Alahady fankalazana ny Pantekôty
Pantekôty : pentekostè hèmera (amin’ny teny grika) milaza ny andro faha-dimampolo, ilay fety ankalazain’ny Jody fito herinandro aorian’ny Paka, antsoina koa hoe fetin’ny Herinandro, (Eks 34,22//Lev 23,15-22 // Dt 16,9-12) fetin’ny Tompo, andro hahatsiarovan’ny Hebrio ny nipetrahany tany an’efitra tamin’ny tranolay (Tb 2,1). Raha fetin’ny santa-bokatra izany tany am-piandohana, dia nanjary fety nahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana kosa taty aoriana, izany hoe ny nahazoan’ny Zanak’i Israely ny Lalàna (Torāh). Tsy mahagaga ary, raha manisy tsindrim-peo amin’ny fomba fisehon’i YHWH tany Sinaia i Md Lioka rehefa mitantara ny Pantekôty vaovao, ho amin’ny Fiangonan’ny Mpino vao teraka, miorina amin’ilay Fanekem-pihavanana vaovao (Asa 2,1-11), manaiky hanaraka ny lalàna vaovao araka ny Fanahy.
Nony tonga izany andro izany, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra. ὁμοθυμαδόν (homothumadon) moa no ilazan’i Lioka ny hoe tafavory eto, io ihany moa hilazany ny firaisan-tsaina nentin’ireo Apôstôly nivavaka tao amin’ilay efitrano ambony (Asa 1,14). Tsy afaka handray ny Fanahy Masina manko izay tsy maharitra amin’ny fivavahana na izay tsy manaiky ho vatana iray ao amin’ny Eglizy, manaiky hiombona ho tena iray, miaraka amin’i Kristy Loha sy Filoha.
Ilay feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy, dia mampahatsiaro ny Zanak’Israely mihatrika ny fisehoan’i YHWH (teôfania) tany an-tendrombohitra Sinaia (Eks 19), mampahatsiaro koa ny efitra lamba tao an-tempoly, triatra nisasaka roa tamin’ny ora nialan’i Jesoa aina (Lk 23,44-45), ary ho an’i Matio dia miampy ny horohoron-tany sy ny vatolampy nitresaka (Mt 27,51), izany rehetra izany no manambara fa tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jo 15,13), izany no manambara ny hafenoan’ny Fisehoan’ilay Teny tonga nofo (plénitude de la Révélation).
Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104,34). Ny Fanahy manavao ny zavatra rehetra no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ – lāshōn ēsh = lela afo) lazain’i Izaia fa mandoro sy mandevona izay mitsipaka ny Lalànan’i YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’i Israely (Iz 5,24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς – glôssai hôsei pyros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy.
Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apôstôly isika araka izany, dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe ny teniny, mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao. Lazain’i Lioka mazava tsara, henontsika tamin’ny vakiteny I teo, fa monina ao Jerosalema avokoa ny Jody, ny olona mpivavaka rehetra teto ambonin’ny tany (and. 5)[1].
Ny fahalalana teny samihafa, ny fitenenana teny tsy fantatra (glossolalie) dia tsy natao hisehosehoana sy hizahozahoana, fa mitaky adidy “hitory an’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra mba hampiray ny fiteny rehetra hiara-hankatò ny finoana tokana” (prefasy). Tsara ho marihina fa na dia voalaza aza ny fahasamihafan’ny fiteny (Jen 10,20) dia nohamafisin’ny Jenezy fa tany am-piandohana dia “iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra” (Jen 11,1). Ny teny araka izany dia natao hampiombona fa tsy hanasaraka. Noho ny fielezana anefa, dia nihevitra ny olona hanao tilikambo avo mahatakatra ny lanitra (Babela, Bab ilu – azo adika koa hoe vavahadin’Andriamanitra, na avy amin’ny bābal, manafangaro) ho famantaram-piombonana. Tsy ny ezaky ny olombelona fa ny fanomezan’Andriamanitra no mampiombona antsika. Tsy afaka hiombona na oviana na oviana izay tsy mivory amin’ny trano iray iombonana, izay tsy manaiky hiakatra ao amin’ny Efitrano ambony mba hankalaza miaraka ny Eokaristia (Vakiteny I Asa 2,1).
Tsy hoe sanatria mialona ny fikasan’ny olombelona Andriamanitra satria hoe “tsy hisy na inona na inona hahasakana ny olona tsy hanatanteraka izay kasainy hatao” (Jen 11,6). Tsy fialonan’Andriamanitra no nampifangaroany ny fitenenana fa vokatry ny fitiavan-tena sy ny avonavon’ny olombelona ihany. Tsy ny fahafahana manao izay tian-katao tsy akory no atao hoe fahafahana (liberté), fa “libertinage” (fanaovana izay danin’ny kibo) no hiantsoana izany. Ny fanaovana izay tiana atao dia tsy hitondra antsika ho amin’ny tena fiombonana tsy akory fa vao mainka aza ho amin’ny fisarahana. Ny fikasan’ireo tao Babela hanao tilikambo mba hiombonana indraindray, dia ny fiheveran’izy ireo hiombona amin’ny herin’ny tenany sy ny ezaky ny fisasarany, ka tsy ilàny an’Andriamanitra intsony, ary ny hafa kosa hatao tohatra hiakarana mananika ny tilikambon’i Babela fotsiny ihany.
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra kosa no nanorokoro ny fiteniny, nandrava izany kinasa… Ary moa tsy fahasoavana toy izany ve no ventesintsika matetika amin’ny hira hoe: Miantso anao izahay ry Tompo, fa mitady handrava izay kasainay ny Fanahy!!! Ka matahotra izahay… sao fongorany tokoa ny tilikambonay mahatakatra ny lanitra, hiheveranay fa tsy mila Anao intsony izahay hampiombona anay. Mila mandini-tena mandrakariva isika rehefa misy zavatra nokasaina hatao ka rava, sao sanatria vokatry ny fikasan’olombelona fotsiny ihany izany. Mety izany fandravàna izany no fahasoavana hoentin’ny Fanahy hitondra antsika amin’ny Pantekôty vaovao.
Tsy azo adinoina ny lazain’i Md Paoly mikasika ny fitenenana teny tsy fantatra, indraindray ireharehan’ny sasany: “Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany, fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa dia mahasoa ny Fiangonana… fa raha mivavaka amin’ny teny tsy fantatra aho dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko tsy mahazo vokatra”. Aleo milaza hafatra avy amin’Andriamanitra toy izay hiteny amin’ny teny tsy fantatra, hoy izy (1Kôr 14,4-6.14).
I Kristy no Teny zary nofo hampiombona antsika. Izy no Teny tonga Mofo, ka ny Apôstôly mitory Azy, mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany dia miteny amin’ny fitenin’ireo firenena 12 vaovao izay entina manambara ny tany tontolo. I Kristy nitsangan-ko velona no manome ny Fanahy, hampianatra antsika fa tsy ny tilikambo ataon’ny tanan’olombelona sanatria no hampiombona sy hitarika amin’ny firaisana (Babela, avy amin’ny bābal, manafangaro) fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra irery ihany. Izay manaiky hotarihiny no afaka miombona ao amin’ilay Tranon’ny Fitiavana maha zanaka.
Ny Pantekôty àry, araka izany, dia fiantombohan’ny Fotoanan’ny Fanahy Masina, fahaterahan’ny Fiangonana (jereo ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika n. 766, ka manazava ny fampiasana ny loko mena mitovy amin’ny Zomà Masina).Tsy manafoana fa mandavorary ny Lovam-panahy tao amin’ny Finoana Jody anefa ny Eglizy. Raha ho an’ny Jody dia fetim-pifaliana ny Pantekôty, hanolorana an’Andriamanitra ny tsara indrindra amin’ny santa-bokatra, mba hisaorana Azy nanome ny Lalàna (Torāh), ahoana kosa no hankalazantsika ny Pantekôntintsika?
Ny Vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (Ga 5,16-25).
Aoka havela eny an-tsaha, hoy ny Lalàna Jody, ny sombintsombiny amin’ny vokatra rehefa mijinja, mba hisy hotsimponin’ny mahantra sy ny vahiny (Lev 23,22), inona kosa no mba avelantsika ho an’ny mahantra sy ny vahiny amin’ny fombantsika Kristianina, hioty ny vokatry ny Fanahy?
Mazava loatra fa ny vokatry ny Fanahy izay mitondra fifaliana sy Fiadanam-po io, ka tahirizintsika amin’ny faharetana, ny hamoram-panahy sy ny fahazavam-po, ny finoana (tsy fivadihana) sy ny halemem-panahy ary ny fahalalana onony. Tsy ho filan-dera hitarika filan-kìsa sy fialonana sanatria, fa fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny asam-panafahana, hiekena fa ny marina no maha olon’afaka (Jo 8,32) ka tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no afaka hitarika antsika amin’ny marina rehetra (Jo 15,26-27; 16,12-15).
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina. Tsy sanatria ho fahazarana fotsiny ny miantso ny Fanahy Masina alohan’ny fivoriana, saingy ny hevitra efa tapaka mialoha sy ny hevitry ny tena no itadiavana fomba hanamarinana azy.
ALAHADY FANKALAZANA NY PANTEKOTY TAONA B
- Asa 2,1-11
- Salamo 103
- Galata 5,16-25
- Md Joany 15,26-27; 16,12-15
Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina
Hanambara an’i Jesoa ny Fanahy, ary izany no maha mpanafaka alahelo azy. Tsy hoe hanambara an’i Jesoa fotsiny anefa ny Fanahy fa hitari-dalana antsika ihany koa amin’ny marina rehetra. Ahoana ary no hitarihany lalana antsika?
Asan’ny Fanahy ny mameno fitiavana ny fontsika ka izay manaiky horeseny lahatra ihany no afaka miditra amin’ny finoana tena marina. Roa ny asan’ny Fanahy Fahamarinana hoy i Jesoa: handresy lahatra izao tontolo izao (Jo 16,5-11,) ary hitari-dalana ny Mpianatra (Evanjely anio). Tsy hiampanga (Satana) an’izao tontolo izao izy fa handresy lahatra (ἐλέγχω elenchô) azy amin’ny zavatra telo:
– ny amin’ny fahotana, izany hoe hampahafantatra an’izao tontolo izao fa fahotana ny tsy finoana fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra, ka hanampy an’izay manameloka an’i Jesoa hiaiky fa Izy no ilay mpamonjy an’izao tontolo izao (Jo 4,42), Izy no ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jo 1,29);
– ny amin’ny fahamarinana, izany hoe haneho amin’ny olona ny hatsaran’ny fitiavana neken’i Jesoa hatramin’ny fahafatesana ka nanandratan’ny Ray Azy any amin’ny voninahitra, hahavaky bantsilana ny laingan’i Satana, ka hanehoan’ny Fanahy amin’izao tontolo izao fa tsy faharesena tsy akory ny Lakroà fa fandresen’ny fitiavana. Ny fahamarinana dia i Jesoa maty, miverina mankany amin’ny Ray.
– ny amin’ny fitsarana, satria ny filohan’izao tontolo izao nanameloka an’i Jesoa no voatsara, nasehon’Andriamanitra fa ny Lakroà no fitsarany ny ratsy sy nanavotany an’izao tontolo izao ka hanalàny an’izay mino Azy tsy ho eo ambany fahefan’ny filohan’izao tontolo izao (Jo 12,31; 14,30; 16, 33).
Vokatry ny famelantsika ny Fanahy hiasa eo amin’ny fiainantsika ny Fitiavana, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (Ga 5,16-25), ka raha sanatria mbola misy fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery na fampiasana zava-mahadomelina (φαρμακεία – pharmakeia), fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy sy fifandirana tsisy farany, fifampiandaniana (ἐριθεία– eritheia, partie partisane), fisaraham-bazana sy fitsitokotokoana (αἵρεσις– hairesis), fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana sy filerana sy ny zavatra toy izany eo amin’ny fiainantsika dia tsy hahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra izany satria mifanohitra amin’ny fitiavana izay vokatry ny Fanahy, fitiavana izay hiavahan’ny zanak’Andriamanitra amin’ny zanaky ny fahaverezana.
Tsy asa indray mandeha anefa fa fiezahana itozoana isan’andro no hahafahana mahazo ny fampianaran’i Jesoa.
Asan’ny Fanahy ny hilaza amin’ny mpianatra ny zavatra tsy hoe tsy nolazain’i Jesoa azy ireo, satria “izay rehetra reny tamin’ny Ray dia efa nambarany avokoa tamin’ny mpianatra, izay sakaizany” (Jo 15,15), fa kosa ny zavatra betsaka tiany holazaina ka tsy ho azon’izy ireo raha tsy hazavain’ny misterin’ny Lakroà. Izay tsy mahita ny Hazofijaliana ho fandresena dia tsy afaka ny hahazo ka hanaiky hovan’ny Tenin’i Jesoa sy ny Evanjeliny. “Raha tsy tsapan’ny tanora fa tena tia azy ireo marina ianareo, hoy ny Papa, aminay Trinitera, dia tsy afaka ny hanoro azy ireo ny lalam-pahamasinana ianareo”, ary raha hanoro aza dia tsy ho voarahiny akory. Ny Lakroà no porofom-pitiavana lehibe indrindra nanokafan’i Jesoa ny sain’ny Apôstôly, eo am-pialana aina Izy no nanondrika ny lohany ary nanome ny Fanahy (Jo 19,30).
Ny Fanahy fahamarinana no afaka mamaky bantsilana ny lainga mety hokobonin’i Satana ao am-pontsika ka hahatonga ny fiainana ho sadasada, tsy maty tsy velona, tsy mandroso tsy mihemotra. Tsy hanana zavatra holazaina hafa afa-tsy izay an’i Jesoa anefa ny Fanahy Masina, tahaka an’i Jesoa tsy manana zavatra hafa holazaina afa-tsy izay henony tamin’ny Ray. Fitiavana tokana no itiavan’ny Trinite Masina antsika tsirairay.
Ny Mpianatra ihany koa araka izany dia tsy afaka ny hanana zavatra hafa holazaina afa-tsy izay noraisiny tamin’ny Fanahy, dia izay rehetra reny tamin’i Jesoa ho fanomezam-boninahitra azy, ary hanambara ny zavatra ho avy (καὶ τὰ ἐρχόμενα ἀναγγελεῖ ὑμῖν – kai ta erchomena anangelei humin, Jo 16,13). Ny mety ho tonga ao anatin’ny saintsika dia hoe hampahalala antsika ny Fanahy hoe oviana isika no ho faty, oviana no hivaha ny olana, na zavatra tahatahaka izany.
Tsy izay no asan’ny Fanahy, tsy izay ny “zavatra ho avy” torìny amintsika fa ny fahatanterahan’ny faminanian’Andriamanitra (fampanantenana) tao amin’i Jesoa, ka izay nihatra tamin’izy Mpampianatra dia hihatra ihany koa amin’ny mpianany rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Ny Fanahy no hahafahantsika mahita fa lalana mitondra amin’ny fahasambarana no nizoran’i Jesoa (Lakroà), ka hahitan’izay manara-dia Azy ny “zavatra ho avy”, ny hiafarany dia tsy inona fa ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra, hoy i Paoly (Rm 5,1-5), ka hananany hery hitozo, hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavana hatramin’ny farany.
“Tompo o! Reharehanay ny hazofijaliana nahafatesanao, fa nahatonga anay ho zanak’Andriamanitra”, hoy isika mihira. Ny misterin’ny Lakroà no atambatsika amin’ny fiekem-pinoana “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”, famantaran’ny hazofijaliana mamintina ireo mistery roa fototry ny finoantsika. Hanaiky hotarihin’ny Fanahy anie isika ka hanome voninahitra an’i Jesoa “nasandratra eo ambony hazofijaliana”, ary hifaly amin’ny fanaraha-dia Azy hitondra ny hazofijaliantsika, ka ho tonga taratry ny voninahitr’izy Trinite Masina.
An’i Jesoa izay rehetra an’ny Ray, ny Fanahy kosa handray ny avy Aminy ka hanambara izany amintsika, ary isika kosa handray izay an’ny Fanahy ka hanambara izany amin’ny hafa. Fiombonana ny Trinite Masina ary iombonan’izy ireo ihany koa ny fiainana izay zarainy amintsika. Izay mino Azy dia tsy hanana zavatra manokana intsony (Asa 2,44) ary tsy hisy hilaza ny fananany ho azy (Asa 4,32).
Hamohafoha ny maha Eglizy antsika, tsy manana antom-pisiana afa-tsy ny hitory ny Evanjely anie ny Fankalazana izao Pantekôty izao.
[1]Ἦσαν δὲ ἐν Ἱερουσαλὴμ κατοικοῦντες Ἰουδαῖοι, ἄνδρες εὐλαβεῖς, ἀπὸ παντὸς ἔθνους τῶν ὑπὸ τὸν οὐρανόν. (Asa 2:5 araka ny dikanteny BYZ): Jody, olona tia vavaka…