ALAHADY FAHA 14 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Ezekiela 2,2-5
- Salamo 122
- 2Kôrintianina 12,7-10
- Md Marka 6,1-6
Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika
Na eo aza ny tahotra ny fahafatesana (Alahady 12B) sy ny tebiteby amam-pahoriana mety hosedraina hoenti-miatrika azy (Alahady 13B) dia ambaran’i Jesoa mazava fa ny finoana no hahafahantsika mandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny hafenoany. Mahatonga saina ihany ny filazan’i Marka fa tsy nahazo nanao fahagagana akory i Jesoa teo amin’ny tany nahabe Azy (Evanjely Mk 6,1-6).
Isika koa moa impiry no mametra-panontaniana ka velom-pialonana ny amin’izay mety ho loharanon-karena na loharano nipoiran’ny fahaizana amam-pahalalana, na ny zavatra tsara ananan’ny olona sasany hitantsika fa nitombo… ka na gaga sy talanjona noho ny fampianarana sy ny zava-bitany aza (tahaka ny lazain’ny Evanjely) dia tsy hiaiky na oviana na oviana fa tsy fahendren’olombelona izany fa fahasoavana manokana nomen’Andriamanitra… Dia mahagaga ihany ny mahita izany tsy finoana izany.
Firifiry amintsika koa no mahita na manana mpiara-monina nomen’Andriamanitra talenta mampitolagaga, zary fitaovana sy fahasoavana entin’Andriamanitra manao “fahagagàna” eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, saingy tsy afaka manao na inona na inona satria tsy inoantsika ny fanomezam-pahasoavana, ka aleo mifamingana toy izay hidera an’Andriamanitra noho ny fanomezany talenta ny mpiara-monina amintsika.
Eo amin’ny tany nahabe azy ihany no tsy voahaja ny Mpaminany! Noho izany antony izany, fa indrindra koa, noho ny iraka nankinina amin’izy ireo manokana. Ny Vakiteny I (Ez 2,2-5 izay mbola mitohy amin’ny alahady heriny Am 7,12-15) dia mampahatsiaro ny iraka maha mpaminany ny mpaminany, na hisy mpihaino na tsisy mpihaino: hitory ny Tenin’ny Tompo amin’ny vahoakany (Ez 2,7) toy ny mpitily hananatra amin’ny anaran’ny Tompo ka mampitandrina amin’ny loza vokatry ny fahotana (Ez 3,17). Mamy eo am-bava anefa izany teny izany (Ez 3,3) fa fahoriana amam-pijaliana kosa ny fitoriana sy fiainana azy (Ap 10,9).
Tsara ny mandinika ny antsipirian-javatra tanisain’i Ezekiela (יְחֶזְקֵאל – Yeḥezqē’l; חָזַק – ḥāzaq mankahery, mampirisika) mahakasika ny fiantsoana azy. Nasain’i YHWH nitsangana izy mba hihaino ny Teniny. Tsy misy afaka hitory ny Tenin’Andriamanitra na oviana na oviana raha tsy mihaino ny Teny aloha. Lazain’ny Mpaminany anefa, amin’ny fiatombohan’ny vakiteny I teo fa ilay Fanahin’Andriamanitra niditra tao aminy no nampitsangana azy, ilay Fanahy, Hery (δύναμις – dynamis) hahafahan’ny Mpianatr’i Kristy hijoro ho vavolombelony (Asa 1,8), ho famantarana hotoherina, sahala amin’ny lazain’i Simeôna mikasika ilay Mpaminanin’ny Avo indrindra, satria olona efa tsy mahalala menatra sy mafana fo ( חִזְקֵי־לֵ֔ב- ḥizqê-lēbh) amin’ny ratsy ataony, manao mafy fo velona tahaka an’i Faraona tany Ejipta (Eks 7, 13snm, teny mitovy no ampiasain’i Ezekiela) no hanirahana Azy, hampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika, ka ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely (Lk 2,34).
Tsy azo adinoina anefa fa any an-tsesi-tany, lavitry ny Tempoly no antsoina ka irahina i Ezekiela (lazainy amin’ny fiatombohan’ny Bokiny izany), satria na dia fahababoana vokatry ny fahotany aza no nahazo ny vahoaka Jody, ary araka ny voalazan’ny Vakiteny I anio,dia tsy nihevitra ny hibebaka akory na hiala amin’ny fahazaran-dratsiny izy ireo. Tsy lavitra izany ny fomba fiainan’ny mpino sasany, mahita ny hafa toa “tafa” amin’ny fiainana, ka alaim-panahy handao ny finoana ka hiantsampy amin’ny andriamanitr’izy ireny (risoriso, fahalovana, filibana, sns), satria indraindray tsy ny fiainana ny marina sy ny fitiavana intsony no lasa laharam-pahamehana fa ny fampandehanan-draharaha mba hiadanana sy hilaminana eo anivon’ny fiaraha-monina. Manoloana izany anefa dia tsy sasatra Andriamanitra maniraka ny Mpaminaniny, vavolombelon’ny fitiavany tsy mivadika. Ny antsika, heverina ho fahendren-drazana, ny zaza, na tiana aza, raha manaiki-nono akifika. Na hanadino aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao, hoy i YHWH (Iz 49,15).
Ireo nirahin’Andriamanitra hitory ny Teniny araka izany dia tsy afaka ny hitoky amin’ny herin’ny tenany, fa hiandrandra mandrakariva ilay mitoetra any ambony miandry fiantrana avy amin’Izy Tompo mba hanafaka amin’ny eson-tenin’ny maty eritreritra (Salamo setriny 122 izay iray amin’ireo Salamo 15 fiakarana 119-133), ka ny maso tsy hiala amin’ny tanan’ny Tompo, miandry ny baiko avy aminy, fa miandry koa izay zavatra entiny hanasoavana antsika. Mila mandini-tena mandrakariva isika, amin’izay iandrandran’ny masontsika ka hiandrasana ny famonjena.
Tsara ho tadidiana fa ity Salamo ity dia azo amintinana ny vavak’ireo Jody nomena baiko mba hanorina indray ny Tanàna sy ny Tempoly tao Jerosalema (538 tal. K.) saingy voatery niaritra ny tebaky ny tretrika sy ny eson’ny mpiavona, nampihaotra ny nataon’ny valovotaka ka ny taona 520 tal. K., 18 taona aty aoriana vao nanomboka tanteraka ny asa fanorenana (jereo Esd 3,1snm).
Isika no voaantso hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny Fahazavana mahagaga, hoy i Md Piera (1Pi 2,9) ka hirehareha amin’ny fahalemena, izay iamparan’ny herin’i Kristy, hoy Md Paoly (2Kôr 12,7-10). Ny fahalementsika, ny fahosantsika ihany manko no itoeran’ny finoana ao anatintsika, ka hilantsika vonjy avy amin’Andriamanitra. Izay ihany no hahafahan’i Kristy manao fahagagana (Evanjely), ka hitoeran’ny heriny ao amintsika (Vak II).
Mba nahazo fahitàna mahagaga tahaka an’i Ezekiela koa i Paoly, araka ny filazany ao amin’ny toko 11, saingy tsy natao hireharehana ireny, hoy izy. Tsy eo anatrehan’ireo mpanebaka azy izy no mitanisa ireo tsara vitany sy ny zavatra niaretany noho ny Evanjely, ary ambaran’ny Vakiteny anio fa nisy “tsilo tao amin’ny nofony” nampijaly azy fatratra. Betsaka ny fandinihana voasoratra mikasika izany fijaliana nahazo an’i Paoly izany. Misy ny milaza fa ny aretina nahazo azy lazainy any amin’ny taratasy ho an’ny Galata izany (Ga 4,13-15); misy milaza fa ny fandavan’ireo rahalahiny Jody ny fahasoavana no mampijaly azy, arak’izay lazainy ao amin’ny Taratasy ho an’ny Rômanina (toko 9-11).
Fa ny maharesy lahatra ahy, dia ny fahoriany mahatsiaro ny fijalian’ireo kristianina nenjehiny (Asa 7,58; 9,1; 22,4), ary heveriko fa antony namerenan’i Md Lioka in-telo ny fitantarana ny fibebahany ao amin’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly izany (Asa 9,1-22; 22,4-16; 26,9-18), zavatra maha menatra saingy hahatsapany ny fitiavan’ilay niantso azy sy nanome azy ny hafenoan’ny fahasoavana kosa mba tsy hireharehany. Firifiry ny sombim-piainana tiantsika hoesorina amin’ny tantaram-piainantsika, satria mahamenatra, saingy ireny no hahafahantsika mihira fisaorana satria “tombom-pitiavana” fa tsy fahamendrehana no niantsoan’Andriamanitra antsika ho mpitondra ny Teniny, ary izany no lazain’i Md Paoly ao amin’ny Taratasy voalohany ho an’ny Kôrintianina hoe: “ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika ny antsoina ho Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra aho; saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao ahy” (1Kôr 15,9-10), fahasoavana nanampatra ny heriny tamin’ny fampibebahany an’i Paoly.
Tsy voatery ho amin’ny toeran’ny Mpaminany anefa isika fa mety ho anisan’ireo vahoaka mafy hatoka sy manao mafy fo velona, ka na dia hoe kristianina aza dia tsy nahafahan’i Jesoa nanao fahagagana ihany koa. Manampy antsika handini-tena araka izany ny Tenin’Andriamanitra raha mino ny herin’Andriamanitra isika! Tokony ho lalana hampivoarana ny finoana ny fahitana ny asan’Andriamanitra, na ireo omeny ny hafa ka tsy miantefa amintsika mivantana aza. Tsy tokony ho fanafintohinana ho antsika ny hahita ilay zanaka mpandrafitra manana fahalalana sy fahendrena mampitolagaga, satria mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka tokony ho fisaorana mandrakariva no asetry ny soa arotsany ho an’izay mino ny Teniny, satria na ny mpanenjika ny Eglizy aza, noho ny fahasoavany, tonga Apôstôly mahafoy ny aina ho an’ny Evanjely.
- Md Marka 6,1-6
Ireo olona tao amin’ny tany nahabe an’i Jesoa, araka ny fitantaran’i Lioka (Lk 4,21-30), dia gaga tamin’ny fampianarany ary vetivety teo dia tafintohina koa. Ny antony nahatonga izany moa dia satria nanao fampianarana vaovao tsy nifanaraka tamin’ny fomba fisainan’ireo nieritreritra ho mahalala an’Andriamanitra Izy, ny mpihaino azy manko niandry avy amin’i YHWH ny andron’ny famaliana, andro hamongoran’Andriamanitra izay manembatsembana ny tombon-tsoan’izay mino Azy; ho an’i Jesoa kosa dia fitiavana sy famindram-po Andriamanitra ka tsy misy fanambaràna ny fahatanterahan’ny faminaniana raha tsy miaina amin’ny fomba mifanaraka amin’izany famindram-pony izany ny zanany.
Ny hoe tafintohina (eskandalizonto – eskandalizonto matoanteny iharana manondro maro [izy ireo] fotoana aorista avy amin’ny matoanteny mpanao σκανδαλίζω– skandalizô) moa dia entina ilazana koa ny tsy fitovizan-kevitra nisy teo amin’izy ireo sy i Jesoa. Ny anton’izany araka ny fitantaran’i Marka, dia ny tsy finoan’izy ireo, ka mahatonga ny mpaminany tsy henin-kaja amin’ny taniny. Araka ny voalazantsika teo aloha anefa dia famantarana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika no hijoroana sy hitenenan’ny Mpaminany, na misy mpihaino na tsisy mpihaino, ka ny fanamavoana azy ireo, araka izany, dia fanamavoana ny fitiavan’Andriamanitra.
Efa haintsika ny fitsikeran’i Jesoa ny fomba fiainana feno fihatsaram-belatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana sy ara-pôlitika. Eto anefa dia ny vahoaka no mioko, manivaiva azy, ny hany fantatr’izy ireo dia ny fiainany tety ivelany: moa tsy io va ilay mpandrafitra?
Tsy azo adinoina fa taloha kelin’izao dia tonga tany Kafarnaôma nitady azy ny havany sy ny rahalahiny, saingy tsy nanaraka ny fiangavian’izy ireo i Jesoa fa niantso azy ireo kosa hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony (Mk 3). Izay manaiky izany fampianarany izany no tonga fianakaviany sy iray tampo aminy (and. 35). Izay tsy manaiky kosa, miara-mioko amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina mba hitady izay hahavoazana Azy, “Sabata tamin’izay” (Mk 3,6).
Amin’ny Evanjely anio, dia voalaza fa niverina tany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, niaraka tamin’ireo nanaiky ho tonga fianakaviana vaovao miaraka aminy. Tsy ny fiverenany anefa, araka ny voalazan’ny Evanjely no nampitroatra ny olona tao an-tanàna, fa ny fampianarana nataony nony tonga ny Sabata. Tsara ho tadidiana fa ny nidiran’i Jesoa tao amin’ny Sinagôga farany (tany Kafarnaôma) nolazain’i Marka dia any amin’ny fiatombohan’ny toko 3 izay niombonan’ny Farisianina tamin’ny Herôdianina mba hikendrena izay hamelezana Azy, fony izy nanasitrana ilay lehilahy maty tanana (Mk 3,1-6).
Tao amin’ny Sinagôgan’i Nazareta kosa, toerana nianaran’i Jesoa ny Lalànan’Andriamanitra sy niomanany amin’ny iraka nanirahan’ny Ray Azy ka nahatongavany ho olombelona, no niverenan’i Jesoa sy nanombohany nampianatra. Inona no nolazainy? Tsy milaza na inona na inona amintsika i Marka ny amin’io. Lioka no milaza fa anio no tanteraka ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny an’ilay Voahosotra. Ambaran’i Marka anefa fa fampianarana nampitolagaga azy ireo no nataon’i Jesoa, fampianarana mampiseho miharihary ny fahaizany sy ny fahendreny. Izy rahateo no ilay Hafenoan’ny Fahendren’Andriamanitra (Kôl 2,9).
Tsy ny fahendreny ihany anefa fa ny asa lehibe ataon’ny tanany. Izay fifanarahan’ny Teny sy ny fiainana izay no tena fahatongavana ho nofo, maneho ny halehibeazan’i Jesoa ka miantso izay mihaino Azy koa hanao dingana lehibe amin’ny fanarahan-dia Azy, hanaiky hovan’ny Teny ka hahatonga ny fiainana ho fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika. Tsy afaka miala tsiny amin’ny maha olombelona marefo antsika intsony isika, ka izay tsy te hampifanaraka ny fiainana amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ho “tafintohina” (σκανδαλίζω – skandalizô = manafintohina, σκάνδαλον– skandalon = fanafintohinana) amin’ny maha zanaky ny mpandrafitra ilay Fahendrena naharian’Andriamanitra an’izao tontolo izao.
Tsy azon’ireo mpiray tanàna aminy anefa izany fampianarana izany. Ho azy ireo dia tsy azo zaraina amin’ny “tsy mpino” ny tso-dranon’Andriamanitra satria tsy zanak’i Abrahama ireo, ka izay mieritreritra tsy hanaja izany dia mazava ho azy mihantsy ady amin’ny “Jody”.
Mivoitra ao amin’ny fitantaran’i Marka anefa fa tsy ny fomba amam-panaon’i Jesoa loatra no tena nanafintohina ireo mpiray tanàna taminy fa ny “loharano” niavian’ny fampianarany. Tsy afaka hiaiky izy ireo fa avy amin’Andriamanitra izany. Raha tsy izany manko dia ady manohitra an’Andriamanitra no ataony. Toa marina ihany ny filazan’ny mpanora-dalàna hoe amin’ny anaran’i Belzeboba (Belzebul) no androahany ny demony. Dia tanisainy eo ny hany mba fantany momba an’i Jesoa: zanak’i Maria, teraka tao anatin’ny fijangajangana sy tao anatin’ny ota tanteraka (Jo 9,34).
Izay fiheveran’izy ireo ho efa mahafantatra an’i Jesoa izay no tonga sakana tsy nahafahany nandray ny fihavaozan’ny Fanahy, manatanteraka “anio” ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay mihevitra ho mahafantatra an’i Jesoa dia tsy afaka ny higaga amin’ny Fitiavan’Andriamanitra mamirapiratra ao amin’i Kristy. Isika koa raha mikiribiby hifikitra amin’ny mahazatra sy amin’izay noheverina ho fahamarinana norantovina tamin’ny katesizy fahakely (na amin’izay fianarana mba norantovina) dia mety hiafara amin’ny fandavana ny tsiokan’ny Fanahy izay miantso mpaminany hanavao ny tany, hampahafantatra amin’ny olona fa fitiavana Andriamanitra.
Toe-tsaina tsy zoviana amintsika anefa ny mitsara ny olona arakaraka ny fari-pananany na ny fari-pahaizany na izay toerana misy azy na ny fomba fiainany nahafantarantsika azy, ka manadino fa afa-mitsòka amin’izay tiany ny Fanahy (Jo 3,8). Ny tsy fanekentsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra mazàna dia mitondra antsika hamaritra ny loharan’ny soa amin’izay takatry ny sain’olombelona hahafahana manilika an’Andriamanitra mba tsy hitenenana ratsy Azy. Mora manko ny milaza hoe: “tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria ve io”, saingy sarotra no milaza hoe: “fa nahoana Andriamanitra no nifidy ny zanaky ny Mpandrafitra ho mpitondra ny Teniny?” Miditra an-tsehatra eo ny fialonana sy ny fitiavan-tena.
Ny mason’ny mpiara-belona dia mahita mpandrafitra, mahita tovolahy mitovy amin’ny olon-drehetra, ary mihevitra ho mahalala azy, saingy izany no misterin’ny fahatongavana ho nofo, sitrak’Andriamanitra hanehoana amintsika ny Farateniny, dia ny Teniny tonga nofo tao an-kibon’i Maria. Finoana no hahafahana mijery ka mandray ny fitsofan’ny Fanahy amin’ny andavanandrom-piainana ka tsy haniratsiràna ny Mpaminany irahin’Andriamanitra.
Ny tsy finoana dia mahagaga an’Andriamanitra, satria zavatra tsy azon’ny saina eritreretina ny fandavana ny fitiavana. Tokony hodinihintsika marina tokoa ny anton’izany fandavana sy tsy finoana izany, ka hanakanantsika an’i Jesoa tsy hametra-tanana amintsika. Ny andavanandrom-piainan’izay zanaky ny mpandrafitra no sitrak’Andriamanitra isehoana mba hahaizantsika rehetra koa handray Azy amin’ny andavanandrom-piainantsika, satria isika mpianany no irahiny ho mpaminany, hanohy ny asany.
Raha tsy misokatra amin’ny tsiokan’ny Fanahy isika dia tsy hahazo hanao fahagagana akory i Jesoa eo amin’ny tany honenantsika. Ho haintsika anie ny higaga ny asan’ny Fanahy, dia ireo asa hanohizan’Andriamanitra ny fanehoam-pitiavany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao ka hahatonga antsika koa ho tara-pitiavany eo anivon’ny mpiara-belona amintsika.