Zoma VII Paka
- Asa 25,13-21
- Salamo 102
- Md Joany 21,15-19
Nofofoin’ny Jody efapolo mahery hovonoina i Paoly saingy fantatry ny zanak’anabaviny izany, ka rehefa nampandrenesin’io izy dia nafindran’ny Kômandy ho any Sezarea io alina io ihany. Tany no nanadinana azy mikasika ny fiampangana roa, dia ny fanakorontanana ny filaminan’ny fiaraha-monina sy ny fanimbazimbana ny tempoly. Ny fiarovan-tenan’i Paoly dia niangavy ny mpiampanga mba hanamarina hoe taiza no namoriany vahoaka mba hanakorontana tanàna: hitondra tolo-tanana ho an’ny kristianina tao Jerosalema sy hanao sorona ao an-tempoly no niakarany, fa raha ny marina, hoy izy, dia resaka fitsanganan-ko velona no hiampangana azy. Nolazainy ampahibemaso kosa ny maha mpianatr’i Jesoa azy, mpanaraka ny Làlana izay antsoin’ny Jody ho sekta, kanefa izany hoy izy no hitandremany tena mba tsy hanan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona.
Afaka roa taona dia nosoloin’i Festosa i Félix, ka mba hamalifaliana ny Jody dia navelany tao am-ponja ihany i Paoly. Rehefa nandalo tany Jerosalema izy dia nodrokidrokian’ny Jody mba hitondra an’i Paoly any Jerosalema mba hamonoany azy eny an-dalana, saingy tsy nety nankany i Paoly, ary niangavy mba hotsarain’i Sezara. Ny fahatongavan’i Agripà sy Berenisy hiarahaba an’i Festosa no tantarain’ny vakiteny anio, nilazan’ity farany fa adiheloka mikasika ny fivavahana sy ny momba an’i Jesoa no niampangan’ny Jody an’i Paoly. Naheno izany ny Mpanjaka Agripà dia naniry hihaino an’i Paoly ihany koa. I Festosa moa nilaza mazava fa tsy misy heloka tokony hamonoana an’i Paoly, ary na izy aza sahirana satria tsy hitany izay hosoratana amin’i Sezara mikasika an’i Paoly.
Rehefa niseho teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripà i Paoly dia nitantara ny maha farisianina azy, ny nibeazana azy tamin’ny fanarahan-dalàna sarotiny indrindra, ny nanenjehany ny kristianina satria noheveriny ho fanimbazimbana ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely, avy eo dia notantarainy indray (fanintelony ao amin’ny Asa) ny nahitany ny hazavana, ny mitatao vovonana, izy dian’ny ho any Damasy, ka nibebahany ary ny tsy nahafahany intsony tsy hitory fa i Jesoa no ilay voalazan’i Môizy sy ny Mpaminany ho fahazavana ho an’ny vahoaka rehetra.
Rehefa vita ny lahatenin’i Paoly dia nolazain’i Festosa ho adala izy, fa hoy kosa ny navalin’i Paoly azy: zava-marina no nolazaiko ary anontanio ny Mpanjaka satria zavatra tsy niafina izany fa fantatry ny olon-drehetra. Ny faniriako hoy izy dia ny mba ho tonga kristianina toa ahy avokoa izay rehetra mihaino ny teniko anio. Rehefa vita izany dia nolazain’i Agripà an’i Festosa fa azo afahana i Paoly raha tsy nangataka hotsarain’i Sezara.
Ao amin’ny Evanjely kosa (alahady fahatelo fankalazana ny Paka Taona D) dia tsara ny mampahatsiaro ireo hevi-dehibe tian’i Joany ambara amin’ny anjara toeran’i Piera sy ny Fiangonana amin’ny famahanana ny andian’ondry. Izy (Piera) no nanainga ny mpianatra handeha hanjono, amin’ny fiantombohan’ny toko 21, ary na dia “ilay mpianatra tian’i Jesoa” aza no nahalala fa ny Tompo io, dia izy no nisarika ny harato feno trondro ho eny amin’i Jesoa, kanefa tsy rovitra ny harato. Raha heverina dia misy heviny manokana izany amin’ny fomba fiainan’ny Fiangonana: na dia mety hahalala mialoha ny Tompo aza ilay “mpianatra Malala”, dia anjaran’i Piera no mitarika ny asa apôstôlika sy mitahiry ny firaisan’ny Fiangonana.
Mampalahelo ny mieritreritra ny zava-misy eo anivon’ny Fiangonana indraindray. Ny nangatahan’i Jesoa amin’i Piera, ka mazava ho azy amin’ny dimbiny sy amin’ny Fiangonana manontolo tarihiny, dia tsy “hitery ronono” fa hamahana ny ondry, tsy hibaiko fa hanasa tongotra sy hanompo, tsy hampianatra toy ny mpitari-bato vilam-bava fa ho fakan-tahaky ny ondry tarihina amin-kalemem-panahy (1P 5,1-4). Mialoha ny hampahatsiahivana ny kristianina ny adidiny amin’ny denier des cultes sy ny rakitra, dia mila mandini-tena ny Mpiandraikitra ao amin’ny Eglizy amin’ny fiezahany mamahana ny ondry amin’ny Tenin’ny Fiainana izay iezahany hiainana ihany koa. “Tsy mety raha hilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra”, hoy i Piera, manamafy izany andraikitra izany (Asa 6,2).
I Jesoa moa manontany an’i Piera raha toa ka tia (ἀγαπάω – agapaô) Azy, i Piera mamaly fa valim-pitia (φιλέω – phileô) no hany azony ampanantenaina. Moa ve tia ahy ianao? Fantatrao fa tiako ianao. Samy tia no nandikana ny hoe “agapaô” sy “phileô” ao amin’ny dikan-tenintsika. Na dia tsy afaka ny hitia (ἀγαπάω – agapaô) araka ny hitiavan’Andriamanitra azy aza i Piera, dia eken’i Jesoa ny hitiavany (φιλέω – phileô) araka izay vitany. Amin’ny fanontaniana fanintelony dia tsy manontany azy ho tia (ἀγαπάω – agapaô) intsony i Jesoa fa mampifanaraka ny fanontaniana amin’izay vitan’i Piera: moa tia ahy (φιλέω – phileô) va ianao! Hery ampy hanosika an’i Piera hamahana ny ondrin’i Kristy izany. Ambaran’i Joany mazava fa i Kristy no Mpiandry ondry (Jo 10,11) ary antsoiny hamahana ny ondriny izay nahatsiaro no tiana ka mamaly fitia Azy.
Isaky ny avy mihinana isika (avy mandray ny Teniny sy ny Tenany) no anontanian’i Jesoa ka antsoiny hifaninana amin’ny fitiavana Azy isika, “moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?” Dia mazava loatra fa amin’ny fanomezana sakafo hahavelona ny ondriny no hifaninana amin’izany fitiavana izany.
Tia antsika ny Ray, φιλέω – phileô fa tsy agapaô no ampiasain’i Joany ao amin’ny Jo 16,23-28, vakiteny Sabotsy 6 Paka) noho ny fitiavantsika an’i Jesoa. φιλέω (phileô) moa no ampiasain’i Joany eo, hahafahantsika mahazo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ilay ἀγάπη – agapè (ἀγαπάω agapaô, mitia) nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho antsika dia tonga fisaikazàna, efa nantsoiny hoe sakaiza isika (φιλος – philos) ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo (Jo 15,15). Isika kosa, toa an’i Md Piera, tsy sahy nampiasa ny ἀγαπάω – agapaô hilazany ny fitiavany an’Andriamanitra. Araka ny nolazaintsika teo hoe i Jesoa manontany raha tia, agapaô, i Piera mamaly hoe fileô, kanefa antsoiny hahatsapa ny fitiavany, ka hizotra tsikelikely avy amin’ny fitia mifamaly (philos) ho amin’ny fahafoizana ny fiainana manontolo hamahanana ny ondry. “Manaraha Ahy”, no amaranan’i Jesoa ny teniny amin’i Md Piera.
Ny hoe “Manaraha ahy” koa dia mampahatsiaro antsika fa tsy mpiandry ondry arahina i Piera fa ondry manaraka an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotany (Jo 1,36-37), ilay namindra fo taminy tamin’ny fandavany Azy. Manara-dia an’i Jesoa izay tia azy ka miezaka isan’andro hampitovy ny fiainany amin’ny fiainan’i Jesoa.
Tsy valisoa sy fankasitrahana anefa no setrin’izany fanarahan-dia izany, fa “fandehanana amin’izay tsy tiana aleha”, i Piera ilay tsy nanaiky ny hosasana tongotra, fony izy tanora (Jo 13,6.36), satria tsy ny mpampianatra velively no ho hilatsa-tena ho mpanompo, dia hiraviravy (ἐκτείνω – ekteinô = hanampatra) ny tanany eo amin’ny hazofijaliana toa an’i Jesoa (ny taona 64, ary lazain’i Eusèbe fa ny lohany no nataony ambany, nasainy natsongoloka ny lakroà namantsihana azy fa tsy mendrika ny hitovy amin’ny Mpampianatra azy izy), ka izany fahafoizany ny ainy ho fijoroana ho vavolombelona ho an’ny andian’ondry voaenjika toa azy izany koa no nanaporofoany ny fitiavany an’i Jesoa (Jo 15,13). Izany rehetra izany dia mba ho voninahitr’Andriamanitra, tahaka an’i Kristy niditra amin’ny voninahitra, tamin’Izy nasandratra teo amin’ny Hazo (jereo Jo 12,26-33).
Ny Fanahy masina anie hampitombo ny zotom-pontsika hihaino ka hankato ny Tenin’Andriamanitra ary hampihatra azy amin’ny fanompoana Azy ao amin’ny olombelona rehetra (Vavaka fangatahana).