Alarobia IV Karemy
- Izaia 49,8-15/
- Salamo 144/
- Md Joany 5,17-30
Marina fa araka ny filazan’ny Jen 2,2 dia nitsahatra tamin’ny asany Andriamanitra ny andro fahafito (sabata), saingy araka ny fampianaran’ireo Rabý kosa dia manohy miasa Izy mitahiry sy manome aina izay nohariany sady mitsara izay nindaosin’ny fahafatesana. Araka izany, i Jesoa izay nikolokolo ilay zanak’Israely niandry fahafahana nandritra ny 38 taona, na dia andro sabata (fitsaharana) aza, dia manohy ny asan’Andriamanitra. Tsy afaka ny hahita ny tsara izay tsy misokatra amin’ny fijerin’Andriamanitra, ka tsy mahagaga raha ny hahafaty an’i Jesoa no notadiavin’ireo “Jody”.
Ny firafitry ny toko fahadimy ao amin’ny Evanjelin’i Joany dia miainga amin’ny fiampangana an’i Jesoa (and. 16-17); avy eo Jesoa dia nanazava ny fomba fiasany, niaro tena (apologie and. 19-30, evanjely anio) ka miampanga ireo mpiampanga Azy noho ny tsy fananan’izy ireo finoana (and. 31-47 Evanjely rahampitso).
Hoy Izy namaly ireo Jody nanenjika Azy: “Lazaiko marina aminareo tokoa (Amen- Amen), ny zanaka dia manahaka izay ataon’ny Ray”. Ny Ray dia mampita amin’ny zanaka ny tsiambaratelon’ny asa rehetra, mampianatra ny tsiambaratelon’ny fiainana sy ny fomba hiatrehana azy. Izany no fomba nifandovana teo amin’i Israely. Izay Zanak’Andriamanitra araka izany dia tsy maintsy hianatra, hitombo fahaizana ao an-tranon’ny Ray. Lazain’i Jesoa aza fa hatramin’ny fananganana ny maty dia nianarany tamin’ny Rainy. Ny fiainana mandrakizay dia omeny amin’ny alalan’ny fahefany hitsara ny olombelona rehetra. Ambarany mazava fa “izay mihaino ny Teniny sy mino ilay naniraka azy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina satria efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” (and. 25). Ao amin’ny toko faha enina moa dia ambarany mazava fa ho an’izay mandray ny Teniny sy ny Tenany izany fiainana mandrakizay izany. Tsy fiainana andrasana any amin’ny hafenoany aorian’ny fahafatesana fotsiny izany fa fiainana efa santarina sahady ety amin’ity tany ity.
Na ny maty aza handre ny feon’i Jesoa dia ho velona. Ambaran’i Joany mazava fa i Jesoa no ilay “Zanak’olona” voalazan’ny Mpaminany (Da 7,13-14) ka ny asan’ny olona ihany no hitsara azy: hanome hasina ny fiainany na sanatria an’izany haha fakofako azy ka ariana any amin’ny Gehena (fandoram-pako); fa etsy ankilany kosa, ny Fitsaran’Andriamanitra ho antsika mbola eto amin’ity fiainana ity dia manome antsika ny fahasoavana rehetra mba hahafahantsika mifaly sy ho antom-pifaliana ho an’izay nomeny ho tia sy hotiavintsika. Ny hahavonjy ny olona rehetra manko no sitrak’Andriamanitra. “Tsara fo amin’ny asany rehetra Izy, ary manohana izay rehetra lavo satria tsara fo amin’ny olona rehetra”, hoy ny Salamo 144 (setriny). Izany koa no tsy maintsy fanirian’izay te ho zanany ka hiara-miasa Aminy.
Ho an’izay manabe zaza, izay toerana sy fianarana ary zavatra ironan’ny sainy no hivelaran’ny fahaiza-manaony. Ny famindram-po no hanabeazan’Andriamanitra ny zanany rehetra isan’andro isan’andro, mba hahatonga antsika koa ho mpamindra fo tahaka Azy. Fa na hanadino ny taizany aza ny reny, hoy Izaia Mpaminany dia tsy mba hanadino antsika Andriamanitra, fa mitady fomba mandrakariva hiantsoany antsika hivoaka avy amin’ny fahababoana mety mahazo antsika, hanome sakafo, hanamboatra lalana, saingy safidintsika ny hihinana sy “handeha” hizotra ho any amin’ny hafaliana sy ny firavoravoana na tsia. Manome antsika sakafo ny Tompo fa tsy manery antsika hihinana; manamarina ny lalantsika Izy fa tsy misolo antsika hanao izay dingana tandrify antsika. Malahelo anefa Izy ary miandry ny hiverenantsika raha sanatria nanapa-kevitra handao ny Tranony isika.
Ho haintsika anie ny hihaino ny Tenin’i Kristy ka hivoahantsika avy ao amin’ny aloky ny fahafatesana mba hizorantsika ho any amin’ny hafalian’ny Paka.