ALAHADY FAHA 13 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Fahendrena 1,13-15; 2,23-25
- Salamo 29
- 2Kôrintianina 8,7.9.13-15
- Md Marka 5, 21-43
Ny hahavelona antsika no irìn’Andriamanitra
Fanirian’ny olombelona ny ho velona mandrakizay, ary na dia “lohasahan-dranomaso fitomaniana” aza no iantsoana ity tany ity, araka ny vavak’i Md Bernard, dia ranomaso foana no iatrehana ny fahafatesan’ny olon-tiana, eny fa na dia ho an’ireo milaza ho mino fa izany no fidirana amin’ny tena fiainana.
Teo amin’i Israely dia niandalana no nivoaran’ny fandinihan’izy ireo mikasika ny fiainana mandrakizay. Na dia efa nivahiny tany Ejipta aza izy ireo, ary mazava loatra fa nifampikasoka tamin’ny kolontsaina ejipsiana, izay nanana ny fiheverany nambarany tamin’ny fanorenana ny Pyramides sy ny fanamboarana ny momies satria ninoan’izy ireo fa manazava ny tontolon’ireo nodimandry ny famirapiratry ny andriamanitra “RA”, andriamanitra masoandro. Ho an’ny grika, dia ny fanahy izay gadran’ny vatana no mihazo ny fahafahany amin’ny andro hahafatesana ka mianoka amin’ny maha tsy mety maty (immortalité) azy. Ho antsika Malagasy dia io fanahy io no olona. Ho an’ny fisainana araka ny Baiboly anefa, ny olona manontolo dia tsy voazara ho fanahy sy vatana, ny olona noharian’Andriamanitra hitovy endrika aminy, nohariany mba hiombona amin’ny ainy mandrakizay, io olombelona io no antsoin’Andriamanitra hanandrana ny hamamin’ny fitiavany, dia ny amin’ity fiainana ity ka hatrany amin’ny mandrakizay. Izay miombona amin’izany fitiavana izany no antsoina hoe olo-marina araka ny Bokin’ny Fahendrena.
Taonjato vitsivitsy talohan’i Kristy dia mbola mahasanganehana ihany ny fomba fijerin’ny Jody mikasika ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jôba: “Toy izany koa ny olona mandry, dia tsy miarina intsony, raha mbola eo koa ny lanitra tsy hahatsiaro intsony izy, ary tsy hofohazina amin’ny torimasony” (Jb 14,12). “Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa”, hoy ny Mpitoriteny (Kôh 3,19). “Avy any an-kibon-dreny dia ho nentina tany am-pasana… tsy hiverina intsony,ho any amin’ny tanin’ny haizina aman’aloky ny fahafatesana, tany manjombona sy maizimaizin-dava, anjakan’ny fikorontanana aman’aloky ny fahafatesana sy itovian’ny fahazavana amin’ny alim-pito” (Jb 10,19.21-22).
Izany fomba fisainana izany dia mety hitondra amin’ny filibana, hampihevitra fa vetivety dia ho rava ity fiainana ity ka aleo hararaotina. Izany toe-tsaina lomorina izany no lazain’ny fiatombohan’ny toko 2 amin’ny Boky Fahendrena.
Niova tsikelikely anefa izany fomba fisainana izany ary henontsika teo ny famintinana ny fampianaran’ireo Jody tany Aleksandria, tamin’ny andron’i Jesoa, niezaka hamintina ny fampianaram-pahendrena mifanaraka amin’ny finoana an’ilay Andriamanitra Tompon’ny aina (tompon’ny fanahin’ny olon-drehetra ny ao amin’ny dikan-tenintsika) (Fan 27,16), Andriamanitry ny velona fa tsy ny maty (Mt 22,32).
Ny Vakiteny I nalaina tao amin’ny Boky mitantara ny fahendren’i Salômôna, izany hoe ireo fampianarana mifanaraka amin’ny fomba fisainan’ny Jody nolovaina hatramin-dry Salômôna Mpanjaka, ka tao amin’ny Toko 1-6 izay milazalaza ny Fahendrena sy ny hiafaran’ny olombelona, dia azo fintinina amin’ny teny fohy hoe: tadiavo ny Tompo ary andosiro ny fahotana. Noharian’Andriamanitra ho amin’ny tsy fahalovana ny olombelona. Ny andininy 2,23 dia hazavain’ny andininy 1,15: amin’ny naoty BJ (Bible de Jérusalem) dia milaza fa izay manao ny marina no afa-manantena ny tsy fahalovana…
Nahoana anefa no zary fangorohoroana sy tahotra mandrakariva ny fahafatesana satria “fohy sy be fahoriana ny andro iainantsika ka rahefa tonga ny fara andron’ny olombelona, tsy misy fanafodiny, sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin’ny fonenan’ny maty” (Fah 2,1)? Dia miroaroa ny saina ka raha samy ho faty ihany, aleo maty rahampitso… ary raha ho faty ihany, hararaoty ny andro hiainana hilibàna sy hanaovana izay danin’ny kibo (Fah 2,6-9).
Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra fa ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao ary hanandrana izany, ry zareo izay azy (Vakiteny I Fah 1,13-15; 2,23-25). Adihevitra tsy voavahan’ny taona maro ny loharano ipoiran’ny ratsy sy ny vokany: ny fahoriana amam-pahafatesana. Maheno izany tenin’Andriamanitra izany isika dia mahatsiaro an’i Kristy, maty ho famonjena antsika, ilay marina ifanakanana satria manahirana antsika, manohitra ny fanaontsika (Fah 2,12-17). Nahoana no niharan’ny fahafatesana ilay Zanak’Andriamanitra raha toa ka vokatry ny fahotana ny fahafatesana? Ny fahafatesana amin’ny maha zavaboary (biôlôjika) dia natoraly, voajanahary. Tsy izany fahafatesana izany no tokony hatahorana. Mazava ny lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio mikasika ireo “niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana” (Heb 2,14), izany hoe azo lazaina fa mitsahatra miaina ny olona rehefa tsy mahatsiaro ho notiavina ary tsy afaka ny hitia intsony.
Marik’izany fitiavana izany no nohazavain’i Md Paoly amin’ny vakiteny II henontsika teo. Nandritra ny nanjakan’i Claude (41-54 taor.K.) dia nisy mosary namely ny ankamaroan’ny faritry ny Empire Rômanina, fa indrindra ny faritr’i Jodea sy Jerosalema tamin’ny 46-48 taor. K. Hitantsika ny fanampiana nataon’ny Eglizy tany Antiôkia (Asa 11,27-30) ary lazain’i Flavius Joseph, mpahay tantara, fa ny Mpanjakavavy Hélène d’Adiabène (Fanjakana kely manakaiky ny Ony Tigre) dia nalaza tamin’ny fahalalahan-tanany, nanafatra varimbazaha avy any Alexandrie sy aviavy nohamainina avy any Chypre. Tsy afaka hijery fotsiny ny fahavoazan’ny hafa izay nahazo ny aim-baovao avy amin’Andriamanitra, ka tsy afaka tsy hiantra ny mahantra (Ga 2,10). Izany no nanentanan’ Md Paoly ny kristianina tao Kôrinto mba hanampy ny tany Jerosalema, ary tsy hoe zava-baovao izany fa fanahafana an’i Jesoa, nizara tamintsika ny harena maha zanak’Andriamanitra, ka tsy hoe fizarana ny ambim-bava fotsiny fa mba hitovizana kosa, hanandratana ny hafa hitovy amin’ny tena. Ary ampahatsiahivin’ny Papa fa ny asa fiantrana dia atao tsindraindray, ny fizaràna kosa dia maharitra; ny voalohany mety hahafaly ilay mpanome ary manambany ilay nandray, ny faharoa kosa manamafy ny fiombonana ary mametraka ny fototra hahafahana manorina ny rariny sy ny hitsiny (Papa François, andro faha V ho an’ny mahantra, 14 novambra 2021). Ampahatsiahivin’i Md Paoly fa izay mitady mba hanangonana mihoatra noho ny ilainy dia hanangona ho amin’ny fahalovana ihany (Eks 16,20). Zavatry ny mahantra angalarintsika ny zavatra mioha-pampana tahirizintsika ho bobongolo ao an-tranontsika, hoy i Md Jean Chrysostome.
Ary satria sitrak’Andriamanitra ny hanome antsika ny Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Zanany, ka Izy no nizaka ny fahafatesana tambin’ny ota (Rm 6,23), ho faty ho antsika, fony mbola mpanota isika (Rm 5,8-9) ka handresy ny fahavalo farany dia ny fahafatesana (1Kôr 15,26), nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra (Heb 2,9).
Tamin’ny alahady heriny isika (Alahady 12 B) dia naheno ny fitarainan’ny Apôstôly: “Tsy mampaninona anao va raha maty izahay?” (Mk 4,35-40) saingy ambaran’i Jesoa mazava, mialoha ny fitsanganany ho velona, fa ho an’izay mino, tsy tokony hatahotra ny fahafatesana.
Indraindray anefa (na matetika mihitsy aza), tsy ny salamo setriny no ventesintsika an-kira: “Midera Anao aho ry Tompo fa tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho, hariva aho mitomany, nony maraina velon-kira… Navadikao ho dihy ny hira fitarainako” (Sal 29). Firy amintsika no sosotra amin’ny tsy mpivavaka sy mialona mahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy! (Sal 72). Ary firifiry koa anefa no mandany ny harena manontolo hitady fanasitranana sy fahombiazana… ary indraindray sendra ny mpanararaotra maty eritreritra, tahaka ny dokotera mametsifetsy amin’ny torohevitra vidìna lafo nefa tsy mahasitrana akory, miampy ny vidim-panafody ka tsy misy valaka tamin’ny nanjo ilay vehivavy lazain’ny Evanjely, toa miha-ratsy indray aza ny fiainana! (Mk 5,26); ary mifanerasera amin’i Jesoa saingy tsy mbola tapa-kevitra ny hikasika Azy: tsy gaga isika raha lazain’i Md Marka fa tsy afaka nanao fahagagana akory i Jesoa teo an-tany nahabe Azy (Evanjely amin’ny heriny Mk 6,5) satria tsy ny fahagagana no hahazoana ny finoana fa ny finoana no hahazoana fahagagana.
Mila manontany tena momba ny finoana isika! Firy taona no nifaneraserana tamin’i Jesoa… saingy impiry kosa no niezaka hikasika Azy, hihaona Aminy marina tokoa, na koa hiantso Azy hanasitrana ny zanaka vavy izay tsy antenaina ho velona intsony. Izay notsilovin’ny Fanahy Masina ny sainy (Jaira ryaiy »: notsilovin’Andriamanitra) no afaka hanapa-kevitra hanatona an’i Jesoa ka hiantso Azy hanasitrana!
“Ho an’izay mino, miofo ny aina fa tsy levona” (prefasy nodimandry I) ka ny fahafatesana izay mampatahotra antsika, torimaso ihany ka hisinda vetivety. Hariva aho mitomany, fa nony maraina velon-kira (Sal 29 setriny)! Satria i Kristy efa nandresy ny fahafatesana ho antsika. Izy izay mpanan-karena nefa nanaiky hampanan-karena antsika ka nisafidy ny fahantrana (2Kôr 8,7-15). Izay mino Azy tsy ho afaka ny ho mpanana ka manontany ny ory, fa hiezaka hanampy ny hafa amin’izay harena ananany, na amin’ny finoana na amin’ny teny na amin’ny fahalalana, eny fa na dia amin’ny ambim-bava aza mba hanentsemana ny tsy ampy amin’ireo tra-pahoriana, hoy i Md Paoly. Saingy araka ny efa voalaza teny ambony dia ny fitovizana no tanjona.
Ndeha hiverenantsika ny Evanjely, maneho ny fahefan’ilay afaka mamoha antsika indray avy ao amin’ny torimason’ny fahafatesana.
- Md Marka 5,21-43
Eny an-dalana mankany amin-tranon’ilay notsilovin’Andriamanitra (Jaïraיָאִיר ) dia indro nisy vehivavy nitsi-drà, izay “maloto” araka ny lalànan’i Môizy (Lev 15,25-27) naniry hikasika an’i Jesoa mba ho sitrana. I Jesoa moa nampanantena an’i Jaira fa hametra-tanana amin’ny zanany vavy mba ho velona. Ilay vehivavy kosa mahalala tsara fa efa roa ambin’ny folo taona izy izao no tsy velona, tsy afaka hiaina am-pahalalahana araka ny lalàna, roa ambin’ny folo taona tahaka ilay zanak’i Jaira.
Te hikasika an’i Jesoa izy satria efa roa ambin’ny folo taona no naniry ho sitrana, ka nandany izay nananany rehetra tamin’ny mpanao fanafody maro saingy niha-ratsiratsy kokoa. Na dia ny fitafiany ihany aza no ho voakasiko, hoy izy, dia ho sitrana aho. Ny finoany no nanentana tao am-pony izany filàna “hikasika” an’i Jesoa izany. Ny ἅπτομαι – haptomai moa, “haptô” dia azo ilazana ihany koa ny fandrehetana afokasoka, ny fikasihany an’i Jesoa no hanome aina azy, handrehitra indray ny afom-pitiavany. Betsaka no mifanosika manaporitra ny vatan’i Kristy, hoy i Md Augstin fa vitsy no manaiky hikasika azy, vitsy no manaiky hanakambana ny fiainany amin’ny an’i Kristy (Discours 77, 4-6).
Manodidina an’i Jesoa dia marobe ny vahoaka, tsy fahavalo fa mpianatra sy mpanara-dia, kristianina, saingy tsy mba nanana izay faniriana sy finoana mba hikasika Azy izay: mahatsiaro ho efa masina angamba izy ireo, mihevitra ny tenany ho tsaratsara kokoa noho ny hafa, tsy manana sampona manakana azy tsy handray an’i Jesoa… tsy afaka ho velona marina anefa izay tsy mandray ny aina sy ny fahadiovana avy amin’i Jesoa. Ny finoana no mahavonjy ka manome fiadanana ho enti-miaina. Izay tsy maniry hikasika an’i Jesoa dia hanery azy (nifanety taminy moa ny dikan-teny), fa συνθλίβω – synthlibô dia entina ilazana ny fitangoronana tahaka ny fihazakazahan’ny ankizy mifandrombaka bonbons (vatomamy) ho azy ka manaporitra ilay mpizara ao am-povoany ao satria matahotra ny tsy hahazo. Tsy mitangorona hitady fahasoavana izay mino fa “mikasika” ka manaiky ho voakasika ihany koa, hanaiky hiova fo mba hiditra ao amin’ny famonjena, tsy haniry ny ho sitrana fa ny ho voavonjy.
Raha jerena ny fitantaran’i Matio (Mt 9,18-26) dia ambarany fa i Jesoa nitsangan-ko velona (ἐγείρω – egeirô) (and. 19) no nandeha hanasitrana ilay vehivavy nitsi-drà sy hanangana ho velona ilay zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagôga (ἄρχων – archôn, lehibe fotsiny ao amin’i Matio, ἀρχισυνάγωγος – archisynagôgos any amin’i Marka). Ao amin’i Marka (Mk 5,21-43, andininy 23 be izao) sy i Lioka (Lk 8,40-56) dia tsy mbola maty fa ambavahoana (an-dohariana) ilay zazavavy, ao amin’i Matio kosa dia efa maty vao izao. Zavatra iray ihany anefa no hamafisin’ny Evanjely: inona no atao hoe “finoana” raha tsy ny fikasihana an’i Jesoa, eny fa na dia ny moron-tongotr’akanjony ihany aza, ary izany no hahafahantsika miala amin’ny fahafatesana ka hiditra amin’ny fiainana. Ny hoe manendry moa, ἅπτομαι (haptomai) no ampiasain’i Matio, tahaka ny an’i Marka izay efa nolazaina tetsy ambony, dia midika koa hoe: mifikitra, miraikitra fa azo adika hoe “mandrehitra afo” (fototeny ἅπτω – haptô), araka ny voalaza, mandrehitra ilay afom-pitiavana sitrak’i Jesoa hiredareda ao am-pontsika tsirairay avy (Lk 12,49). Ao amin’i Matio koa dia tsy ny akanjon’i Jesoa no nokasihin’ilay vehivavy fa ny “sahondran’akanjo” (κράσπεδον – kraspedon, צִיצִת- tsîtsith amin’ny teny hebrio) izay didìn’ny lalàna mba hatao amin’ny zoro efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka ary hiekena fa Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana (Fan 15,37-41, Dt 22,12). Ny finoana izany dia ny fiekena fa “Izy no Tompo Andriamanitra” afaka manangana ho velona, afaka mamerina amin’ny laoniny ny fiainana, izany no hahafahantsika mandray ny aina avy amin’ilay Tompon’ny aina na velona isika na maty (1Tes 5,10).
Tsy mila manontany ny olona i Jesoa, ao amin’ny fitantaran’i Matio. Nitodika Izy ka nahita izay nikasika Azy ary nilaza hoe: “Matokia” (Θάρσει, θαρσέω– tharseô).
Ny fanambaran’ny iraka nilaza fa maty ny zanak’ilay lehiben’ny Sinagôga dia manampy antsika hahazo ny tenin’i Jesoa amintsika rehetra manoloana ny fahafatesana: Aza matahotra, mitozoa amin’ny finoana. Ny mpitondra hafatra manko dia nahita ny fahafatesana nandrombaka ny aina, izay miaraka amin’i Jesoa kosa dia mahita ny aina mandresy ny fahafatesana. Izay manam-pinoana ihany, izay manana andry itokiana no afaka handresy ny tahotra. Tsy hatahotra ny haizina izay manana ny hazavana.
Rehefa tonga tao an-tranon’i Jaira i Jesoa dia efa nitomany ny olona satria maty razavavavy. Angamba fahadisoan’i Jesoa satria mbola nilaozany nitady ilay vehivavy “nikasika” azy? Tsy maty anefa razazavavy fa matory. Azon’ny kristianina izany fampianarana izany ka nampitoviany ny fiantsoana ny trano hatoriana amin’ny alina sy ny trano hampandriana ireo nodimandry (coemeterium, avy amin’ny grika koimèterion: dortoire; sepulcrum ho an’ny teny andavanandro). Rehefa avy nandroaka ireo “mpikarama mitomany” i Jesoa (fa fomban’ny Jody ny manakarama mpitomany mba hampalaza ny fandevenana), izany hoe efa tao amin’ny trano niandrasana ny razana, dia nandroaka ny olona hivoaka. Naka ireo vavolombelona sy ny ray aman-drenin-drazazavavy dia niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy. Efa tao an-trano izy ireo ka hiditra ho aiza indray?
Niampatra (κειμαι – keimai) moa no nandikana azy, fa ny voambolana ampiasain’i Marka dia hoe ἀνάκειμαι – anakeimai, izay entina hilazana ny olona mandrimandry miandry sakafo na eo am-pihinanana. Averiny ampiasaina io voambolana io amin’ny Mk 14,18 sy Mk 16,14, ilazana ny Apôstôly teo am-pihinanana. Tao amin’ilay efitrano voaomana hiandrasany ny fanasan’ny Zanak’ondry araka izany no nitondran’i Jesoa azy ireo. Tao amin’io toeram-pisakafoana io no nandraisan’i Jesoa an-drazazavavy tamin’ny tanany, niantsoany azy ho amin’ny fampakarana ka nananganany azy hijoro sy hanohy ny diany ho any amin’ny mandrakizay.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy: ἀνίστημι (anistèmi, anistanai) no voambolana entin’i Md Marka hilazana ny fitsanganan-ko velona. Ny matoanteny ampiasan’ny dikan-teny grika nandikana ny hoe Talitha kum moa dia ny matoanteny “egeiro”. Efa hitantsika io (rafozam-bavin’i Piera, ilay malemy..). Nitsangan-ko velona razavavavy satria noho ny finoan’ny rainy sy ireo niaraka tamin’i Jesoa dia afaka nihaona tamin’ilay mpampakatra izy. Talitha kum: Mitsangana, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko ka avia! (Ton 2,10.13). Izay mandre ny Tenin’ilay Mpampakatra, na maty aza dia ho velona indray (Jo 5,28-29), ka ao amin’izany fiainam-baovao izany no hiarahantsika mihinana amin’ireo havana efa nodimandry amin’ny fanasan’ny Tompo.
Niarina razazavavy ary namindra. Io no lazain’ny Salamo 16 hoe: faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza. Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao. Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana (Sal 16,9-11). Io ilay toerana nitondrany ireo ray aman-drenin-drazazavavy sy ny vavolombelona, rehefa avy namoaka ny olona hafa rehetra izy. Matoa manko i Jesoa afaka mandroaka ireo mpitomany sy ny tsy mpino dia efa tao amin’ny efitrano misy ny razana, misy ny vatana mangatsiaka, ary avy eo no itondrany ireo mino mba hibanjina ny voninahitr’izay atsangany ho velona, any amin’ny fiainana mandrakizay.
Izay tafiditra amin’izany fandalinam-pinoana izany no afaka hahazo ny hasin’ny Batemy, izay tandindon’ny fitsakàna ny ranomasina mba hidirana amin’ny fiainam-baovao, hizorana amin’ny lalan’ny fiainana. Izay mitsangan-ko velona amin’ny fiainam-baovao no afaka higoka ny tsiron’ny hanina aroson’i Jesoa ho an’izay manaiky handray anjara amin’ny fanasany. Izany no mahatonga an’i Md Paoly manoratra amin’ny Efezianina hilaza hoe: “Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hanazava anao ny Kristy” (Ef 5,14).
Ny fepetra tokana hahafahana miditra amin’izany fiainam-baovaon’ny fitsanganan-ko velona izany dia ny finoana: “Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao”. Na ny olona tsongoin’olom-bolo tahaka an’i Jaira na ilay vehivavy mitsi-dra, fanilikiliky ny fiaraha-monina noho ny aretiny aza, dia afaka miditra amin’ny tontolon’ny finoana, afaka mikasika an’i Jesoa, hiray aina aminy. Saingy ambaran’i Jesoa fa finoana mbola mila diovina amin’ny misterin’ny Hazofijaliana izany.
Mamarana ny fampianaran’i Md Marka mikasika ny Batemy moa ny Evanjely anio ary mampiditra indray amin’ny Eokaristia. Tsy hoe fitantarana fe tantara fotsiny fa famintinana ny fiainantsika rehetra koa ireo tranga roa lazain’ny Evanjely ireo: ny isa 12 moa dia milaza ny hafenoana ka ny fiainana manontolo indraindray no laniantsika hitadiavana fahasitranana, mandra-panapahantsika hevitra hanambatra ny fiainana amin’ilay “tonga mba hananantsika ny aina ary hananantsika azy miavosa” (Jo 10,10). Indraindray koa, sahala amin’ny zanakavavin’i Jaìra isika, zanaka vavy (θυγάτριον – thugatrion: and. 23) ho an’i Zake, zaza (παιδίον – paidion) ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpiara-belona (and. 39-40) fa Talithà, κοράσιον – korasion) no ampiasain’i Jesoa amin’ny andininy 41, teny hilazana ny tovovavy hampakarina, tonga amin’ny taona iandrasana ny vady (12 taona) saingy toa miandry vasoka, satria izay niantefan’ny safidy toa nandiso fanantenana avokoa, ka zary hazofijaliana ny lalana noheverina hitondra amin’ny fahasambarana. I Joany aza mampitaha antsika amin’ilay vehivavy samaritanina efa nanambady in-dimy ary ilay miara-mitoetra aminy amin’izao tsy vady akory. Saingy ny fitiavan’ireo olom-pinoana dia afaka hitondra ilay Mpampakatra hihaona aminy, handray ny tanany ka hitondra azy amin’ny hafenoan’ny hafaliana. Hampisy heviny ny fanolorantsika lamesa ho an’ireo nodimandry ihany koa izany fampianaran’ny Evanjely izany.
Manampy antsika ny Litorjia handinika ny lahatr’Andriamanitra manoloana ny fahoriana amam-pahafatesana, ka hampahatoky antsika, fa na olona efa trotraky ny adim-piainana aza isika ka tsy nahita fahasitranana tamin’izay naleha, na lehiben’ny Sinagôga tojo ny patsa iray tsy omby vava, dia eo i Kristy, miandry antsika hikasika Azy, ary indraindray koa, miantso antsika hampiantrano Azy (Lk 19,5), ka tsy ho azon-tahotry ny fahafatesana satria ny maty aza mbola afaka handre ny feony ka ho velona! Talità Komì!