ALAHADY FAHA 12 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Jôba 38,1.8-11
- Salamo 106
- 2Kôrintianina 5,14-17
- Md Marka 4,35-40
Aorian’ny fanoharana momba ny Fanjakan’ny Lanitra (Alahady faha 11 B) ilay voatsinapy noraisintsika ka mila hampamokarina ho zary fialofan’ny voromanidina dia maniry sy mitombo raha avelantsika hilevina ao amin’ny tanintsika, ary ny marika hahalalana ny fitomboany dia izy zary fialofana, tsy ho an’izay tiany, fa ho an’ny voron’ny lanitra rehetra.
Tsy mandeha ho azy anefa ny fitomboan’izany voatsinapy izany. Ankoatra ny fikarakarana ny tany hamafazana (Mk 4,1-9) sy ny mety ho fikolokoloana ny voly dia ny Tompo ihany no mampamokatra azy, fa ny mpamboly matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro fa tsy mahafantatra ny fitomboany (and. 27-28). Misy fakam-panahy roa mety hahazo antsika manoloana ny zava-mitranga anefa: na isika matoky tena be loatra ka manadino ilay hany manome voa afafy ny mpamafy (Iz 55) na manadino ny andraikitra nankinina amin’ny mpamboly ka hiandry ny mana hilatsaka avy any an-danitra (Mk 12). Ho an’izay miditra amin’ny tanin’ny fahafahana anefa dia mitsahatra ny mana (Jôs 5,12). Mandra-piandry ny taom-pijinjana sy hihinanana ny vokatry ny tany dia maro ny zavatra mitranga mampiroaroa saina ka indraindray manozongozona ny finoana ny hoe fitiavana miahy ny zanany Andriamanitra.
Ankoatra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fahantrana mianjady dia mbola manampy trotraka indray koa ny valan’aretina sy ny voka-dratsy aterak’izany. Fa aiza Andriamanitra no toa tsy maneho ny heriny akory. Mahefa ny zava-drehetra ve Izy dia hamela ny zanany lazainy fa tiany ao anatin’ny toe-javatra mampivadi-po tokoa indraindray? Mamintina ny fanontanian’ny olona rehetra ao anatin’ny fijaliana ny tenin’ny Apôstôly henontsika tamin’ny Evanjely teo hoe : “Tsy mampaninona anao va raha maty izahay?”
Tamin’ny alahady heriny isika dia nilazalaza mahakasika ny Tenin’Andriamanitra mahatontosa izay kasainy (Parole performative): “Miteny Izy dia àry izao rehetra izao, mandidy Izy dia misy ny zavatra rehetra” (Sal 33, 9). Fa nahoana ary Izy no toa mangina manoloana ny trangan-javatra mianjady amin’ny fiainana ka mampijaly ny zanany?
Ny Bokin’i Jôba moa, izay voasokajy ao amin’ny Bokin’ny Fahendrena dia niezaka nandalina izany misterin’ny fijalian’ny olona izany. Ny vakiteny I teo dia azo lazaina fa mamintina ny valintenin’Andriamanitra manoloana izany fanontaniantsika olombelona izany. Teo amin’i Israely, tahaka ny tamin’ny tany manodidina koa, dia noheverina fa asan’Andriamanitra ny mandamina ny tontolo, ka ny fametrahana ny ranomasina (yām) amin’ny toerany no sangan’asa lehibe indrindra. Na ao amin’ny Boky Jenezy aza dia hitantsika ny fanavahan’Andriamanitra ny rano, ny ranomasina sy ny tany, ny toerana hitahirizana ny aina sy izay noheverin’ny Jody ho toeran’i Leviatana ary noraisiny ho sarisary hanehoana ny maizina sy ny heriny mihitsy aza, ka rehefa milaza ranomasina dia ny fahafatesana no tonga ao an-tsaina.
Amin’ny vakiteny teo dia asain’i YHWH mandinika ny zava-misy i Jôba, hametraka ny toerany amin’ny maha zavaboary misy fetra azy. Tsy mahagaga satria ny Salamo aman-tonombavaka teo amin’i Israely dia efa nankalaza ny asa nataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Ny Salamo 104 ohatra dia misaotra ny Tompo satria naoriny ho mafy ny tany, nohodidininy rano lalina toy ny lamba, nanisy faritra tsy hihoaran’ny rano ka tsy hiverenany hanarona ny tany intsony (Sal 104,5-9). Andriamanitra no mamolaka ny fianjonanjon’ny ranomasina ka mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany (Sal 89,10), ary nanao azy ho toy ny rindrim-bato eo an-kavanana sy eo an-kavia mba handiavan’ny Zanak’i Israely tany maina (Eks 14,21.29).
Ny salamo setriny (Sal 106) kosa dia manampy antsika hahazo tsara ity fanoharana momba ny ranomasina ity. Milaza ny famonjen’Andriamanitra ny olombelona amin’ny loza rehetra io Salamo io, saingy ny tapany faha 4 ihany no hiraintsika amin’ny Litorjia amin’ity alahady ity (and. 23-31). Mampiditra ireo fizarana tsirairay moa ny fiverenana hoe : Ankalazao ny Tompo fa tsara fo Izy, mandrakizay ny fitiavany.
Ny vahoaka mirenireny miady amin’ny hetaheta sy ny hanoanana tany an’efitra no navotany ka nampizoriny tamin’ny lala-mahitsy hahatongavana amin’ny tanàna fonenana. Ireo niraparapa tao amin’ny haizim-pito, voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy, noho ny tsy fihainoana ny teniny dia nomeny fahafahana. Ireo nomena fahafahana anefa dia mbola nikiribiby tamin’ny fitondran-tena mahameloka ihany, ary efa teo am-bavahoana no nandefasan’ny Tompo ny Teniny ary noafahiny hiala tamin’ny fasany.
Dia eto no manomboka ny fizarana ampiasaina amin’ny Litorjia anio: mitantara ireo mpiantsambo nirotsaka an-dranomasina, mba hanarato eny anivon’ny ranobe, nisedra ny onjan-drano ary efa niady tamin’ny fahafatesana saingy nahita ny asan’ny Tompo nanova ny tafio-drivotra ho tsiotsio-drivotra malefaka ary nampangina ny onjan-dranomasina. Tsy ilaozan’ireny tafio-drivotra misamboaravoara ireny ny fiainantsika, ka manoloana azy ireny dia adinontsika mora foana ny asa efa nataon’ny Tompo tamintsika na hitantsika, ary indraindray aza, misy mahavita mieboebo hihevitra fa ny ezaka sy ny fahendreny no nahazoany fanavotana. Aoka izay hendry hamantatra izany rehetra izany ka hahalala ny fitiavan’ny Tompo, hoy ny Salamo mamarana ny vavaka (Sal 106,43).
Tantarain’ny Evanjely anio ireo Mpianatra niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny Tompo (Mk 4,35-41). Ry Mpampianatra o! Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Iza i Kristy ho antsika? Sa fahalalana an’i Kristy araka ny nofo ihany no ananantsika? (Vakiteny II 2Kôr 5,14-17) Izany hoe ny famonjena eo noho eo, tombon-tsoa azo tsapain-tanana ihany! Ka adino fa Tompon’ny velona sy ny maty ny Tompontsika. Manery ny fitiavana an’i Kristy, araka ny lazain’i Md Paoly, satria Izy no nitia antsika mialoha (1 Jo 4,19) ka valim-pitia no asetrintsika Azy fa tsy sanatria fitadiavana tombom-pitia.
Ny valin-tenin’ny Tompo tamin’i Jôba milaza ny fetran’ny olombelona (Jb 38,1-11) dia manampy antsika hametraka an’Andriamanitra amin’ny maha Mpahary sy mpandahatra ny zavatra rehetra Azy. Tsy ho amin’ny finoanoam-poana miandry izay hitongilanan’ny vintana anefa, fa amin’ny toe-panahy vontom-pinoana ka hikaroka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra ary hahay handanjalanja ny zava-mitranga noho ny fitiavana an’Andriamanitra satria entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra (Rm 8,28).
Ny Vakiteny II dia manampy antsika handio ny mety ho fomba fisainana na fihevitra tsy mbola mifanaraka amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny Tenany ao amin’ilay Zanany tiany kanefa navelany ho faty teo amin’ny Hazofijaliana.
Ny fitiavan’i Kristy no manery antsika, hoy ny dikanteny ananantsika. Terin’ny fitiavan’i Kristy isika. Ny matoanteny συνέχω (synechô) adika hoe manery anefa dia mety midika koa hoe mamihina amin’ny tanana mba hanambatra ny zavatra tsy tiana hisaraka ary atahorana hianjera ka mety ho vaky. Ny fitiavan’i Kristy, araka izany no manambatra antsika mba tsy ho afaka hisaraka, dia ny fahalalantsika fa maty ho an’ny rehetra sy ho an’ny tsirairay Izy. Ho sahintsika ve sanatria ny hanao an-kilabao ny olona iray nahafoizan’i Kristy ny ainy?
Ny fibanjinana ny Lakroà, araka izany dia tokony hitondra amin’ny fiombonana sy ny fampihavanana mandrakariva, tahaka ny Renin’i Jesoa sy ny Mpianatra Malala eo am-pototry ny hazofijaliana, tahaka ireo kristianina Jody sy Jentily tany Efezy, manaiky hiombona ho iray, handray ny hafa sy ny fahasamihafana ao an-trano, satria ny hampihavana sy hamondrona no nanoloran’i Kristy ny ainy.
Ny fomba fivavahana mbola raiki-tapisaka ao amintsika indraindray dia ny miady varotra, ka heverina fa arakaraka ny fiezahana na ny fahamendrehana na ny halavan’ny vavaka na ny habetsaky ny tolotra ataontsika no hihainoana antsika! Vavaky ny mpihatsaravelatsihy sy ny mpanompo sampy izany, hoy i Jesoa (Mt 6,5.7). Ny Vavaka dia ny fihainoantsika ny feon’ilay Ray ao amin’ny mangingina, ka hiezahantsika hampifanaraka ny fiainana amin’ny fitiavany.
Ny tambiny tokony haloantsika, noho ny heloka sy ny fikomiana dia efa naloan’i Kristy, ka izay mahatsapa izany fitiavana izany, izay mibanjina ny endriky ny Andriamanitra nahafoy ny ainy ho an’ny mpanota (Rm 5,8), dia tsy afaka ny tsy hahafoy ny ainy koa ho an’ny hafa, tsy afaka ny ho velona ho an’ny tenany intsony.
Ambaran’i Md Paoly mazava anefa fa ny fahalalana an’i Kristy araka ny nofo dia mety hahavoa antsika ka hijery ny zava-misy araka ny nofo, araka ny fihevitry ny olombelona, ary fantatsika fa nahavita hatramin’ny fanenjehana ny kristianina i Paoly noho izany. Ny fibebahana kosa no hahalalantsika Azy, hahalalantsika ny tena endrik’Andriamanitra ary ny fiainana mandrakizay dia ao amin’izany fahalalana izany, hoy i Md Joany (Jo 17,3), ao no hihavaozana (καινός– kainos) ka hidirana amin’ny fampanantenan’ilay handefa ny Fanahiny Masina ka hanavao ny zava-drehetra (Sal 104,30).
Raha hiverenantsika ny Evanjely, izay mamintina ny vakiteny I sy ny Salamo dia manampy antsika hahazo ny hazavana mba hahafahantsika koa mahazo toky na dia manonja aza ny tafio-drivotra manozongozona ny finoantsika indraindray, ka hanapahana hevitra hanolorana ny tena ho varo-tsy mifody amin’ny fanasoavana ny hafa, satria izany no mifanaraka amin’ny Batemy izay fiarahana miondrana amin’ny sambokely izay misy an’i Jesoa, dia ny Egliziny.
- Md Marka 4,35-41
Nony hariva ny andro dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.
Ny andro nampianaran’i Jesoa ny mpianatra mikasika ny herin’ny Teny ihany io. Amin’ny andro amafazana ny Teniny ao am-pontsika no hampanonja ny ranomasina ka tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra matotra. Toroan’ny Salamo hevitra isika hoe “hihaino ny feony ianareo anio ka aza hamafisina ny fonareo” (Sal 95,7-8). Tsy afaka handresy ny tahotra sy ny fisalasalana tokoa manko raha tsy atrehina ka ezahana fantarina ny antony mazava. Mba hahafahantsika mahazo ny tian’ny Evanjely ambara dia handeha hofantarina ny antsipirian-javatra hita ao amin’ny fitantarana.
Misy olona hahazo tory eo ambony sambokely atopatopan’ny onja ve? Ary raha hariva ny andro ka efa reraka i Jesoa, nahoana no tsy nijanona natory tao Kafarnaôma fa mbola nilingilingy hiampita ny ranomasina amin’ny andro alina? Antsipiriana fitantarana entin’ny mpanoratra manokatra ny masontsika ireny hanakatra fa tsy fitantarana ny zava-misy fa fampianarana teôlôjika ny Evanjely, manampy antsika hahazo ny fampianarana nataon’ilay Mpampianatra rehefa tojo ny tranga mitovy amin’izany isika. Ndeha àry ezahantsika hotakarina ny hevitr’ity Evanjely ity.
Hariva ny andro. Io ilay hariva hanoloran’i Kristy ny tenany ao amin’ny Eokaristia sy eo amin’ny Hazofijaliana, fa hariva handraisan’ny Mpianatra Azy ho eo an-tsambokely araka ny maha izy azy koa (tamin’izay no nandikana azy). Ny hoe αὐτὸν ὡς ἦν– auton ôs èn (comme il était, and. 36) dia manampy antsika handray an’i Jesoa amin’izay anolorany ny tenany sy ny Teniny amintsika fa tsy araka izay heverintsika. Izy no ilay voatsinapy latsaka amin’ny tany, Izy no ilay fahazavana miditra amin’ny tontolon’ny haizina, Izy no Mofo tonga fiainana hamelona izay mino Azy, eny fa na ho an’ireo sambo tsy mitondra Azy, saingy miara-miondrana Aminy, maniry ny ho any am-pita, ho tody any amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Dia niteny tamin’ny Mpianany i Jesoa hoe: andeha isika ho eny an-dafin-drano… ho any an-dafy! Hitantsika any amin’ny toko faha 5 anefa fa tanin’ny mpiompy kisoa ny eny am-pita, izany hoe tanin’ny tsy mpino raha araka ny foto-pisainana Jody.
I Jesoa,tamin’ilay hariva namoronany ny Eokaristia iny, dia naniraka ireo mpianany mba hitory ny Evanjeliny hatrany amin’ny faravazan-tany. Tsy sambokely iray ihany fa sambokely maromaro izy ireo. Ary i Jesoa natory teo amin’ny sisin’ny sambokely tambonin’ny ondana. πρύμνα (prumna) moa no nadika hoe sisin’ny sambokely, fa io no toeran’ny mpanamory, dia eo no nametrahan’i Jesoa ny lohany teo ambonin’ny ondana, anarana entina hilazana koa ny “coussin” ampiondanana ny razana (pros-kephale, προσκεφάλαιον – proskephalaion): nanondrika ny lohany Izy dia rendri-torimaso (καθεύδω – katheudô, maty), “Mandry am-piadanana aho ka dia matory miaraka amin’izay, fa ianao irery Tompo ô no mampitoetra ahy tsy amin’ahiahy” (Sal 4,9). Matory Izy satria araka ny fampianarany dia Andriamanitra no mampitsimoka ny voa, saingy voalazantsika teo fa eo amin’ny πρύμνα no nasiany ny lohany: Izy ihany no mpanamory ny sambo, ary sahy matory satria matoky ireo mpianatra nanankinany ny fitondrana ny sambo eny am-pita. Tsy azontsika hadinoina na oviana na oviana izany fitokisana izany, araka ny lazain’i Md Dominique hoe: mivavaka isika ka mametraka ny zavatra rehetra am-pitokisana eo am-pelatanan’Andriamanitra, saingy miala avy eo isika dia mila mahatsiaro fa napetrak’Andriamanitra am-pitokisana eo am-pelatanantsika koa ny zavatra rehetra.
Ny haizina nandrakotra ny tany ilay mitataovovonana iny no tian’ny fanoharana rehetra holazaina. Haizina nampisafotofoto ny sambon’ireo mpianatra satria maty ilay noheveriny araka ny nofo fa hanavotra an’i Israely ka hanangana azy ireo ho firenena lehibe eo imason’izao tontolo izao. I Jesoa nanolotra ny ainy no ilay voa nalatsaka tamin’ny tany ka tsy afaka ny hamokatra raha tsy mandalo amin’ny fahalovana.
Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Tsy ireo Apôstôly ireo ihany no saro-tahotra ka midradradradra miantso vonjy. Tsy zoviana amintsika ny fomba fivavaky ny mpino maro izay tsy miezaka hahazo ny sitrapon’Andriamanitra fa mihevitra ho arakaraky ny hamaroan’ny teny lazainy no hiainoana azy (Mt 6,7), dia mamokovoko manao vavaka lavareny tsisy farany, nangonina tetsy sy teroa, sao mba miova hevitra Andriamanitra, ka hanome fahasoavana.
Rehefa mivaly ny fanirian’izy ireny dia midehadehaka ho olona henoin’Andriamanitra vavaka izy fa tsy sahala amin’ny mpanota sy poblikanina (Lk 18,10-11), fa raha sanatria kosa tsy araka ny faniriany ny fandehan-javatra dia mety ho very finoana mihitsy izy ireny, mihevitra fa miangatra Andriamanitra na sanatria an’izany mbola matory! Tsy very finoana anefa izy ireo fa “tsy mbola manana finoana”, tsy mbola tafiditra tamin’ny finoana marina, tsy mbola nahafoy ka nandatsaka ilay voatsinapy tao amin’ny tanimboliny. Ny fahasoavana lehibe indrindra omeny antsika dia ny fibebahana, hoy i Papa François, ary io no loharanon’ny soa rehetra satria hahafahantsika mahita ny zavatra rehetra araka ny fahitan’Andriamanitra azy.
“Mifohaza, ry Tompo, nahoana no matory ianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay” (Sal 44,24). Dia nifoha, tahaka ny olona natory ny Tompo, sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay” (Sal 78,65) ka niteny mafy ny rivotra. Any amin’ny toko 1° izy dia niteny mafy (ἐπιτιμάω – epitimaô) ny fanahy maloto sy mampangina azy, eto dia miteny mafy ny ranomasina sy mampangina azy. Dia nitsahatra ny rivotra ary nitony ny andro, saingy vao mainka koa nitombo ny tahotra tao amin’izy ireo.
I Jesoa moa manome tsiny Azy ireo noho ny tahotra (δειλός – deilos, crainte) mahakanosa sy mampiraviravy tanana vokatry ny tsy fitokisana amin’Andriamanitra. Izy ireo kosa natahotra dia natahotra (φοβέω – phobeô) satria tsy takatry ny sainy, na tsy tiany ho takatry ny saina ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra. Ny tsy finoantsika ny herin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe hampatahotra antsika amin’izay fisamboaravoaran’ny fahavalo fa mety hahatonga antsika koa ho mafy fo satria tsy te hizotra amin’ny lalana atorony antsika dia ny lalan’ny hazofijaliana.
Amin’ny fiatombohan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Marka ny fahefan’ny tenin’i Jesoa mandroaka ny fanahy maloto. Saingy mbola fahagagana ihany ho an’ireo mpianatra, ka nampatahotra azy ireo ny mahita an’i Jesoa mifoha avy amin’ny torimasom-pahafatesana, velona eo anivon’ny Fiangonany, ary manan-kery hanome fitoniana: fiadanana ho anareo. Sarotra ny mahatsapa fa velona eo anivontsika Izy ary nametraka ny fitokisany amintsika mba hamokaran’ny Teniny.
Dia angatahontsika izany fiadanana izany, satria tsy hafa noho ireo Apôstôly ireo ny fomba fiainantsika ankehitriny, misalasala sy tsy matoky ny herin’i Kristy ka mazàna miantsampy amin’ny herin-javatra hafa mba hiarovan-tena ka hanalavirana ny tena finoana.
Iza moa io fa ny rivotra sy ny ranomasina avy manaiky Azy? Angatahontsika amin’Izy Tompo ny fahasoavana hanandramana isan’andro ny hatsaram-pony sy ny fitiavany ankalazantsika ny fandreseny. Ho tonom-bavaka tsy miato ao am-pontsika anie ny Salamo 106: hisaotra ny Tompo tia, manao zava-mahagaga ho an’ny olona rehetra.
Miara-miondrana amintsika amin’ity sambokelim-piainana ity i Kristy. Mazàna eny amin’ny toerana farany ao amin’ny sambo no ametrahantsika Azy, ary avelantsika hatory, rehefa milamina tsara ny ranomasina. Impirifiry moa isika no mamoha an’i Kristy, rehefa ambivitra ny aina, ka mila vonjy! Mahatsiaro an’Andriamanitra rehefa afa-nenina amin’ny fahaizan’olombelona… Tahotra maneho ny tsy fahampiam-pinoana anefa izany, hoy i Jesoa tamin’ny Apôstôly. Asehon’ny Evanjely amin’ny heriny fa hatramin’ny maty aza, handre ny feony dia hitsangana (Jo 5,28). Saingy famantarana ihany ireny, tahaka ny famantarana rehetra azontsika banjinina amin’ny zavaboary, mba hanontaniantsika tena hoe : Iza marina moa i Kristy izay arahiko?
Isika tsirairay koa, matoky fa tsy afoin’Andriamanitra na oviana izay nataony mafy orina amin’ny fitiavany (vavaka fangatahana) dia voaantso hihavao ao amin’i Kristy. Tsy fihavaozana hisehosehoana ho nohasoavin’Andriamanitra noho ny hafa anefa sanatria, fa fihavaozana manaiky hotarihin’ny Fanahy, ka hikely aina mba hankasitrahan’ny Tompo, satria mahatsapa fa tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy isika, handray ny tandrifin’ny asantsika na soa na ratsy. (Vakiteny II alahady 11 B: 2Kôr 5,6-11).