Alatsinainy fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Siraka (Ekleziastika) 17,19-24/Salamo 31/
- Ankasa: 1Piera 1,3-9/Salamo 110/
- Md Marka 10,17-27
Ny zaza no afaka handray ny Fanjakan’Andriamanitra ary tsy afaka ny hiditra ao isika raha tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka azy ireo (Mk 10,13-16: Sabotsy VII).
Ankoatry ny fahafahana migaga, eny fa na amin’ny zavatra madinika indrindra aza dia mampiavaka azy ireo ny tsy fiankinana amin’ny tenany. Heverina ho maha tonga taona sy maha olon-dehibe aza ny fisintahana amin’ny ray aman-dreny ka hahazakàna tena mba tsy hiankinan-doha amin’izy ireo. Mazava loatra araka izany fa izay manana harem-be dia azon’ny fakam-panahy hiantehitra amin’izany ka ho voafitaka hihevitra fa mahavita tena.
Lazain’ny evanjely anio anefa fa nisy lehilahy mpanan-karena izay nidodododo nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Inona no tsy ampy aminy? Ny marary efa lany aiky tamin’ny fitsaboana, ny mahantra sy ny kilemaina, ny manana havana na zanaka andohariana tsy miandry afa-tsy fahagagana intsony no matetika midodododo mandohalika tahaka izany. Ny fangatahan’ilay ranamana dia ny hahalala izay atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay! Ampiasain’i Marka moa ny κληρονομησω (klèronomèsô), handray ny anjara lovany (κληρος – klèros= anjara lova) amin’ny fiainana mandrakizay. Mazava loatra fa tsy nahafa-po azy ny fiainany, izay nolovainy avy amin’ny raiamanadreny dia tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa ihany koa (Sal 49,8.11) ka hitany tao amin’i Jesoa ilay mpampianatra tsara fanahy, afaka hanoro azy ny lalam-pahasambarana.
Fanontaniana no navalin’i Jesoa azy: fa angaha misy tsara mihoatra an’Andriamanitra? Ka raha Ray tsara fo izy, mazava loatra araka izany fa tsy handà ny anjara lova tandrify ny zanaka tsirairay. Ny lalana natorony hahafahantsika mitahiry izany lova izany dia ny didy izay navelany. Didim-pitiavana mitondra ho amin’ny hafenoan’ny fiainana. Tsipihin’i Marka ao amin’ny fitantarany anefa fa ireo didy maneho ny fitiavana amin’ny olombelona ihany no notanisain’i Jesoa. Tsy miandry valim-pitia avy amintsika ankoatra ny fanehoantsika ny endriny fitiavana Andriamanitra.
Ny zanaka no mpandova, ka izay te handova dia tsy maintsy miseho ho zanaka amin’ny fiainana araka ny maha zanaka: taha-dRay. Ny fanajana ny hafa, ny fananany sy ny ainy ary ny asany dia lalana mitondra amin’ny fitiavana, lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Nahoana àry no tsy mbola sambatra ilay lehilahy nidodododo nanatona an’i Jesoa na dia efa nitandrina hatry ny fony kely ireo lalàna rehetra ireo aza? Izay manao ny tsara noho ny tahotra ny ho voasazy dia tsy mbola nanalavitra loatra ny ratsy, hoy i Md Grégoire, satria te hanota ihany izy ary ataony izany raha toa ka tsy maha voasazy. Araka ny fampianaran’ireo Farisianina teo amin’i Israely koa dia mety ho antony hanajana sy hitandremana ny lalàna ny avonavona sy ny fitia te hisehoseho, hanana filakitera lehibebe kokoa noho ny hafa. Dia tsy maha sambatra izany.
Eto àry, am-pitiavana no nilazan’i Jesoa amin’ilay lehilahy fa ny maha zanak’Andriamanitra dia lavorary rehefa izy irery ihany no harena ho antsika, ka izay rehetra eo am-pelatanantsika no sitrany hamidyka ampiasaina mba hahasambatra ny olombelona rehetra fa tsy ny vitsy an’isa monja. Raha dinihina ny teny ampiasain’i Md Marka dia azontsika halalinina hatrany. Maninona no tsy zaraina amin’ny mahantra ny harena dia vita fa mbola hisahirana hivarotra indray? Tsy afa-misaraka ny fampivoarana sy ny asa. Lazain’ny Asan’ny Apôstôly fa nifampizara fananana ireo mpianatra ka ny niafarany dia maty noana tao. Izay manana harena dia mila kolokoloina, amidy, izany hoe asiana “valeur”ka tsy hisy hivarotra zavatra ratsy, ny mivarotra dia maka tombony saingy araka ny evanjely: tombony tsy ho an’ny tena fa ho an’ny mahantra. Mora ny mivarotra ho an’ny tombon-tsoan’ny tena, fa mahasambatra kosa ny misikim-ponitra mba hiadanan’ny hafa.
Tsy ny olon-drehetra anefa no mahazo izany teny izany. Ny fialan’ilay lehilahy tamin’alahelo teo anatrehan’i Jesoa dia mampandinika antsika tsirairay avy amin’izay zavatra mety hiraiketan’ny fontsika ka manakana antsika tsy ho sambatra.
Fantatr’i Jesoa ny fahasarotan’ny fidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy mpanan-karena hangataka izany. Hisambotra ma hangalarana sy hamitahana angaha dia hataony. Tsy asan’olombelona anefa ny fidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra fa an’Andriamanitra izay mahavita ny zavatra rehetra. Ny fitokisana Azy, ilay hany tsara, no lalana tokana hahafahantsika mizotra amin’ny fahasambarana. Izay manana Azy ho harena tokana no hahafoy izay heveriny hananana, ka hanome izany ny mahantra, tsy amin’ny anaran’ny tenany, fa amin’ny anaran’i Jesoa, satria mahatsiaro tena fa “mpiandry omby volavita ihany, tsy tompony fa mpamerin-doha”, tsy azy fa fanomezan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao ny harena eo am-pelatanany.