Talata V Karemy
- Vakiteny I : Fanisana 21,4-9,
- Salamo 102,2-3.16-18.19-21,
- Evanjely : Md Joany 8,21-30.
Vakiteny amin’ny fanandratana ny Hazofijaliana (14 septambra) ny vakiteny I. Ny Hazofijaliana izay henatra, satria ny fahafatesana maha afa-baraka indrindra ary nentin’ny tsy mpino nanivaiva ny kristianina sy ny fivavahany no tonga rehareha: ny Amperora Constantin mantsy, tamin’ny taona 335 nandritra ny fitokanana ny Bazilikan’i Jerosalema (Saint-Sépulcre) dia nanangana hazofijaliana voahaingo vatosoa mba hahatsiarovana ny toerana nifantsihan’i Kristy. Hatramin’izay dia tonga haingo sy firavaka sarobidy ny lakroà. Tsy tokony hohadinointsika anefa ny hafatra entiny izay ampahatsiahivin’ny litorjia anio.
Rehefa mandeha any amin’ny tany efitr’i Sinaia dia hafatrafaran’ny “guide” mba hanao kiraro tsara sao voakaikitry ny bibilava kely miafina anaty fasika satria mahafaty (vénimeux). Ny vahoaka Hebrio koa nandalo tamin’izany faritra izany ka nisy voakaikitra ary nahafatesana betsaka. Nisy zavatra hafa anefa nanaikitra sy nampijaly bebe kokoa an’ity vahoaka ity. Fanantenana fahasambarana, tany tondra-dronono aman-tantely no tao an-tsainy saingy venjivenjy tsisy mofo tsisy rano tany an’efitra no nanjo. Efa monamonain’ny hanina tsy fantatra anarana (mānn’ hou) izy ireo ka adinony ny hamafisan’ny fahoriana tany Ejipta. Na isika efa nahalala an’i Kristy aza mbola misy mihevitra tahaka azy ireo ihany, ka nony avy nimonomonina tamin’Andriamanitra sy i Môizy Mpanompony dia nihevitra fa sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra ny bibilava sy ny fijaliana rehetra.
Ho an’ny vahoaka tamin’izany andro izany dia sady famantaram-pamonjena ny bibilava (ampiasaina amin’ny farmasia ankehitriny) no mampidi-doza ihany koa. Voalazan’ny vakiteny anio fa nasain’Andriamanitra nanao bibilava mahamay i Môizy dia bibilava varahina no nataony ka velona izay nijery azy nihantona teo amin’ny tsato-kazo. Araka ny lovan-tsofina dia notehirizina tao an-tempoly tao Jerosalema io bibilava varahina io saingy nopotipotehin’i Ezekiasa zanak’i Akaza (ilay mpanjaka hendry zanaky ny virjiny) satria ho azy dia fanompoan-tsampy tsotra izao izany (2Mp 18,4).
Misy olona tokoa manko mahita ny asan’Andriamanitra asehony amin’ny toe-javatra iray dia lasa manompo iny zavatra iny, ka mihevitra fa raha tsy amin’ny alalan’izay famantarana izay dia tsy hahasitrana na tsy hamonjy Andriamanitra. Ny Mpianatr’i Jesoa koa dia antsoiny ho malina tahaka ny bibilava, hiezaka hidify sy handositra izay rehetra tsy mitondra amin’ny fiainana na sanatria mety ho risika ho an’ny aina. Fantatsika anefa fa i Jesoa no tena “bibilava mahamay”, mitondra afo handoro antsika, ka mibanjina Azy nolefonina isika dia miditra amin’ny Famonjen’Andriamanitra.
Raha olona efa lanaky ny adim-piainana àry ve no hijery ny fatin’Andriamanitra mihantona dia hahazo aina sy ho velom-panantenana? Sa sanatria vao mainka ho kivy satria folaka andry niankinana? Izay no misterin’ny Lakroà: Andriamanitra voasandratra, ka ny nanandratana Azy, hoy i Md Joany no lalana hiverenany any amin’ny voninahitry ny Ray, ka hanehoany amintsika ny maha Ilay Misy (YHWH) Azy, araka ny anarana nomeny mba hahalalan’i Môizy Azy.
Tsy Andriamanitry ny “fahagagana” ny Andriamanitsika fa Andriamanitra “mitoetra” (Emanoela) eo anivontsika ka miaraka amintsika eo anivon’ny fijaliana. “Bibilava mahamay” (שָׂרָף – sārāph) mitovy amin’izay nanaikitra ny vahoaka no nasain’Andriamanitra nataon’i Môizy. Fitovizana amin’ny fahorian’ny vahoaka no endrika tiany hisehoana, fa moramora kokoa ho antsika ny hanompo andriamanitra varahina, afaka maneho hery sy tanjaka. Izay nitodika tany amin’ilay bibilava mitovy amin’ny halemen’ny vahoaka anefa dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, hoy ny Boky Fahendrena, fa noho Andriamanitra, Mpamonjy ny olona rehetra (Fah 16,7).
Mampahatsiaro ny bibilava “nanaikitra” ka nahatonga an’i Adama sy Eva hikomy amin’Andriamanitra izany rehetra izany (Jen 3,1-5). Naniry ny hitovy amin’Andriamanitra izy ireo satria noheveriny ho fahabangana ny maha olombelona naharian’Andriamanitra azy ireo. Andriamanitra kosa, nanaiky ny ho tonga olombelona mba hanehoany amintsika ny hakanton’ny maha zanany, ary nohariany hitovy endrika Aminy antsika. Ny faneken’i Kristy hatramin’ny fahafatesana mahaafa-baraka kosa no lalana itondrany antsika amin’ny fahasambaran’ny lanitra, hiombona tanteraka amin’ny voninahitra nahariany antsika talohan’izao tontolo izao, hoy Md Paoly (Ef 1,4).
Izay tsy mino fa “Izy mihatona eo amin’ny hazo” no voninahitr’Andriamanitra dia ho faty ao amin’ny fahotany. Tsy finoana mijanona amin’ny fikarohana Azy fotsiny anefa izany. Mampandinika ny tenin’i Jesoa hoe: “handeha aho ka hitady ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ianareo”. Tsy sanatria ho fitadiavana Azy mba hovonoina indray ny fankalazantsika ny Paka fa fitadiavana Azy kosa mba hahalala Azy bebe kokoa ka hanahafantsika Azy amin’ny fiainana marina tokoa. Tsy ho hafaliana hihoatra ny fankalazana ny sasak’alin’ny Paka ny fankalazana ny alatsinaininy.
Ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra tokoa anie isika izay mivelona tsy an-kijanona eo anivon’ny zava-masina (Vavaka aorian’ny Kômonio).