Zoma fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Siràka 44,1.9-13/Salamo 149/
- Ankasa: 1Piera 4,7-13/Salamo 95
- Md Marka 11,11-26
Taorian’ny fidirany am-boninahitra tao Jerosalema, dia nivantana tao an-Tempoly i Jesoa (Ma 3,1), ary rehefa avy nijery (περιβλέπω – periblepô, mijery manodidina) ny zavatra rehetra dia nankany Betania niaraka tamin’ny Mpianatra satria efa hariva ny andro, ny alina miditra ao amin’ny Tempoly satria nivoaka ny hazavana. Amin’ny alina manaraka dia i Jesoa no hatolotra (Mk 14,17) ary amin’ny alina manaraka dia ilay Tompon’ny aina no miditra ao am-pasana (Mk 15,42).
Ny maraina, andro voalohany amin’ireo henemana mitondra mankamin’ny hazofijaliana, noana i Jesoa dia nitady voa tamin’ny aviavy vao mandravina (tokony hitondra ny vokatra voalohany amin’ny lohataona, satria mamoa indroa ny aviavy), ka nony tsy nahita afa-tsy ravina, ilay ravina nanakonan’i Adama ny henatra sy ny tahotra, dia nanozona ilay aviavy izay maina hatramin’ny fotony. Ny aviavy dia tandindon’ny Vahoakan’Andriamanitra sy ny Lalàna izay iriny mba hitondra vokatra amin’ny fotoan-drehetra. Ny aviavy koa no hazo mamoaka ny voany mivantana avy amin’ny taho, sahala amin’ny lakroà, hanome antsika ilay Voa antoky ny fiainana mandrakizay.
Fotoana tsy namokaran’ny aviavy anefa tamin’izay, hoy i Marka mitantara. Ka tsy filam-baniny ve ny an’i Jesoa raha izany? Tsia, fa mba hampahatsiarovana antsika fa tsy afaka mangataka andro ny fampamokarana ny fitiiavana. Tsy afaka hiala tsiny intsony isika, satria efa tonga ny fotoana (Mk 1,15), efa eo anivontsika ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanadiovana ny Tempoly dia mitodika amintsika rehetra, satria trano fivavahana ho an’ny olona rehetra ny tranon’Andriamanitra, saingy mazàna ataontsika trano fitadiavam-bola sy zohy fieren’ny jiolahy. Tahaka ny aviavy koa, tsy mamokatra intsony ny trano fivavahana, ka raha tsy diovina dia hiharan’ny ozona voalazan’i Jesoa koa, sanatria.
Ny zavatra voalohany tokony hesorina ao an-tempoly dia ny varotra. Tsy fanararaotana hitadiavana tombontsoa manokana ho an’ny tena ny fahalalaham-po sy ny finoan’ny mahantra (satria ny voromahailala dia fanatitry ny mahantra, jereo Lev 12,8; 14,22; 15,14-29). Fa ny varotra tena ratsy dia ny fiheverana fa azo vidina amin’ny vola na sanatria amin’izay hatsaram-panahy na ezaka ataontsika ny fahasoavan’Andriamanitra. Maimaim-poana izany. Tsy sanatria ny fampitomboana ny vavaka no hahazoana fahasoavana. Ny fampitomboana ny vavaka dia ilaina mba tsy ho sanatria hijanona ho “aviavy tsy misy voany” isika.
Tsy lala-manitsy hahafahantsika mitondra ny enta-mavesatra entintsika ny Tempoly na ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny fivavahana dia manoro ny lalan-kombana fa tsy misolo amin’ny fizorana aminy.
Ny vavaka dia fiekem-pinoana ka izay tsy misalasala ao am-pony fa ho azony izay angatahiny dia ho tanteraka tokoa izany. Manazava izany tsy fisalasalana izany ny ohatra noraisin’i Jesoa: rehefa mivavaka ianareo dia mamelà izay diso taminareo fa avelan’ny Ray ihany koa ianareo. Mazava loatra fa raha izaho olombelona kely ity aza mahavita mamela, dia hisalasala ve Andriamanitra indray no tsy hamela!
Izany no tena fivavahana marina, manandrana ny hamamin’ny fitiavana itiavan’Andriamanitra antsika.