Alakamisy fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Ekleziastika 42,15-25/Salamo 32/
- Ankasa: 1Piera 2,2-5.9-12/Salamo 99
- Md Marka 10,46-52
Tonga tao Jerikao ny Mpianatra, 250 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, teo amin’ilay toerana nidiran’ny Zanak’i Israely tamin’ny tany nampanantenaina, teo amin’ilay toerana hisedrana ny finoana mba handresena ny fakam-panahy. Io koa ny toerana nandalovan’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka, amin’ny diany ho any Jerosalema. Teo no nisy an’i Bartimeo, ilay zanak’i Time, anarana manahirana ihany satria ny Time amin’ny grika dia ilazana ny olona tsongoin’olom-bolo, ka ny zanak’i Time dia zanak’olona hajaina fatratra, saingy ny Bartime, satria Bar- teny arameana, ka ny -time (טָמֵא – ṭāmē’) dia fahalotoana sy fahalovana ara-môraly. Indraindray dia izany indrindra no mahajamba, haja azo avy amin’ny tsy fanarahana ny lalànan’Adriamanitra sy amin’ny filibana, jamba, donto saina(τυφλός – tuphlos), tsy te hamindra intsony, mipetraka ivelan’ny lalana (παρά – para).
Ho an’ny jamba dia alina mandrakariva ny andro, maizina ny tontolo, tahaka ny mpianatra tsy mahazo na inona na inona (Mk 4,13), tsy ampy finoana (Mk 4,40), votsa saina (Mk 7,18), mana-maso fa tsy mahita (Mk 8,18), nanamafy ny fony (Mk 6,52; 8,17) tsy handre ny Teny ka hiantso vonjy. Ary na dia efa voaroaka aza ny demony marenina ka afaka tamin’ny fanandevozan’ny lainga (Mk 7,3snm; 9,14snm) dia mbola jemby ny maso ary jamba ny fo, ka aleo mipetraka ivelan’ny lalana.
Raha ny marina dia tahaka azy ihany koa i Jakôba sy i Joany, mihevitra ny hisotro ny kapoaka sy handray ny batemy tsy fantany akory, saingy nitsoaka tsy hita amin’ny ora hisamborana an’i Jesoa. Ny ankamaroan’ny olona dia misafidy ny hidina avy any Jerosalema ho any Jerikao, hoy i Lioka (Lk 10,30). Izay manaiky ho jamba ka mangataka hositranina no afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny voninahitra.
Tsy olona very fanantenana i Bartime, ka ny fahenoany an’i Jesoa nandalo dia nanosika azy hiantso mafy hoe: Ὁ Uἱὸς Δαυίδ, Ἰησοῦ, ἐλέησόν με– ho houios Daouid, Ièsou eleèson me(Mk 10,47 BYZ). Eto no hamaranan’i Marka ny katesiziny ka izay miantso vonjy amin’ilay zanak’i Davida ihany no hahazo ny famonjena, noho ny finoany.Ilay Nazareana io, entina ilazana fa ilay Jesoan’ny Tantara, ilay Zanak’i Maria sy i Josefa avy any Nazareta no resahana eto. Miantso an’i Jesoa amin’ny anarany izy, midika izany fa olona akaiky, efa mahalala Azy ary mahalala azy ho ilay Mesia, ilay Zanak’i Davida (2Sam 7) andrasan’i Israely hampahiratra ny mason’ny jamba (Sal 146,8), mino fa tsy misy anarana hafa ahazoana famonjena afa-tsy ny anaran’i Jesoa (Asa 2,21).
Ny hafa no asain’i Jesoa miantso azy. Entin’i Marka ilazana amintsika izany fa avy amin’ny feon’ny hafa mandrakariva no iantsoan’i Jesoa antsika hanatona Azy. Anjarantsika ny mahay mandray izany, ka hanaiky hitsangan-ko velona, hamela hatramin’ny lamba izay lazain’ny Soratra Masina hoe hany fananan’ny mahantra (Dt 24,12), ho an’ny mpanan-karena, sarotra ny mahafoy ny harena ho an’ny mahantra. Ho an’izay manam-pinoana kosa, afoy hatramin’izay kely ananana mba hahamailaka sy hahamaivana ny dia hanatona an’i Jesoa.
Ho an’izay voaantso hampita ny tenin’i Jesoa amin’ny hafa kosa dia zavatra telo no andrasana aminy: mampahery (Matokia); manainga mba hitsangana ho velona, izany hoe mampirisika mba hiala amin’izay manakana tsy hanaraka an’i Jesoa ; manamafy ny fiantsoana (antsoiny ianao). Tsy misy olona tsy antsoin’Andriamanitra, asan’ireo izay nomena andraikitra manokana ny manampy ireo ankinina aminy mba hahita ny lalana mendrika hanamasinana ny tena.
Inona no tianao hataoko aminao? Fanontaniana apetrak’i Jesoa amintsika rehetra koa io, fanontaniana mitovy amin’izay napetrany tamin’i Jakôba sy i Joany. Saingy raha toa ka tsy ekeko ny maha jamba ahy, mazava loatra fa tsy ny hahita no angatahiko aminy. Ny fanekentsika ny kilemantsika no hahafahantsika miantso vonjy: Kyrie eleison.
Ry Mpampianatraô, ny mba hahita indray aho. ἀναβλέπω (anablepô), hahita indray, fa azo adika ihany koa hoe hanokatra indray ny maso ka hampifantoka ny fijery amin’izay tokony hojerena, hahita ankoatry ny ambanimaso, hahay hiandrandra ka hijery ilay hany hahazoako ny famonjena (Sal 120).
Izay sitrana amin’ny fahajambany ihany no voavonjy ka afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny Lalan’ny Fiainana, hizotra avy any Jerikao ho any Jerosalema.