Alarobia faha 11 mandavan-taona
- Ankasa: 2Mpanjaka 2,1.6-14/Salamo 30
- Tsy ankasa: 2Kôrintianina 9,6-11/Salamo 111
- Md Matio 6,1-6.16-18
“Misy fitiavana roa mandrafitra Tanàna roa: ny fitiavan-tena mipaka hatrany amin’ny fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra manorina ny tanànan’ny tany; ny fitiavana an’Andriamanitra mipaka hatrany amin’ny fanaovana tsinontsinona ny tena manangana ny Tanànan’ny Lanitra. Ny iray voalohany mitady voninahitra ao amin’ny tenany, ny iray hafa ao amin’Andriamanitra. Ny iray mangataka ny olona hanome voninahitra azy, ho an’ilay iray kosa, Andriamanitra izay vavolombelon’ny feon’ny fieritreretany no voninahiny lehibe indrindra” (Md Augustin, Cité de Dieu XIV, 28).
Tsy manao afa-tsy ny mamerina ny Evanjely i Md Augustin, mampahatsiaro antsika fa ny soa ataontsika, ny asa fiantrana sy ny vavaka ary ny fifadian-kanina dia mba handraisana ny valisoa avy amin’Andriamanitra. Inona moa izany valisoa izany? Ny hiainantsika ny maha zanany, ny hiantsoany antsika ho “zanany malalany, ankasitrahany indrindra”. Io no fahalavorariana (τέλειος – teleios, fahatratrarana ny tanjona irina) iantsoany antsika.
Raha manao fiantrana ianao dia aza mampaneno ny kipantsona eo alohanao mba hankalazan’ny olona anao. Ny tanana havia tsy tokony hahita ny ataon’ny havanana, izany hoe tsy fifaninanan’izay mahavita be na izay mahavita tsaratsara kokoa no heverina. Mampalahelo rehefa ny fisehosehoana no fitaovana mahomby mba hanangonam-bola hanaovan-javatra. Mbola lavitry ny Evanjely izany. Ny asa fiantrana moa raha araka an’Andriamanitra dia fizarana izay noraisintsika avy Aminy, ka mazava loatra fa tsy isika no hahazo voninahitra fa Izy. Fitaovana ihany isika, taratry ny fahazavany, ka mahita ny soa ataontsika ny olona dia manome voninahitra Azy any an-danitra.
Ampianarin’i Jesoa isika hivavaka marina tokoa, ka hiditra ao amin’ny efitrano (ταμεῖον – tameion) nasiantsika ny harena sy izay rehetra noheverintsika ho sarobidy, ka ao no hahitantsika an’Andriamanitra Raintsika, hahafahantsika manesotra izay harena mety haka ny toerany, fa hahafahantsika koa mankasitraka amin’izay rehetra efa nangonintsika ao. Tsy fisehosehoana ny vavaka fa fandaminana nyταμεῖον(tameion, magazay), ka hahafahantsika mampiantrano an’Andriamanitra Raintsika ao, amin’ny fitahirizana ny Tenin’i Jesoa (Jo 14,23).
Ny Lalàna dia mandidy ny Jody hanao fifadian-kanina amin’ny andro fanonerana ihany (Lev 16,29-31). Tsy ny fifadian-kanina lasa fanaon’izy ireo indroa isan-kerinandro (Alatsinainy sy Alakamisy) tamin’ny andron’i Jesoa no ratsy. Mba hiavahana amin’ny Jody dia nanao ny azy ny Alarobia sy Zoma (Didakè 8,1) ny kristianina. Ambaran’i Jesoa fa raha tsy hafaliana no vokatry ny fifadian-kanina, raha tsy fihosorana zava-manitra no setriny (mandany vola kokoa noho ny hanina), dia ho lasa filan-dera sy fizahozahoana. Izay ataontsika am-pitiavana ka tsy hitadiavana ny voninahitry ny tena no handraisantsika anjara amin’ny fanorenana ny Tanànan’Andriamanitra (Md Augustin). Ny fifadian-kanina tena izy dia izay mampaha-mirana ny tarehintsika sy ny tarehin’ny hafa, mba ho voninahitr’Andriamanitra, ka hahafahantsika mitondra ny hanitr’i Kristy (2Kôr 2,14) ho an’ny olon-drehetra.
Ny asa fiantrana mba hanitatra ny fo ho tia bebe kokoa, ny vavaka mba hahitana ny harena miafina ao am-po izay porofon’ny Fitiavan’ny Ray, ny fifadian-kanina mba tsy hifikirana amin’izay mety ho hafaliana mandalo (toy ny faly aman-kanina) ka hahafeno fatra ny hafaliana ifampizarana, izany no fiainana mifanaraka amin’ny maha zanak’Andriamanitra, fiainana hitomboana amin’ny hasambaran’ny fahalavorariana.
Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra. Aleloia.