24 desambra
2 Samoela 7, 1-5.8b-11.16/ Sal 88b/ Md Lioka 1, 67-79
Hohiraiko mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo, ambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao. Isaorana Izy fa mamangy sy manavotra ny olona. Izany no ataony dia ny mba hanompoantsika azy tsy amin-tahotra, am-pahamasinana sy am-pahamarinana.
Ray o, nohavaozin’izao fanomezanao mahagaga izao izahay, ka enga anie ho tahaka ny hiomananany hankalaza ny nahaterahan’ny Zanakao mendrika hotsaohina no hahafaly anay hahazo ny soa mandrakizay avy aminy. Ambaran’ny vavaka aorian’ny Komonio fa miankina amin’ny fiomanana ny halalin’ny hafaliana. I Joany Batista no tonga hanomana ny fiavian’ny Mesia, izy no ilay Elia ho avy, hanambara amin’ny olona ny tena famonjena dia ny famelana ny hadisoana.
Tsy isika no hanamboatra trano honenan’Andriamanitra fa izy no efa nanomana lanitra hivondronantsika mba hidera ny voninahiny, tsy noho ny fahamendrehantsika fa araka ny famindram-pony tsisy fetra. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza fa ao amin’ny toerana mampiavosa ny fahotana mahasafononoka ny fahasoavana (prefasy Fiaviana IIB). Lehibe noho ny fahotantsika manko ny famindram-pon’Andriamanitra.
Nanangana tandrom-pamonjena ho antsika izy. Inona moa izany tandrom-pamonjena (κέρας keras) izany? Fandikana ara-bakiteny ny fomba fiteny hebrio, hilazana fa ny tandroka dia manambara hery tsy hay tohaina. Famonjena mahefa, tsy azon’iza na iza toherina izany no hevitry ny hoe tandrom-pamonjena. Tsy hisy hahatohitra ny herin’Andriamanitra izay vonona mandrakariva hanavotra ny vahoakany.
Ny mahavery saina indraindray dia satria afagarontsika ny famonjen’Andriamanitra sy ny famonjena araka ny fanirian’olombelona fotsiny ihany. Ny Zanany maty teo ambony hazofijaliana dia heverin’ny olona ho fahaverezana, saingy ny fitsanganan-ko velona no tao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Ny Tononkira nofidian’ny Fiangonana ho fanombohany ny andro amin’ny Vavaka maraina dia manampy antsika hiaina ny androm-piainana araka izany fandaharan’Andriamanitra izany ka hahafahantsika mizotra amin’ny lalam-piadanana mitondra any aminy, Izy ilay Mpamonjy antsika.
Angatahontsika ny fahasoavany mba hahatsapantsika fa miara-monina amintsika Andriamanitra ary mifampizara ny fiainana ho antsika. Masoandro miposaka avy any ambony izy ka tsy milentika mandrakizay. Tsy sanatria hihilana ka hahatonga antsika ho tratry ny aloka indray, fa masoandrobe mandresy ny aloky ny fahafatesana sy ny fahotana.
Tsy ho fanenjehana aloka na fitantarana aloka intsony anie ny fiainantsika fa hohazavain’ilay Masoandro, ka ho taratry ny famirapiratany, ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fiadanan’ny olombelona tsara sitrapo.