Sabotsy VI Paka
- Asa 18,23-28/
- Salamo 46/
- Md Joany 16,23-28
Ny Asan’ny Apôstôly dia mitantara ny niverenan’i Paoly tany Jerosalema sy Antiôkia rehefa avy any Kôrinto (Akaîa) ary nandalo tao Efezy. Tao Efezy no nahatongavan’i Apôlô, izay teraka tany Aleksandria, olona nahay nandaha-teny sy nandalina fatratra ny Soratra Masina. Araka ny fiheveran’ny mpandinika maro dia izy no nanoratra ny Taratasy ho an’ny Hebrio. Tsy mbola lavorary ny fahalalany an’i Jesoa sy ny fampianarany, saingy lehilahy nikatsaka ny marina sy fatra-pandalina izy, ka rehefa nampian’i Prisila sy i Akilasy handalina bebe kokoa ny finoana an’i Jesoa sy ny Eglizy, dia niangavian’ireo avy any Kôrinto mba ho any aminy (Akaîa), ary neken’ny rehetra izany. Tsy azo adinoina ny fizarana nateraky ny fahombiazan’ny fitoriany teny, ankoatra ny fandresen-dahatra ny Jody amin’ny fampiharihariana amin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy, ny amin’ny fiombonana nolazain’i Paoly amin’ny fiandohan’ny taratasy voalohany nosoratany ho an’ny Kôrintianina fa tsy izay mampianatra no inona fa ny fiombonana amin’i Kristy: tsy misy an’i Paoly na an’i Apôlô satria tsy voazarazara i Kristy (1Kôr 1,12snm).
Izay mety ho fahaizana na fahalalana, raha avy amin’ny Fanahy Masina dia natao hampiombona fa tsy hampizarazara. Mampalahelo indraindray, fa misy olona tsy mampiasa ny fahaizany na izay norantoviny na ny fampianaran’ny hafa itokiany tsy hahalalàna bebe kokoa an’i Jesoa Kristy fa mba hireharehana fotsiny ihany, na sanatria hitadiavana tombontsoa sy voninahitra. Ny ohatra nomen’i Prisila sy i Akilasy dia tokony hotozoin’izay nomena fahasoavana manokana mandrakariva: hampianatra tsaratsara kokoa izay hita fa afaka hanao ny fitorian-teny, mba hahafahan’ny “iray finoana” haniraka azy any amin’ny toerana hahafahany mamokatra, araka ny fanomezam-pahasoavana noraisiny kosa indray.
Ny Evanjely omaly moa (zoma 6 paka) dia mifarana hoe: “amin’izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony ianareo”. Ny Paka no hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra, hanomezany ny Fanahiny, ka hahafahan’ny Mpianatra mahazo sy mahatsiaro izay rehetra nampianarin’i Kristy. Amin’izay no hahafahan’ny Mpianatra mangataka zavatra amin’ny anaran’i Jesoa. Mialoha an’izay dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarany ny mpianatra. Fa Andriamanitra Ray izay nanome ny Zanany lahitokana ho antsika ve (Jo 3,16) tsy hanome antsika ny zavatra rehetra miaraka Aminy (Rm 8,32)?
Inona no angatahintsika amin’ny Ray ankoatra ny Fanahy maha zanaka tanteraka? Ary inona ny hafaliana tanteraka (lavorary) raha tsy ny fahatanterahan’ny sitrapon’ny Ray, izany hoe ny hahasambatra antsika? Ary nahoana no tsy hangataka ho antsika i Jesoa? Tsy Izy ve no Mpisorom-be niakatra namakivaky lanitra (Heb 4,14-16)? Tsy hangataka ho antsika afa-tsy ny Fanahy Izy (Jo 14,16) ary ny Fanahy kosa hanokatra ny fontsika, hivavaka ho antsika, ka hahafahantsika miresaka mivantana amin’ny Ray, hiantso azy hoe “Aba, Dada” (Ga 4,6; Rm 8,15).
Rehefa manazava ny hoe “mangataka amin’ny anaran’i Jesoa” amin’ny mpianatra katesizy aho, dia mitondra azy ireo eo anatrehan’ny Lakroà. Dia lazaiko azy ireo hoe: atao ahoana ny hiangavy olona iray mifantsika tongotra aman-tanana mba hamonjy anao? “Mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay mahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo an-kavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra” (Heb 12,2). Ny mangataka amin’ny anaran’i Jesoa araka izany dia ny mangataka mba hahafahantsika misafidy ny lalana hahafahana manara-dia Azy any amin’ny voninahitry ny lanitra.
Tia antsika ny Ray (φιλέω – phileô) noho ny fitiavantsika an’i Jesoa. Ny hoe φιλέω (phileô) moa fa tsy agapaô no ampiasain’i Joany eto, hahafahantsika mahazo fa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, ilay ἀγάπη (ἀγαπάω – agapaô, mitia tsisy tambiny) nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany ho antsika dia tonga fisaikazàna, efa nantsoiny hoe sakaiza (φιλος) isika ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo (Jo 15,15). Isika kosa, toa an’i Md Piera, tsy sahy nampiasa ny ἀγαπάω – agapaô hilazany ny fitiavany an’Andriamanitra (Jesoa manontany raha tia, agapaô, i Piera fa ity farany kosa mamaly hoe phileô, jereo Jo 21,15-19 vakiteny zoma faha 7 amin’ny Paka) dia antsoiny hahatsapa ny fitiavany, ka hizotra tsikelikely avy amin’ny fitia mifamaly (philos) ho amin’ny fahafoizana ny fiainana manontolo hamahanana ny ondry.
I Jesoa no ilay Teny nivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina Aminy raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy (Iz 55,10snm). Mazava loatra araka izany fa ny fiverenany dia ny fahatanterahan’ny “iraka” nampanaovina Azy: mba hananantsika ny aina ka hananantsika azy amin’ny hafenoana (Jo 10,10). Ny ainy no nafafiny ho antsika mba hamokarantsika kosa vokatra mihavosa ho amin’ny fiainana mandrakizay, ho voninahitry ny Ray (Jo 15,8).
Irahiny hijinja izay nafafiny isika mba hiara-paly Aminy any amin’ny fiainana mandrakizay (Jo 4,36). Ho haintsika anie ny hioty ny vokatry ny Fanahy.