ALAHADY FAHA V KAREMY – TAONA B
- Jeremia 31,31-34
- Salamo 50
- Hebrio 5,7-9
- Md Joany 12,20-33
TE HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA
(Lohahevitra mitovy amin’ny Alahady I)
Fitsanganan-ko velona ny fihavanantsika amin’Andriamanitra.
“Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Jr 31,31-34). Tsy fanekena mandeha ila anefa no sitrak’Andriamanitra, izay niampangany ireo razana nivadi-panekena na dia nafahana avy any Ejipta aza, fa fanekena hitandremana ny lalànany izay nataony ao am-pontsika.
Ity alahady ity moa, araka ny nandaharana ireo alahady dimy iomanana amin’ny Paka, no alahadin’ny fitsanganan-ko velona. Tahaka ny fitsanganan’i Lazara ho velona (vakiana amin’ny Taona A) no hitsanganan’ireo rehetra voavela heloka ka mizotra amin’ny lalànan’ny Tompo.
Iza no hanameloka izay nofidin’Andriamanitra! Hoy i Md Paoly (Alahady IIB Karemy Rm 8,31-34). Isika kosa miampanga tena fa manota amin’ny hevitra, amin’ny teny, amin’ny natao sy amin’ny adidy tsy vita. Satria izany fahatsapan-tenantsika ho mpanota izany no mandrafitra ny Eglizy izay masina, satria miray amin’i Kristy, kanefa isika ratsam-batany kosa antsoina hidio mandrakariva.
Ndeha àry hojerentsika ireo vakiteny entin’ny Eglizy mampianatra antsika ny tena fibebahana marina izay hifanenan’ny faniriantsika ho sambatra amin’ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra.
Ny famelan’Andriamanitra ny helony, hoy i Jeremia no hahalalan’ny olona Azy ary izany dia amin’ny fanoratany ao am-pontsika ny Lalàny. Manahirana ihany anefa ny mahazo izany lazain’ny Mpaminany izany, raha toa ka misy hanontany antsika hoe fa maninona no avela haniasia ny olona vao soratana ao am-pony ny Lalàna hahalalany ny Tompo?
Ity vakiteny I ity moa dia nalaina tao amin’ny toko mitantara an’i Rasely mitomany ny zanany lasan-ko babo tany Ramà ka tsy eo intsony (Jr 31,15), izay averin’i Md Matio milaza ny fahoriana nafitsok’i Herôda amin’ny tsy manan-tsiny atahorany hisongona ny voninahiny (Mt 2,18). Saingy tohizin’ny Mpaminany amin’ny teny fampiononana sy fanantenana satria hiverina an-tanindrazana indray ireo lasa tany Niniva, nobaboin’ny Asiriana ny 722 tal. K..
Mialoha ny hanombohan’ny Vakiteny anio anefa dia lazain’ny Mpaminany fa samy ho fatin’ny heloka vitany avy ny olona ka izay mihinana voaloboka marikivy, na iza na iza, dia izy no hadilo nify ihany koa (Jr 31,30). Midika izany fa tsy sazy fa vokatry ny fahotana ny fahafatesana ary ny faharatsiana dia mitondra faharavana ho an’ny mpanota (Oh 13,6).
Lalàna voasoratra tamin’ny takela-bato no nomena an’i Môizy, lalàna nomena ny olona mbola malahelo ny tongolon’i Ejipta, olona mbola mitomany sy nanome tsiny an’Andriamanitra ho nitondra azy ho amin’ny fahafatesana any an’efitra (Fan 14,1-4). Fo vato no nandray ny torolalana ka hoy i Jeremia mamintina ny fomba niainan’ny olona azy: “Fantatro, ry Tompo, fa tsy ny olombelona no tompon’ny lalany, ary tsy hain’ny olombelona mandeha ny manitsy ny diany” (Jr 10,23), ary i Md Paoly aza moa niaiky hoe “tsy ny tsara izay tiako no ataoko fa ny ratsy izay tsy tiako” (Rm 7,19).
Ny fanekem-pihavanana vaovao, izay tanterahin’Andriamanitra amin’ny fanomezany antsika ny Fanahiny, hoy Ezekiela dia ny fanovana io fo vato tsy afaka handray sy hanatanteraka ny Tenin’Andriamanitra io (Ez 36,26) ka anomezany antsika fo nofo, fo afaka hiaiky fa Andriamanitra no Tompo (Jr 24,7).
Ny fahalalantsika ny voka-dratsin’ny fahotana, ary ny fahatsapantsika sy ny fitokisantsika koa amin’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika no lalana tokana hahafahana mitandrina ny didin’Andriamanitra, dia ny didim-pitiavana. Tsy misy afaka mitondra amin’ny famindram-po sy ny fibebahana marina araka izany, afa-tsy izay tena tia satria ny fahatsapana izany fitiavana izany no manova ny fo. Izany no mahatonga ireo olomasin-dehibe nitolona ho amin’ny fanabeazana ny tanora hilaza fa raha tsy azontsika ny fon’ny tanora (izany hoe tsapany fa tiantsika izy ary tia antsika) dia hananosarotra ihany ny asa fanabeazana hafa rehetra (Don Bosco); ary “tsy misy ankizy maditra fa ny tsy ampy fitiavana, ny tsy mahatsiaro ho notiavina no betsaka” (Don Orion). “Tsy kapoka fa fitiavana no fanohitra tena soa”, hoy ny mpanakantontsika mihira (Besa sy Lôla).
Izay mahatsapa izany no afaka hiantsa ny Salamo 50 (setriny) dia milaza amintsika fa ny fieken-keloka sy fangataham-pamelana dia mifototra amin’ny fahatsapana ny halehibeazan’ny famindram-pon’Andriamanitra izay afaka mamorona fo madio sy fanahy vaovao ao anatintsika.
Hita ao amin’ny andininy 4 voalohany amin’io salamo io avokoa moa ireo teny telo hilazana ny fahotan’ny olona sy ireo teny telo koa, hanambarana ny hatsaram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra. Ndeha hoezahina hadika araka ny Fanazavan’ny Kardinaly Carlo Maria Martini azy ity Salamo ity, hahazoantsika tsara ny heviny.
Voalaza moa fa Salamo nihirain’i Davida ity, fony i Natana Mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Baty-Shebà izy (Sal 51, 1), araka izany, dia Salamon’ny olona miaky fa fahasoavana, fanomezana avy amin’Andriamanitra (נָתָן Nātān) ny olona milaza ny tsy mety ataontsika.
Andriamanitra o, Iantrao (חָנַן ḥānan) aho araka ny hatsaram-ponao (חֶסֶד ḥesedh); ary araka ny indrafonao (רַחַם raḥam) miavosa dia fafao, koseho hiala ny fikomiako (פֶּשַׁע pesha`); sasao mba hadio tanteraka ny heloko (עָוֹן ‘āvon) ary diovy amin’ny fahotako (חַטָּאָה ḥaṭṭā’āh) aho.
Tsy ny fivalozantsika na izay fahatsapantsika ho diso fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra, ḥêsêd, hilazana ilay hatsaram-pony tsy mivadika, mahatoky mandrakariva (1Kôr 1,9) satria fitiavan-dRay miantra ny zanany. Ny hoe “miantra” moa, ḥannoun, dia ny hoe mitady izay mahasoa ny olona iray hita fa mijaly ao anatin’ny fahoriany, ary ny indrafony miavosa, ny raḥoum, ilay fitiavany izay fitiavan-dreny, mangoraka noho ny fijalian-janany no iangaviantsika hanesotra tsy ho hita ny fikomiana nataontsika (pēsha‘), izany no angatahana mba hanadiovany izay rehetra nosimbain’ny fahotana (‘āvon) ka tsy mifanaraka amin’ny maha zanany antsika, izany indrafo izany no hitalahoantsika Aminy mba handio (טָהֵר ṭāher, fanadiovana rituelle, nampiasana ny hisôpy, אֵזוֹב – ’ēzôbh, plante médicinale) ny fahotana, hanala izay tsy mifanaraka amin’ny tanjon’ny fiainana, hanala izay rehetra tsy mahasambatra.
Hafaliana mandrakariva ny fahatsapana ho voavela heloka (Sal 50,14) na dia fahoriana sy ranomaso aza no enti-mangataka azy (Vak II Heb 5,7-9) noho ny fitiavana an’Andriamanitra Ray, ary izay hafaliana izay kosa no hanentana antsika hitory ny lalan’ny Tompo mba hiverenan’ny mpanota ao aminy. Ny lazain’ny Vakiteny faharoa hoe i Jesoa nohenoim-bavaka no mistery mifono ny misterin’ny fitiavan’Andriamanitra, satria fijaliana sy fahafatesana no hitan’ny mason’ny olona, fandresena sy fiainana kosa anefa no hitan’ny masom-panahy, mibanjina ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana izay tambin’ny ota.
Ny Evanjely (Jo 12,20-33) dia mampahatsiaro antsika ny fahasarotan’ny fahazoana ny maha Mpianatr’i Kristy marina. I Filipo, izay niangavian’ny Grika haneho amin’izy ireo an’i Jesoa, dia lasa nilaza tamin’i Andre, ary izy roalahy kosa niara-nilaza tamin’i Jesoa.
Tsy hoe sanatria tsy firaharahiana ilay grika tsy akory izany, fa maneho amintsika kosa, fa izay te hilaza momba an’i Jesoa, izay te hiteny sy hiresaka momba Azy amin’ny hafa, dia tokony hahay hiresaka Aminy. Isika miresaka amin’i Jesoa no faratampon’ny fanehoana Azy amin’ny hafa. Izay te hanompo an’i Jesoa, izay te hitory Azy, dia hitoetra amin’izay hitoeran’i Jesoa. Aiza moa no hitoeran’i Jesoa?
Anontanian’ny olona mandrakariva isika, na mivantana na an-kolaka, mba hampiseho aminy ny Jesoa izay inoantsika sy arahintsika. Ny valin-teny azontsika omena, dia izay nomen’i Jesoa ny mpianatra ihany: “Avia ka zahao” (Jo 1,39).
Tsy mora anefa ny mahazo ny valintenin’i Jesoa: raha tianareo ny hahita Ahy, hoy Izy, jereo ny voam-bary afafy, ary raha tianareo ny hahazo ny fampianarako, banjino ny Lakroà, famintinana sy fanatontosako ny asako rehetra.
Izy ihany no mamaly antsika fa “rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany Izy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy”. Izay te hitarika ny olon-drehetra hanatona an’i Jesoa izany, dia mila tafasandratra amin’ny tany miaraka Aminy, hahay hanaiky ny hazofijaliana (Mt 16,24) ka hahatsapa fa ny voninahitra (kābhodh) omen’ny Ray dia valin’ny fanompoana Azy.
Isika no fahazavan’izao tontolo izao ary fanasin’ny tany. Tsy vitan’ny hoe hatonin’ny Jentily fotsiny isika araka izany, noho izy ireo liana te hahita sy hahalala an’i Jesoa, fa adidy ho antsika ny hanova ny tsiron’ny tany (fanasina) hampilendalenda sy hampahazoto ny mpihinana… adidintsika ny manazava ny haizin’ny tontolo amin’ny fahazavan’i Kristy, hahitany fa ao ambadiky ny Lakroà no misy ny hafenoan’ny fiainana. Tsy vokatry ny fahendrentsika anefa na vokatry ny fitia te hisehoseho, fa noho ny fiezahantsika hitoetra mandrakariva eo Aminy, hifampitaona ho any Aminy, tahaka an’i Filipo sy Andre. Raha ny marina araka izany, dia tsy hitondra an’i Kristy ho an’ny hafa isika fa hitondra ny hafa ho any amin’i Kristy, ho an’i Kristy. Efa feno ny fitiavany antsika fa ny fitiavantsika Azy no mbola ilana fibebahana.
Tsy rehareha araka izany ny fizarana an’i Kristy ho an’ny hafa fa adidy manery antsika handinika sy hanamafy ny firaisantsika aina Aminy, ka hahafahantsika milaza tahaka an’i Paoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Ga 2,20)
Tsy mitady koban-dafarinina amintsika i Jesoa hanaovana mofo hamokisana ny vahoaka. Voatsinapy, voambary kely foana, izay eo am-pelatanantsika no angatahiny mba hafoy, halevina ao amin’ny tany mba hahafahany mitsiry, mitombo sy mamoa ary mamokatra. Tsy misy olona afaka hilaza araka izany fa tsy manana omena. Ny fahasoavana feno omen’Andriamanitra ny tsirairay dia tsy natao hotazonina ho an’ny tena, ka ny fizarana azy amin’ny mahantra, amin’ireo tsy manan-kavaly no mifanaraka amin’ny Lalàna vaovao napetrany ao am-pontsika. Tsy mitaky amintsika zavatra tsy nomeny antsika Andriamanitra, saingy miangavy kosa ny hanomezantsika manontolo izay natolony antsika mba hahafahany mampitombo izay teo am-pelatanantsika.
Hoy i Papa François. (Karemy 2021):
Ny fitiavana dia fanomezana manome heviny ny fiainantsika ka amin’ny alalany no hahafahantsika mandray ho isan’ny fianakaviantsika, ho namana sy ho rahalahy izay tojo ny tsy fahampiana. Izay kely ananantsika, raha zaraina am-pitiavana, dia tsy ho lany na oviana, satria miofo ho tahirin’aina sy fahasambarana. Izany no niseho tamin’ny lafarinina sy menak’ilay Mpananotena tao Sareptà izay nanolotra ny mofo an’i Elia Mpaminany (1Mp 17,7-16); ary toy izany koa tamin’i Jesoa nitso-drano, nizara ary nanolotra ny mofo ho an’ny Mpianany mba hozaraina amin’ny vahoaka (Mk 6,30-44). Toy izany koa ny asa fiantrana ataontsika, na kely na lehibe, raha atolotra an-kafaliana sy am-pahatsorana.
Ny hoe miaina Karemin’ny Fitiavana dia midika ho fikolokoloana ireo izay ao anatin’ny fijaliana, ireo tsisy mpiahy sy feno tebiteby noho ny valanaretina Covid 19. Amin’ny tsy fahalalana izay hitranga rahampitso, ka hahatsiarovantsika ny Teny nolazain’Andriamanitra tamin’ny Mpanompony: “Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao” (Iz 43,1), dia atolory miaraka amin’ny fitiavantsika ny teny mampatoky hahatsapan’izay mihaino azy fa tia azy tahaka ny zanaka Andriamanitra.
Izany no mifanaraka amin’ny “lôjika”-n’ny voam-bary afafy, ny fahafoizana, eny fa na izay heverina ho antoky ny aina aza, mba hahazoana ny tsaratsara kokoa. Vavolombelona no ilain’i Jesoa kanefa tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita Azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka ny hahita Azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka Aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka ny hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao.
Izy rahateo no voa nafafin’ny Ray, santatra mba hananan’ny mpamafy voa afafy sy ny olombelona rehetra hanina hahavoky ho amin’ny fiainana mandrakizay (Iz 55,10). Amin’ny fanekeny hilevina, amin’ny fanekeny ho faty mifantsika eo amin’ny hazofijaliana no hitarihany antsika rehetra hanatona Azy (Jo 12,32). Ampahatsiahivin’ny sarin’i Jesoa mihantona eo amin’ny Lakroà Masina antsika fa manohy manompo Izy tafasandratra hiala amin’ny tany, satria mbola mitafy ilay lamba famaohana nisikinany fony Izy nanasa ny tongotry ny Mpianany (Jo 13,4).
Izay tia ny ainy no hahavery azy fa izay mankahala ny ainy (ψυχή – psychè) amin’izao fiainana izao (κόσμος – kosmos) no hitahiry azy ho amin’ny fiainana (ζωή – zôè) mandrakizay. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely torìny. Izany no hahazoana hery hilazana tahaka ny Apôstôly raha tojo ny fanoheran’ny hafa hoe “Tsaroanareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra; fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4,20).
Ny fampiasana ny fiainana araka ny tokony ho izy no mampisy heviny azy. Ampahatsiahivin’i Jesoa koa anefa fa ny fanompoana Azy no hahazoana voninahitra eo anatrehan’Izy Ray. Izay manompo (διακονέω – diakoneô) Azy kosa dia tsy afa-misaraka Aminy.
Roa ny zavatra tsara homarihina amin’izay fiarahana Aminy izay. Ny voalohany dia ny hoe: tsy hanao zavatra hafa ankoatr’izay efa nataony, ka handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanara-dia (ἀκολουθέω – akoloutheô) Azy amin’ny fizorana mankany an-tranon’ny Ray. Izany no hahafahana mihevitra araka an’Andriamanitra ka tsy hahazoana ny teny mafy nahazo an’i Piera hoe : “mandehana ao ivohoko, ry Satàna” (ὕπαγε ὀπίσω μου – hupage opisô mou nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko, Mt 16,23).
Ny zavatra faharoa dia ny hahatsiaro mandrakariva fa “raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika” (Jo 15,5). Izay no iantsoan’i Jesoa antsika “hitoetra ao amin’ny fitiavany” (Jo 15,9), hahatsiaro mandrakariva fa tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no hitiavany antsika ihany koa. Ka raha sanatria tahaka ny namelan’ny Ray Azy ho faty teo ambony hazofijaliana no mitranga, hinoana fa nohenoim-bavaka izy (Vak II), dia hatoky fa Izy Ray ihany kosa no hamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay
“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9,24) [KFK 662].
Manoloana ny hafalian’ny Paka ho avy, raha fahafahana marina ho antsika ny Paka, fanafahana antsika amin’ny gejan’ny fahotana, tahaka ny nanafahana an’i Israely tany Ejipta, dia adidintsika ny tsy hampandeha ila ny fanekena tian’Andriamanitra atao amintsika. Efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana (Rm 5,5) ka hotohizantsika ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary asa fanasoavana ny mahantra izay fiadiana hanoherantsika ny fitiavan-tena sy enti-mandresy ny ratsy miaraka amin’i Kristy, sady efa nomeny ny vatany sy ny rany isika ka tonga rantsambatany anio sy mandrakizay (Vavaka Kômonio).