Trinite Masina
Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery ivon’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Izany no maha loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana azy, ary manilo izay manazava azy ireo. Io no fampianarana fototra sy tsy azo avela amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana” (Directorium Catecheticum Generale43). “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanehoan’ Andriamanitra amintsika, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ka mampihavana sy mampiombona aminy indray ireo izay nosarahin’ny fahotana” (Directorium Catecheticum Generale 47) (KFK 234).
Mistery fototry ny finoana kristianina araka izany no ankalazaintsika anio. Tsy mistery hobanjinina fotsiny anefa izany fa mistery iainana ihany koa, satria tahaka ny fiombonan’ireo olona telo samihafa ho Andriamanitra Iray no iantsoan’i Kristy antsika mba hivondrona ho “vatana iray”, ho tena iray ao Aminy, ka hanandratra ny fahasamihafana ho harena sy voninahitra hitovizan’ny olona tsirairay, ka hahatonga antsika rehetra ho Fianakavian’Andriamanitra. Mazava loatra araka izany fa izay mino fa Trinite Andriamanitra, dia mino fa mitovy ny hasina sy ny voninahitra maha Andriamanitra ireo olona telo ireo, ary vokatr’izany finoana izany dia tsy afaka ny hanaiky ny tsy fitovizan-jo mety hisy eo amin’ny fiaraha-monina, ka tsy hahafahan’ny fitiavana maneho ny hatsarany eo amin’izao tontolo izao.
Raha mankalaza ny Trinite Masina isika dia mankalaza ny fitiavana izay tsy mikombona amin’ny fifampibanjinan’olon-droa hiafara amin’ny “atero ka alao”, fa fitiavana misokatra amin’ny hafa, ka mampiombona. Mahazatra ny maheno olona mitady olona afaka hahasambatra azy; revirevin’ny tanora ny hahazo andefimandry “hiadanana”, fa izay mahazo ny aim-baovao avy amin’ny Trinite Masina kosa dia olona “hampiadanina” no tadiavina. Izay tia dia tsy mitady ny soa ho an’ny tenany intsony fa ho an’izay tiany.
Amin’ny drafitry ny fankalazana, araka ny nandaharan’ny Eglizy azy amin’ireo taona litorjika telo dia manampy antsika hiaina araka ny tena Fitiavana, taratr’ilay Andriamanitra fitiavana, araka ny fampianaran’i Md Joany ao amin’ireo taratasy nosoratany.
Amin’ny Taona A, dia ny Endrik’Andriamanitra fitiavana lavorary, amin’ny maha “fianakaviana miaina am-pitiavana” Azy no banjinin’ny Litorjia, fitiavana tsy hivelomany ho an’ny tenany anefa fa mba hitiavany an’izao tontolo izao nohariany. Ny Taona manaraka (ity taona ity) dia mampahatsiaro antsika fa “antsoin’Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika”, antsoiny handray ilay fitiavana atolony antsika tao amin’ny Zanaka. Ny taona D kosa dia mandalina ny misterin’Ilay “Andriamanitra tokana olona telo”, fitiavana hifanoloran’ireo olona telo ireo, ka tonga modelin’ny fifankatiavana tokony hiainan’ny samy olombelona koa.
Taona B
- Deoterônômy 4,32-34.39-40
- Salamo 32
- Rômanina 8,14-17
- Md Matio 28,16-20
Antsoin’Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika
Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Oviana no faran’izao tontolo izao? Mazava ny fanazavan’i Md Matio izany. Ao amin’ny toko 24 i Jesoa dia mampitandrina ny mpianany mba tsy ho voafitaka, ka hoe efa farandro izao, satria ny ady tsy misy fitsaharany, ny aretina mandringana ankoatry ny voina voajanahary tsy takatry ny saina intsony. Araka ny Evanjely nosoratan’i Md Matio, ny farandro (συντέλεια τοῦ αἰῶνος – synteleia tou aiônos) dia ny fotoam-pijinjàna hanavahana ny vary sy ny tsiparifary ka hanangonana ny vokatra any an-tsompitra ary handorana ny ahidratsy (Mt 13,39snm). Io no fotoana hahafahantsika migoka ny hafalian’ny fandresena sitrak’Andriamanitra hiadanan’ny zanany rehetra. Ary tsy ho tonga izany farandro izany mialoha ny hitoriana ny Evanjely amin’ny firenena rehetra mba ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra (Mt 24,14).
Ho an’izay mino fa fitiavana Andriamanitra dia maniry ny hahatongavan’izany farandro izany ka handray anjara mavitrika amin’ny iraka ampanaovin’i Kristy: hampianatra ny firenena rehetra hitandrina ny zavatra rehetra nandidian’i Kristy. Izany no atao hoe mitory ny Evanjely. Izay manaiky ny hanaraka izany fitoriana sy fampianarana izany no hatao Batemy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Amin’ny anarany no hitoriana amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Tsy sanatria hisy hiambo ho mpitondra famonjena ho an’ny hafa. Tsy isika fa Izy Tompo no mamonjy an’izao tontolo izao, hoy ny Papa François amin’ny Pretra (4 ôktôbra 2013). Ireo voairaka dia tsy hanao inona afa-tsy ny hijoro ho vavolombelon’ny fibebahana sy ny famelan-keloka nanova ny fiainan’izy ireo. Ho vavolombelona hanambara fa tsy misy fiainana raha tsy ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra, satria i Jesoa maty no fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra izay mahery noho ny fahafatesana (Tononkira 8, 6), fitiavana itiavany ny firenen-drehetra, ny olona tsirairay.
Izany no amafisin’i Md Matio (Mt 28,16-20), ka ireo Mpianatra izay nitsaoka, na dia mbola nisalasala aza, dia nantsoin’i Jesoa hatoky fa ny fiakarany eo an-kavanan’ny Ray, dia hahafahany manatanteraka ny fampanantenany: handefa ny Fanahy Masina ary ho kiadin’ireo mpianany ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy inona fa mba hampianarana ny olona (na ny marimarina kokoa, hanao izay hahatonga ny firenena rehetra ho mpianatr’i Jesoa: Πορευθέντες μαθητεύσατε πάντα τὰ ἔθνη – Poreuthentes mathèteusate panta ta ethnè Mt 28,19) hitandrina izay nandidian’i Jesoa ny Mpianatra. Tsy afaka ny handray ny iraka ampanaovin’i Jesoa anefa, raha tsy miverina any Galilea, miverina amin’ny fiantsoana voalohany, hahatsapana fa Izy Tompo no nitia antsika mialoha, ary avy eo no hahatsiarovantsika izay rehetra nandidiany: didy vaovao niainany mba hanaovan’ny mpianatra tahaka ny nataony (Jo 13,15).
Izay mihevitra fa mahay zavatra ka hanadino io voaloham-pitiavana io dia tsy afaka hitsaoka ny Tompo, tsy afaka hanoroka ny tongony, hanoroka ny tongotr’ireo endrika hisehoany, ka iriany koa mba hosasana tongotra (hotompoina) sy hotiavina; tsy tendrombohitra izay tiantsika hiakarana anefa no hahafahana mihaona amin’i Jesoa fa amin’izay nasainy alehantsika. Io ilay tendrombohitra nampianarany antsika ny sitrapon’ny Rainy mikasika ny fahasambarantsika (Mt 5,1snm) ka nidinany hanao soa hatraiza hatraiza (Mt 8,1snm), teo no nivavahany manokana ka nahafahany manohy ny iraka nampanaovina Azy mba ho voninahitry ny Ray (Mt 14,23snm); teo no nanambarany fa Izy ilay tonga hanafaka ny rofin’ireo marary sy mijaly, ilay Mesia nampanantenaina (Mt 15,29snm); teo no nanehoany ny tena endriny be voninahitra, fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 17,1snm). Eo no hahenoantsika ny feon’ny Ray manasa antsika hihaino Azy ka hahafahantsika mahita Azy marina tokoa.
Avy amin’io Tendrombohitra io no nampianarany antsika izay nolazain’ny Vakiteny I fa Lalàna natorony ka hahasambatra izay manaraka azy. Ny zanak’i Israely sesitany tany Babilôna dia nahatsapa fa tsy misy afa-tsy ny fanarahana ny Lalànan’i YHWH no hahafahana mihazo ny fahasambarana nampanantenain’ilay Andriamanitra monina eo anivon’ny vahoakany.
Mihoatra noho izany anefa ny fandaharan’Andriamanitra sy ny faniriany, hoy i Md Paoly, satria ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny ho antsika dia ny hahatonga antsika ho zanany ao amin’ilay zanaka lahitokana, tsy ho andevo fa ho mpandray anjara feno amin’ny ain’Andriamanitra, zanaka natsangany, ary tsy azo adinoina fa teo amin’ny tontolon’ny Grika sy ny Rômanina dia mitovy zo amin’ny zaza nateraka ny zaza natsangana ka miombon-piainana sy miombon-dova ihany koa: izany no iantsoana antsika dia ny ho “mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao” (2P 1,4). Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny ny Tenany, dia mijanona ho mistery tsy hay ambara: “Raha takatry ny sainao Andriamanitra, dia tsy Andriamanitra Izy”[1] (KFK 230), hoy i Md Augustin.
Asan’ny Fanahy Masina izany fanambaràna sy fampiombonana izany saingy ampahatsiahivin’i Md Piera fa misy andraikitra ankinina amintsika ihany koa ka tokony hikelezana aina fatratra dia izao: ny finoana asiana hatsaram-panahy, satria ny finoana no hiavahan’ny zanak’Andriamanitra sy izay te hanaraka ny haizina; ny hatsaram-panahy asiana fahalalana: caritas in veritate, satria tsy afaka ny hanaonao foana izay mino; ny fahalalana asiana fahalalana onony; ary raha mahalala onony ianao, dia tokony hahay handefitra amin’ireo mbola mila miezaka ny ho amin’izany; kanefa raha tsy miraiki-po amin’Andriamanitra dia tsy haharitra amin’ny fandeferana, satria tsy fandeferana mandra-pa… fa fandeferana hahafahan’ny Fanahy miasa, famelàna ny trosa rehetra no angatahin’ny fitiavana izay atomboka amin’ny iray tampo sy ny mpiara-monina ka hitiavana ny olon-drehetra koa (and 5-7).
Amin’ny anaran’ny Trinite Masina no anaovana Batemy izay mino, izany hoe izay vonona ny hikely aina fatratra hampivoatra ny finoany mba ho tonga fitiavana ny olona rehetra. Mbola miandry an-dry Tertullien mba hampiasa voalohany ny teny hoe Trinite Masina, saingy amin’ny Evanjely henontsika teo, dia mazava ny firaisana mampiombona ho Andriamanitra tokana ireo olona telo: hanao batemy εἰς τὸ ὄνομα τοῦ Πατρὸς καὶ τοῦ Υἱοῦ καὶ τοῦ Ἁγίου Πνεύματος– eis to onoma tou Patros kai tou Houiou kai tou Hagiou Pneumatos (Mt 28,19 BYZ): Anarana tokana no iombonan’ireo olona telo, dia ny Fitiavana. Amin’ny teny Malagasy moa tsy misy genre-nombre dia tsy hita loatra ny mampiavaka azy, fa raha adika dia hoe amin’ilay anarana tokan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy no idirantsika ao amin’ny amin’Andriamanitra, mitodika any andrefana, araka ny fomban’ny Fiangonana tany am-piandohana amin’ny fankalazana ny Batemy, mandà an’i Satana sy ny fahalovan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao, ary mibebaka, manao shoubh (bWv), mitodika miatsinanana, mankany amin’ny hazavana, mietry tena midina mba handio ireo fahotana fito fototry ny hafa, ary avy eo miakatra avy ao anaty rano, manao dingana fito vaovao, mba hitafy ireo fanomezana fiton’ny Fanahy Masina, hiombona aina amin’ny Fiangonana Vatana Masin’i Kristy.
Ny hamonjena izao tontolo izao no antony hampianarana sy hanaovana Batemy. Ny hahavonjy ny olona rehetra sy hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina no sitrak’Andriamanitra (1Tm 2,4). Ka noho izany, ny fampianarana tsy tonga fiainana tsy mahavonjy, ny fankalazana ny Batemy tsy misy fandalinana koa toraka izany.
Izany no mahatonga ny fiofanana mialoha, mandritra ary aorian’ny Batemy tokony hanana ny lanjany manokana ho an’izay te hiaina marina ny maha kristianina azy ka hahafahany manandrana ny hafaliana entin’ny Evanjely.
Tsara ho tadidiana anefa fa ny maha tokana an’Andriamanitra no nimasoan’ireo Mpaminany sy Mpitsara teo amin’i Israely satria ny firenena manodidina, ary na dia ny tanindrazana nipoiran’i Abrahama razambeny aza, dia nino “andriamanitra” maro (polythéisme).
Ho antsika koa, tokana Andriamanitra fa olona telo. Tsy Andriamanitra miolonolona fa maniry antsika rehetra ho tonga fianakaviana iray aminy.
Ho anao ny dera, ho anao ny voninahitra, ho anao ny Fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina! Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny Hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra! (jereo ny sapilen’ny Trinite Masina).
Mistery fototry ny finoantsika ny misterin’Andriamanitra tokana olona telo. Amin’ny maha foto-pinoana azy izany dia foto-piainana ihany koa. Tsy finoanoam-poana sanatria na finoana Andriamanitra maro fa finoana an’Andriamanitra tokana.[2] Indraindray anefa toa tsy mampiraika antsika avy ny fandalinana izany Mistery izany, ary vokatr’izany dia mampiozongozona ny finoantsika ny fanambarana tsara lahatra ataon’ny antokom-pinoana sasany, mitsara antsika ho minomino foana satria manompo Andriamanitra maro…
Misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika izany finoana an’Andriamanitra tokana izany. ampahatsiahiviko etoana izay lazain’ny KFK amintsika (222-227): 1- ny fahalalana ny haben’Andriamanitra sy ny fgahamboniany ka hanompoana Azy aloha sy ambonin’ny zavatra rehetra; 2- Avy Aminy avokoa izay rehetra maha isika antsika sy izay rehetra ananantsika : “Inona no anananao ka tsy noraisinao ?” (1Kôr 4,7). “Inona no havaliko ny Tompo noho ny soa rehetra nataony tamiko ?” (Sal 116,12). Mitaky fiainana amin’ny fahaiza-misaotra sy mankasitraka izany. 3- ary ny fahaiza-mankasitraka tsara indrindra dia ny fikolokoloana sy fampiasana ny zavaboary araka ny sitrapony, ka hahaizantsika mampiasa izay mampanatona antsika an’Andriamanitra ary hahay hanesotra izay mampanalavitra antsika Aminy, araka ny vavak’i Md Nicolas de Flüe hoe: “Ry Tompoko sy Andriamanitro, esory amiko izay rehetra mampanalavitra ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, omeo ahy izay rehetra mampanatona ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, vahao amin’ny fatotra mamatotra ny tenako aho, mba hanolorako ny tenako manontolo Aminao”. 4- Izay mino dia matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe :
Aoka tsy hisy na inona na inona hampiahiahy sy hampitebiteby anao.
Aoka tsy hisy na inona na inona hampatahotra sy hampivadi-po anao.
Mihelina avokoa izao rehetra izao, fa Andriamanitra tsy miova
Ahazoana ny zavatra rehetra ny faharetana.
Izay manana an’Andriamanitra tsy ory na inona na inona.
Andriamanitra irery ihany dia ampy[3].
Ny Evanjely ankalazain’ny Fiangonana amin’ity Fetin’ny Trinite Masina ity henontsika teo dia manambara mazava ny iraka (missio) nomen’i Jesoa ny Mpianany: “Mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,16-20). Vokatr’izany fiekena ny batemy izany ny fitandremana ny didim-pitiavana ary raha mpandova miaraka amin’i Kristy isika, hoy i Md Paoly (Rm 8,14-17) dia aoka ho mpandova marina! mba tsy ho zanak’Andriamanitra anarany fotsiny ka sanatria isika indray no handroba ny harena holovàna. Ary satria ny fitoriana ny Evanjely amin’ny firenena rehetra no hahatongavan’ny farandro hahalavorary ny fandovàna ny Fanjakan’Andriamanitra dia rariny raha hisikim-ponitra isika hanitatra izany fanjakany izany, amin’ny toe-piainantsika, mba hanafaingana ny fotoana hanandratana ny loha (Lk 21,28) ka hahafeno fatra ny hafaliana.
Ny Fahatsapantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika dia manova, ary tokony hanova ny fomba fiainantsika. Tsy ho amin’ny tahotra intsony, sanatria, hoy i Md Paoly, fa am-pitiavana. Ny maha zanaka dia manambara fitoviana, tsy amin’ny toetra ihany fa ara-boajanahary. Tsy hisy kisoa hanatody ka hahafoy akoho kely, fa raha sanatria misy izany dia lazaintsika hoe sampona! Na ny olona aza! Tsy afaka hanangana apondra ho mpandova azy izy fa raha sanatria misy izany, lazaintsika ho misy fahavoazana! Fa nahoana Andriamanitra no manaiky hanangana antsika ho zanany? Satria olombelona nohariany mitovy endrika Aminy ary antsoiny mba hanahaka azy isika.
Ny Fitiavana no itovizantsika amin’Andriamanitra! Fitiavana Izy, hoy i Md Joany (1Jo 4,16) ka izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no itoeran’Andriamanitra! Indraindray anefa tsy tsapantsika izany fitiavan’Andriamanitra izany! Ao anatin’ny mangidy sy ny fahoriana dia midradradradra isika hoe: niangatra Andriamanitra! Dia adinontsika fa i Kristy no lalana hitondra antsika amin’ny fitiavana marina[4]. Dia aleontsika mampitaha ny fiainana amin’izay iainan’ny hafa! Dia misosoka mangina ny fitiavan-tena! hany ka tsy afaka hifaly amin’ny fahasoavana tsy miantefa amintsika isika! Nahoana no “izy” fa tsy izaho!!!
Dia teraka ny ady sy ny fifandirana izay fifanoheran-kery hijerena izay matanjaka kokoa ka hahafahana mahazo tombontsoa sy tombom-pitiavana mba hanjakazakana amin’izay resy. Ny Fandriampahalemanana sy ny Fiadanana kosa, hoy i Md Joany XXIII, na dia fanomezan’Andriamanitra aza, dia izay hoe miankina amin’ny andry efatra ilàna ny fiaraha-miasan’ny olombelona :
Ny Fiekena ny marina momba ny tena sy momba ny hafa ka hanekena izany na dia mifanipaka amin’ny tombotsoa manokan’ny tena aza ; ny Fahamarinana izay hanajako ny zo aman’andraikitry ny hafa tahaka ny hitiavako hanajana ny zoko sy hiezahako koa hanatanteraka ny andraikitra mifandraika amin’izany; ny Fitiavana izay hamaha ny olana mety hitranga amin’ny tsy fanajana ny fahamarinana, ka na tsy hajain’ny hafa aza ny zo aman’andraikitro dia eo ny famindram-po hiezaka hanaja ny azy hatrany; ny Fahafahana izay tsy hoe fanaovana izay tiana hatao fa kosa fananana tanjona hotratrarina ka hananana risi-po hifehy tena sy handà izay rehetra mifanohitra amin’izany tanjona izany…
Ao anatin’ny fiadanana no hahafahantsika mihira ny Salamo 32 ka hahatsapantsika fa feno ny fitiavan’Andriamanitra ny tany tontolo ary io fitiavana io no manafaka antsika amin’ny fahafatesana sy mamelona amin’ny tao-mosarena, fa tsy sanatria ny fanararaotana ny fahalemen’ny hafa hitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. Raha ho an’ny Trinite Masina irery ihany tokoa ny voninahitra, tsy handany andro amin’ny adilahy sy ny fifandirana isika.
Ampahatsiahivin’ny vakiteny I anefa, fa ny famisavisana ny fahasoavana noraisintsika, dia miatomboka amin’ny famisavisàna ny andro fahagola! Hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona (Dt 4,32-40) ka hahafahantsika mifaly amin’ny fanomezany, tsy ho antsika ihany fa ho an’ny olombelona rehetra mihitsy! Anisan’ny loharanom-pisaorana ireo olomasina marobe atolotry ny fiangonana ho môdelim-piainana, ka miara-midera sy manome voninahitra ny Trinite Masina amintsika.
Ny Fetin’ny Trinite Masina araka izany dia mampitodika antsika bebe kokoa amin’ny Misterin’ny Fitiavana, ka hampisokatra ny fo amam-panahintsika hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra satria ao Aminy, amin’ny alalany sy amin’ny anarany no hivelomantsika sy hivondronantsika rehetra.
Ny Fitiavanao anie ry Tompo! ho aminay matoky Anao! (Salamo 32).
[1] Md Augustin, serm. 52, 6, 16.
[2] Azo jerena koa ny fandalinana tsotsotra ny Trinite Masina noraiketin’i Roublev an-tsary (jereo ity sy ny blaogy manaraka azy)
[3] Poes. 9.
[4] Azonao halalinina (amin’ny teny italianina, mbola am-pandikana amin’ny teny malagasy izahay izao) ny taratasy ho an’ireo mpikaroka an’Andriamanitra nosoratan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka any Italia, momba ny hevitry ny fijaliana mianjady amin’ny tena “Quale felicità?” Pejy faha-6. Jereo eto