Alarobia V Paka
- Asa 15,1-6/
- Salamo 121/
- Md Joany 15,1-8
Ny fiitaran’ny Evanjely dia mazava loatra fa midika ihany koa hoe fiitaran’ny sedra sy ny olana tsy maintsy vahana amin’ny fampanaraham-bolontany (inculturation) sy ny fanadiovana ny kolontsaina hifanaraka amin’ny Evanjely (évangélisation). Raha banga ny iray amin’ireo (fidelité à Dieu et fidélité à l’homme) dia mandringa ny firosoam-panahy sy ny fivoarana ara-pastôraly. Anisan’ny fifandirana lehibe indrindra teo amin’ny fiandohan’ny Fiangonana ny resaka famoràna. Ho an’ny Jody dia masina ny Lalànan’i Môizy, ka tsara sy ara-drariny raha manaraka izany avokoa ny rehetra, na ireo izay te ho tonga kristianina aza.
Ary mba hanapahana hevitra araka ny Fanahy Masina dia niakatra tany Jerosalema i Paoly sy Barnabe ary ny sasany tamin’ny andaniny mba handinika miaraka amin’ny Apôstôly izay tokony hatao. Mitohy amin’ireto andro ireto moa ny lahatenin’i Piera sy i Jakôba ary ny taratasy nosoratana vokatr’izany dinika izany teo ambany fanilovan’ny Fanahy Masina.
Ny Evanjely kosa indray, mandalina ny fiombonan’ny mpianatra amin’i Jesoa. Ny fiafaran’ny toko faha 14 dia ny hoe: “Mitsangàna, andeha isika hiala eto”. Ny fiantombohan’ny toko faha 15 kosa indray dia ny hoe “Izaho no tena fotoboaloboka”. Ny fotoboaloboka dia tsy afaka ny hamoha raha mifindrafindra. Inona ary no tian’i Jesoa holazaina amintsika? Antsoin’i Jesoa isika mba hiala eo amin’ny toerana nankaherezany antsika eo anatrehan’ny tahotra sy ny hamafin’ny fo tsy te hiditra ao amin’ny lalan’ny hazofijaliana, ka antsoiny mba hamoa be sy ho tonga mpianatra marina tokoa. Antsoiny hiala amin’ny toerana tiantsika hitoerana ka hanaraka Azy amin’izay toerana sitrak’Izy Ray hambolena antsika miaraka amin’i Jesoa, ka hitsiriantsika sy hitomboana ary hitondrana vokatra be dia be.
Izany no sarisary ampiasain’i Joany: foto-boaloboka “volen’ny Ray”. I Jesoa no fototra ary isika no rantsana. “Izaho no” (YHWH), Izy Andriamanitra no ilay mofon’ny fiainana (Jo 6,35), fahazavana (Jo 8,12), varavarana (Jo 10,7.9), mpiandry ondry (Jo 10,11), fananganana sy fiainana (Jo 11,25), lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jo 14,6), izao Izy dia milaza fa “ilay tena” foto-boaloboka, tahaka ny nilazany fa Izy no mofo, ilay tena izy (Jo 6,32), satria Izy no afaka manome ny vokatra ho voninahitry ny Ray.
Ny Ray no mpamboly. Ao amin’ny Soratra Masina dia marobe ny tomany ataon’Andriamanitra amin’i Israely, tanim-boalobony: foto-boalobony (jereo Iz 5,1snm), izay tsara karakara kanefa nisafidy ny tsy hiombon’aina Aminy ka tsy hivelona amin’ny loharanon’aina atolony (Jr 2,13). Ny Mpianatra dia rantsana miray amin’i Kristy, ka sady mivelona Aminy no mitondra vokatra tahaka Azy.
Ahoana ary no hiraikitra Aminy nefa tsy hamokatra? Satria mety ho kobaka am-bava ny fanarahan-dia Azy, ka tsy vonona ny handray ka hivelona araka ny Teniny (jereo Mt 7,21-23). Mampieritreritra antsika izany tenin’i Jesoa izany, araka ny lazain’i Joany hoe “aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa mitiava amin’ny asa tokoa sy am-pahamarinana” (1Jo 3,18).
Atao ahoana kosa indray ny hahazo ny filazan’i Jesoa hoe: hoesorina izay tsy mamoa? Afaka manilika ny rahalahiny tsy hiara-mandova Aminy ve i Jesoa? Dia ahoana indray no hahazo izany raha Izy aza lasa nitady ilay ondrikely nania? Tsy Izy no manilika. Marina sy mahatoky mandrakariva Izy, saingy anjaran’ny olona kosa ary miankina amin’ny fahafahany ny mandray sy mivelona araka ny tsiron-kazo mahavelona ampitain’ny foto-boaloboka (jereo Mt 7,19; 25,41-46; Rm 11,17-21; 1Kôr 10,11s) na tsia.
Sitrak’Andriamanitra mba hampiasaina amin’izay mitondra vokatra ny aina avy Aminy. Izany no mahatonga ny rantsana maina hohesorina ary ny sampana mamoha mba horantsanana, hodiovina amin’izay mety ho fahotana sy faharatsiana mbamin’ny fitiavan-tena ka hahafahana mamokatra bebe kokoa, tsy ho voninahitry ny tena fa ho voninahitry ny Ray.
Tsy manery i Jesoa fa miangavy, manaja ny fahafahan’ny tsirairay mba hitoetra ao Aminy sy hitoerany. Ambarany mazava anefa fa izay tsy mitoetra ao Aminy dia tsy hahavita na inona na inona. Lazain’ny olon-kendry iray izay (Lallemant) fa mampidi-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa ny olona iray, raha sanatria manokan-tena hanao asa pastoraly na asa fitoriana ny Evanjely kanefa tsy manam-potoana hibanjinana Azy Tompo (contemplation), satria tsy ny voninahitrt’Andriamanitra intsony no katsahiny fa ny azy. Hanao fanandramana fohy angamba, hoy izy dia mety ho azo atao ihany. Zava-dehibe ho antsika manko ny fiombonan’aina amin’i Kristy (jereo Mk 3,14). Amin’ny fibanjinana an’i Jesoa ka hitomboan’ny fahalalantsika Azy no hahafahantsika mitia “tahaka ny nitiavany” ary amin’ny fiombonana aina aminy no hahazoantsika ny hery hanatanterahana izany.
Raha mitoetra ao Aminy isika ka mitoetra ao amintsika ny Teniny dia hangataka izay tiantsika isika ka atao amintsika izany. Tsy afaka ny ho tia zavatra ankoatr’izay tian’i Jesoa izay mitoetra ao Aminy ka mitandrina ny teniny. Ny vavaka no mampitombo ny faniriana, hoy i Md Augustin ka mampiitatra ny fo handray ny hafenoam-pahasoavana efa omanin’Andriamanitra ho antsika, ka hamokatra bebe kokoa hahafahana manome voninahitra ny Ray. Tian’Izy Ray manko ny hanome antsika izay rehetra nomeny ny Zanany lahitokana: ny fiainana mandrakizay (jereo Jo 3,35).
Tsy vitan’ny hafanam-po indray andro ny maha mpianatr’i Kristy fa ezaka isan’andro isan’andro. Irìny mba ho voninahitry ny Ray isika sy ho tonga mpianany. Efa navotany tamin’ny haizina isika fony mbola tsy nino, ka hosanatriavintsika anie ny handao ny fahamarinana ambaran’ny Teniny izay manazava ny fiainantsika manontolo (Vavaka fangatahana).