina, no tonga fitaovam-pamoretana mazàna. Ny Jioga dia nentina hamatorana ny omby na ny soavaly (na biby hafa) mba hanambatra ny heriny hitarika ny enta-mavesatra (sarety, angady…) araka izay sitraky ny tompony. Tsy ny jiogan’ny lalàna anefa fa ny jiogan’ny fitiavana no asain’i Jesoa hoentintsika. Ny jiogany no asainy ataontsika an-tsoroka, izany hoe sady miara-mizoga Aminy isika no mampiasa ny hery koa hikatsahana ny tombontsoany. Izay voatery hanao asa na hiaritra fijaliana dia antsoiny hizaka izany am-pitiavana, ka hianatra Aminy ny halemem-panahy sy ny fanetren-tena.
Ny malemy fanahy no handova ny tany, ary an’ny mahantra io fanjakana io, hoy i Md Matio (Mt 5,3), saingy mahery kokoa noho ny ratsy ny tsara, tsy handresy na oviana na oviana ny hazavana ny haizina. Izay no mahatonga an’i Paoly hampianatra sy hampirisika antsika “handresy ny ratsy amin’ny soa” (Rm 12,21). Ny Salamo 36 moa dia mampianatra antsika hitoky amin’Andriamanitra ka tsy hisain-doatra manoloana ny ratsy fanahy na sanatria hikolokolo valifaty ao am-po. Raha ratsy no havaly ny ratsy dia mazava loatra fa mandresy ny ratsy, mitombo avo roa heny; raha ny tsara kosa no avalintsika azy, dia tapi-dalan-kaleha izy. Inona ny tany holovaina raha sanatria hifamotika amin’ny valifaty ny olombelona!
Ny manetry tena (ταπεινός – tapeinos) kosa hahita fiadanana. Ny fietrena ho andevo, ho mpanasa tongotra, hifanompo no ampianarin’i Jesoa ny Mpianany: izay te ho lehibe no aoka ho mpanompo, hoy Izy. Mifaninana amin’ny fifanompoana ny mpianany, ary izany no maha sambatra, araka ny Evanjely. Izay miditra amin’izany fanetren-tena izany dia tsy mba marary an-doha amin’ny zara vilana ataon’ny maty eritreritra, satria fantany ary hinoany fa ny fanompoana no fenitra hijeren’Andriamanitra izay lehibebe kokoa eo anatrehany, ary te ho lehibe eo anatrehan’Andriamanitra izy. Tsy misy olona tsy te ho lehibe, fa ny hoe “lehibe” eo anatrehan’iza no olana: eo anatrehan’ny olona sa eo anatrehan’Andriamanitra! Izay manetry tena dia tsy hampijalian’izay fitsaran’olombelona, satria mitoky amin’Ilay alainy tahaka dia i Kristy, mahita ny lalan-kizorana ka manjohy izany am-piadanana (Jr 6,16).
Mora entina ny jiogako, hoy i Kristy. Raha ny marina χρηστός (chrèstos) dia azo adika koa hoe: mahasoa, mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny jiogan’ny fitiavana ihany no hahafahana miaina am-piadanana; ny fanarahan-dalàna raha tsy misy fitiavana, dia zava-doza satria fiezahana ho lehibe eo anatrehan’ny lalàna sy ny mpitsara ny lalàna ety ivelany, ary mety hampiasa ny lalàna (ataon’olombelona) aza tsy hitadiavana ny soa fa hisehoana ho tompon’andraikitra sy manam-pahefana fotsiny ihany, ka na ho ela na ho haingana dia hanjary vesatra sy hatezerana nandrotika ny fon’ny tena sy ny fifandraisana amin’ny hafa izany.
Maivana ny entany (τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν– to phortion elaphron estin, Mt 11,30 BYZ). Ny φορτίον (phortion) moa dia “diminutif de φόρτος” (phortos), ilazàna fa sombin’ny entana lanjain’i Jesoa ihany no zakaintsika. Ny ἐλαφρός (elaphros) kosa dia azo adika koa hoe haingam-pandeha, satria ny fitiavana dia hery ao anaty manosika antsika hizotra hatramin’ny farany, satria manampy antsika hiala amin’ny “soratra mamono” ho amin’ny “Fanahy mamelona”, ho amin’ny lalànan’ny fahafahana (2Kôr 3,1-18), hiala amin’ny fijaliana (harerahana) ho amin’ny fiadanana (fialan-tsasatra, Shabbat), ka ny fahoriana kely mandalo vetivety amin’ny fotoana ankehitriny dia hahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay (2Kôr 4,17).
Ho haintsika anie ny hiaina am-pitiavana ny fahasahiranana hiantsoan’ny fiainana antsika, ka hitomboantsika voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra hatrany.