Zoma faha 14 mandavan-taona
- Ankasa: Ôsea 14,2-10/Salamo 50
- Tsy ankasa: Jenezy 46,1-30/Salamo 36
- Md Matio 10,16-23
“Indro aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia”. Teny tsy misorona, ka izay vonona ny hiaina marina tokoa ny maha irak’i Kristy azy, dia mahatsapa ny fahamarinan’io teny io, ary miombona anjara amin’ilay Zanak’ondry natolotra ho solo voina ho antsika, ilay mitondra (αἴρω – airô, mivesatra rehefa avy manesotra amin’ny hafa) ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo1,29). Ny zava-misy manko dia mazàna ny tsy manan-tsiny no mizaka ny voka-dratsin’ny fahotana, ka izay mijanona ho “zanak’ondry”, izay tsy voasarika hampiasa ny herisetra sy hamaly faty no mandresy ny ratsy.
Io “zanak’ondry novonoina” io no tokana afaka hanokatra ny tombokase fito, hoy i Joany. Ny Lakroà no fanalahidy hahafahana miditra ao amin’ny misterin’Andriamanitra: ny tsara dia mandresy amin’ny toa fahareseny, ny ratsy kosa dia resy rehefa tsy mivaly. Izay mety ho valifaty na herisetraaraka izany dia fandresen’ny ratsy. Izay mijanona ho zanak’ondry no mpianatr’i Kristy, ka tsy hanam-po afa-tsy ny hanao soa, tsy hanao sorona ny hafa fa hanaiky hanolotra ny tenany, handresy ny ratsy amin’ny soa (Rm 12,21). Izany no anirahan’i Jesoa ny Fiangonany.
“Amboadia ho an’ny hafa ny olona”, hoy i T. Hobbes. Impiry moa no maheno olona mimenomenona ka miantso valifaty amin’ny ratsy nafitsoky ny hafa: “ataoko mahita iny…” Ny malemy fanahy, tsy manam-po afa-tsy ny hanao ny tsara (Sal 36) ihany anefa no handova ny tany (Mt 5,5). Ny sasany mba mivavaka hono, ka “miandry ilay Andriamanitra tsy andrin’ny hafa”. Andriamanitra hampibebaka ny fon’ny amboadia ka hahasambatra azy miaraka amin’ny zanak’ondry (Iz 11,6) no Andriamanitry ny kristianina.
Ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny hafetsena dia tsy sanatria natao hamitahana fotsiny, fa azo ampiasaina ihany koa ho fahamalinana hahitana ny vela-pandrika ataon’ny ratsy ka hiarovan-tena, hitadiavana izay tsy hahafaty ny tena sy tsy hamonoana ny hafa; ny fahatsoran’ny voromahailala kosa dia tsy sanatria “naïveté”, hadalàna hitadiavan-doza, fa fitokisana, tahaka ny zaza eo am-pofoan-dreniny (Sal 130). Ny ondry araka izany dia malina ka tsy mitady loza, mitsoaka any amin’ny tanàna hafa raha enjehina, saingy matoky an’Andriamanitra kosamba hahazo hery handresenany ratsy raha sanatria tojo azy ka tsy afa-miala intsony.
Ny hafa, mety hanohy ny maha amboadia azy: hitory any amin’ny fitsaràny, hanendrikendrika, hanala baraka, ary mety hamono aza. Izany rehetra izany dia mitaky amintsika fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’i Jesoa, noho izany fijoroantsika ho vavolombelony izany no hijaliantsika dia mahazo matoky isika satria miombona aina Aminy, mandray ny Fanahiny izay “Parakletos”, mpisolovava, ka hijoro ho “Martiry”, ho vavolombelona tsy hiaro tena fa hanambara ny marina. “Aza manahy izay fomba fandaha-teny”. Tsy ny hiarovana ny tena no tokony himasoana fa ny ho vavolombelon’ny fitiavana. Asan’ny Fanahy izany ka izay manaiky hotarihiny no afaka miaina izany.
Tsy mahagaga raha toa ka halan’ny olona rehetra izay vonona ny hitondra ny “Anaran’i Jesoa”, ilay anarana antsoina hahazoan’ny olona rehetra ny famonjena (Rm 10,13), ka hitondra fitiavana satria ho “fahazavana”, hanelingelina ny fomba amam-panao tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, ary mazava loatra fa fankahalana no ho setrin’izany. Izayhaharitra (ὑπομένω – hypomenô) hatramin’ny farany (εἰς τέλος – eis telos, Mt 10,22), izany hoe hatramin’ny hafenoana, hatramin’ny tanjona nokendrena dia ny hitoriana ny Evanjely amin’izao tontolo izao (Mt 24,24), ka matoky ny Fanahy Masina izay tompon’antoka amin’izany no ho voavonjy (σῴζω – sôzô). Izay mahatsiaro fa fanomezana ny aina dia hahafoy azy manontolo mba hampisy heviny ny fiainany ka hanahaka an’ilay “Zanak’ondry” handray ny satro-boninahitry ny fiainana (Ap 2,10).
Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po ô, ataovy manahaka ny fonao ny fonay.