Sabotsy IV Paka
- Asa 13,44-52/
- Salamo 97/
- Md Joany 14,7-14
Ny Vakiteny voalohany dia mitantara ny “dia” misiôneran’i Paoly sy i Barnabe, niala tany Antiôkia ka tonga tany Antiôkian’i Pisidia, ary nitory teny tao amin’ny Sinagôga ny andro Sabata. Novakìna tamin’ny alakamisy sy zomà moa ny lahatenin’izy ireo izay nitantara ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny Vahoakany ary ny nahatanteraka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, ilay novonoin’ny lohandohan’ny mpisorona noho ny tsy fahalalana fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina kosa. Ny Sabata manaraka, raha tonga hihaino ny Tenin’Andriamanitra ny tao an-tanàna manontolo dia zavatra hafa no nitranga: ho an’ny Jody dia tsy azo ekena izany Andriamanitra maty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izany, fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. Tsy faharatsiana loatra fa izay no masaka tao an-tsain’izy ireo, saingy ny fandavan’izy ireo kosa no nanosika ny Apôstôly roa lahy hitodika amin’ny Jentily, mba hampiitatra ny fitoriana hatrany amin’ny fara vazan-tany.
Ambaran’i Lioka ny herin’ny Teny izay miely eran’izany tany rehetra izany, ka mameno hafaliana ny fon’izay mandray azy. Na izany aza anefa, izay mitory ny Teny, araka ny tena izy, dia tsy afaka ny tsy hanana fahavalo manohitra. Ny vehivavy tia vavaka no nampirisihan’ny Jody hanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, hialany amin’ny taniny. Tsy midika inona ny fitiavam-bavaka araka izany raha tsy mazava ny endrik’ilay Andriamanitra ivavahana.
Izany anefa dia mahatonga antsam-piderana ho an’ny firenen-drehetra (Sal 97), dia ireo Jentily faly nandre ny Teny. Tsy azo hadinoina na oviana na oviana àry fa tsy ny fahaizan’ny Apôstôly fa ny herin’ny Teny sy ny asan’ny Fanahy no mampahavokatra ny Fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika.
Izay mino Ahy, hoy i Jesoa dia hanao ny asa ataoko koa. Izany no marika hahafantarantsika ny finoana marina: fakàna tahaka an’i Kristy ka hahavitana mihoatra noho izay nataony aza, satria eo anilan’ny Ray Izy manohana antsika amin’ny asany. Ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka, izay tonga fiombonan’asa, ka mahatonga ny asan’ny zanaka ho fanehoana ny maha iray Azy amin’ny Ray, dia sitrak’i Jesoa ho môdelin’ny fiombonantsika Aminy koa, ary mazava loatra, fiombonantsika samy isika, mba hiasa ho voninahitr’Andriamanitra Ray eo amin’ny Zanaka.
Izany fiombonana izany no hahazoantsika koa ny hery avy Aminy ka hahafahana manohy ny asany: hanangana sy hamelona na dia ny maty aza (Jo 5,21). I Jesoa tafatsangan-ko velona dia nanome fahefana ny Apôstôly mba hamela heloka. Ny Fanahy, izay Aina mampiombona ny Ray sy ny Zanaka, no mamelona koa ny Mpianatra amin’ny iraka napetrak’i Jesoa hotohizan’izy ireo.
Ambaran’i Joany amin’ity fampianarana ity, ary mbola raisiny amin’ny toko faha 17 (and. 17-18) fa ho any amin’ny Ray i Jesoa ary amin’ny alalan’ireo mpianatra izay hohamasininy ao amin’ny Fahamarinana no hanohizany ny asan’ny Ray efa natombony: ny hahasambatra ny olombelona rehetra sy ny hananan’izy ireo ny fiainana feno (Jo 10,10).
Ny finoana no hahafahantsika mahafantatra fa Izy no lalana mitondra any amin’ny Ray, fa tsy sanatria ny lalàna ataon’olombelona izay “mihevitra araka ny tany” ihany. Izy no ilay hany tokana nidina avy eo an-tratran’ny Ray ka afaka manoro antsika ny Lalana, Izy Zanaka, hahatongavana any amin’ny Ray: izay mahafantatra Azy dia mahafantatra ny Ray; Izy no fahamarinana manambara fa Zanaka atsangan’Andriamanitra ao Aminy isika, ka ny fiombonantsika amin’i Kristy dia hiraisantsika aina amin’ny maha Zanaka lahitokana Azy: izany no fiainana. Ny fiainana mandrakizay moa, araka ny ambaran’i Joany aoriana kely (fanombohan’ny toko 17) dia izay “fahalalana” an’Andriamanitra izay. I Kristy no fiainana araka izany satria amin’ny alàlany no hahalalantsika an’Andriamanitra Ray ary hahalalantsika sy handraisantsika anjara amin’ny maha zanaka tian’Andriamanitra antsika.
Ambaran’i Joany fa omen’i Jesoa, ilay efa mitoetra eo an-kavanan’ny Ray, izay angatahintsika amin’ny anarany. Tsy amin’ny anarantsika fa amin’ny anarany, izany hoe mangataka zavatra araka ny sitra-pony (1Jo 5,14). Tsy ny hahatanteraka ny sitrapontsika na ny faniriantsika araka izany ny antom-bavaka henoin’Andriamanitra fa izay ilaintsika mba hahafahantsika manohy ny asany ka hisehoan’ny voninahiny. Izany no mahatonga an’i Joany manohy ny Evanjely hilazana fa ny fitandremana ny Didy no vavaka tsara indrindra, satria sady maneho ny finoana no hahazoantsika ny fitokisana fa tsy isika no hivavaka, fa Izy Jesoa, mba hahazoantsika ny Fanahy (hohalalinintsika amin’ny alatsinainy).
Eto koa i Md Joany dia manitsy ny vavaka ataon’ny Kristianina: ny antony hivavahana dia tsy hoe mba handeha araka ny irintsika ny zavatra rehetra. Mety tsy ho ny voninahitr’Andriamanitra manko no katsahintsika amin’izany fa ny voninahitry ny tena ihany. Izay rehetra angatahintsika amin’ny anaran’i Jesoa dia omeny mba ho voninahitry ny Ray ao amin’ny Zanaka, hoy i Joany. Omeny izay rehetra angatahintsika amin’ny anarany, tsy ho voninahitsika fa ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
Izany fikatsahana ny voninahitry ny Ray izany anefa raha tsy tandremana dia mora mifangaro foana amin’ny fikatsahana ny voninahitry ny tena, ka ny tsirairay eo am-pihainoana ny fampianaran’ny Evanjely no mandinika ny tenany, sao sanatria ny fikatsahana ny voninahitra ho an’ny tena no hampitozo ny fiainana tsy ho amin’ny fahasambarana fa ho amin’ny hakiviana.
Ny fanontanian’i Filipo dia ny mba hampisehoana ny Ray, ny mba tsy hahakamboty ka sanatria ho tavela samirery eo anatrehan’ny fandaozan’i Jesoa hiatrehany ny sedran’ny Hazofijaliana. Ny valin-tenin’i Jesoa amin’i Filipo kosa dia fiekem-pinoana ho antsika rehetra, Filipo moa dia nantsoiny hanaraka Azy (Jo 1,43-46), nanontaniany mikasika ny mofo (Jo 6,5snm), ilay nitondra ny vavak’ireo grika naniry hahita an’i Jesoa (Jo 12,21snm). Ny fanirian’i Filipo dia faniriantsika sy fanirian’ny olombelona tsirairay avy: te hahita ka hahalala ny tena endrik’Andriamanitra marina tokoa. Averimberiko matetika ny hoe: ny olona dia tsy afaka ny tsy hanahaka ny endriky ny “andriamanitra” tompoiny. Ny fahalalana ny endrik’Andriamanitra marina ao amin’i Jesoa Kristy araka izany no mahatonga ny kristianina hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjelin’i Kristy.
Ny ahafantarana fa asan’Andriamanitra ny asa iray, ary izay no ampahatsiahivin’ny salamo setriny, dia satria Andriamanitra no omen’ny zavaboariny voninahitra, Izy no hihirana antsa vao, satria mahagaga ny zava-bitany. Ny hafa hahita ny asa soa ataonareo, hoy Jesoa dia hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5,16). Izay mino an’i Jesoa dia mahita fa fanehoana ny fitiavan’Izy Ray ny asa ataony, ka tsy afaka ny tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra.
Angatahontsika Andriamanitra mba hahaizantsika manavaka ny fikatsahana ny voninahiny sy ny fikatsahana ny rendrarendran’izao tontolo izao, ka hahafahantsika mitombo marina tokoa amin’ny finoana sy ny fiombonan’aina Aminy.