Alarobia fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Ekleziastika (Siràka) 36,1-2.5-6.13-19/Salamo78/
- Ankasa: 1Piera 1,18-25/Salamo 147
- Md Marka 10,32-45
Eny an-dalana hiakatra ho any Jerosalema ny Mpianatra ary i Jesoa no mialoha lalana, ka sady gaga ny mpianatra no natahotra teo am-panarahana Azy. Efa in-droa no nolazain’i Jesoa fa hijaly mafy ary hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona ka hovonoina fa hitsangan-ko velona (Mk 8,31snm; 9,30snm). Hatosiky ny lohandohan’ny Mpisorona Izy, ka ny fiakarana any Jerosalema dia mazava loatra, araka ny lazain’i Md Tomà hoe“ndeha hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Jo 11,16). Amin’ny filazany fanintelony ny Fijaliany dia ambarany mazava fa izao fiakarana any Jerosalema farany izao no hahatanteraka ny Soratra Masina rehetra mikasika Azy dia ny matoanteny enina entin’i Marka hanehoana ny asan’ny olombelona: hohelohina, hatolotra ny jentily, hoesoina, hororana, hokapohina ary hovonoina “ary” (fa tsy “fa”) hitsangan-ko velona afaka hateloana, entina ilazana ny asan’Andriamanitra fitiavana, Tompo sy loharanon’Aina.
Ny tohin’ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fomba fihevitsika olombelona (fa tsy ny mpianatra ihany) manoloana ny misterin’ny Lakroà. I Jesoa manatona ny mpianatra mba hanambara ny misterin’ny Lakroà, ny Zanak’i Jebede manatona an’i Jesoa mba hi-“assurer” ny toerany, mba ho azo antoka ny toeram-boninahitra any amin’ny hafenoan’ny voninahitra.
Tianay mba ataonao aminay izay angatahinay aminao.
Izany no vavaky ny olombelona. Miangavy amin’Andriamanitra mba ho tanteraka ny sitrapon’ny tena. Tsy Kristin’ny fanirian’olombelona anefa i Jesoa fa Kristin’ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny mety ho tsy fahatanterahan’izany faniriana izany anefa dia mazàna mamily ny fon’ny olona ho any amin’ny “kristy” hafa izay mety mampanantena azy ny fahasambarana tadiaviny. Taorian’ny filazana voalohany ny hijaliany dia i Piera no niditra an-tsehatra niteny mafy Azy (Mk 8,32); taorian’ny filazana fanindroany dia ny hiady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra no nimasoan’ny Mpianatra (Mk 9,33snm). Eto dia ho tanan-kavia sy havanana no irìn’ny Zanak’i Zebede, tsy ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa ny hitady Andriamanitra hanao izay tiany hatao, hahazoana toeram-boninahitra any amin’ny voninahitra.
Fantatsika anefa fa Jiolahy roa no teo anilan’i Jesoa rehefa nasandratra teo amin’ny voninahiny Izy. Ny mpianatra, samy nanavotra ny ainy, saingy ampahatsiahivin’i Jesoa fa tsy misy lalana hafa hizorana ho amin’ny fiombonam-boninahitra Aminy afa-tsy ny fisotroana ny kapoaka nosotroiny sy handray ny batemy anaovana Batemy Azy.
Ary satria tsy fampanantenana toeram-boninahitra no nahatongavan’i Jesoa fa ny hampianatra hanompo, dia izay no ampianariny antsika ihany koa. Satria tsy tezitra tamin’ireo zanak’i Zebede tahaka ny nataony tamin’i Piera sy ny Mpianatra teo aloha i Jesoa, dia ny mpianatra folo lahy kosa no nampiseho ny hatezerany tamin’izy roa lahy. Samy naniry io toerana io ihany anefa izy rehetra (Mk 9,34) saingy izy roalahy no sahy naneho ny heviny.
Eo amin’izao tontolo izao, ireo heverina (δοκέω- dokeô) ho mpifehy (ἄρχωv– archôn) no mitsangana ho tompo mandidy, izany hoe manao izay hiankinan’ny hafa loha aminy mba hanandevozany azy (κατακυριεύω –katakurieuô), ary ireo lehibe (μέγας- megas) no miseho ho mpifehy manam-pahefana, manampatra ny fahefany amin’ny hafa (κατεξουσιάζω– katexousiazô). Ho an’ny mpianatra kosa, mazava ny fampianaran’i Jesoa: izay lehibe no ho mpanompo (διάκονος- diakonos), ary izay te ho ambony indrindra (πρῶτος– prôtos:protagoniste) dia ho mpanompon’ny rehetra, δοῦλος – doulos, ho zary toetra ilay fanompoana, hatramin’ny fahafoizana ny aina ho takalon’aina (λύτρον – lutron) ho an’ny maro.
Hanampy antsika hanetry tena anie ny fibanjinana sy ny fanaovana ny famantaran’ny Hazofijaliana isan’andro.