3 jolay: Md Tomà
(תָּאוֹם – tā’ōm, t’omà en araméen, jumeau)
- Efezianina 2,19-22
- Salamo 116
- Md Joany 20,24-29
Ankoatry ny hasin’ny Alahady andro voalohany, hankalazana an’i Kristy nitsangan-ko velona, dia avoitran’i Md Joany amin’ny Evanjely anio koa ny mety ho fanampiana antsika handresy ny fisalasalana sy ny falainan-kino, toa an’i Tomà, satria isika koa tsy nanatrika ilay alahady voalohany izay Andron’ny Paka. Ao amin’ny Fiangonana no hahafahana mahita an’i Kristy. Tsara marihina fa tsy mampiasa ny teny hoe “miseho” i Joany, ny miseho manko dia olona na zavatra hita teo dia manjavona dia mety mipoitra indray. Tonga izy ka “mitsangana” (ἵστημι – histèmi) eo afovoany, miaraka amintsika mandrakariva. Izy no nampanantena fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarany dia eo afovoany Izy (Mt 18,20). Marihin’i Joany fa efa hatramin’ny andron’ny Apôstôly no nivoriana isaky ny andro voalohany (alahady), ka izay tsy manatrika izany dia toa an’i Tomà, very “occasion” hihaonana amin’ilay Velona ka handraisana ny Fanahiny. Izay tsy miombom-po sy miara-mivavaka amin’ny hafaaraka izany dia tsy ho tafahaona amin’ny Tompo (Kyrios) nitsangan-ko velona, tahaka an’i Md Tomà, kanefa kosa, voaantso mba hibebaka sy hiverina eo anivon’ny Fiangonana hanavao ny finoany.
Amin’izany Fiangonan’Alahady izany koa no handraisantsika ny fiadanany homeny antsika, tsy fiadanana araka an’izao tontolo izao (Jo 14,27). Ireo mpianatra nisehoany voalohany dia nanehoany ny tanany loaky ny fantsika sy ny fony voalefona (Jo 20,20). Tsy mahagaga raha misalasala i Tomà, amin’ny fitantaran’ny Mpianatra hafa nilaza fa efa nahita ny Tompo, nefa mbola miaraka amin’ny varavarana mirindrina, ka naniry hahita koa ireo marik’i Kristy nofantsihana ireo. Tsy mandeha ho azy ny fandresena ny tahotra mangeja antsika. Tsy dia mifanalavitra amin’ny Apôstôly loatra isika: Andriamanitra nampidanadana na dia ny fasana aza, ny Apôstôly kosa noho ny tahotra, dia nanidy hatramin’ilay Senakla, izay toerana naorin’i Kristy ho sakramentan’ny fitiavana, nanidy ilay πανδοχεῖον– pandocheion, pas-dechomai), toerana tokony “handraisana ny olon-drehetra” (Lk 10,34), tokony hamohàna trano sy hanolorana sakafo na dia ho an’izay hamadika aza (Jodasy). Ny fiadanany no handresentsika ny tahotra.
Tsy i Tomà (ilay Kambana) irery anefa no sahirana amin’ny finoana an’i Kristy tafatsangan-ko velona. Ambaran’i Marka fa na ireo niara-nihinana koa aza dia tsy nino an’i Jesoa sady nanamafy ny fony (Mk 16,14). I Tomà no lazain’i Joany fa niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Le grand, Jo 1,38), anaram-panajàna nolazain’i Jodasy irery ihany ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio (Mt 26,14-75; 27,1-66). Saingy izy ihany koa no nahazoantsika ny fitsaohana lavorary indrindra ho an’i Jesoa mitsangana eo anivontsika: “Tompoko sy Andriamanitro”, Andriamanitra iray ihany amin’ny Ray (Jo 10,30).
Tsy misy porofo hafa hahafahantsika mitsapa an’i Kristy tafatsangan-ko velona raha tsy ny fiarahantsika mivavaka amin’ny mpianatra isak’alahady, amin’ny fibanjinana ny fitsanganan-ko velona eo amin’ny misterin’ny Lakroà. Tsy azo adinoina anefa, fa mety ho sakana ho an’ny hafa ny fiainantsika tsy mifanaraka amin’ny fiadanana omen’i Kristy. Ataon’i Md Tomà ahoana kosa moa no hino fa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, raha toa ka herinandro taorian’ny nanomezany ny Fanahiny sy ny Fiadanany, ireo Mpianatra nilaza nahita Azy, mbola mihidy aman-trano noho ny tahotra! Mila mandinin-tena mandrakariva isika mpino sao sanatria ny fomba fiainantsika no zary sakana tsy hidiran’ny olona amin’ny finoana, raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny misterin’ny Paka ankalazaina ao amin’ny misterin’ny Finoana.
Fa na banga aza anefa izany fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo izay nitantara tamintsika izany, dia Izy Jesoa no hiangavy antsika mivantana hikasika ny tanany voafantsika, izay manambara ny fanekeny hanao soa toy izay hiaro tena na hamaly faty; hikasika koa ny lanivoany voalefona, loharanon’ny sakramenta nomeny antsika mba hohanina, hivelomana ka hahatonga ny fiainantsika ho taratry ny fiainany sy ny famindram-pony. Tsy sakana fa lalana mitondra amin’ny fiainana ny hazofijaliana.
Isaky ny havaloana Izy no miantso antsika hanao izany. Anjarantsika ny manaraka ny dian’i Tomà, mety hilaza toa azy koa isika, mahita an’i Jesoa hiakarana any Jerosalema hoe: “ndeha hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Jo 11,16), saingy raha fantatsika fa lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana no atoron’i Jesoa amin’izany dia tsy hanan-tsafidy isika raha te ho sambatra. Atao ahoana tokoa moa no hahalala ny lalana raha tsy fantatra ny anton-dia sy ny tanjona hotratrarina? (Jo 14,5). Izay vao mazava amin’i Md Tomà fa ny fanoloran’i Jesoa ny tenany hofantsihina no lalana nidirany indray any amin’ny voninahitry ny Ray. Izay vao fantany fa i Jesoa sy ny Ray dia iray ihany: i Jesoa no ilay Tompo sy Andriamanitra.
Nisy ireo nahita sy nitsapa an’i Jesoa fahavelony, saingy tamin’izy ireny ihany koa no namàntsika sy namono Azy. Misy kosa ireo tsy mahita kanefa mino, manaiky ny hanandrana ny hamamin’ny fiainana araka ny Evanjeliny, hifaninana hifanompo. Sambatra izay manao toy izany (Jo 13,17). Izay mahita fa tsy misy lalan’ny fitsanganan-ko velona afa-tsy ny mahafoy ny aina ho an’ny hafa, amin’ny fanompoana sy ny fitiavana hatramin’ny farany, tsy hitadiavana valiny na voninahitra na atero ka alao, dia afaka hitsaoka an’i Jesoa koa izay velona eo anivon’ny Fiangonany, ka hanao tahaka an’i Tomà hoe: “Tompoko sy Andriamanitro”, tsy hila porofo hafa intsony, ho sambatra fa mino na dia tsy nahita aza (Jo 20,29). Ireo no fahasambarana roa ao amin’ny Evanjelin’i Md Joany.
Ny Eglizy no naorin’i Kristy ho vavolombelon’ny Fandreseny ny fahafatesana, ary isika tsirairay avy no vato arafitry ny Fanahy Masina ho trano honenan’Andriamanitra (Ef 2,19-22), ho tempoly velona hahafahan’izao tontolo izao midera Azy Tompo, amin’ny fiderana ny hatsaram-pony tsy lefy sy ny fahamarinany maharitra mandrakizay, izay asehony amintsika (Sal 116). Ao amin’ny Eglizy no anambaran’ny Fanahy antsikaho Vatan’i Kristy hahafahan’izay rehetra te hino hikasika an’ilay “velona” (ἵστημι – histemi, mitsangana) eo anivony. Ao aminy no lalam-pahasambarana atoron’i Kristy izay rehetra te hiditra (γίνομαι – ginomai, devenir, miditra tsikelikely) amin’ny Finoana, ka vonona hanandrana ny fiainam-pinoana miorina amin’ny fampianaran’ny Apôstôly, ny Fiombonana sy fifampizarana, ny fankalazana ny Eokaristia sy ny fiaraha-mivavaka. Tsy afaka hizotra amin’izany lalam-pahasambarana izany izay mitoka-monina na hihevitra hitady lalana any ivelan’ny Eglizy, any ivelan’ny Fiombonana.
Sambatra ireo tia an’i Jesoa na mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza, mino Azy na mbola tsy nibanjina Azy aza, hoy i Md Piera, mankahery ireo nanaiky handevina ny fiainany ao amin’i Kristy sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Batemy, ka nandray ny finoana ho famonjena ny fanahy (1P 1,3-9), tsy ho faty fa ho velona hitanisa ny asan’ny Tompo (Sal 117), satria nahazo ny fiainana amin’ny Anaran’i Jesoa (Jo 20,31).
Ho Apôstôly hitory ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny firenen-drehetra koa anie isika.