Alarobia IV Paka
- Asa 12,24-13,5/
- Salamo 66/
- Md Joany 12,44-50
Mialoha ity vakiteny anio ity, dia mitantara ny nanafahan’ny Anjely an’i Piera tao an-tranomaizina ka nitantarany tamin’ny Mpianatra izany nanafahan’ny Tompo azy izany, ary nanaovany veloma ny mpianatra mba hitantara izany asan’Andriamanitra mamonjy ny mpino Azy izany amin’i Jakôba (mazava loatra ilay zanak’i Alfea satria i Jakôba rahalahin’i Joany efa novonoin’i Herôda, jereo Asa 12,2) sy amin’ny rahalahy hafa (Asa 12,17) i Lioka, ary tsy milaza intsony ny momba an’i Piera ao amin’ny Asan’ny Apôstôly raha tsy ao amin’ny Asa 15,7-11, hanamafy amin’ny Eglizy manontolo fa tsy ny fanarahan-dalàna fa ny fandraisana ny Fanahy Masina no hahafahana mizotra ny lalam-pamonjena. Izany moa dia fitohizan’ny asam-pamonjena izay nataon’i Piera rahateo tamin’ny nanaovany Batemy an’i Kornely (Asa 10,44-48). I Herôda (Agripà I izay tonga mpanjaka tao Jodea sy Samaria ny taona 41) moa nampamono ny mpiambina rehetra, fa lazain’i Lioka fa lanin’ny kankana dia maty, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra, mihevitra ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra kinanjo olona tsy maintsy handalo ny fahafatesana ihany, tahaka ny nanjò an’i Antiôkôsa Epifàna (2M 9,1-28).
I Paoly sy Barnabe kosa avy nanatitra ny fanampiana (rakitra voaangona) ho an’ny Fiangonana tany Jerosalema dia niverina tao Antiôkia. Ambaran’i Md Lioka mazava fa ny Fanahy Masina no miasa ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ireo olona manaiky hatokana hanao ny asany, hitory ny Evanjely hatrany amin’ny fara vazan-tany. Tao Antiôkia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnaba (Βαρναβᾶς, zanaky ny faminaniana), Simôna (שִׁמְעוֹן, ilay mihaino), Lisiosa (Λούκιος, hazavana manjopiaka), Manahena (Μαναήν, mpanala alahelo) ary i Saoly (שָׁאוּל, ilay nirina, nangatahina tamin’Andriamanitra). Ao amin’ny fanompoam-pivavahana (λειτουργέω, litorjia) sy ny fifadian-kanina (νηστεύω – nèsteuô) no hitenenan’ny Fanahy Masina. Ary amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka no hahafahana manao araka izay voalazany. Heveriko fa ny fifadian-kanina dia manana ny lanjany manokana satria famolahan-tena mba tsy hitady ny tombon-tsoan’ny tena, fa ny voninahitr’Andriamanitra sy ny soa ho an’ny hafa ihany. Izay tsy mahafolaka na dia ny ho an’ny kibony ihany aza manko, dia hanahirana ny hihevitra fa hahafoy ny zavatra rehetra ka hanokan-tena manontolo ho an’ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fandrosoana sy ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra no mampitombo isa ny mpianatra. Izany fiitaran’ny Evanjely izany dia ambaran’ny Salamo setriny: mitsimbina ny vahoakany Andriamanitra ka ireo midera Azy mba hahafantaran’ny firenena manontolo ny heriny. Ary ny Firenena mankalaza ny fahamarinany kosa indray dia mampiitatra eran-tany ny fahamasinan’Andriamanitra, izay “fiainana ho an’ny mpino, voninahitra ho an’ny manetry tena, ary hasambarana ho an’ny olo-marina” (vavaka fangatahana).
Ny Evanjely dia mamarana ny fitantaran’i Joany ny asa fitoriana nataon’i Jesoa tamin’ny Vahoaka (Jo 1,19–12,50). Mazava loatra fa karazana famintinana ireo hevi-dehibe tiana ampitaina izany: ny fihainoana ny marina amin’ny fihainoana ny teniny, izany hoe ambaran’i Jesoa ny marina avy amin’Andriamanitra ary an-kalalahana tanteraka no hamalian’ny olona izany, amin’ny fandraisana azy na tsia. Manamafy ny fahefana sy ny voninahitra maha iraka Izy, ary milaza fa fisehoan’ilay Andriamanitra Ray ho fahazavana eo anivon’ny vahoakany, izay manome ny didiny ho fiainana mandrakizay, tsy hitsaràna fa hamonjena an’izao tontolo izao. Torolalam-pamonjena moa ny Didin’Andriamanitra. I Môizy, nialoha ny hahafatesany dia nanafatra ny vahoaka mba hanome lanja ny tenin’ny Lalàna, satria io no fiainana ho azy ireo (Dt 32,47).
Raha ny didin’Andriamanitra àry no fiainana mandrakizay, raha io no “fahalalàna an’Andriamanitra” (Jo 17,3), dia tsy afaka ny handova io fiainana io izay tsy mandray ny didy ka mampifanaraka ny fiainana amin’izany fanambaran’Andriamanitra izany. Tsy fihainoana fotsiny araka izany fa fandraisana (πιστεύω – pisteuô, finoana), izany hoe fitokisana amin’ny Teny voalaza. Tsy tahotra no hanarahana ny fampianaran’i Kristy sy ny Evanjeliny, fa ny fahatsapantsika fa tsy misy lalan-kafa mitondra amin’ny tena fahasambarana, izay maharitra mandrakizay, raha tsy amin’ny fihainoana sy fiainana izay voalazan’ny Ray, amin’ny fanarahana ny didy, torolalana napetrak’i Kristy Zanany.
Mivavaha mba ho arakaraka ny hahalalantsika ny marina nambaran’i Kristy no hanamasinantsika ny toe-piainantsika (vavaka fanolorana).