Talata V Paka
- Asa 14,18-27
- Salamo 144
- Md Joany 14,27-31
Tsy ho voatery ho fankasitrahana no asetrin’ny olona ny soa azony. Porofon’izany ny henontsika amin’ny fampidirana ny vakiteny anio hilazana izay nanjò an’i Paoly sisam-paty, satria tsy vitan’ny fanaratsiana fotsiny fa niafara tamin’ny fitoraham-bato ny fanoheran’ny Jody ny toritenin’i Paoly sy i Barnabe, indrindra rehefa niampy ny fahasitranan’ilay nalemy tongotra. Ny mpianatra moa mba tonga nanodidina azy teo ihany rehefa voasarika tany ivelan’ny tanàna izy.
Avy eo dia nankany Derbe. Io no famaranana ny “dia” (Voyage) misiônera voalohany nataon’i Paoly sy i Barnabe ka ambaran’i Lioka fa mialoha ny hiverenany any Antiôkia, dia niverina nitsidika ireo fiangonana naoriny sy nitoriany teny izy ireo, mba hanampiana azy ireny amin’ny fandaminana sy hankeherezana azy amin’ny finoana, amin’ny fanendrena Pretra hitantana azy ary hanorina sy hanamafy ny fiombonana (koinônia) ao amin’ny Fiangonana izay naorina.
Raha vao tonga tany Antiôkia kosa izy ireo dia namory ny Fiangonana ka nitantara ny asa nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo (μετ᾽αὐτῶν, avec eux). Andriamanitra no miasa, Izy no namoha ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily. Ny mahazatra antsika dia ny milaza fa nahavita zavatra lehibe noho (miaraka amin’ny) ny fahasoavan’Andriamanitra. Ho an’i Lioka kosa, Andriamanitra no miasa. Ny asany no tantaraina fa tsy izay ataon’ny olona izay fitaovana ihany ampiasain’Andriamanitra hanaparitahana ny Teniny.
Izany no mbola hamafisin’ny Salamo 144 satria izay mpivavaka marina dia midera an’Andriamanitra amin’ny asany rehetra ary miresaka ny voninahitry ny fanjakany, mba hahafantaran’ny olona izany asa maherin’Andriamanitra izany ka hisaotra ny Anarany Masina.
Ao amin’ny Evanjely kosa, avy mampanantena ny Fanahy mpisolovava i Jesoa dia mampanantena ny Fiadanana ho an’ny mpianany. Vavaka averimberintsika ao amin’ny Lamesa io. Ny fiadanana no fanomezana lehibe indrindra nomen’i Jesoa, ary fanomezana nomeny ny Mpianany Izy tafatsangan-ko velona. Tsy mitovy amin’ny fiadanana araka an’izao tontolo izao. Ny fiteny hoe “Si vis pacem, para bellum” (raha te hiadana ianao dia omany ny ady), izay mahalaza ny fiadanana araka izao tontolo izao, satria raha tsy ianao no matanjaka indrindra dia tsy afaka hanjaka, kanefa hatahotra hotafihin’izay mahery kokoa ianao ka dia hitebiteby lava eo. Fiadanana manelanelana ny ady roa mifanesy araka izany ny fiadanan’izao tontolo izao. Fandriam-pahalemana no iantsoan’ny teny gasy ny fiadanana: mandry fahalemana (fototeny: alina) izay matory tsara ny alina, tsy mitebiteby, mandry ivohon’ny vato. Ny fiadanan’izao tontolo izao dia korontanin’ny fitiavan-tena sy ny fialonana, miampy ny fahalemena izay efa mpahazo ny olona.
Ny fiadanan’i Kristy kosa dia avy amin’Andriamanitra, manome hafaliana sy fitokisana tanteraka, ka ny fiverenany any amin’ny Ray izay naniraka Azy dia hafaliana ho an’ny mpianatra satria fahatanterahan’ny asam-pamonjena, fanehoan’i Jesoa amin’izao tontolo izao ny fitiavany ny Ray ka nanekeny hatramin’ny fahafatesana. Fisarahana izany amin’ny maha olona, saingy fiombonana kosa amin’ny fiainam-pinoana, satria Izy lasa any amin’ny Ray, nanaiky ho faty, dia velona mandrakizay kosa eo anivon’ny Fiangonany.
Ny fiadanan’i Kristy koa dia ny fihavanana lavorary, eny fa na dia hatramin’ireo izay namono Azy aza: “Avelao ny helony Ray ô”. Izay tsy mahavita mamela heloka, tsy afaka hanandrana ny fiadanana ao am-pony. Omen’i Kristy antsika ho lova anefa izany fiadanana izany. Anjarantsika ny mandray azy na tsia.
Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. “Mitebiteby” moa, ταράσσω – tarassô, dia hilazana ny zavatra mihontsana ka mifangaro be ihany, antsoin’i Kristy isika araka izany mba tsy hampifangaro izay mety ho tahotra ananantsika amin’ny fiadanana omeny, izay no hahafahana mampiavaka ny fotaka sy ny rano, hampandry ny fotaka any ambany, ka sady hahitana mazava ny rano madio no hahitana koa ny fotaka nandoto ny rano teo sy ny fanambanin’ny siny misy azy: ny tebiteby dia sady tsy hahitana ny tena olana no hanadinoana ny fitiavan’Andriamanitra; “hatahotra” kosa indray, δειλιάω– deiliaô, dia entina ilazana ny kiakiaka vokatry ny tahotra, manambara ny tsy fitokisana, ka sady hahasanganehana ilay παράκλητος (paraklètos, nantsoina mba ho eo anila, hanampy) no hampahazo vahana ny mpampitahotra.
Ny fiadanana lavorary dia ny fahatanterahan’ny faniriana ka tojo izay notadiavina. Omaly ny vavaka fangatahana dia nanampy antsika haniry izay nampanantenain’Andriamanitra. Ny fiainana feno no nampanantenainy ary fitiavany antsika no antony anomezany antsika izay rehetra mitondra amin’ny fiainana (ary manesotra kosa izay mamono ny aina). Avy amin’izany fitiavana izany no hitsirian’ny fiadanana ka hivelarany mba ho tonga hafaliana tsy omby tratra, maharitra mandrakizay.
Izay tia an’i Jesoa ihany no afaka mahita fa ny Lakroà no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra, anehoany ny fitiavany ny Ray ary anehoany amintsika araka izany ny fitiavany hiombona tanteraka, hatramin’ny fahafatesana amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika. Tsy misy madilana hotentenana intsony amin’izany hafenoam-pitiavana izany. Tsy hiteny intsony ilay Teny, saingy amin’ny alalan’ny Evanjely, avy amin’ny fanilovan’ny Fanahiny, dia mampahatsiaro antsika mandrakariva izay nolazainy Izy, ka manentana antsika hampifanaraka ny toe-piainana amin’izany.
“Lehibe noho izaho ny Ray”. Tsy mifanohitra amin’izay efa nolazain’i Jesoa izany. Izy sy ny Ray, dia iray ihany (Jo 10,30), mitovy ka izay ataon’ny Ray no ataon’ny Zanaka koa, ary tsy hanao afa-tsy izay nanirahana Azy Izy (Jo 5,19-30). Ary na dia mitovy hasina amin’ny maha Andriamanitra aza ny Ray sy ny Zanaka, izay tia dia mihevitra ny olon-tiany ho lehibe sy tsaratsara kokoa noho ny tenany. Izay tia an’i Jesoa araka izany, dia tsy hanao afa-tsy izay anirahan’i Jesoa azy, ary tsy hihevitra ny tenany na oviana na oviana ho ambony na ho lehibe noho i Jesoa izay miseho amin’ny endrik’izay heverin’izao tontolo izao ho farahidiny (Mt 25,35-46). Izany no mahatonga an’i Md Paoly hoe: mifaninana hifanaja, προηγέομαι (proègeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12,10), fa izany no tena fitiavana.
Tsy manana na inona na inona amin’ny hazavana ny haizina, i Jesoa no hazavana, ka ny alina izay manomboka hatramin’ny nivoahan’i Jodasy (Jo 13,30) dia tsy tokony hampatahotra an’izay manaraka ny hazavana. Tsy mila miaro tena Izy fa ny mety ho fahavoazany no fanandratana Azy amin’ny voninahitra sy hidirany amin’ny fiainana, ka hahatonga izay rehetra mino Azy ho mpandova izany fiainana izany miaraka Aminy.
Hampian’Andriamanitra anie isika mba haharitra amin’ny finoana sy ny fanantenana ka hatoky fa ho tanteraka izay rehetra nampanantenain’Andriamanitra Mpahary antsika (fangatahana).