Zoma fahafito mandavan-taona
- Tsy ankasa: Ekleziastika 6,5-17/Salamo 118/
- Ankasa: Jakôba 5,9-12/Salamo 102
- Md Marka 10,1-12
Amin’ity toko fahafolo ity dia mandao an’i Galilea i Jesoa ary mihazo an’i Jerosalema (andininy 32). Ara-jeôgrafia ny sisin’ny tanin’i Jodea, andafin’i Jordany (Perea) dia azo heverina ho tany tsy dia nonenan’ny olona loatra, saingy lazain’i Marka fa nivory teo ny vahoaka, izany hoe tonga mba hihaino ny fampianaran’i Jesoa, liana amin’ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hatramin’ny Farisianina aza moa tonga, saingy ny haka fanahy azy no anton-dian’izy ireo.
Mahazo misao-bady va ny lehilahy? Fanontaniana ihany koa no navalin’i Jesoa azy ireo, mba hilazany ny antony nahatonga an’i Môizy hanome alalana hisao-bady, araka ny Boky Deoterônômy (24,1-4). Ny fisaraham-bady manko efa nisy hatrizay, ary saika nanaiky izany avokoa ny kolontsaina rehetra, eny fa na dia ny Hebrio izay nahazo lalàna mazava avy amin’Andriamanitra mikasika ny hasin’ny fanambadiana aza (Jen 1,27; 2,24). Satria mafy hatoka, fo vato tsy mbola afaka hanaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, dia noezahin’i Môizy harovana farafaharatsiny hahay ny zon’ny vehivavy.
Nisy lehilahy tsy valahara indraindray, mandroaka ny vadiny tsy amin’antony ka raha sanatria manambady olon-kafa any ilay ramatoa voaroaka dia endrikendrehany ho nijangajanga ka dia toraham-bato. Izy amin’izay afaka manao izay tiany hatao sy miverina manambady malalaka. Araka izany, ny fanomezana taratasy fisaoram-bady an-dravehivavy dia ny mba hahafahany manambady koa raha toa ka misy lehilahy tia azy, ary mba hampisaina an-dralehilahy mialoha ny handroaka azy satria tsy afaka ny hiverina aminy intsony izy aorian’ny taratasy fisaorana.
Tsy izany anefa no fandaharan’Andriamanitra, hoy i Jesoa. Tsy mandrava ny lalànan’i Môizy Izy sanatria fa kosa mamerina amin’ny tena izy ny hasin’ny fanambadiana izay firaisam-po mahatonga ny mpivady ho nofo iray, ho tena iray, nofo, σάρξ– sarx izay nandikana ny בָּשָׂר – (bāsār) izay avy amin’ny hoe בּשׂר, mitondra hafaliana: tena iray miombom-pifaliana araka izany. Ny firaisan’ny mpivady araka izany dia mariky ny fifanolorany hasambarana feno, ka ny fandaozana ny ray aman-dreny dia midika ho fahavononana feno hanolo-tena manontolo ho an’ilay tiana mba hahasambatra azy. Ny firaisana tsy manambara firaisam-po sy fanoloran-tena ho fahasambaran’ny hafa araka izany dia fitaka sy fitiavan-tena fa tsy fitiavana. Tsy ifanerena araka izany fa sitra-po malalaka asesiky ny fitiavana no mahatonga ny mpivady haniry hifankatia ho doria, atambatry ny jiogam-pitiavana avy amin’Andriamanitra (συνέζευξεν, συζεύγνυμι – synezeuksen, suzeugnumi ny matoanteny ampiasanin’ny Evanjely dia midika hoe ampiraisina amin’ny jioga – ζυγός).
“Nony mby tao an-trano”, raha ny marina dia eny an-dalana mankany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianatra, araka izany dia azo heverina fa tian’i Marka asiana tsindrim-peo ny hevitry ny fampianarana ho an’ireo izay mivondrona ho trano iray, ho Fiangonana. Ho an’izay te hanara-dia an’i Kristy manko, dia tsy vitan’ny hoe tsy afaka hisaraka amin’ny vadiny (and. 9) satria tsy azo atao, fa fijangajangana ny fampakarana vady faharoa, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy.
Ny fiangonana anefa dia mila mijery mandrakariva ny fianan’ny olona, mazàna rotidrotiky ny fahotana sy ny fahalemena, tahaka ny nataon’i Paoly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1Kôr 7,10-16) hikatsaka izay hizoran’ny mpino ao amin’ny fiadanana, indrindra raha tafalatsaka amin’ny firaisana amin’ny olon-tsy mpino izy, sao izay no lalana hitondrana azy amin’ny famonjena…
Ny Toko fahavalo amin’ny Amoris Laetitia dia mila iverenana mandrakariva mba hahafahana manampy ireo mitondra ny hazofijaliany sy misedra ny sarotra amin’ny lalan’ny Tokantrano Kristianina.