Alakamisy fahafito mandavan-taona
- Tsyankasa: Ekleziastika 5,1-10/Salamo 1/
- Ankasa: Jakôba 5,1-6/Salamo 48
- Md Marka 9,40-49
Nifanaraka tamin’ny mpiasany ilay tompon’ny saha fa denie iray avy isan’andro no karamany (Mt 20,2). Mitovy ny horaisin’ireo niditra vao maraina sy ireo niditra tamin’ny ora farany; mitovy ny valisoa omena ny mpaminany sy izay mandray ny mpaminany, mitovy ny valisoan’ny olo-marina sy izay mandray ny olo-marina (Mt 10,41); ary izay manome rano eran’ny kapoaka ny mpianatr’i Kristy dia tsy ho very valisoa, fa hahazo ny valisoan’ny Mpianatra niaritra ny hain’andro: ny hafaliana feno amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra. Moa ve tsy ny paradisa no natolotr’i Jesoa an’ilay jiolahy nandray azy ho mpamonjy tamin’ny ora farany?
[Izay manome rano iray kapaoka “amin’ny anaran’i Jesoa”: mila mandinika ihany isika hoe amin’ny anaran’iza no anaovantsika soa. Izay mahatsiaro fa fahasoavana sy tombom-pitiavana no ananany zavatra azo atolotra dia amin’ny anaran’Ilay nanasoa azy no hanolorany izany ho an’ny hafa fa tsy amin’ny anaran’ny tenany.]
Mety hisy hieritreritra araka izany hoe inona àry no hiasana vao maraina raha toa ka mitovy ihany ny kandra! Ny risika tokony ho fantatra dia misy ireo voaantso hiasa ao amin’ny saha ka tsy mamaly ary tavela any ivelany (tsy an’asa) satria lasan’ny sasany ny toerana (Mt 22,3).
Ao amin’ny fitantaran’i Matio (10,42) dia ireo madinika no mpianatr’i Kristy. Tsy valisoa aorian’ity fiainana ity anefa no lazain’ny Evanjely fa ny tombontsoa manokana azon’izay mandray ireo mpitondra ny Evanjely: ho zary trano honenan’ny Evanjely (Mk 6,10). Fa izay hanafintohina ireo mpianatra ireo kosa, izay mamandrika azy ireo mba hianjerany ka tsy hahafahany mitory ny Evanjely, dia tsaratsara ho azy ny havarina any anaty ranomasina. Azo lazaina ho madinika ihany koa ireo olona nentanim-pinoana handray ny Evanjely kanefa mitsoaka matanjaka noho ny toeran-tsy zaka sy ny fanafintohinana ataon’ny sasany.
Tsy ny fandosiran’ny olona anefa no inona. Na ilay zatovo mpanankarem-be aza niala teo amin’i Jesoa rehefa nilazany ny marina (Mk 10,22), marobe no lasa rehefa nolazainy fa tsy misy lalana hafa hahafahana mihazo ny fahasambarana raha tsy mihinana ny nofony, izany hoe mampifanaraka ny fiainana amin’ny fiainany (Jo 6,66). Eto dia mazava ny antony mahatonga an’i Jesoa miteny io amin’ny mpianatra: izay mialona ka manao toeran-tsy zaka amin’izay mahavita bebe kokoa noho izy (nandroaka demony nefa tsy isan’ny mpianatra) dia tsaratsara ho azy ny mivarina any an-dranomasina.
Ahoana àry no hahafahana miala amin’izany toe-tsaina izay mpahazo matetika ny maro izany? Ambaran’i Marka amin’ny evanjely anio (and. 49) fa ny olona tsirairay dia hosiraina amin’ny afo. Ny sira moa, araka ny torolalan’ny Levitika (Lev 2,13) dia mila atao amin’ny sorona atolotra an’Andriamanitra mba hitahirizana sy handiovana ny sorona, etsy andaniny, ary mba hampisy tsiro azy koa etsy an-kilany. Mila mandio ny tenany araka izany izay te ho tonga fanatitra mendrika an’Andriamanitra. Raha ny tanana na ny tongotra na ny maso no manakana antsika tsy ho mendrika, dia anjarantsika ny mandio izany. Ny tsy fahaizana mifehy tena, hoy i Jesoa, dia tsy hoe mahatonga any amin’ny afobe rehefa maty, fa mety hamarina ny tena manontolo ao amin’ny gehen’afo izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo (miverina in-telo moa io fa araka ny manuscrit sasany dia amin’ny andininy 48 ihany no lazainy).
Ny tsy fitandremana ka tsy hahafehezana ny tena dia manakana amin’ny fidirana amin’ny fahasambarana. Ny antony voalohany dia satria ny fiainanao ihany no ho potika ka ho lasa fakofako, hatsipy ao amin’ny fanariam-pako ao atsimon’i Jerosalema (gehen’afo). Ary tsy vitan’izany fa ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa, hoy ny Ntaolo. Izany no olitra tsy mety maty ho an’izay mandà ny lalana atoron’Andriamanitra hahasambatra azy, araka ny lazain’i Izaia mamarana ny bokiny (Iz 66,24).
Ny mpianatra manko, tsy vitan’ny hoe fanatitra diovina amin’ny afo sy ny (izay) Fanahy ihany (i Jesoa no manao Batemy azy ireo Mt 3,11//Lk 3,16) fa antsoin’i Jesoa koa ho tonga fanasina ho an’ny tany (Mt 5,13). Izy ireo no hanampy izay mibebaka ka mandray ny Evanjely ho tonga fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra. Raha sanatria anefa ka lefy dia tsy azo ampodiana intsony ny tsiron’ny sira. Antsoin’i Jesoa hahatsiaro mandrakariva ny maha sira azy araka izany ireo mpianany ka ho tsara fihavanana amin’ny olona rehetra (tsy sanatria handroaka izay tsy namana).