Alakamisy III Karemy
- Jeremia 7,23-28/
- Salamo 94/
- Md Lioka 11,14-23
Mizotra mankany amin’ny Paka isika, miomana isan’andro amin’ny fanavaozana ny toky nomena tamin’ny Batemy. Ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana anio dia mampahatsiaro antsika ny maha zava-dehibe ny fihainoana sy fitoriana ny Teny. Amin’ny Batemy dia Izy Kristy no manasitrana antsika amin’izay tsy fahaizantsika midera an’Andriamanitra, satria tsy nahay nihaino ny teniny isika. Ampahatsiahivin’ny litorjian’ny Batemy fa “i Jesoa Tompo, nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana, no manampy antsika handre haingana ny Teniny sy hitory ny finoana Azy, hanomezana dera sy voninahitra an’Andriamanitra Ray” (Efeta).
Lazain’ny Evanjely anio fa moana (κωφός– kôphos) ilay demony noroahin’i Jesoa. Mazava loatra fa tsy afaka miara-mitoetra ny “Teny” sy ny “moana”, saingy κωφός raha ny marina dia ny fifangaroan’ny feo, fiteny tsy mazava, mibadabada satria misy olana koa amin’ny fandrenesana, ka izay fahatapahan’ny fifandraisana amin’ny tontolo manodidina izay (fototeny – κόπτω koptô) no antom-pijaliana. Tsy ny sofina sy ny lela ihany anefa no voa, amin’ny evanjely anio, fa ny maso ihany koa (Mt 12,22 dia tsy olona hafa no jamba fa ilay azon’ny demony ihany). Nahita ny asa soa nataon’i Jesoa ny vahoaka dia talanjona, saingy tampina ny masony ka tsy afaka nahita ny “rantsan-tanan’Andriamanitra” nandroaka ny Demony, ny sasany mbola nitady famantarana hafa.
Inona no anton’izany rehetra izany?
Ambaran’i Jeremia Mpaminany fa tsy sasatra ny nandefa olona hitory ny Teniny Andriamanitra, saingy tsy mihaino ny vahoaka. Naleony nanary dia amin’ny fombafomba isan-karazany, izay sady mampidi-bola no hahazoana voninahitra. Tsy azon’ny saintsika eritreretina ny vola nampihodina ny Tempoly (biby atao sorona, kitay, emboka, fanakalozam-bola, fifamoivoizan’ny olona…). Noho ilay vahoaka tsy nihaino anatra, dia very ny fahamarinana, hoy ny mpaminany, tsy eo am-bavany intsony, ary izay tsy milaza ny marina dia mitovy amin’ny moana, na ratsiratsy kokoa noho izany aza.
Avy nampianatra ny mpianany nivavaka i Jesoa no nanasitrana ity azon’ny demony izay tsy niteny tsara ity. Tsy ny Jody ihany no very tamin’ny fombafomba, fa na isika kristianina koa aza, raha tsy mitandrina, dia mety ho very amin’ny vavaka plì-vava, amin’ny vavaka atao tsianjery, ka sady tsy miloatra avy amin’ny fo no tsy maninteraka ny fiainana, hany ka tonga fombafomba fotsiny ihany.
Averimberiko matetika ka alaiko ohatra mba hahazoantsika izany ny olona mivavaka alohan’ny sakafo: “tahio ireo nikarakara”, dia roa segondra aorian’izay mitabataba mibedy ilay nikarakara satria mety tsy ampy na nangidy sira ny laoka; “ampianaro izahay hifampizara”, dia avy eo nahazo taolana dia mimenomenona satria nahazo tsaratsara kokoa na naka bebe kokoa ny sasany.
Manoloana ny loza (valan’aretina, tondra-drano, rivodoza, ady…) dia misy karazam-bavaka rehetra izao mipongatra etsy sy eroa. Tsy entam-barotra tsy akory ny fahasoavana, na sanatria lavanty ka izay mahasahy be no mahazo azy. “Gratias”, maimaim-poana satria fanomezam-pitiavana, ka rariny ny nilazan’i Md Cyprien hoe tsy hoe “tsy fahalalana fotsiny fa fahadisoana mihitsy ny mivavaka amin’ny fomba hafa ankoatr’izay nampianarin’i Jesoa antsika”. Ny vavaka rehetra, araka izany, dia natao handinihana ary hiainana ny “vavaka nampianarin’i Jesoa”, izay famintinana ny fiainany, hoy Md Benoît. Ny fanaovana litanian’ny Olomasina dia mba hahatsiarovantsika fa ny fanahafana ny fiainan’izy ireo (tahaka ny nanahafany an’i Kristy) no lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana, ary tsy irery isika fa fiombonan’ny olomasina miara-mizotra mankamin’ny hafenoan’ny fiainana. Ny ankoatra izay dia mety ho fanompoan-tsampy ihany.
Ny fahaizana mihaino no fanovozana eo amin’ny loharanon’ny Teny: na ny teny ataontsika amin’Andriamanitra izany (vavaka), na ny teny lazaintsika amin’ny hafa (fitoriana) na ny teny raisintsika ho an’ny tenantsika (fomba fiaina). Ny tsy fanekentsika ny Teny no mahatonga ny maso ho jamba ka tsy afaka ny hahita intsony ny asan’Andriamanitra. Ny “sasany” hoy ny Evanjely, tsy afaka ny hifaly amin’ny soa ataon’ny hafa, ka rehefa tsy izy no manao azy (protagoniste) dia manakiana no ataony raharaha. Tsy ny soa amin’ny maha soa azy manko no katsahiny fa ny voninahitra ho an’ny tenany. Dia mazava ny tenin’i Jesoa amintsika: rava ny firenena miady an-trano, izay tsy miara-mamory Aminy dia manahaka.
Mila manontany tena mandrakariva isika ny amin’ny antony hanaovantsika zavatra iray, sao sanatria tsy mamory miaraka amin’i Kristy isika fa mamory ho an’ny tenantsika. Mampalahelo ny mahita kristianina tsy faly satria rava ny prôgramany, noho ny fandaminana kely tsy maintsy atao ao am-piangonana na ao an-tokantrano, nefa nisy zavatra lehibebe kokoa tsy maintsy hiombonana amin’ny hafa. Izay mamory miaraka amin’i Kristy dia mahatsiaro mandrakariva fa ny Voninahitr’Andriamanitra no mampiombona, ny voninahitra tadiavina ho an’ny tena manokana kosa dia mampisaraka.
Ho haintsika anie ny hanokatra ny fontsika amin’ny Tenin’i Kristy, ka tsy handany fotoana amin’ny fihainoana ny tenin’izao tontolo izao, izay mety hanampy, ary manampy tokoa, raha hohazavain’ny Tenin’i Kristy, fa raha tsy izany kosa dia ho moana ihany, hanakana antsika tsy ho afaka hanome voninahitra an’Andriamanitra.
Handio antsika ho afaka amin’ny haratsiana rehetra anie ny Tompo ka hiaro antsika tsy hiraiki-po amin’ny hafaliana sandoka fa haniry hahazo ilay valisoa manambara ny fahamarinany efa nampanantenainy antsika (vavaka fanolorana).